dimanche 12 avril 2015

TSIPAK’OMBALAHY.

Mpitandro aina koa sarotim-pihavanana ny mpanazary. Aleony misoroka toa izay mitsabo. Dieny mbola fotoanany dia atsipiny ny teny. Tsipak’ombalahy. Mahavoa, mahafaty. Tsy mahavoa, mahafanina.

Anjara nofinidy sady natolo-bahoaka ny fitondrana firenena. Saropady. Ary raha andraikitra natolotra, nekena an-tsitrapo ihany koa fa tsy novozonana. Sarobidy.


Raiamandrenin’ny sarambabem-bahoaka, hono, ny mpitondra. Na mibolila aza itandritandremana toa mitaky trosa amin’andriana. Saingy ny anio ho vita ihany fa ny ampitso mila tsinjovina. Koa manao ombay làlana, raondriana, raha hanao teny tsy ankisorona ny mpanazary.


https://www.youtube.com/watch?v=10pUTObgIog

KERE

Nanao reportage ny tena tamin'ny 1991, fony mbola niasa tao amin’ny Radio-Madagasikara. Ny tatitra izay niainana sy hita maso ary nampangotsoka no nananganana dossier nikasika ny KERE tany Atsimo. Ny Programme Alimentaire Mondial no niantoka ny kojakoja nanatontosana io reportage radiophonique io.

Dokotera nomen'ny mponina tany solon'anarana hoe "Rambô" no niandraikitra ny lahasa makadiry ho an'ny PAM tany Ambovombe tamin'izany fotoana izany.

Natolotra nivantana an'Andriamatoa José Bronfman – tomponandraikitrin’ny Banque Mondiale tamin’izany fotoana - sy ny Praiministra Razanamasy io dossier io. Tafajoro ny Opération KERE SOS SUD. Voin-kava mahatratra sy tsipaipaika fa nahavita izay vitany nohon’ny tohivakam-pifanampian’ny nalala-tànana rehetra. Ankasitrahana ampahabe-maso eto avokoa izy ireo.

24 TAONA aty aoriana ! Mbola izao ihany ny zava-misy any Atsimo ! Kere, kere, kere !! Efa antsasa-manilan’ny mponina no tsy mahita arapaka. Efa raketa mena no ifandrohitana. Aza manody izany voatery mihinana voan-draketa mena ! Efa voatery nihinana ny tena, matoa mahalala. Aza manjo izany mahita maso zazakely tazonina aina amin’ny kily laroina tany ravo !


https://www.youtube.com/watch?v=10pUTObgIog

 TAVOZAVOZA

Mitavozavoza loatra avokoa, rehefa tsy mangala-pihinana vary sosoa andovian-jaza madinika, ny ankamaroan’ireo mpitondra ankehitriny eo anoloan'ny fahorian'ny Malagasy. Tsy ambanivolo, tsy antanàn-dehibe !

E koa ity antambo any Betroka ankehitriny ! Efa hatramin’ny 2011 Ingahy D’Gary no nanaitra ny sain’ny be sy ny maro mikasika io fifamonoana any Betroka io. Ankehitriny, vao mainka nihitatra. Mandoza !!

Ràn'olombelona ankehitriny no mijininika mamonto ity tany masina ity. Hanody ny tomponandraikitra isan-tsokajy io fa tsy ho vitavita mora foana. Fady ràn'olombelona ity MADAGASIKARA tanim-bazimba ity ! Indrindra nanomboka tamin'ny 19 febroary lasa teo.

Sao tsy hahadingana ny volana Jolay 2015 eo ireo mpitondra be kabary, mpitaribato vilam-bava ireo ! Efa niainga anie ny " Révolution Vazimba " ê.

Hamaivan’izireo loatra koa ny Hazolava isahiranan’ingahy Théo Rakotovao mikasika ny fandrotehana tsy ampiheverana ny Ala Mikéa. Mitahiry hasina tsy takatrin’ny marivo salosana anie io Ala Mikéa io, rey olona ê. Tsy ho leon’ny tsikalakalam-bola mandrakizay.

Hodian’izireo fanina ihany koa ny fanandevozana mianjady amin’ny tompontanin’i Horombe. Basy no arangarangan’ny mpivovon’ny misoratena ho mpandrafitra tetikasa goavana. Mitahiry ivon-drohotany isan’ny saropady indrindra eto amintsika io faritra io. Iaraha-mahalala izy izay.

Rahoviana ny mpanapaka eto amin’ity firenena ity vao hisaintsaina ny ankibon’ilay antso avon’ingahy Olombelo Ricky mikasika ny Kadasitr’i MADAGASIKARA ? Atsaharo, hoy io olobe io, ny fahazaran-dratsy mamoehatra “ Manjono anaty koveta “.

Sy ny sisa, sns. Rehefa mitsoaka fahoriana hatrany ambanivohitra lavitra andriana ny Malagasy tsy manam-piahy dia mifatratra any amin’ingahy Père Pedro ny ankamaroany. Sa koa io olon’ny fo io no vody fahatra fanilihana ny rihatra ateraky ny fitavozavozan’ny mpitondra fanjakana ?


https://www.youtube.com/watch?v=10pUTObgIog

TSIPAK’OMBALAHY

Teny atsipy izao ho an'ireo mbola itampifiam-panahy ihany, any antsefatsefan'ny fitondram-panjakana any. Efa voaisa ny fotoam-panapahan’izy rehetra rehetra ireo. Na inona haja iamboany, na inona voninahitra isalorany. 

Ary enga anie izireo tsy hampiasa herisetra rehefa kibokiboan'ny marina sy hianjadian'ny rariny. Izay mitonantonana mahalatsa-drà amin'ity tany ity, na mpitondra io na mpanohitra, ifoteran'antambo tsy misy hatakandro.

Tandremo ry mpitondra isan-tsokajiny ny tanjak'izao teny mipàka amin'ny tany aman-danitra izao. Teny iloaka ny vavan’ny vaky lela izao !

Efa niandoha tamin’ny 19 febroary teo ny “ Révolution Vazimba ”. Ary miha-miridana.

Manivana io ny tany. Mikororoka izao ny voaàry. 
Mampodia fanahy avokoa raha mbola mihevi-tena ho mpiankandrefam-baravarana ihany.

Manasa tànana iny Ikaky Ravaho, 
Mpanazary manokan-tena ho an'i MADAGASIKARA.


https://www.youtube.com/watch?v=10pUTObgIog

dimanche 5 avril 2015

Mpanazary mampaneno lakolosin’ny Paska.


TSO-DRANO

Mahatratràra avokoa ny Paska analin-kisa hifandimby, tompokolahy sy tompokovavy.

Fankalazana ny andron’ny Paska izao anoratako izao. Ny Paska dia fahatsiarovana ny fahasahian’i Jesosy Kristy nanaporofo imason’izao tontolo izao ny fandinganana ny antsoin’ny terak’olombelona hoe fahafatesana.


Tsy inona akory ny fahafatesana fa fiampitàna tontolo roa mifandrohy. Noporofoin’i zoky Jesosy Kristy fa vao mainka aza izy nihavelona lalandava. Dera sy laza ary hobin’anjely no mendrika izany fandresena goavana izany. Tsy misy fijoroana ho vavolombelona mandilatra an’izany. Ary nataony izany mba ho tahafintsika tsirairay avy.

Matokia, hoy i zoky Jesosy Kristy, ary aza malahelo velively satria misava làlana ho an’ny Mpananatra no antony andehanako. Ho mby amintsika mianakavy tsivakivolo tokoa anie ny Fanahy Masina ka homba antsika tsirairay avy. 

Mirary antsika hiaina finaritra sy hankalaza izany, tompoko, ny mpanazary. Koa samy hahatsiaro izany isika mianakavy rehefa tahiany migadona ny Pentekôsta, fanamarihana eo amin’ny tontolo kristianina ny fiavian’ny Fanahy Masina.

Mampaneno ny lakolosin’ny Paska ny mpanazary mba handrisika antsika hiroso amin’ny lalindalina kokoa hatrany eo amin’ny fiainam-panahy madio mangarangarana, hotronin’ny fo diboka fitiavana, saina matsilo henika fahendrena ary indrindra indrindra vatana tomady iriririavan’ny herijikan’ny voaàry iray manontolo.

Samia velon’aina, tompokolahy sy tompokovavy.

Kabotsintsina efa-dravina: finoana, fanantenana, fitiavana, fanambinana
Maniry aty Vakinankaratra, asombolantany ara-drohotanim-bazimba.
PARTICULE DE DIEU

Miramarama ankehitriny ny science physique. Mikatsaka mafy ny hamantatra ara-tsiantifika izay mbola kobonin’ny antsoina hoe « particule de Dieu ». Araka ny fikasan-dry zareo mpiandraikitra an’io raharaha io dia ato ho ato, ankerinandro raha ho ela hono no tian-dry zareo anatanterahana izany, Ito ny rohy fanampim-panazavana :


Miferonaina ny Pape François eo anatrehan’izany ! Nanao fanambarana tamin’ny 20 marsa 2015 hoe : « Atsaharo hatreo io expérience io. Aza hihoarana ny fetra napetrak’Andriamanitra. Hampibanabàna ny helo izany. Loza aman’antambo !!!”. Ito ny rohy fanampim-panazavana:


Ankilan’izay, maro dia maro ny siantifika velon’ahiahy fatratra hoe handrava hefa ny tombo nomen’Andriamanitra ny “matière” eo anatrehan’ny “anti-matière” izany. Io tombo kely io anefa no afahantsika miaina ety ambonin’ny tany. Hanokatra hirika fifandrohizana amin’ny “univers parallèle” izany. Tsy hay veroka ny ho ambadik’izany.

Ary farany, ahiana hiteraka “micro trous noirs” ao anatin’ny “matière” izany. Loza aman’antambo raha sanatria izany, hono, no hitranga satria 1 mètre cube amin’ny herijika anatin’io “matière” io dia mahavita mampangotraka ny ranomasimbe maneran-tany. Noho izany, tsy hita pesipesenina izay sanatria aterak’ireo “micro trous noirs à l’échelle de la galaxie. Apocalyptique !”.

Mampivarahontsana ilay “hypothèse réaliste pessimiste”, ry havako isany !

Kabotsintsina efa-dravina: finoana, fanantenana, fitiavana, fanambinana
Maniry aty Vakinankaratra, asombolantany ara-drohotanim-bazimba.
OPTIMISME DU MPANAZARY

Mpiasaben’Andriamanitra mikolokolo finoana-fanantenana-fitiavana-fanambinana mahasehaka ny tany aman-danitra ny tena Mpanazary koa mihevitra hoe :

Zana-kevitra voalohany

Rehefa izay no sitrapon’ny siantifika dia aleo tsirihany any izay fonosin’ny “particule de Dieu”. Fady alahatra amin’izay olombelona i Andriamanitra Mpaàry izao rehetra izao ka sanatria ny vava ho voaboridan’izay siasia siantifika.

Azo antenaina hampody saina ny olombelon-drehetra ny fahombiazan’ilay expérience scientifique. Ahatsapan’ny mafy loha, sady mangidy fo, fa hay efa ao anatiny ao ihany ito itadiaviny porofo any ivelany ito. Mety hiteraka fivelaran’ny ”conscience cosmique” ho an’izay mpanjono anaty koveta, toa ny filazan’ny vazimba mpanazary Olombelo Ricky, azy izany. Aleo ho tonga saina ! Mba ho tonga fanahy feno kokoa !!

Zana-kevitra faharoa

Raha tena sitrapon’Andriamanitra izany fitsirihana ankibon’ny “particule de Dieu” izany dia ho tanteraka. Raha tsy sitrapony dia tsy ho vanona izany expérience scientifique izany. Mbola millions de dollars no mila voahangon-dry zareo vao afaka hanatanteraka an’io. Ho voahangony ve ? Asa re !

Zana-kevitra fahatelo

Na inon-kidona, na inon-kihatra, manana fanefitra isika rehetra mamaky izao lahatsoratra izao. “Fantaro ny zava-drehetra koa fihino mafy izay tsara ». Zahao ireto rohy ireto satria ato no hahitan’ny tsirairay fanampim-panazavana ahatsirihana ny fanefitra :

Mondes intérieurs, Mondes extérieurs. 1ère partie :


Mondes intérieurs, Mondes extérieurs. 2ème partie :


Mondes intérieurs, Mondes extérieurs. 3ème partie :


Mondes intérieurs, Mondes extérieurs. 4ème partie :


Aseseo tsirairay izy ireo satria mifampiankina ny fanazavana. Antsasakadiny monja no faharetan’izy ireo tsirairay. Mety ho ny fiainanao iray manontolo, miampy ny an'ireo olon-tianao sady tia anao, no ho soavin’ny fahalalàna sy fampiharana izay voarakitra ao. Anao ny safidy.

Zana-kevitra fahaefatra

Rehefa voadinika antsakany sy andavany ireo fanampim-panazavana voalaza etsy ambony ireo dia ampiharo izay sahaza anao. Ho an’ny mpanazary eo ampanoratana izao dia mikolokolo fatratra ny tenany izy mba hiranga sy havitrika ny kundalini ao anatiny ao. Io kundalini io no velon-driaria, aleo hipoaka izay hipoaka !

Fantaro fa ilay Mpananatra resahan’i Jesosy Kristy, ilay antsoin’ny kristianina hoe Fanahy Masina dia kundalini no anarany ho an’ny fahendrena tatsinanana lalimpaka.

Tsotra ny hafatra: 

Kolokoloy ny sehatra mampavitrika ilay kundalini ao anatinao ao dia hahatoky tena ianao na inon-kidona, na inon-kihatra.

Zana-kevitra fahadimy

Raha sanatrian’ny vava ladian’ny lela ka higadona ihany izay antambo, ny Malagasy monina eto Madagasikara dia manana tombon-dahany manokana. Antony nanoratana sy izarana maimaimpoana ny REVOLUTION VAZIMBA, fascicule de mobilisation izany.

Ny vazimba resahana ao dia “concept générique”. Izany hoe ilay Olona mitohaka mivantana amin’ny loharanon’aina Mpaàry. Olona mahavelona ny kundalini ao anatiny ao. 

Olona générique no tian-kambara fa tsy olona historique. Vazimba générique no tian-kambara fa tsy vazimba historique. Ny hoe générique dia ilay vahatra, ilay hatrany amboalohany, le premier modèle créé par le Saint Esprit à son image.

Koa velomy ilay kundalini satria io no rohy, azo tsapaim-batana, amin’ny Saint Esprit.

Zana-kevitra fahaenina

Efa ambaran’ny Révolution Vazimba ny hasina manokana mitaiza an’i Madagasikara sy ny Malagasy miraikim-po, miraikin-tapisaka amin’i Madagasikara. Izay Malagasy tafajoro ho mpanazary satria mahatoha-tsofina ny feon’ny fieritreretany ka manatanteraka izany amin’ny antsakany sy andavany, mpanazary maharànga ny kundalini , dia afaka miriaria ampiadanan-tsaina.

Na inon-kipoitra, na inon-kiseho, Alakaosy i Madagasikara. Na ho rendrika aza izao tontolo izao nohon’ ny siasian’olombelona, i Madagasikara tsy maintsy hihangana. 

Ary ny mpanazary tsy maintsy tafita. Indrindra fa ny mpanazary Malagasy. Indrindra indrindra ny mpanazary Malagasy mahavatra monina eto Madagasikara. Tampony amin’izany, ny mpanazary manasoa lalandava tsy ankitaky setriny na ankiandry tambiny an’i Madagasikara.

Tokana an-tany ito tany masina diavintsika isanandro eto an-toerana ito.

Kabotsintsina efa-dravina: finoana, fanantenana, fitiavana, fanambinana
Maniry aty Vakinankaratra, asombolantany ara-drohotanim-bazimba.
RASAVOLANA

Tsy milingilingy mitonon-tena ho mpaminany ny mpanazary manoratra izao fa mpandinika zava-dalina fotsiny. Mpanazary Ikaky Ravaho fa tsy mpaminany.

Enga anie, tsy hisy hikitikitika intsony izay ankibon’io “particule de Dieu” io.

Ary raha ho voakitika ihany dia rariana sy tsofin-drano hiteraka “conscience cosmique universelle” ao amin’ny tsirairay izany.


Raha sanatria antambo, HO FOANA ANIE IZANY ! 

Kabotsintsina efa-dravina: finoana, fanantenana, fitiavana, fanambinana
Maniry aty Vakinankaratra, asombolantany ara-drohotanim-bazimba.

Fomban'olon-tsotra ny milaza hoe ny amisavisàna ny ratsy, mba iavian'ny soa. Fomban'olo mahiratra ny misoroka toa izay mitsabo. Fombam-bazimba ny misikin-damba, vonona lalandava miatrika izay holikolim-piainana. Fomban'ny mpino ny manankim-po amin'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra.

Ny ampitso, ankibon'ny omby, hoy ny ntaolo. Koa miambena raha mbola olom-panahy ihany. Miomàna dieny izao koa mijoroa ho Mpanazary mahafatra-po. Kolokoloy ny sehatra ivelaran’ny kundalini ao anatinao ao.

Toa ny mikolokolo voninkazo faran’izay sarotiny indrindra ny mikarakara kundalini.

Diovina ny eritreritra. Ahitsy avokoa izay mety ho bingom-po. Fadiana ny amboletra. Fadiana ny teren-ko masaka toa voalobo-jaza. Masahana ny tany, laroina zezim-pahatra, tondrahana ankazotoana fa tsy atao raharaha fe raharaha. Rakofana fitiavana. Tsofin-drano lalandava. Araha-maso marain-tsy hariva.

Ny manodidina ny kundalini ihany no tokony isahiranana. Anjarany ny mitombo tsimoramora rehefa hitany hoe feno ny fepetra ilainy.

Ny fepetra voalohany takiany ?

Henoy ny feon’ny fieritreretanao ary tanteraho antsakany sy andavany sady ankafaliam-po.

Ny fepetra famenony ?

Mianàra teknika fahita any amin’ny chi-kung, tai-chi, aikido, karaté-do, iaï-do, tae-kwon-do, yoga, sns. Aza misalasala manontany izay mpahalala sy efa za-draharaha kokoa. Manafaingam-pianarana mantsy izy ireny mikasika ny respiration, posture, ... Circulation énergétique no tena ilaina fantarina. 

Ao ankibon’ny antsoina hoe méditation no mitoetra ny fanalahidin’ny kundalini.

Ry havako isany,

Mijoroa ho Mpanazary !

Omeo Hasina i Madagasikara !!

Mpanazary mampaneno lakolosin’ny Paska !!!

Ikaky Ravaho, mpanazary manokan-tena ho an’i Madagasikara.


034 08 720 04
vahombey@gmail.com
12 A 10 Antsenakely Antsirabe 110