dimanche 27 septembre 2015

ALAKAOSIM-BOLANA ADIZAOZA 2015

Ela dia ela nitsakotsakoana aho vao tapakevitra hampita izao torohay manaraka izao. Tsapako ho adidy aman’andraikitro izany amin’ny maha-zokinjokiny ahy koa tanterahako ampitiavana sy ampanetren-tena. Raha sanatria mampifandipatra, … Ny teniko ariana f’izaho kosa tsinjovy mandeha fa havanareo.
Malaza maneran-tany ny diavolana rahalina faha-27 septambra 2015. Indrindra fa ny ampahany fahatelo izay hanomboka amin’ny 3 ora maraina aty amintsika. Samy manana ny filazany. An’ny tsirairay no manatanteraka izay mahadiavolana ny sainy.
Tolokevitra toa ny rehetra ito ho aroso ito. Voankazo an’ala, ara-pitenenana. Haneho jerim-bazimba izy ity. Tsy faminaniana fa vinavina. Fehin-kevitra naravona avy tamin’ny torohay samihafa. Ankasitrahana etoana ireo loharano nipoirany. Tsy ho voatanisa koa ialàn-tsiny, ialàm-pondro.

Araka ny tetiandro vazimba Vakiantety, vava alakaosy anio ary vody alakaosy rahampitso. Ny volana: Adizaoza, mahamaro anaka sady mahabotrabotra taranaka. Toa hitako hatrety ireo Malagasy kely be dia be miriaria finaritra ery ! Ho tena Andriamanitra, aby ê !

HIRIKA !
ALAKAOSY
Tena tsara ny vintana alakaosy. Ireo ray aman-dreny mpifori-drambo andavanandro no saro-tahotra raha man’anaka alakaosy. Ireo mpitantam-pahefana sadasada fanapahana sy voretra fitondrana no mavozo faty ny alakaosy.
Izay olom-pehezina toa ny zanaka - zandry – mpiasa - vahoaka, ireo no alakaosim-piarahamonina. Ny mpifehy fahefana, ankohonana - fianakaviana - toerampiasana - fanjakana, ireo kosa no alahamadim-piarahamonina.
Itrikitrihana anjambany ho mpaningotra, mpandràtra, mpanonto fotsiny ihany ny alakaosy. Mandeha ila, mitanila izany fanasoketàna izany. Tokony fantarina koa fa ny alakaosy dia
- Fiaro ho an'ny ankapoben-drohotany.
- Fanoitra ny alahamady. 
- Fanàfana ody ratsy. 

Noho izany, tsy mahagaga ny fahadisoam-pijery, mihànaka etsy sy eroa, mikasika ny alakaosy. Ireo izay efa manerinerina ka minia mitiritirina, malaina hanetry tena, dia mijery vilana azy avokoa. Manendrikendrika azy ho ratsy. Manabibibiby. Manazimbazimba. Nahelin'ny tompom-pahefana rehetra izany jery vilana izany. Hatry ny faha-mpanjaka. Nabontsin'ny fanjanahantany. Nolovain'ny repoblika.

Tsotra ny anton'izany. Rehefa voapempo ny alakaosy, ao an-tsain'ny besinimaro, ... Mora gihazina, hatrany amparahatony, ny sarangam-piarahamonina alakaosy rehetra. Indrindra fa ny vahoaka. Vokany: manjaka tokana ny mpitondra. 

Milefa sàtan' alakaosy ny besinimaro. Mifandripaka miady ho lohany avokoa. Tonga amin'ilay hoe: "Raha tsy inona aho koa ho alakaosy ?!?" Mivàvatra ny tsikalakalam-pihavanana. Ifandrotehana ny tsikalakalam-pahefana. Miha-marefo ny rindram-piarahamonina arapizokiam-panahy mahaolona. 

F'angà vitan'izay ? Araka ny mpahalala, mitrotro vintana alakaosy i Madagasikara. Iza no tsy nalaim-panahy nimenomenona noho io vintan'ny tanindrazany io ?!? Noho io fanasoketàna anjambany ny alakaosy io ihany !

Koa izao no izy, rey havako isany.
Diavolan’ Alakaosy no iainantsika rahalina. Alakaosy tokoa i Madagasikara. Nahandry ny rariny izy hatramizay, n'inon'inona fangirifiriany. Ela ny ela ! Ho tandrify hitsiny i Madagasikara, tanim-bazimba, rahalina hadiva haraina. Hiarim-bintana amin’izay izy. Haneho ny hasiny hanerana an’izao tontolo izao.
Ary hitroatra ny vahoakany ! Mety handrongatra mihitsy.
Hiaino tsara, hatrany ampàra-aty, io fitobahana herijika makadiry rahalina io. Izay fomba fihasinana mahazatra anao atao. Gasigasy fanao ianao ? Fanao gasigasy atao. Mpivavaka any ampiangonana ianao ? Vavaka fanaonao any ampiangonana atao.
Ho ahy manokana, fanao japoney no mampandry saina ahy. Efa nahavita “ misogi “ – fidiovana anaty sy ivelany - tany Tritriva aho tamin’ny vava asombola lasa teo. Nahatanteraka fifadian-kanina hateloana adimizana. “ Meditation zen “ no ho ataoko rahalina. Ary rehefa reko tony tsara ny ao anatiko ao dia hivavaka aho.
Hivavaka mangina amin’ Ny Ray. Tsy hangataka n’inon’inona. Hankasitraka fotsiny ihany. Hankasitraka lavareny amin’ny fahasoavana atosany sesilany ety an-tany. Tokana ny faniriana ho apetrako eo ampofoany. “ Ny sitrapony ary ny sitrapony ihany no tanteraka. ”
Masom-potoana anankiroa no ifantohako rahalina. Ny voalohany, amin’ny 3 ora sy 33 minitra. Ny faharoa, amin’ny 4 ora sy 44 minitra.
Manao tohi-vakana ny ankitily lanitra sy rindran-kajy nahatonga ahy hifantina an’ireo masom-potoana ireo. Mba hampalaky ny fanazavana dia ireto ambany ireto misy torohay fototra, mora rambesina. Rahalahy mpiara-mianàla no nanolotra azy ireto. Ankasitrahako azy manokana izany.
Loharano nanovozana: Doreen Vitue.
Samia mivonona amin’ izay ho ateraky ny ampitso. Samia tandrify izay irin’ny fony. Samia tena Andriamanitra.

H I R I K A !!
(3h33) ou 333 :
Les Maîtres ascensionnés sont près de vous, désireux que vous sachiez que vous avez leur aide, leur amour et leur compagnie. Faites souvent appel à eux, en particulier lorsque vous avez des combinaisons de 3 à proximité de vous. Les Maîtres Ascensionnés les plus connus sont Jésus, Moïse, Marie, Kuan Yin et Yoganan.
(4h44) ou 444 :
Les anges vous entourent en ce moment ; ils vous confortent par leur amour et leur aide. Ne vous inquiétez pas ; ils sont tout prêt pour vous aider.

H  I  R  I  K  A  ! ! !

Fanamarihana: Iangaviana ampanajàna izay mila fanampim-panazavàna hisavasava ato anatin'ito sompi-kevitra FAnambinana MAdagasikara - FAMà ito.

Serasera: vahombey@gmail.com 


mardi 22 septembre 2015

VINAVINAM-BAZIMBA.

Eto ampamaramparànana izao taom-bazimba 2015 izao. Isika eo ampandiavana izao Adizaoza izao. Miisa TELO ny vinavina.

Voalohany:

Ny eo ihany no eo. Mandeha an-jambany toa ny andavanandro. Ry zareo Tandrefana sy mpangeja kitapom-bola vahiny, manitatra hatrany ny fanjakazakàny.

Andaniny, saribakolim-bazaha ny Mpifehy fanjakana malagasy. Ankilany, rajakom-bazaha avokoa ny Malagasy.

Ny mpiantsoroka Revolisiona Vazimba afaka miomana miandàlana araka izay mampetipety ny fiainany. Miandry ampitoniana izay ipoiran’ny ankodimirana andraisana andraikitra imasom-bahoaka. Na rahoviana io na rahoviana. Na hiandry an-taonany aza.

Gandhi Mahatmà no hany azo tahafina. Aleo hitsilailay, hanomana bahana ry Che Guevara.

Faharoa :

Miha-misavorovoro izao tontolo izao. Mirefotra, midonaka ny ao Syrie. Saingy vita omana nialoha ry zareo Tandrefana sy mpangeja kitapom-bola vahiny. Ravaina an-tsitrapo ny fibahanan’ny Dollar sy Euro ny takalon-tsena iraisampirenena. Lasa maridrefy ny Yuan sinoa. Mikorontana mandritra ny fotoana, efa voakajy nialoha, ny tambazotra ara-bola sy ekonomika manerana ny vazantany.

Saribakolim-bazaha ny Mpifehy ara-panjakana antsika. Hisoleladelaka amin’ny mpanjakazàka vaovao. Akohokely hihaohao etsy sy eroa.

Ny mpiantsoroka Revolisiona Vazimba miseho tava avokoa. Ireo rehetra mahasahy, mijoro ho Che Guevara. Vonona hitaky fahefàm-panjakana. Manararaotra ny tetezamita ekonomika iraisam-pirenena.

Harefo avokoa ireo andevokelin’ny mpanjakazàka ankehitriny. Na ny iraisam-pirenena, na ny eto an-toerana.

Manohy lahasa izay Gandhi Mahatmà.
Mandao akata, misavika laka izay Che Guevara.

Fahatelo :

Hatrao Syrie ! Vaky takotra ny Ady Lehibe Fahatelo ! Mahamaivain’ ady saritaka izao tontolo izao !! Fifandrotehina tsy ifankahitana intsony !!!

Efa hatry ny ela i Russie no tsinjo ho fanilon’ny rafitra hanavao izao tontolo izao. Mpianady vita sedra i Poutine senseï. Tompony io olona io raha fahaizana miady. Na an-tànampolo, na am-basy, na an-tafondro. Indrindra moa fa paikady. 
Mirotsaka antanim-boanjo i Chine !

Mitsimbadika tanteraka ny rafi-panapàhana maneran-tany. Mitsikasina an-tany ry zareo Tandrefana. Momoka avokoa ireo mpangeja kitapom-bola hatramizay.

Tontolo hafa indray ! Na geopôlitika, na ekonomika, na sosialy. Ary indrindra indrindra koltoraly !!

Tapitra ny tantaran-dry saribakolim-bazaha mianakavy. Ho vaky lefa ireo kanosa velona ireo. Dodoin’ny feon’ny fieritreretany. Hiràparàpa hitady tany isitrihana hatramin’ny taranany.

REVOLISIONA VAZIMBA ! 
Mibahàn-dapa ry Che Guevara !! 
Mitantàm-pirenena ry Gandhi Mahatmà.

Vinavina androany, 
Vava Adimizana – ADIZAOZA, taombazimba 2015.

Ho anao very hevitra io, azafady. Vakio ny lahakevitra:

1. Vato namelan-kafatra.
2. Ambahandain-draharaha.
3. Rano Mahery.

Samia Tena Andriamanitra.

iKaky Ravaho.
Dimbimbazimban’Alahamaditany.


RANO MAHERY.

Hoy ilay fitenenana: “Samy nosoran-dreniny menaka, samy manana ny rano nandroiny”.

Mihatrikatrika, vonon-kikatroka no dikan’izay.

Ireo zanak’antitra dia mbola mahatsiaro avokoa fa nosoran-dreniny menakomby fony fahazaza. Sady fiaro no fanàfana. Ary fanehoam-pitiavana. Toa ilay tambohoka fahiny.

Mialoha ny hiainga hisedra ny sarotra, ivelan-tokantranon’ny ray aman-dreny, dia tsofina rano hatrao anaty lovia misy tsanganolona sy zavamaniry. Mety miampy vakamiarina sy izay nifandovàna hatrany andoham-pirazanana.

Ampandroina sady tokavina ! Izay vao tsofina rano ahaleo ahalàsa, irin’olona fa tsy haniry olona, ho tojo izay irina, ambinin-java-manasatra, tahian’Andriamanitra.

Toa ny riba maneran-tany, manan-danja ny rano ho andra-Malagasy. Tena zava-mahery !


Mason-tsokina, masomboalavo. Izay kely ananana no ahiratra. Mpiandry volavita, tsy tompony akory fa mpamerina an-dohany.

Koa indreto toromarika vitsivitsy hatraty Vakinankaratra, asombolan-drohotanimbazimba, mikasika an’i Tritriva.


A-  Ankapobeny

Ny velarantany fonenan’olombelona rehetra manerana izao tontolo izao dia mihorina ambony renim-batovy antsoina hoe “tantale”. Mitovy avokoa ny “polarisation”-n’izy rehetra ireo. Ny an’i Madagasikara irery no mifanohitra amin’ny an’ny rehetra rehetra.

Nisy meteorita goavana niporitsaka hatrany am-pototr’ivon’ny galaxie. Niantraika teto Madagasikara izay niangana hatrany: Tritriva ! Nampitsimbadika ny polarisation-n’ilay lafi-batovy faladian-tanin’i Madagasikara.

Izay no maha-hafa dia hafa an’i Tritriva. Maha-rano fihasinana azy. Rano fandroana fialàna rahondrahon-dràha amam-padipaditra. Rano matoy herijika !

A-  Fanao

Fantapantaro ihany ny fotoam-panovozana ranom-bazimba ao Tritriva. Ampifandraiso amin’ny vintanao satria mizara roa mazava ny toerana azo anaovana an’izany ao.

Andafiny avaratra, aok’etsia ! Aza hilingilingiana. Vody adalo – vava alohotsy no ao. Fandikaina mosavy amam-borika. Marary ho faty, efa ferezina ambiroa, no fialà-nenina ao. Mpahalàla tena hafa karazana, mahasedra setrasetran-tsavik’andro no hany mahasaky ao. Alàna ny vava, gejaina ny lela. Asakasak’izay tsy ho malina. Aok’etsia ny ery avaratra !!!

Andafiny atsimo. Vody alahasaty ara-drohotany. Ao no faleha. Toa izao no tazamaso hatreo: 


Izao no fanao :

- Mivatsy tantely gasy sy ranompotsy - toaka mahery io, ohatra rhum blanc mbola tsy vaky sarona.

- Mivatsy tavoahangy, sanatria ny plastika, voadio tamin’ny ranompotsy ny atiny sy vatany.

- Mivatsy volatsivaky hasin-dela ho an'ny zokim-pandraharàha voafantina manokana ao an-toerana. Tompontany, zokiolona taranà-bazimba zanadrano, mendrika haja aman-kasina. Ravin-tokana 10 000 ariary no fanolo ankehitriny ny volatsivaky fahiny.

- Midinika amin’ilay zokiolona mikasika ny anton-dia. Hanongilanan-tsofina izay ambarany.

- Izy no mitarika ho eny an-toeram-pihasinana ao Tritriva.

- Arahana antsakany sy andavany izay toromarika omeny. Ary hajaina fatratra ampahanginana tanteraka.

- Anjara andraikiny no manatanteraka fomban-tany - fomban’olona nifandovàna hatry ny ela.

FADIO ny maka sary na feo mandritra izany fomba izany.
VONOY ny finday sy izay mety fitaovana elektronika.

- Tahiany tontosa ny anton-dia, tsy miainga hatrany raha tsy nahavita ombay làlana ka voatso-drano.


Rehefa tafody an-trano,

- Diovina amin’ny ranompotsy ny vatan’ilay tavoahangy nentina nody.

- Afindra anaty voatavo arivolahy ny ranombazimba notovozina.

- Fehezina an-kofehy gasy, rofia na taretra, ny tendan’ilay voatavo.

- Ahantona amin’izay toerana mendrika azy indrindra. Matetika an-joro alahamadin’efitra.

- Avela mibanàka lalandava ny vavan’io voatavo io mba hihanaka ao an-toerana ny herijika koboniny.

- Tokavina ilay ranombazimba. “Programmer”-na, hoy ny fiteny maoderina. Amantsihana “forme-pensée”, hoy ny mpahalala sasany.

Tsy fanao

Tandremo, rey havako isany !

Malailay karazam-bazaha – fotsy, mainty, kelimaso - ny ankamaroan’ny tobim-bazimba. Koa aleo hikobona ho antsika samy isika izao hafatra izao, raha mbola azo atao ihany.

Saingy raha minday lio malagasy, na dia 1% fotsiny aza, dia azo ekena... Raha manan-jery malalaka sy saina tsy mpiroaroa fahatany.


Azafady, rey havako isany !

Fehezo ny lela. Gejao ny vava. Saropady loatra izao tsy famboraka ankiharihary izao. Saingy efa an-dàlana ny Revolisiona Vazimba koa izay iray aina, iray vatsy. Ary izay be no basy.

Aleo hitoky amin-tafondro izay fahavalo te-hampiasa izany, ny antsika dia ny bitsik’anjely sy  ny tàntan’Andriamanitra ihany.

Veliranom-bazimba, rey havako isany. Izay mivadika aloha, kely ila.

O rey havako isany !

FADY KISOA io toerana io toa ny ankamaroan’ny tobim-bazimba zanadrano. Rehefa hihasina ao dia mahavàra mifady mikasika na mihinana kisoa mialoha ny fotoan-dehibe. 

Ary raha mbola zakan’ny saina ihany dia mifadia kisoa masonandrotr’io sy ho an’ny ampitso rehetra.

Tsetsatsetsa ho an’ny manam-po amam-panahy, tompokolahy sy tompokovavy,

Samia tena Andriamanitra.

Hoy ikaky Ravaho,
Dimbimbazimban’Alahamadintany.

AMBAHANDAIN-DRAHARAHA.

A-   Vazimba andohan-talily


Ny kolontsainan'ny Vazimba izay nahavatra nampandroso ny vahiny rehetra tonga taty afara no vahatry ny tantaran'i Madagasikara. Izay no iantsoana azy ireo hoe Andohan-talily.

Ny fifampirandranan-tendron'ny Vazimba tamin'ireo andiam-bahiny tonga tsikelikely taty afara ireo no nanome hasina ny fanjakàm-panjaka nanerana ny nosy.

Nototoran'ny "histoire officielle" tsikelikely noho ny antony ara-pôlitika ny fisiana mari-pototry ny Vazimba izay tsy mba voakajy an-tsoratra. Marihana fa sorabe no nitahirizana fahiny izay rakitry ny ela. Anjaran'ny tsirairay no mamisavisa izay mety nasovok'izany fahefana pôlitika goavana dia goavana izany.

Na dia efa nisy taloha lavitra ny vaninandron'Andrianampoinimerina aza ny fanilihana tsikelikely ny taranaka Vazimba dia teo amin'io mpanjaka malaza io izany no niharihary indrindra rehefa nikiry ny ampirangàna an'Ilaidama ho mpanjaka mpandimby azy izy.


Nampibolongana ny fifandiram-pijery teo amin’ny havam-bazimba sy ny mpahay hatrany Atsimo Atsinanana izany. 

Andriamamilaza no nahatondra hatrany andahamadintanim-bazimba ny rano tsy dikain’amboa nahasinan’Andrianampoinimerina an’Ikelimalaza nafahany nanitatra fanjakana. 

Tafaka-dapa taty aoriana ny havana tatsimoatsinan'ny mpanjaka izay hatrany no tena ray nahitany masoandro. Mifandraika amin’izay ve ny fifantsihan' ny ivon-drohotanim-bazimba ao andakaosy fanasinan-tsinana fa tsy eo anivo fijoroana mifanandrify amin'ny andriben-dapa ao Besakana ? Ankamantatra, tompokolahy sy tompokovavy.

Nivaky roa ny tao androvan'Andrianampoinimerina. “Fracture épistémologique” no filazan’ny filôzôfia azy. Fifanandrinana isan’ny nampikoro ny fanjakana merina izay mpiambina ny laka ivon-drohotanim-bazimba nafahany nijoro ho Fanjakan’i Madagasikara izany. 


Loza iray ! Isan’ny ozon-drazana mahery vaika zakain’ity tany mamintsika ity ny ràn'ny taranaka tatsimoatsinana nasandratra ho Andriamasinavalona kanefa voavono ankabibibiana talohan'ny firodanan'ny Fanjakana Malagasy faha-mpanjaka. Anontanio mikasika an’izay ny mpahalala toa ny Printsy Jobily Rakotoson izay nanolotra ny Tantaran-drazana # 01 sy # 02  ho an’i fanambinanamadagasikara.blogspot.com

Loza roa !! Nanomboka teo amin-dRadama I dia nitampify an-jorony rehefa tsy nikobona an-johy ny mpanazary Vazimba. Niha-niataka tanteraka ny raharaham-panjakana. Tsy niahy n'inon'inona intsony mikasika ny zotram-piainam-panjakana. 
                                                                                                                                                                                            
Radama I  rahateo nandidy ny fanaboriana randrana. Sady nampiasa basy be aman-tafondro fandripahana aina. Tsy fifandraharahana intsony ny fanitaram-pahefana fa lasa ankibeda sy antery vay manta. Niha-nahay toa ny tandrefana ra-Malagasy saingy nikolepaka ilay fotoram-panahy notovozina tamin'ny fahendrem-bazimba.

Aoka isika hahatsiaro fa ny Vazimba no tena tompon’ity tany disahintsika ity. Hoy ny lovantsofina nampitain’ilay ingahibe vazimba bahosy nihaonako tany Bemaraha tamin’ny 1999 fony aho niasa ho an’ny RFO-TV5:

“ Nisondrotra hatrany ankibon’ny tany ny tsingin’i Bemaraha. Ary nipongatra niaraka tamin’izay ny Vazimba, nialoha ny nielezany nanerana ny vazantany.”

Hoy kosa ny géologie, nisintona ny ranobe dia nipoitra i Bemaraha. Ambava omana, ampo mieritra.

Nanampy trotraka ny “fanimbazimbàna”, izay lasa oha-pitenenana, ny fanjanahan-tany izay navozo fatratra ireo Vazimba nahatahiry tanjaka Mpanazary toa ny fanidim-boay sy ny zavontsihita ary ny tsilaitrambasy. 

Hoy ny lôjikam-bazaha: " manichéisme, matérialisme et domination de l'homme sur la nature".

Hafa ny lôjikam-bazimba izay mifototra amin'ny " spiritualité, complémentarité des contraires et harmonie avec la nature".

Hany ka "nohabibiana" hatrany ny Vazimba teo amin'ny jerim-bahoaka.

Saingy mbola tompon'ny tany ny Vazimba hatramizao na tsinontsinoavina sy hamavomavoana aza. Miataka dia mitazam-potsiny sisa izy ireo. Izao no iafaran'ny nosintsika !

Nikoroso efa an-taonjato maro. Mandroso indray mandingana dia mitambotsitra indroa miantoana.

Ny safodrano tamin’ny febroary 2015 dia nampiharihary ny fodian’ny rano tamin'ny fonenany teny andonahonan'Analamanga fahiny. Ankoatra izay, nangozohozo fatratra ny iba andrefan'ny ivon-drohotanim-bazimba !

Tsarovy fa nanomboka teo amin'ny adimizanantany miazo adijadintany no nanambana ny gorodon-driaka. Asa, nitaky adalo ialàna faditra ?

Aleo hazava tsara ny resaka. Tsy mila velively anaovana fomba maramara amam-panao poakaty izay afangaro finoanoampoana filàna tombotsoa manokana ny Vazimba. Ohatra: izay mety ho karazana sorona aim-belona (akoho, omby, sns) sady sandaina vola aman-karena

Tsarovy fa FADY Rà ny tena Vazimba. Ho an'ny adim-bazimba dia izay mahalatsa-drà no resy !

Tsaroako etoana ilay hitsin-dàlan-dririnin’ny tantara nampitaina tany ampianarana. Tsy nahaleo an’Andriamanelo izay nanana lefom-by ny vazimba koa vaky lefa. Aoka re marina !

Nalaina niady ifandatsa-drà izy ireo dia naleony nandefitra. Aok'izay ny fitsirihana ny tantaran-drazantsika amin'ny lôjikam-bazaha re, tompoko ô.

Amafisiko : Fady mandatsa-drà ny Vazimba.

"Non violence pour l'harmonie et simplicité ascétique pour l'élévation spirituelle" no dikan'izany.

Fantaro fa ny maha-Vazimba ny tena Vazimba sy ny taranaka Vazimba dia noho izireo Mpanazary, tompoko.

Ara-pikajiana firazanana, sady TSY andriana, TSY hova, TSY andevo fa Vazimba ny vazimba satria vazimba.

"Hors caste"!
Ahoana no ahafantarana hoe mbola mikajy fototra vazimba ny olona sasany ao Imerina ?

Miazo mianatsimo ny varavarambatom-pasandrazany.

Porofo tohaka an-tenda izany.


A-      Mpanazary sy Anjely 

Vanim-potoana mampibanabàna ny vavavokàka izao iainantsika izao.

“Copulation des deux luminaires sur le 0 degré des poissons », hoy ilay mpahalala, ny faha-19 febroary 2015 tamin’ny 2 ora maraina sy 47 minitra ary 15 sekondra lasa teo.

“Reprogrammation galactique”. Io ilay marika nandrasanan’ny Mpanazary hatrizay.

Taom-bazimba ity 2015 ity ary tsy miverina raha tsy isaky ny 623 taona. Ny volana aogositra teo ny kibony. Ary ny 15 aogositra no tendron-kibony.

Mandritra ny volana ADIZAOZA  alahady 13 septambra - alatsinainy 12 oktobra no misantatra aim-panahy vaovao izao tontolo izao. Mananjara manokana amin’izany i Madagasikara. Asakasak’i ra-Malagasy izay anaovany an’izany.

Koa aleo alàna ny vava fangeja ny lela.

Misy ny mpiantafika ho an’ny Mazava. Raha andohalaharana amin’izany ny Mpanazary ety ambonin’ny tany, tsara fantarina fa misy mpirahalahy-mpirahavavy miara-mianady aminy koa any ankoatran’ ny tontolo andavanandron'ny besinimaro. Anjely no fiantsoana azy ireo amin’ny mahazatra. 

Ho antsika Malagasy dia anisan’izy ireo ny razana mpiahy. Tsy izay maty rehetra akory dia misandratra ho razana. Ny mahavatra manazary mandritra ny fotoam-pandalovany ety an-tany no hany mizaka ny sata hoe Razana.

Ireo izay nangidy hoditra, maramara fitondran-tena fony nirisarisa tety an-tany dia tsy mipàka ho razana velively. Ito karazany faharoa ito dia mpamorika fandevina amoron-dàlana, lolo sy avelo mirenireny foana koa antsoin’ny olona hoe “mpiady vomanga”. 

Soa fa misy ny manavin-janahary izay mpigodongodona manaitra azy ireo amin’ny fahalovam-panahiny isaky ny alarobia maizinkitrom-bolana. Tsotra ny antony, mba inoan-dry zareo ireo hoe misy ny Mazava any ananonanona any izay tokony hisondrotany mba hananany fahafaha-misafidy hiverina ety ambonin’ny tany amin’ny fiainan-kafa indray anarenany tena.

Raha tsy izay dia voarohy andaharan’ny mpiantafiky ny Maizina izy ireo ka mandroba-dràha ety an-tany no hany lahasany hatrany ambadika any. 
                                                                                                                                                                                                    
Fehin’izay tolokevitra izay, mifanandrina tanteraka amin’izao fotoana anoratana izao ny andaniny mpiantafiky ny Mazava sy ny ankilany an’ny Maizina.

Tsy hoe “Reprogrammation galactique” dia manatombo hery ny Mazava. 

Tsy hoe Taom-bazimba dia mamahan-kery vazimba.

Làkalàka io ! Toa ny fifanandrinana rehetra. Hita fanombohana fa tsy hay fiafaràna.

Mibanabàna ny vavavokàka ! Fiandohana izany. Fiandohana mampifandanja ny hery mpifanandrina. Vita pasoka ny daomy tamin’ny 19 febroary lasa teo. Tena eo ampandrafetana diam-panorona vaovao tanteraka isika io. Izao ankehitriny izao. Izao dia izao.

Noho izany, mandromodromotra mafy mihitsy ny Maizina izay tompon’ny laka nialoha io 19 febroary 2015 io. Mbola ho avelantsika ho baboanan’izy ireo indray ve ny laka ? Fotoana mety ho antsika Mpanazary izao irosohantsika amin’ny lalina kokoa. Alao hery, ry havako isany !

Safeli-dromoromo fotsiny izay sedran-doza aman’antambo mananontanona.

Na izany, na tsy izany, azontsika havadika ny tantara. Indrindra ho an’i Madagasikara.

Manana IRAIKA AMBINIFOLO  taona isika nanomboka tamin’ny faha-19 marsa teo hanarenantsika ity firenentsika ity. Hifanitsy ny kajin’ny alimanaka isan’isany amin’io fotoana io. Tsara dia tsara raha omanintsika sy iomanantsika dieny izao ny faha-19 marsa 2026.

Miangavy an-tànandroa ny olo-mazoto. Mandadilady am-bovoka aman-davenona eo antongotrareo tsirairay avy. Mijoroa avokoa re, tompoko, izay efa miaina ho Mpanazary. 

Ho an’ireo izay mbola misalasala, ... Ataovy re, tompoko, izay hahavanon-ko Olona anareo. Zahao ny lahatsoratra " Maha-Olona sy mahaolona " ao amin’i fanambinanamadagasikara.blogspot.com sao afa-manampy ho an’izany.

Mandadilady, tompoko ô. Ario ny teniko raha misy diso. Saingy mialoha an’izay dia mba alaivo ambony, alaivo ambany ihany. Tsy tombontsoa ho ahy velively no ilazako izao. Raha izay tenabeko anie ka mety tsy ho eo intsony rahampitso, rahafakampitso ê..

Sanatria, tompoko, ny mitoky teny fantatra. Saingy fisaka ny rariny ary marolafy ny marina. Koa mba asio maso sy sedrao ihany re izay atondroko mialoha ny iavonana azy ê. Azafady indrindra.

Tsotra ny hafatra. Omeo tànana ny Anjelin’ny Hazavana.

Na ahoana na ahoana finiavan’izy ireo, tsy afaka mamboly fahendrena eo amin’ny toerantsika olombelona ny anjely. Anjarantsika ny ety an-tany, anjaran’izy ireo ny any ambadika any. Raha mahavita mamafy voa tsara isika, anjara lahasan’ny anjely no mampitombo izany avo zato, arivo, analinkisa heny.

D-  Rasavolan'ikaky Ravaho

“ Raha mbola taranaka Malagasy mifototra amin’ny lafivalon’ity nosy ity ihany ianao, na razamiharo inona na inona, dia fantaro sy tsarovy fa miaina ao anatinao ao ary mamelona ny lahatra iainanao andavanandro ny “Génome Vazimba”.

Miandry anao, vato nasondrotry ny tany, ireo havanao Vazimba mitampify any ampara zohy. Sao valaka ihany re izy ireo, marina mafy ê. An-taona maro dia maro izay no nilolohavan’izy ireo ity tany ity. Efao ny anjara adidinao, ianao olo-mirija, olo-misaina, olom-po amam-panahy.
                                                                                                                                                                                               
Mitsangàna amin’ny maha-Mpanazary anao !

Na inona na inona foto-pinoanao sy fiangonanao, tohizo sy hajao. Tanterao anivon’izany ny maha-Mpanazary anao.

Tsy mandrafy anaka, tsy mialon-jafy ny maha-Mpanazary.

Ary aza manaiky rebireben’izay fomba amam-panao izatsy na zaroa raha manelingelina ny fisainanao sy ny feon’ny fieritreretanao izany. Tsy ilan-tsikidy na fanandroana izany. Na izay karazandrazan-javatra miendrika ho finoanoampoana na asan'ny maizina araka ny fiheveranao.

Izany hoe Mpanazary izany dia olona mahato-tsofina ny feon’ny fieritreretany ary manatanteraka izany amin’ny antsakany sy andavany.

Mijoroa ho MPANAZARY."






.

(1) Mpanazary, rakikira Ikaky 2009: 
www.youtube.com/watch?v=10pUTObgIog