samedi 31 janvier 2015

MPANAZARY MIFAMPITANTANA AMIN’NY ANJELY.

Mpanazary na “artisan de l’harmonie”. 
Miserasera, manabe, mandrindra lalandava.

Hoy ny Mpanazary: “Mampifameno ny fahasamihafàna.”
Lahy sy vavy. Bitika sy goavana. Mainty sy fotsy. Marefo sy bolangina. Avo sy iva,. Havia sy havanana, …

Koa akory no atao ifamenoin’ireo ?

Marimaritra iraisana ve ? Sa elanelam-panahy ?

Tolokevitra

Dingana voalohany : Elanelam-panahy. Dingana faharoa : Marimaritra iraisana.

Samy mahatsiaro tena aningorana ny mpifanandrina raha vao marimaritra iraisana no katsahana avy hatrany. Mandeha ila, mandringa izay fanao izay.

Noho izany, mialoha ny amelarana lambanana dia tolorana avarapatana Ny Fanahy.

Mifampitsinjo ankitsim-po izay andaniny sy ankilany rehefa elanelam-panahy no ifantohana mialoha.

Ny Fanahy no mitari-dàlana.

Fampiharana

Mitarika fivorian-dehibe aho. Anjarako ny manokatra fotoana, mamaky bantsilana. Miangavy ny mpizaika aho mba hiara-hangina tanteraka mandritra ny fotoana fohy. Raha azo atao dia miara-mitsangana sady mifampitantana.

Mivavaka mangina. Miombom-panahy.

Mampitambatra Ny Fanahy. Rehefa Ny Fanahy no hany manelanelana ny tsirairay, …

Poa toa izay, miharihary ny marimaritra iraisana mahafapo ny mpizaika rehetra.

Tony ny fo. Matsilo ny saina. Mifanaja kokoa avokoa. Mahafinaritra ery ! Samy tsilovim-panahy ê.

Fehiny

Ao anaty FAHANGINANA LALINA,

Mibitsika Andriamanitra.
Misento ny voaàry.
Miriaria ny anjely.
Miaina ny Olona.

Mpanazary mifampitantana amin'ny anjely,

Salanitra ny ambanilanitra !



jeudi 29 janvier 2015

DISO ISIKA !




DISO ISIKA !

Fanamarihana ampiandohana:

Sanatria tsy fiantsiana ito ho soratako ito fa Ikaky Ravaho manaitra an’ikoto sy ikala sondrian-tory nefa tokony hiarina am’izay hanao raharàha. Na an-tanety, na an-tsaha.

Toa ilay fanaon-d Roland Rabearison tao amin’i “Manjamanja miaraka amin’i Radio-Madagasikara” tamin’ny taona 1992 nandritra ilay fandaharana isaky ny zoma maraim-be hoe: “ Besorongola ââââ ! Mifohaza am’izay ! ”

Tsaroanareo efa zokinjokiny ireo ve ?
___________________________

Diso. Tena diso. Diso be ! Diso be isika olon-tsotra, isika mihambo ho olompirenena, mitonon-tena ho mahay sady tsara toetra no avo fanahy. Diso be isika isaky ny mitsara ireo mpanao pôlitika ho antsika ireo araka izay tantarain’ny médias sy ny facebook antsika: izao sy izao indray no nataon-dranona ê !

Ho ataoko ohatra, tononiko eto Andriamatoa Voninahitsy Jean Eugène. Miala tsiny indrindra, tompoko, manonona anarana. Tsy hamingavinga aho sanatria. Na hanasohaso be fahatany ihany koa. Hamaky bantsilana fotsiny ihany mba hahavaky lay ny masom-panahintsika  mianakavy.

Ho antsika mpanaraka facebook sy gazety ary médias isan-karazany dia fatritran’ny mpanao pôlitika mpivadibadika palitao io olona io. Olona, hoy aho, fa tsy olombelona. Amafisiko: Olona ! Zahao ny lahatsoratra “Maha-Olona sy mahaolona” izay efa nosoratako mba anavahana tsara ny Olona sy ny olombelona.

Ny ankamaroantsika mianakavy  dia influencer-n’ny fijery facebook sy médias lava izao. Malaky mitsara tsy ankanadihady ! Mpihinana ambolony sy mpanara-drenirano ary mpanao rebikondry marivo salosana.

ISIKA, hoy aho. Izaho manoratra izao dia anisan’izany.

Marina fa ara-pôlitika dia “requin” Andriamatoa Voninahitsy Jean Eugène ! Tena “requin” tokoa !! Aza mifanehatra aminy ihany rehefa tombontsoa no resahana. Na iza na iza mpitondra eo dia eo foana Andriamatoa Voninahitsy Jean Eugène. Rehefa tsy mamely intsony izay mpitondra eo dia Andriamatoa Voninahitsy jean Eugène no mpitsikera voalohany indrindra. Na Ravalomanana io, na Rajoelina, ary angamba koa Rajaonarimampianina atsy ho atsy, raha tsy maha-tandrina rangahy io.

Izao no lazaiko anareo mpandàla vaovao ireo. Tena “requin” iny olona iny ary tsy mandraharàha afa-tsy ny tombontsoam-bahoaka iahiany manokana rehefa misy mpitondra vaovao eo. Averiko: ny tombontsoan’ny vahoaka iahiany manokana.  Marina izany !

Saingy tonony amiko izay olona tian’ny vahoakan’i Melaky indrindra ! Sy ny tian’ny mpiray vodirindrina indrindra ankoatran’Andriamatoa Voninahitsy Jean Eugène ! Mpanampy ny manodidina azy izy ! Ary tena mamy hoditra amin’ny manodidina azy.

Hatrany amin’ny faritr’i Melaky ka hatraty Ivato-Antananarivo, isan'ny toeram-ponenany. Maro no afaka mijoro vavolombelona amin’izany.

Marina fa hoe “be zesta” izy sady be rehaka fa izao no lazaiko anareo. Mitsangàna izay mahavita noho Andriamatoa Voninahitsy Jean Eugène amin’ny manodidina azy, na an-kafaliana (mariazy, sns) na an-kasarotana (aretina, fahoriana, sns).

Matoa izy mivadibadika palitao dia satria mila vola lalandava izy entiny anampiana ireo akaiky azy sy manodidina azy. Eny, satria olombelona toa ny rehetra ihany koa izy, dia manana ny filàny manokana ho an’ny tenany sy ny ankohonany.

Saingy izao no sahiko lazaina ankitsirano sady ampahabemaso: “ Mitsangàna izay mpanambola mamy hoditra amin’ny manodidina azy, na mpanao pôlitika na tsia !”

Izay koa ilay fandraharahàna pôlitika, tompokolahy sy tompokovavy. Fanasoavana ny mpiarabelona akaiky ny tena indrindra. Ny Firenena, tompoko, dia manomboka amin’ny manodidina ny tena fa tsy safobemantsina misidintsidina fotsiny.

Koa ndao hisaina kely aloha isika be tsikera sy manta vava ary mihambo ho mahay. Mahavita soa amin’ny manodidina mivantana antsika noho ireo mpanao pôlitika ireo ve isika ? Mahafoy ny any ampaosintsika ho an’ny manodidina antsika ve isika ?

Sa kahidy velona amin’ny any am-paosintsika isika ka torohevitra lava izao no ireharehantsika hoe zaraintsika etsy sy eroa. Ary tapitra amin’izay torohevitra zarazaraim-potsiny izay ny adidy fanasoavana ho antsika. Ny adidim-pokontany aza rehefa tsy sandaintsika vola dia hodiana fanina. Ohatry ny mila mieritreritra isika ân !

Mifona aho. Aza enjehana fahatany ny mpanao pôlitika satria tsy takatry ny olon-tsotra toa antsika ny LÔJIKANY. Amafisiko: tsy takatry ny fisainantsika ny lôjikany.

Ny ankamaroantsika dia toa ny mpijery baolina miseho mahay eny ambony gradins nefa tsy haninon-tsy haninona rehefa eny ambony terrain.  Samy Van Damme mpahay video-karaté rehefa mijery compétition nefa mangozohozo lohalika raha sanatria ambony tatami.

Am-bava omana, am-po mieritra. Teny atsipy ho an’ny manam-panahy. Izany manam-panahy izany dia tsy miahotra miaiky hoe diso rehefa tena diso tokoa. Koa asakasak’izay miambo ho manam-panahy nefa mitsaratsara fahatany tsy ankanadihady akory.

Mahasahia manao pôlitika raha mbola miambo ho manam-panahy ihany. Aleo eny antanim-boanjo no mifandrefy halalinam-panahy mahaolona, tompoko.

Faranako amin’ny teny vahiny mba iraketan’ ny tian-kampitaina satria maro loatra ny Malagasy malaina mamaky teny malagasy.

Que celui qui se prétend éveillé, ose prendre le balai pour nettoyer. Du moins, autour de lui. Celui qui est trop fier pour prendre le balai, et qui se prétend pourtant éveillé, devrait se taire pour ne prêcher sa vérité qu’auprès de ses dévoyés. Ceux-là ne le contrediront jamais.

Alors, chiche ! Arrêtons de gueuler pour gueuler et osons ! Osons aller là où nous n’avons jamais été. Du côté DU politique, pour commencer.

Osons changer les choses, nous autres qui voulons d’une meilleure humanité. N’attendons ni Dieu, ni ses anges, pour faire nos devoirs à nos places. Arrêtons d’incriminer nos politiciens, arrêtons d’envoyer les anges faire ce qu’ils ne peuvent faire à nos places, arrêtons d’attendre Dieu !

Retroussons les manches et faisons ce que nous avons à faire. N’attendons rien de qui que ce soit, fut-ce de Dieu.

Faisons ce que nous avons à faire, ce que personne ne peut faire si nous ne le faisons pas. Ainsi seulement, pouvons-nous espérer qu’un jour,  SALANITRA NY AMBANILANITRA.

Post Scriptum :

1. Monsieur Jean Eugène Voninahitsy est, pour moi, juste une vague connaissance. Nous ne sommes pas du tout amis. Je n’attends donc particulièrement rien de lui. Donc aucune raison, de ma part, ni de le magnifier, ni de le diaboliser plus qu'il ne faudrait. Pareil pour toute la politicaillerie comme diraient les Québécois.

2. Serai-je, un jour, un homme d’Etat ? Tant mieux. Ne le serai-je jamais ? Il m’importe peu.
Le rocker révolutionnaire, nul depuis toujours en calcul opportuniste, ne divorcera jamais avec le libre penseur. Avoir presque 56 ans encourage à peine à apprécier les beaux virages et autres tentants tournants. Les tête- à-queue, c'est du déjà vu, Ca va bien, merci.

Tout ce que je veux, c’est voir enfin les Malagasy se réveiller. Et surtout clore le bec aux décourageants préjugés. Balayons toute limite, s’il vous plaît. Sinon, ce n’est pas la peine de rêver. Ni de progrès, ni de prospérité.

Si jamais ma diatribe aura quelque peu offensé, vous m’en voyez désolé. Mais le lion vieillissant que je suis, s’en serait voulu à mort s’il n’avait osé clamer sa vérité.

OSU… ! Comme on dit avec un total respect, avant de se retirer du tatami, en karaté.


"Ny teny diso tsy mba kabary. Teny silaoka, hono, fanary. Ario ny teniko raha misy diso. Fa ny tenaben-dravahömbey, ... Aza tsiny re ê ! Tsinjovy mandeha."

mercredi 28 janvier 2015

AUTODIDACTE



Nos remerciements à l'auteur de ce visuel. Source: internet

Certains me prennent pour un intellectuel. Que d’honneur, lourd de préjugés aussi, pour quelqu’un qui ne se considère pas du tout comme tel. Comment oser s’arroger cet ambigu statut avec une âme d’artiste forgée par un tempérament d’artisan rompu aux vicissitudes de l’adversité ?

Plutôt du genre empirique, donc forcément pragmatique puisque nécessité du vécu aura obligé, j’ai toujours privilégié l’expérience directe au détriment de la théorie puisée ailleurs. Mes tentatives de théorisation ont presque toujours pris racine dans ma propre pratique. Aussi, ai-je été nettement moins livresque que la plupart de mes pairs.

 Revers de la médaille, cette attitude philosophique contraint à dépenser plus de temps que de raison pour assimiler quelque chose de simple. Quoiqu'elle puisse merveilleusement aider à débusquer l’inévidence de toute évidence avant autrui. Loin d'être commode quand même. Que de fois n'ai-je entendu parler à mon égard d'avant-garde, de pionnier, d'originalité, voire de marginalité !

A tel point que j'ai décidé, peut-être pour me rassurer, d'endosser la tunique du semeur qui se défie de tout mobile mercantile. Dur, dur quand tombent les factures avant que les délais n'aient été négociés. Mais à coeur vaillant, rien d'impossible. Et l'honnêteté envers soi-même, quoiqu'on dise, finit toujours par payer puisqu'elle implique la générosité.

De même, ladite attitude n'est jamais sans risque ni danger puisque la témérité en est la compagne préférée. Et le comble, pour redécouvrir parfois au bout de fastidieux efforts le fil à couper le beurre tout en croyant réinventer la roue. Risible quand ce n’est pas ridicule.

N’empêche ! Moins souvent que je ne l’aurais quand même escompté, des belles pépites me sont apparues au creux de la main. Moi, l’autodidacte devant l’Eternel.

Au lieu de faire marcher ma tête, j’ai toujours compté sur mon corps pour apprivoiser les soubresauts, quelques fois fantaisistes, de mon cœur. Surtout pour me recoller vaille que vaille les fissures d'une âme trop prompte à s'acoquiner avec le blues. Voilà pourquoi à l’orée du crépuscule de ma vie ici-bas, je m’aperçois que l’unique rambarde de mes presque 56 années passées est le karaté. L'art de la main vide.

Oui, le karaté auquel j’ai appris à rajouter au fil de l’expérience le suffixe Do. Avec tout ce que cela suppose, bien sûr. Le karaté est une chose et le karaté-do en est une autre. Quant au karatédo, concept auquel on enlève le trait d'union entre les deux mots, c’est encore quelque chose en plus pour la compréhension intellectuelle. Qu’est ce qu’elle est fabuleuse cette sensation de progresser !

Mais paradoxalement, plutôt quelque chose en moins en termes de pratique totale, à la fois physique, émotionnelle et mentale, volontairement plus axée sur le spirituel. Pour reconnaître finalement ne savoir presque rien. Mais ô joie immense !

On s’en balance pour endosser le keikogi avec un plaisir renouvelé. Rien que pour le plaisir de suer. Et quelques fois de sentir cette impression de s’examiner soi-même en train de pratiquer. Quel délice que de revivre le ki du créateur du kata qu’on est en train d’exécuter ! Fut-ce un fulgurant instant.

Dès lors sans même que le pratiquant ne s’en aperçoive, il se met à fusionner avec le Do, le Tao, la Voie. Et là, on relit de nouveau « La voie et sa vertu » de Lao-tzeu avant de s’intéresser autrement à « Gorin No Sho » de Miyamoto Musashi, rônin de son état. C'est-à-dire samouraï sans terre, ni maître.

Quand on saisit dans sa propre chair qu’il est journellement besoin de mourir pour renaître à tout bout de champ, plus rien n’importe à part l’intensité de l’instant. Une nouvelle acception de la liberté se fait. Dieu seul sait combien c’est agréable.

C’est tellement confortable. Attention, danger. Ne surtout pas s’assoupir ! Zanshin et zanshin, rien que zanshin !! Vigilance optimale, résultat d’une tonicité minimale sous contrôle d’une détente maximale. C’est simplement magique.

Nombreux en sont les petits secrets. Commençons par les châkra. Je vous conseillerai volontiers de vous familiariser avec eux. A commencer par les sept principaux: rouge, orange, jaune, vert, bleu, indigo et violet. Voulez-vous bien vous renseigner à ce sujet pour qu’on en reparle plus aisément ?

D’ailleurs vous, les jeunes d’aujourd’hui, disposez d’internet pour tout apprendre par correspondance. Malheureusement pour les insensés, pour vivre aussi par procuration. Trop de monde s'enorgueillit de tout savoir au bout d'un clic, soi-disant en temps réel. La circonspection est de mise face au virtuel. Il faut se ménager précieusement la capacité d'imagination. Là, siège notre meilleur capital.

Renseignez-vous sur les châkra et on en reparle. Je partagerai le peu que je sais mais qui me va déjà très bien. J’espère pourtant vous voir me guider si vous êtes mieux informés afin de m’éviter de vouloir tout encore réinventer.


En tout cas, je veux bien désapprendre totalement pour tout réapprendre encore. C’est beau de mûrir avant de vieillir pour mourir dignement… Quand il sera temps.


Forum sur SALANITRA NY AMBANILANITRA:

MAHA-OLONA sy mahaolona

Lahatsoratra somary mavesabesatra saingy mety mahafintina ny fampianarana nisahiranako fahiny teny amin’ny anjerimanontolo no zaraiko eto.

Hoy ny raimandreny Dzaovelo Dzao-Robert:
Olombelona = singa anaty voaàry => Olombanona = beazin'ny fiarahamonina => Olonkendry = mahatefy tena.
Notohizako io lôjika io. Olombelona => Olombanona => Olonkendry => OLONA.
Rehefa mahatefy tena dia vanon-ko Olona. Io zotra io no atao hoe zotran'ny mahaolona.
Iza ilay Maha-Olona ? Andriamanitra-Andriananaàry manjaka ao am-po koa maha-Olona ny Olona.
Jery iray mifameno amin'io ihany koa ito ho velabelarina ito:

                                                                     ANJARA
MAHA-OLONA = ( VINTANA x LAHATRA ) 

Alaivo ambony, alaivo ambany dia itaro, tompoko, raha mampazoto.

"Ra-OLONA"
12 septembre 2010, 23:47

BEzoro, tompoko.
Miarahaba, tompokolahy.Manaja, tompokovavy. Salohy ombàm-pirariantsoa ê. N'aiza n'aiza lafi-tany onenana, na andafin-driaka na eto an-toerana.
Ny fisahiranana tamin’ny "Coaching: Fanabeazàm-boa ny mahaolona " an-taona maro izao atoro eto izao. Na nandritra ny "consultance" ho an'ny "gestion des ressources humaines" ho an'ny orinasa liana amin'ny fankatoavana ny maha-malagasy izany. Na fizaràna traikefa teny amin'ny sehatra fampianarana anjerimanontolo. Hatraty amin’ny fampitàna haizatra anivon’ny tontolon'ny "Do" maha-Karatédo ny karaté.
Toa izao no fototrin’ilay làlan-kevitra araka ny fiheverako manokana.

                                                             Ego
PERSONNALITE = ( Nature x Milieu )
Personnalité = Nature à multiplier par Milieu. Et le tout, à la puissance Ego.

"Formule" natoro anay fony nianatra Psychologie io nandritra ny fianarana Philosophie.Tsy idirantsika intsony ny fanazavàm-bahiny nipoirany izay mety efa manavanana antsika. Ireto kosa ny tombony azo anampiana izany ho antsika Malagasy.

SORIKEVITRA VOALOHANY

- P ( Personnalité ) dia ny maha-izy azy ny tsirairay, ny maha-tena ny tena.

- N ( Nature ) dia ny VINTANA. Ankoatran'izay nolovaina tamin-drazana nipoirana izay ao anaty rà-n'ny tena toa ny toe-batana, endrika, sns. Io vintana io no mamaritra ny tena tsy fidiny. Zahàna eo ny andron'ilay olona. Izany hoe tsirihana avy amin’ny fotoana sy toerana nahaterahany.
Rohotany no ifantohana entina hamaritana ny andro: alahamady, adaoro, adizaoza, asorotany, alahasaty, asombola, adimizana, alakarabo, alakaosy, adijady, adalo, alohotsy. Izay no antony ilàn'ny mpahay azy ny famantarana ny ora sy minitra marina nahaterahana.
Mety miampy fitokoan-tsikidy koa, ho an'ny tena maranitra, entina izahana izay ifaningorana amin’ny toerana nahaterahana (firenena - faritra - tanàna - trano - zoro tao antrano na hamonto anebakeban-tany).
Izay, ohatra, no maha-saropady fatratra ny hoe "Oviana ary taiza no nalatsahan'ny tavony ?" Tohiny: " Taiza ary oviana no nasitrika ny tavony rehefa latsaka ?"
Fikatsahana ny "Probabilité" ateraky ny "entrecroisement des données temporelles avec les indicateurs spatiaux" angà no mety azo ilazàna azy ?
"Subi" fa tsy "choisi". Izany hoe mihatra tsy ankifinidy ny vintana.
Tsetsatseta tsy haritra: mampandinin-tena eto ny atao hoe "accouchement provoqué". Saingy aleo iny idivirana satria asakasaky ny tsirairay loatra.

- M ( Milieu ) dia ny fibeazana anivon'ny ankohonana, ny fianakaviana, ny fiarahamonina manodidina, ... hatramin'ny firenena sy ny bolabolatany ary ny voaàry iray manontolo.
Io kosa no mifanandrify amin’ny antsoina hoe LAHATRA.
Iza no alain-tahaka ? 
Inona no lasitra ivoirana ?
Manakory ny fanefena toetra amam-pisainana voaranto sy ilofosana ? 
Milahatra amin'iza ny tena, atao ohatra velona alain-tàhaka dia ihoarana, na ahilika tsy itoviana ? 
Manakory ny fandaharan'ny hafa, na ny toe-javatra, ny tena ? 
Aiza ny laharana raisina, na tian-ko savihana ?

- E ( Ego ) io no ivo-atin'ny tena. Fonosana mitahiry ny haren-tsarobidy indrindra: Ny feon'ny fieritreretana.
Misy moa no variana eo amin’ny fonosany fotsiny koa tia tena tafahoatra, bontolo be fotsiny. Misy kosa ny mahavatra mamaofy, koa mby hatrany amin’ io ivo-atiny voalaza io.
Ao no lapan' Ny Masina. Tahirin'ny hasin'ny olona ny Ego. Io ilay antsointsika hoe ANJARA.
Avy ao no miainga ny safidy, ny "libre arbitre". Izay mahavaofy io anjara-ny io no tena mahatomombana ny sori-dia mahaolona feno. Ny lahasa famàofana azy io no antsoina hoe Manazary.
Izay tonga Mpanazary lalina indrindra ao an'ivo-atiny ao, koa mahazara fitiavana sy fahasoavana ary fanambinana eo amin’ny manodidina azy, …Tafapàka any amin’ny fara-atin'ny ati-boàfany ny fiorenan'ny maha-izy azy: Zanahary.
Ny mpanazary maharoboka lalina tanteraka eo ampikatsahana ny tenany, araka io voalaza io, dia tafaranga ho ZANAHARY tokoa.
Izay, Ra-Olona, ilay foto-dresaka.

FANAMARIHANA ambàtan'ny mpampita hafatra:
1. Aoka isika ê, hitandrina. Tsy tokony omena olona mampiahiahy mihitsy ny ora sy minitra naterahana. Toa izany koa ny mikasika izay antsipirihan-toerana nahitàna masoandro. Saro-pady loatra ireo !!! Sao sanatria an-tànan'ny mpamiravira bingo fisainana koa mety ho antambo.
2. Nandalina mikasika ny fanandroana nandritra ny fotoana nisinisy ihany moa ny tena. Ary ny sikidy dia "unité de valeur" mihitsy tamin'ny Anthropologie fony mbola tany andabilio.
Efa azo informatiser-na izany rehetra izany ankehitriny satria "données physiques" azon'ny "logique mathématique" babena tsara ireo.
Ny "capacité intuitive" no tombony manokana ho an-draolombelona arakaraka izay fahafolahan-tena voasedrany.
3. Ny tenako manokana dia efa niala tanteraka an'izany mamantapantatra ny ho avy izany. Tsy mila izany intsony aho ankehitriny. Efa naleviko impito mandifotra olona izany. Ampy ahy ny fiainana feno fahatsorana. Tsy mila misikidy intsony. Tsy mila manandro intsony. Manazary ampaha-mendrehana dia izay. Mpanazary mifampitantana amin'ny anjely. Izay no safidiko ahy manokana ho an'ny fiainako.
Tsindriako mafy etoana fa tsy mila mandalo fahaiza-manandro na fanokoan-tsikidy velively akory vao afaka manazary. Sehatra tsy voatery fantarina akory ireo.
Saingy izaho moa olona be holikolika izay fahiny no tia karokaro-tsaina tsy ankiato, zary lasa nihoam-pàpana. Zara aza tsy very fanahy mbola velona tany !!!
Fo mazava, saina madio sy vatana tomady ary fanahy malefaka. Izay ihany no takiana. Dia izay. Ampy izay, ahatongavana Mpanazary marina ara-drariny.

SORIKEVITRA FAHAROA

Ohirintsika koa ny ankilatakiban’ilay làlan-kevitra teo aloha teo iny ?

PERSONNALITE = Maha-Olona. Andriamanitra-Andriananaàry io Maha-Olona io. 
Izy no mitrotro aina ilay Zanahary anatintsika tsirairay avy...
koa lasa ny tenantsika mihitsy izany rehefa tomombantsika ny fampirangàna azy.

Nature = Maha-Olombelona. Isika ilay nateraka.

Milieu = Maha-Olombanona. Isika ilay tsy mitsaha-beazina.

Ego = Maha-Olonkendry. Isika ilay maha-tefy tena tsy ankiato.

Hatreo ve aloha, Ra-Olona ? Eny, marina. Fadiana ny be ambava sao sahiran-kiherotra, hono, ny fo ê.

Rehefa te-hanala hamohamo dia zahao, azafady indrindra, ao amin'ny Facebook ny pejy Vahömbey. Pendeso ilay hoe "My band". Azo télécharger-na ankalalahana ao ilay rakikira navoakan'ny tarika tamin’ny taona 2009: iKAKY.
Irina koa raha irina hahavatsy fanambinana izay mahatohan-tsofina azy. Sady mba an-kira fa tsy tosa-teny lavareny !
Misy hira tsotsotra kely mahafinaritra izay ao. "Mpanazary" no lohateniny.
Veloma indrindra, Ra-Olona.
Soavatsarà koa alavirim-parofy, ihavonan-tsiasia, mikasa mahavanona, mizara mahazary, ifanontofan-karena, ambinim-pisasarana, ... Velon-driaria arivoarivo taona, henin-kaja lolohavim-bonin'ahitra. An-tanàna mamim-bahoaka ê. Ampandehanana tsinjovim-pitiavana.
Tahian'Andriamanitra lalandava ny mpianakavy, tompokolahy sy tompokovavy.
Mankasitraka hatrany,
VAHöMBEY.
Asaramanitra 2010.
Antsirabe, MADAGASIKARA."

Atsipy, tompoko, ny teny ho ao am-pon'ny mahalala.

SALANITRA NY AMBANILANITRA: 
https://www.facebook.com/groups/1374295612880880/permalink/1374437012866740/

lundi 26 janvier 2015

SALANITRA NY AMBANILANITRA & Approche sereine de la soixantaine.

SALANITRA NY AMBANILANITRA.

Hoy Ikaky Ravaho:

“ Miarahaba, tompokolahy. Manaja, tompokovavy. Salanitra isika mianakavy.
Somary ho lava taria koa ialàna tsiny indrindra. Sasinteny sy kibon-dresaka ary rasavolana.

SASINTENY

Zahako izao tontolo izao. Korontana sy loza aman’antambo no manemitra ny filazàm-baovao. F’ahoana ihany izy ity ê ? F’angà ratsy tokambolo no hany mitranga eto an-tany ?

Dinihako ny eto an-tanindrazana. Sangodimpanina mampisafotofoto sy vilany mitongilana lava izao nohon’ny afitsoky ny manampahefana manao tsindry ila mizàna. F’ahoana ihany izy ity ê ? Fandoto iray sotro ve, tompoko, dia hahaleo fandio iray siny ?

E ‘ty Ramalagasy voazanaka ara-pototsaina nohon’ny torohay tian-kàno tsitian-kàno afatratry ny fanontoloana ao anaty betrony. Tokana, tompoko, ny hirika iavotana: Fahendrena. Fikatsaham-pahendrena toa ny an’i Salomona.

Tsotra no nataon’i Salomona. Nandala lalandava ny feon’ny fieritreretany izy. Fiadanana no vokatr’izany. Nifikitra tamin’ny fenitra ara-panahy izy. Niaina fanambinana tsy roa aman-tany. Raha mbola misy koa olo-mahiratra, Salomona anisan’izany.

Hono ho’aho, Ramalagasy. Sanatrian’ny vava ladian’ny lela ve dia hoe very fanahy mbola velona ? Sa diso fikajy ka miandrandra masoandro hihiratra vao maneno akoho tokana ? Na hilelalela hoe miavià ry fanahy masina nefa ny avara-patana fiandrianany aza mbola mila fikarakaràna ?

KIBON-DRESAKA

Ny aina tsy mifametra. Ny tena efa mahazoazo taona. Raisiko ho adidy, tompokolahy sy tompokovavy, ny mizara ampahatsorana izay voankazo an’ala notazana an-dàlana. Mason-tsokina, masom-boalavo. Izay kely ananana no ahiratra. Nahasoa ahy koa sao mahatsara ny havana aman-tsakaiza.

Eo ampanoratana boky makadiry aho ankehitriny isavasavàko ny ambahandain’ny mahaolona Malagasy. Ny ampitso moa ankibon’ny omby koa mandrapahatontosa soa amantsara izany asa karoka izany mba ho lovain’ny taranaka faramandimby dia tapakevitra aho ny hanokatra banja malalaka ao amin’ny facebook: “SALANITRA NY AMBANILANITRA.”

Bemiray izy io. Na ara-pomba fijery satria fandalinana fenitra ara-panahy no antom-pisiany. Na ara-pitenimpirenena satria malaim-pefy ny fenitra ara-panahy. Tokana ny fepetra: fahamendrehana tanteraka.

Ohatra, tandrovina ny hasin’ny teny. Hoy ingahy Elie Rajaonarison fahiny: “Mendrika avokoa ny teny. Tsy misy teny tsara, tsy misy teny ratsy. Teny fady no misy.” Eny, tompoko. Misy ny teny fady masoandro. Ao ny teny fady imason’anaka na anoloan-draiamandreny. Misy teny fampiasan’ny mpivady ampototra ondana saingy saropady amin’anabavy na anadahy. Izay fahaiza-mandanjalanja izay dia efa endri-pahamendrehana.

Midadasika ny sehatra “SALANITRA NY AMBANILANITRA”. Ho zaraiko ao izay ampahany voafantina amin’ny boky famakiko andavanandro efa roapolo taona mahery izao: “La Vie des Maîtres, Baird T. Spalding”. Ho ampitaiko ao ny rohy afahana mandramby izany boky izany ho an’izay te-handinika ankahalalahana.

Ny omby indray mandry, tsy indray mifoha. Ny hevitra rahateo tera-bary. Samy maka izay tandrify azy. Fepetra: ampahamendrehana.

Ankoatra izay, ao amin’ny gazety bokin’andriambavilanitra “Essentielle” janoary 2015 laharana faha-29, dia misy lahatsoratra hoe: “L’Alimanaka et le Fanandroana sous toutes les coutures”. 

Azontsika iaraha-mandrasarasa izany ao amin’i “SALANITRA NY AMBANILANITRA” raha misy liana amin’izany.

Mialoha izay, mahavàra mamaky boky malagasy toa ny “Anganon’ny ntaolo”, ohatra. Amin’izay, manana ventin-kevitra ho rohidrohitina fa tsy fosafosan’olo-mpikobana no sanatria ifandrafesana. Fepetra hentitra: ampahamendrehana.

RASAVOLANA

“ Ny faravodilanitra no valamparihy ”. Ndeha vahàna ny gejan-dRamalagasy. Ndeha omena vahana ny ati-fanahy mahaolona. Isaky ny mihamaro isa isika mahatontosa izany zotram-pahendrena izany, … 
Miha-malefaka ny toetr’olona manodidina antsika.
Miha-maha-te honina eto an-tanindrazana.
Miha-tomady kokoa izao tontolo izao.
“SALANITRA NY AMBANILANITRA”.


Mankasitraka, tompokolahy. Mankatelina, tompokovavy. Tahian’Andriamanitra isika mianakavy.”

SALANITRA NY AMBANILANITRA.

APPROCHE SEREINE DE LA SOIXANTAINE

Un jour, vivre à Madagasikara sera plus agréable. Cette belle perspective deviendra réalité le jour où les leaders d’opinion malagasy les plus influents sauront mieux domestiquer leur peur chronique de tout. Angoisse collective, appréhension de l’étranger, crainte maladive des gouvernants, psychose de l’échec et résignation défaitiste. A quelques rarissimes exceptions près. Dur et méchant constat, me direz-vous !

Mais à mon humble avis, puissé-je me tromper, là se tapit le mal qui nous ronge. Notre peur viscérale de l'inconnu. 

En énumérer les causes générales - colonisation, mondialisation, déculturation, etc. - est ici hors de propos. Tout comme fustiger  la débandade encouragée par certaine grégarité malsaine - obscurantisme, sectarisme, bigotisme, diabolisation démesurée de la chose politique entre autres, …  - est également hors sujet.

Le monde ne changera que si moi-même je change d’abord, martèlent tous les sages de l’histoire de l’humanité. Bien sûr ! A chacun son vécu, sa culture générale, ses besoins et ses désirs, ses contraintes et ses limites. Ah ! Les limites ! Parlons-en. C’est l’abcès à crever. Mettons en place la problématique fondamentale.

 Il s’agit justement d’annihiler les hypnotiques limites qu’on s’impose toujours à soi-même. Trop souvent, inconsciemment. Il faut absolument se surpasser. Comment ? En s’attachant à l’idéal universel, celui de la Spiritualité. L’authentique spiritualité, celle qui rend libre, paisible et aimant. Autrement dit, débordant d’Amour.

Peut-être que pour vivre intensément la loi de l’ « Agapê », aimer sans attendre d’être aimé, faut-il s’initier et se cultiver ? Tel a toujours été mon choix personnel. Quelqu’un, parmi les lecteurs de cet article, s’intéresse-t-il aux jalons de mon approche sereine de la soixantaine ?

Un groupe de réflexion bilingue, malagasy et français, vient d’être créé sur facebook à cet effet : SALANITRA NY AMBANILANITRA. A votre bon vouloir, mesdames et messieurs. (1)

Dans le même ordre d’idées, permettez-moi de signaler la parution du n° 29, janvier 2015, du magazine féminin Essentielle. S’y trouve aux pages 16 à 18, une interview intitulée « L’Alimanaka et le Fanandroana, sous toutes les coutures ».(2)

Son contenu est délibérément généraliste pour grand public, particulièrement féminin. N’empêche, il offre quelques pistes de recherche et d’investigations, certainement sommaires pour les connaisseurs mais instructives pour les non-avertis. Deux courts extraits :

 « Le Fanandroana ressemble à une grille de lecture, un guide de bon sens, voire un pack d’outils pour certaines prises de décision. »

«  Tout individu est totalement libre d’écrire chaque jour son histoire comme il l’entend. »

Rendez-vous sur SALANITRA NY AMBANILANITRA ?

Personne n’y prétendra détenir le monopole de la science infuse ou de la vérité. Surtout pas moi qui ai tant et tant à apprendre encore. Le partage y sera le mot d’ordre en fonction de la générosité intellectuelle de chacun. Et mieux encore, de la générosité tout court. Ouverture d’esprit et empathie rendront meilleur le monde, petit à petit. A commencer par nous-mêmes. Et peut-être bien notre entourage aussi ?

Mesdames et messieurs, merci de votre aimable attention.

Antsirabe, 26 janvier 2015.

Vahömbey RABEARISON

(1)  Tant qu’il s’agisse de quête authentique et sincère de Spiritualité, les colonnes de SALANITRA NY AMBANILANITRA sont disponibles. Chrétien comme musulman ou bahaï, bouddhiste,  shintoïste, hindouiste et traditionaliste sont invités à s’y exprimer pour partager leurs expériences. Ainsi de même ceux qui se disent athées puisqu’ils n’épousent aucune religion instituée et voguent dans la vie selon leurs propres consciences. Seule règle : la tolérance et rien que la tolérance. Donc, respect mutuel. MERCI.

Lien pour accéder à SALANITRA NY AMBANILANITRA: https://www.facebook.com/groups/1374295612880880/

(2)  Ci-après, photo des pages de ESSENTIELLE, le magazine en question. Il est en vente en kiosques et dans les librairies. Coût très abordable vu la belle qualité de son contenu et de son impression : 3 000 ariary. Je ne me permettrai de diffuser sur internet la teneur de l’interview « L’Alimanaka et le Fanandroana sous toutes les coutures » que lorsque l’autorisation pour le faire me sera accordée par les responsables du magazine. A mon avis, lorsque le numéro mensuel suivant sera en vente. D’ici là, gentlemen’s agreement . Question d’éthique, n’est-ce pas ?


mardi 13 janvier 2015

Miala any i " LàKALàKA " ! Sava-làlana:

LàKALàKA, rakikira faha-enina notontosain-dry VAHÖMBEY. Tao amin’ny Electric Red Island Studios no namolavolana tanteraka azy io toa an’i TAO izay nialoha azy. An-taona maro no niketrahana an’i LàKALàKA. Ito no rakikira mafonja indrindra novokarin’i Vahömbey izay efa mipi-bolo ankehitriny.

Olon-tsarotiny mikasika ny maha-olona sy ny maha-malagasy i Vahömbey. Miharihary izany ato amin’ito rakikira ito izay mamaky bantsilana ny kitoatoam-pitantanana ara-pôlitika mianjady amin’ny vahoaka Malagasy. Na an-drenivohitra izany na an-tany lavitra andriana. Raiamandreny efa loa-jafy i Vahömbey. Mitandrim-bava toa zokiolona nefa itambesarana adidy. Fitsinjovana ny taranaka faramandimby no antony anitrikitrihany izay tokony ahitsy eo amin’ny fiainam-pirenena.

Araka ny nambarany: 

" Fara-gisitra eran’izao tontolo izao i Madagasikara mikasika ny herinaratra. Kolikoly maharikoriko hatrany an-tampony ka hatraty ampaladia. Valala tangosam-potsiny ny zanabahoaka ianjadian’ny horohoron-jiolahy. Fanjakazakàn-tsakaizan’ny tompomenakely ny ambaratongam-pitantanana. Fahantrana sy fahavoazana isan-tokantrano mampikororosy ny isambatan’olona. Fampiharana lalàna fialofan-jiolahy sy famoretana ny tsy manam-piahy. Mitotongana ny maha-olona, mirefarefa ny maha-malagasy."

Miakoako any anaty hiran’i Vahömbey ny fiantraikan’ireo antambo ireo any am-po tsy miloakan-dRa-Malagasy izay miandrandra ampitso mamiratra mandavantaona. Hoy i Vahömbey eto ampanolorana ito rakikira LàKALàKA ito : 

« Mila risika Ra-Malagasy mba tsy hiraviravy tànana toa very fanahy mbola velona ? Ampiriatiko indray, tompoko, ny fararako ary ho ampanenoiko hampangorintsina ny ati-fanahin’izay ahare azy. Sitrany ahay hanome risika ny tsara sitrapo mba hilofo sy hiroso hatrany. Na inona, na inona ataon’ny mpitondra fanjakana. Manao tsara ry zareo ? Arahaba soa, arahaba tsara. Manao kitoatoa ? Tsy ivadihana ati-doha. Na inona na inona manjo, fadio re, tompoko ô ! Fadio raha mbola velona aina, fadio ny famoizam-po !  ”

Lahatsoratra sy taosary : BEzoro – ingénierie culturelle (BE-ic)

Sary pika : ANDRIANJARA 2015

Crédit photo: ANDRIANJARA 2015

samedi 10 janvier 2015

" FARARAKO "

Crédit photo: ANDRIANJARA 2015

Miarahaba, tompokolahy. Manaja, tompokovavy. Salanitra isika mianakavy.

Ny hevitra, hono, terabary. Miteraka resabe ilay fanambarako ankiharihary hoe “Tsy teny Iavoloha aho androany 09 janoary 2015.” Mankasitraka hatrany anareo havana aman-tsakaiza misahirana mifampikatroka jery noho izany.

Ny hevi-tsy feno, tompoko, manatody ahiahy. Koa rehefa namaky antsipirihany ny voasoratrareo sy nanongilan-tsofina izay voaresakareo mikasika izany aho dia mamelà ahy, azafady indrindra, haneho ireto hevitra telo loha manaraka ireto.

1.      Sarobidy ho ahy ny antsoina hoe “sincérité citoyenne”. Omeko hasina lalandava mihoatra ny antsoina hoe « bienséance politicienne » io « sincérité citoyenne » io. Na olompirenena tsotra ny tenako, na ho anisan’ny mpitondra fanjakana indray andro any.

Samy miaiky ny be sy ny maro hoe mila ovaina ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara. Ary amin’ny maha-mpandraharaha pôlitika ny tenako dia io “sincérité citoyenne” io no omeko lenta ambony noho ny “bienséance politicienne”. Indramiko ny teny vahiny ilazako hoe: “J’assume.”

2.      Hatramizay ka hatramizao dia nanefa antsakany sy andavany hatrany ny anjara raharaha sy adidiko aho amin’ny maha-olompirenena ahy. Na iza mpitondra ara-pôlitika teo, na iza, dia nimatimaty hatrany aho nanasoa ny fireneko araka izay tandrify ahy sy voatsirambin’ny tànako.

Ohatra akaiky: nanolokevitra sy nanome tànana tsy ankiato ny fitondrana ankehitriny araka izay masontsokina ananako aho nandritra ny taona 2014 manontolo. Saingy tsy nisy nihaino, tsy nisy nandraharaha. Avonavona sy tosi-bohontànana ary fandrahonana no nasetrin-dry zareo an’ izany. Tsy nampilavo lefona ahy sanatria.

Notohizako hatrany ny fanarenam-pirenena taty amin’ny sehatrin’ny “société civile”. Isan’ireo mpilofo ao amin’ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananantany (SIF) ny tenako. Kitro ifaharan’ny fampandrosoana, tompoko, ny Fananantany. Toa izany koa ny  « Himo structurée », asatanamaro manaradrafitra, izay mifototra amin’ny antsoina hoe « Plein Emploi et Travail Décent » na Asa mendrika ho an'ny besinimaro.

3.      Na anaty fitondram-panjakana aho, na tsia, dia imatimatesako hatrany ny famelomana aina ny fireneko mandrampikimpin’ny masoko. Mila risika Ra-Malagasy mba tsy hiraviravy tànana ka sanatria ho very fanahy mbola velona ?

Ampiriatiko indray, tompoko, ny FARARAKO ary ho ampanenoiko hampangorintsina ny ati-fanahin’izay ahare azy. Sitrany ahay hanome risika ny tsara sitrapo mba hiroso hatrany.

Na inona, na inona ataon’ny mpitondra fanjakana. Manao tsara ry zareo ? Tsara. Manao kitoatoa ? Tsy atao mankarary fo.

FEHINY:

Totovarim-bazimba io, araka ny fitenin’ingahy Olombelo Ricky. Izay tsy mitoto, tsy mihinana. Iarahanay manana io tsangan-kevitra io. Miampy ilay hoe: “Malagasy, manankasy. Madagasikara, manankasintsara.”

Koa ny aina, tompoko, no matezà.

Mankasitraka, tompokolahy. Mankatelina, tompokovavy. Tahian’Andriamanitra isika mianakavy.

RABEARISON Roland Dieu Donné Vahömbey.

Crédit photo: ANDRIANJARA 2015

vendredi 9 janvier 2015

Tsy teny Iavoloha aho androany 09 janoary 2015



Miarahaba, tompokolahy. Manaja, tompokovavy. Salanitra isika mianakavy.

Fifampiarahabana ofisialy nohon’ny taombaovao teny amin’ny lapam-panjakana teny Iavoloha androany 09 janoary 2015. Amin’ny naha-kandidà ahy tamin’ny fifidianana filohampirenena 2013 sady mpanorina ara-panjakana ny antoko pôlitika nasionaly FAnambinana MAdagasikara – FAMà dia anisan’ireo nahazo fanasàna ny tenako.

Koa  mankasitraka eram-po eran-tsaina ny tomponandraikitrin’ny arifenitra, tompoko, nanome hasina izany sata izany. Mahasoàva anareo isan-tokonambaravarana re, tompoko. Mitomboa haja amam-boninahitra.

Saingy ialako tsiny, aoka tsy handiso fihavanana. Ninia tsy nanatrika io lanonana io ny tenako. Fanapahankevitra ankitsim-po tsotra izao.

Antony manokana:

Amin’ny anarako irery ilay fanasàna. Fomba fifanajàna, tompoko, ny miara-dàlana amin’ny andefimandry rehefa lanonana goavana toa io. Nanontany ny arifenitra ny tenako mikasika izany. Saingy izay, hono, no tinapaka. Tsy ifanomezan-tsiny. Fotoan’ny fitsitsiana rahateo izao. Koa naleoko tsy nitonantonana nankany toa tokan-tena satria vidian-kaja, vidiam-boninahitra. Raha ny vola no maha-rangahy,… Mandeha roa, tompoko, sahalain’olombelona.

Antony iraisana amin’ny valala be mandry:

Hatramin’izao fotoana anoratako izao dia diso fanantenana tanteraka aho mikasika ny fitantanana ny rafi-panjakana malagasy. Te-hampiharihary aho fa tsy manan-tendro iraisana velively amin-dry zareo mpitondra fanjakana manoloana izao fahoriana mianjady amin’ny fireneko izao.

Tsy ivarotana saka be loha na itantarana atsanga tsy aman’orana aho mikasika ny anton’izany. Nandaniako ron-doha am-polo taona sy vola aman-karena tsitokotsiforohana ny famelomana aina firenena koa tsy ampideràna izay taim-by aho mikasika an’izany. Fara-faharatsiny diso paikady ry zareo mpitondra na tena manaotao fahatany tsotra izao matoa milentika ankehitriny i Madagasikara. Taona iray manontolo anie izao ry zareo no tompon’ny fanapahana ara-panjakana, tompokolahy sy tompokovavy !

-          Fara-gisitra eran’izao tontolo izao i Madagasikara mikasika ny herinaratra
-          Kolikoly maharikoriko hatrany an-tampony ka hatraty ampaladia
-          Valala tangosam-potsiny ny zanabahoaka ianjadian’ny horohoron-jiolahy
-          Fanjakazakàn-tsakaizan’ny tompomenakely ny ambaratongam-pitantanana
-          Fahantrana sy fahavoazana isan-tokantrano mampikororoso ny isambatan’olona
-          Fampiharana lalàna natao ialofan-jiolahy sy amoretana ny tsy manam-piahy
-          Mitotongana ny maha-olona, mirefarefa ny maha-malagasy
-          Sy ny sisa, sy ny sisa tsy ary ho voatanisa !

Vaovao ity ny taona. Izaho rahateo olo-malain-tsiasia. Sady raim-pianakaviana efa loa-jafy. Koa fatra-mpandàla fihavanana sy mankatoa raiamandreny.

Amin’izao fiandohan’ny taona 2015 izao, mirary fanapahana feno tsy ladian-tsakatsakana ho an’ny Filohampirenena voafidim-bahoaka. Handidy, ahadidy anie. Hanapaka, ahatapaka. Handrasa, aharasa. Hialoha azy anie ny faharisihana ary hanjohy azy anie ny fahombiazana.

Ho velombolo anie ny taranaka faramandimbin’ny vahoaka malagasy eo ambany fiahian’ny Filohampirenena izay iladiladiako amin’Andriamanitra mba ho sesefany fahendrena.

Mankasitraka, tompokolahy. Mankatelina, tompokovavy. Tahian’Andriamanitra isika mianakavy.



RABEARISON Roland Dieu Donné Vahömbey.