lundi 7 janvier 2013

2013. TAOM-PIHAVANANA.



“ Ny Fihavanana, tahaka ny lamba. 
Vao voninahitra, maloto adidy, rovitra andraikitra.
Raha very, maharary ”.

Taom-pihavanana ity taona 2013 ity.



Vaky masoandro ! Mifoha olona eto Madagasikara. Taom-pihavanana ity taona ity. Aoka hidanadàna ny seham-pifidianana andrandrain’ny be sy ny maro. 

Manaloka andro tokony hihiratra raha toa ferana amin’ireo antoko pôlitika, misoratra ara-panjakana na tsia, ny velaran-tsafidin'ny olompirenena amin'ny fifidianana isan'ambaratonga.

Misy fanjakana toavim-bahoaka tsivakivolo rahateo ve eto Madagasikara mandritra izao tetezamita lavareny izao ?

Iza no sahy hijoro hoe notinendrim-bahoaka amin'ireo mpanora-dalàna ireo na koa voahosotra ara-penitra amin'ireo mpampihatra fahefana rehetra ireo ?

Io hosokoso-panjakana io ve no hihambo hamaritra izay hitsiny ho antsika mianakavy mpandadilady rariny ?

Andiam-pifikafika pôliFika mpitanty rà-kena ve no hany ifidianana koa rehefa tsy fositra dia amboalambo ?


Ilaina avaozina tanteraka hatrany ifotony ny fandraharahàna pôlitika eto Madagasikara.

Mialoha izany, tokony hirànga avy ao antrokiben’ny fiarahamonina malagasy izay olona hiloloha ny Hasim-pahefana isan’antanantohatra, ifotony hatrany an-tendrony. 

Aoka izay ny fandrafetan-drafitra pôlitika tandrametaka anjakan'ny fanjanahàn-tsafidy. 

Kitoatoa sy vonjy tavan’andro fotsiny ny lalàna voatondro ifampifehezan’ny antoko pôlitika ankehitrio. 

Kononkonon'ny mpanao saloboka omana toa ny ankamaroan'ny didy aman-dalàna navoaka nandritra ny tetezamita.

Ny lalàmpanorenana amboletra tamin’ny 2010 aza moa voalobo-jaza notaza-manta fotsiny. Mampifandrirotra fa tsy mba mandrary Fihavanana.


Mirotsaka ho fidiana ankalalahana izay asesik’eritreritra ho amin’izany adidy masina izany.

Aza asiana valavalan’antoko pôlitika, boto faniraky ny mpifikafika pôliFika.

Aza asiana sakantsàkana amin’izay “ Ni... Ni... ”. Na Rangory, na Ramàka.

Aza asiana fiatsaram-belatsihin’ “ amnistie ” gaborarakin'ny mpiray petsapetsa.


Olom-baovao, olo-mendrika mahitsy fo, no mikarakara fifidianana mangarahara.

Rafitra mpanatanteraka fifidianana ihany no ilaina dia izay.

Foanana ny fitondràm-panjakana matoatoa ankehitriny sy ny forongony rehetra.

Izay mikàsa handray anjara amin’ny fifidianana, na hanohan’olona na antokon’olona, mialà amin'ny fibaikoam-panjakana dieny izao. 

Avotsory ny fahefana nosandohana hatramizay, miverena ho olon-tsotra koa ndeha hitandahatra eny antanim-boanjom-pifidianana. 


Ny ambanilanitra no mandatsa-bato mifidy.
Ny tany aman-danitra no mpanamarin-tsafidy.
Andriamanitra tokana irery no fanalahidin'ny Didy.


“ Ny Fihavanana, tahaka ny lamba. 
Vao voninahitra, maloto adidy, rovitra andraikitra.
Raha very, maharary ”.

Taom-pihavanana ity taona 2013 ity.