jeudi 19 novembre 2015

Firenena, iaraha-manana. Ahiahy, tsy ihavanana.

Ndeha atao hoe diso malina, mpifehy hazo tokana ny mpanoratra. 
Zarany rahateo aza ho diso toa mpaminavina fotsiny ihany. 
Raha mpaminany izy dia nanizingizina. 
Saingy tsy mpaminany velively izy. 
Tsy mahalala n’inon’inona amin’izay sitrapon’ny Mpandahatra.


Katrobetro lôjika. Izay ihany dia izay. Fanalàna andro marisa ho hariva.

Mandinika.

Fitandraham-bola aman-karena ankibon-dranomasin’ny Nosikelim-bazimba malagasy.

Mpitily zava-miafina saingy manify fahalalàna mikasika ny siansa ara-géologie no manao antso avo hoe: " TANDREMO ! SAROPADY ny Nosikelim-bazimba malagasy !!"

Antony iangaviana ny TENA MPAHAY hitonona sy hanambara ny mari-potorana refesin'ny siansa otronin'ny teknolojia avo lenta izany.

Antenaina fa efa misy torohay siantifika azo itokiana 100 % eo ampelan-tànan' ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, Na Malagasy. Na vahiny.

Fanamarihana:
Olompirenena sarotiny amin' ny ainy manokana, maniry hitandro ihany koa ny an'ireo mpiarabelona aminy, io mamarafara io.
Raha toa efa misy valim-pikarohana any ho any, tokony borahana habaribary.
Raha mbola tsy misy dia tokony atao ary ampahafantarina ampahabemaso ny valiny.

Ohatra:

1. TENA TSY AZO ATAO. Mbola iandrasana fahanterana " géodésique " aman-taona, taona an-jato, an'arivo, an'alina, an-tapitrisa, an-davitrisa. Noho izany, kajiana sy tahirizina. Tsy teren-ko masaka toa voalobo-jaza. Ronono no ilaina koa ny reny omby no atao sorona ?

2. EFA AZO ATAO SAINGY mitaky fepetra isan-tokony aman-karazany. Ifanazavàna sy ifampieràna amin'ny fomba ara-dalàna isan'antanan-tohatra. Tsy ankanao ankobokobona sao mamery ny bado, mamingana ny tsy manan-tsiny.

ZON' OLOMPIRENENA izany.
Malina mifehy hazo tokana izany.

Na ny fitrandrahana ankibon-tanety aza anie ka itakiana mialoha " protocole scientifique - procédé technologique - procédure sociétale - process culturel " ê.

Mainka fa ny ao ankibon-dranomasina takona afenina.

Mpiandry volavita avokoa isika mianakavy. Tsy misy tompony, samy mpamerina an-dohany.

SAROPADY ny tohivakan-javaboaàry !

Saripika: Andrianjara Balita / BE-ic

Fankalazana francophonie 2016 ? 
Vavahady hidanadàna ho an’ny amboadia.

Hany kandidà filohampirenena namaky bantsilana ny Nosikelim-bazimba malagasy ny mpanoratra, tamin’ny 16 oktobra 2013 tao amin’i TVPLUS. 
Nisy nahare ?




Namotsipotsitra ny tsikombakomba ratsin’ny pôlitisiana amerikana sy frantsay mpampivelona ny Daesh ny mpanoratra, tamin’ny 05 jona 2015 tao amin’i TVPLUS. 
Nisy nahare ?




Ho vitantsika eto Madagasikara ve ny hitandro fahalemana tanteraka mandritra io Francophonie amin'ny novambra 2016 io ?

Ho atolotra tanteraka ny frantsay zà-draharaha amin'ny horohoro ny lakam-pirenentsika noho io
Ny mpitsikilon-dry zareo rahateo efa mameno vodi-mototra eran’ny tanàna. 

Raha sanatria vaky loza io francophonie-francophonie io, hitokona eto ny spesialista frantsay handevona antsika. Hanorim-ponenana eto indray ny légionnaires frantsay izay mba efa voaroaka tamin’ny taona 70.

Eny, ho’aho, ry rajakom-bazaha mianakavy ! 

Omeo avara-pàtana indray ny amboadia dia avy eo mody mitomania.


Mila voa tsihary ve izao fampitandremana izao ? 


Araho ito rohy ito: “ Management de la terreur “



Toa izany koa ito : « J’accuse ».


Hosodoko: Isaac.
Tovan-dahakevitra

Vao io marainan’ny zoma 20 novambra io. Mandoza ny any Bamako - Mali. 
Iza sy iza no nahatonga ny toe-draharàha maliana toa io ?
Iza sy iza no mpampivelona ny mpampihorohoro ? 
Iza sy iza no midingina ho zandary mpiahy, mitàtatàta mamono ny afo atsangan’izy Rangory ihany ? 
Amin’izay migalabona sefobe miraiki-tapisaka ao Mali. 
IZA ?

Diniho ny fandrafetam-baovaon’i RFI. Ny besandrin-dry zareo, voahindrahindra manokana. Raha tsy misy azireo â…

[Direct] Prise d’otages à l’hôtel Radisson de Bamako, assaut en cours.


Tena manao izay afany avokoa ny mpandalin-tsaina frantsay, mpandova fanilo ny “Siècle des lumières”. 
Hatreto, tsy mahaleo dohika ny mpanàpaka ara-pôlitika rakàkabe.

« La raison de la raison de ces attentats ». Marie-Jean Sauret, psychanalyste Université Toulouse-III


Hatramin’ny Kiadin’ny olom-panahy no … Vakio moa, azafady ê.

Le Pape François pleure « le monde en guerre » et « maudit » les fabricants d’armes.



Dalaï Lama: Stop praying for Paris - humans created this problem and humans must solve it.



2015
Masoandrobe lohataona,
Mamaky lohasola
Hatrany an-dohamalemy.
Mampiranga ambiroa
Mpitampify tao am-po.

Izay ho tera-bary, mirija avokoa.
Izay tsiparifary, milofika dia … Lo.

“ Sokafy ny masom-panahy,
Ataovy anton-draharàha.”

samedi 14 novembre 2015

RARAKOMPANA



Ny fiforonan'ny tanindrazantsika. Madagasikara sy ny Nosikelim-bazimba

(Sary nindramina tany amin'ny facebook)


Ny fitoeran'ireo Nosikelim-bazimba malagasy


(Sary nindramina; madagascarder...)


Ny mahasaropady ny fitoeran'ireo Nosikelim-bazimba ao amin'ny Lakandranon'i Mozambika

J. SEGOUFIN, Morphologie et structure du Canal de Mozambique. Thèse de doctorat ès-Sciences, Université de Louis Pasteur de Strasbourg, 1981.
Résumé: Mad. Rev. de Géo. n° 46. Janv-Juin 1985
J. et J.M HOEBLICH Maîtres-assistants à l'Université de Tananarive

HAZOLAVA SIANTIFIKA

Tandremo !

Aza kororohana ny ati-ranomasin’ny Nosikelim-bazimba malagasy ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika !!

Raha korontanina ny lafika faladian-tanimbazimba ao amin’i  Juan de Nova sy Bassas de India ary Europa, …

Hiteraka loza aman’antambo hahatsiravina hatraty an-tampontanetin’i Madagasikara.

Aza itrandrahana solika na entona voajanaàry ao ankibon-dranomasina ao !!!

Saropady ! Saropady !! Saropady !!!

Amarino ara-siantifika izao antso avo fampitandremana izao.

Hazolava siantifika izao.

Aleoko aho diso. Toa izay hanan-dratsy.

Ireto misy rohy azo hiaingàna. Diniho. Sivano. Fakafakao. Sedrao :





Manambarà avokoa, azafady, ianareo siantifika mpahalàla rehetra mikasika izao fanairana izao.

Tandremo ! Efa izao no zavamisy:


Saropady ireo Nosikelim-bazimba malagasy ireo.

Miangavy antànan-droa ny Fanjakana Malagasy hitandro sy hikajy azireo toa ny anakandriamaso.

Antsika Malagasy iringiriny ireo Nosikelim-bazimba ireo:


Adidin’ny Mpitondra Fanjakana no miantso rodobe ny vahoaka tsivakivolo.

Adidintsika vahoaka no manao rodobe manampy ny Fanjakana.
Na iza, na iza hanoha-riana antsika. 
Akanga maro tsy vakin’amboa.
Mitabe tsy lanin’ny mamba.
Andao !


Na isika hikajy ny maha-saropady ireo Nosikelim-bazimba ireo,

Na isika ripahan’ny hatendan-kanin-dry Trimobe mpijirika.

“ TANDREMO ! SAROPADY ny Nosikelim-bazimba Malagasy !” :



Rahondrahom-Bazimba
FANAMBARANA.

Amin'ny maha-kiadin’ny Revolisiona Vazimba ny tenako,
Milaza sy manamafy ary mamerimberina aho hoe:

1. Toheriko tanteraka ny pôlitika voretran-drenikelimalala.

2. Toheriko tanteraka ny fanagejana bontolo ataon-drenikelimalala amin' ny Nosikelim-bazimba malagasy.

Atrehiko ary ihatrànako avokoa izay mpitondra fanjakana frantsay mampihatra aty " Madagasikara - tanimbazimba " io pôlitika voretran-drenikelimalala io. Aina no fetra.

Aoka hazava :
Andaniny, ny mpampihatra io pôlitika voretran-drenikelimalala io.
Ankilany, ny sarambabem-bahoaka frantsay.
Samy hafa ireo.
Andaniny: tsiparifary. 

Ankilany: vary.

Hafatra :
Ny kary no manao ny ataony. TSY ny saka no borian-drambo.

Eo anoloan’ny antambo mitranga any Frantsa, 

minia mangina ny tenako.
Miondrika am-panajàna.

Androany, sabotsy 14 novambra 2015.

VAHÖMBEY.


mercredi 4 novembre 2015

DAVIDA.

Ry Malagasy manerana vazan-tany,

Tompokolahy sy tompokovavy.

Misangaojy ny iraisam-pirenena. Mahamaivay ao afovoan'i Afrika. Mahavaky fo ny eto Madagasikara. Tsy an-drenivohitra, tsy ambanivohitra. Tsy an-tanety, tsy an-dranomasina.

Fanalikàna no pôlitikan-drenikelimalala. Eran-tany. Ao Afrika. Eto amintsika.


Mandefitra manana ny rariny isika. Ramasabomanga manao ombay làlana an-tsena. Mpino mahafatra-po. Mitanty tefa-tsofina havia sy havana. Mamela heloka in-77. 

Helo am-paradisa ny nosintsika, hoy ilay horonantsary tao amin'i M6. Laza ratsy miely eran’ny tranonkala.

Zava-misy ireny. Ninia naderadera handrangitra antsika, handemy ampara-hatoka antsika.

Vono lolo tsotr’izao ara-tserasera.

Ibontsonan-drenikelimalala isika. Tandrohany ! 

Ampiderany herivaika.

Azy ny vola, azy ny saina, azy ny sandry !
Azy ny hery famoretana. Azy ny basy aman-tafondro !!

 Goliata i renikelimalala.

“ Banja malalaka “ !

DAVIDA isika.

Antsika ny rariny. Antsika ny hasina. Antsika ny fanahy mahaolona.

Asaina am-pitiavana isika hamaky tsara sy hitsakotsako ampiheverana ny voalazan'ito lahakevitra ninia nosoratan-d Rabedaoro Eris ito amin'ny fitenim-pirenena frantsay.

Iangaviana antànan-droa, diniho ampitoniana io lahakevitra io. Takaro ny tiany ampitaina.

Tombon-dahany goavana ! Herijika makadiry !!

Na handeha mbamin'ny lohany aza ny mpisetrasetran-drenikelimalala, ...

Mangahazo mangidy malemy. Atelintsika ankalemem-panahy.

Tompokolahy sy tompokovavy,

Hitsikitsika malagasy.
Matoa mandihy,
Ao ràh !

Hoy ingahy Rabedaoro Eris:

« Il y a 2 façons de pratiquer l’astrologie : 1/ la façon passive 2/ la façon active.

1/ La façon passive détecte les scènes à vivre que la vie va dérouler et prépare la réaction adéquate.

2/ La façon active détecte les forces que l’univers met à notre disposition et crée sa vie selon les forces disponibles.

En ce moment, Uranus, par exemple, est en bélier tropical.

Cela signifie que les béliers ont à disposition les multiples possibilités d’action qu’offre Uranus. Comme rénover, agir en dehors des sentiers battus, trouver des idées qui changent la face du monde, etc. 

Comme Uranus est trigone en sagittaire, le bélier sait qu’il peut compter sur toutes les formes saturniennes pour l’appuyer : les vieilles personnes, les sages, … Il peut donner une bonne durée à sa création. Il peut donner une bonne stabilité à sa création, etc.

J’aime beaucoup cette façon de pratiquer l’astrologie, 

Ici, le bélier peut être certain que le ciel met réellement entre ses mains tous les trésors d' Uranus. Le tout est de travailler, travailler dur et bien.

En tout cas, cela ne signifie pas que c’est mauvais de pratiquer l’astrologie passive.

Disons qu’ en ce qui me concerne, la forme active est plus enivrante. J’aime cette idée que l’ univers, malgré ses plans tout faits, me laisse créer ma propre voie.

Car le cadeau que je désire offrir au créateur, ce n’est pas de bien vivre ce qu’il a prévu pour moi. Mais plus. Créer une voie non prévue. Quelque chose que même lui qui sait tout, planifie tout, n’a pas écrit.

Est-ce possible ? Oui, c'est possible.

Et selon le Christ, c’est le seul MYSTERE de l’œuvre de la Création. 

Comment est-il possible que Dieu qui est TOUT et en qui TOUT respire, arrive à faire naître des amours qui ne sont pas LUI. »


« Ireo mpitondra anay, omeo fahendrena !"


Normal Gospel Choir & Vahömbey



lundi 2 novembre 2015

RANIRANY # 02

Alatsinainy 02 novambra androany. Tokony ampivorian-dehibe nikaika olom-panjakana sy hery velona tsara sitrapo andriamatoa isany James Ratsima sy Herivonjy Rajaonah.

Efa aman-taonany ireo raiamandreny ireo no mandoloha fitakiana sata malagasy mazava ho an’ny Nosikelim-bazimba. Ito ny tahiry fanainga antso sy fanazavana ambahanday:


Miseho masoandro koa ny antoko Ziva :


Singanina etoana ito lahatsoratrin’ny gazety Valosoa ito :


Mitambatra ho vato. Izay no hahavanona ity famerenan-daoniny ny Nosikelim-bazimba ity. Tokana ny fenitra. Saingy mila harindra ny tanjona isan’ambaratongam-panatanterahana.

1. TOLONA

Amin’ny ankapobeny, mizara roa ny zotram-paikady.

Ao ny te-handavo avy hatrany ny Filohampirenena. Hitraoka ny toeram-panapahany. Kaofiraoka pôlitika bey vàta ! Izay kaontiny, vidiny. Izay maty, alevina.

Ao ny te-hiroso miandàlana. Tsy ankirotoroto. Dian-tanalahy mifehy hazo tokana. Izay tonga ihany no arahabaina. Manemitra faneva Malagasy ny Nosikelim-bazimba.

Ny mpanoratra misafidy handràsaràsa ampiheverana milamina. Ady làka amin-drenikelimalala io. Tombànana ivelany. Dinihana anatiny.

1.1 Ivelany

Fanararaotra ireny hadisoana be vava nataon’ny masoivoho frantsay ireny. Saingy tsy fandràpaka amam-bolony. Sao velam-pandrika gaigy dia gaigy. 

Tsy hay tanisaina ny fandrobàna ankiatsara ivelantsihy fanaon-drenikelimalala manerana an'i Afrika afovoany. Ankandripaka zaza amam-behivavy, ankaniraka boto lian-drà dontoiny amin'ny zava-mahadomelina, ankamotika fitondram-panjakana. Izay no ivoho. 

Nefa imaso, fandangolangoana sy fanindrahindrana ary tsipaipaika tampi-maso. Mpamosavy malemy, mpamorika hatrany ambilany ! Izay no tena lahasa ara-pôlitikan-drenikelimalala. Efa an-jato taona !!

Matoa mamotsotra resaka toa ireny ny masoivoho frantsay, efa singam-paikady ireny. Nohiniana nambara. Kajikajy vita lamina nialoha. Aty Afrika sisa antenainy anampàrana bontolo an-kamono lolo. Noho izany, miramaràma izy. 

Very an'i Oseana Indiana izy ? Vita hatreo ny aminy.

Vakio moa ny atin'ito lahatsoratra ito ê. Porofo tohaka amin'ny tenda: " Le Mozambique, futur allié stratégique de la France dans l’Océan indien ? "


http://www.lemonde.fr/afrique/article/2015/10/30/le-mozambique-futur-allie-strategique-de-la-france-dans-l-ocean-indien_4800129_3212.html

Ndeha hafototra ny rasa. Ndeha tahafina ra-hitsikitsika. Mailo. Matsilo. Marisika.

1.2 Anatiny

Voalohany

Nahelin’ny mpanoratra tany amin’ny mpiserasera tsy ankanàvaka ilay lahakevitra hoe “ ANDAO ! ”. Mankasitraka ny gazety Valosoa nandrangarànga azy io.

Indro kely, azafady. Teny tsy fohy, manatody ahiahy. Sao manamavo fihavanana.Tsy tonga volana ilay tatitra, tsy loa-body ilay hafatra. Ohatran'ny voabiloka ilay votoatin-dresaka. Tsiparifary tsy alaro vary. Tombontsoa manokana tsy asavika tombontsoam-pirenena.

Andaniny, Andohatapenaka sy izay ambatan’ny Filoha teo aloha.
Ankilany, ny tolona itambarana ho an’ny Nosikelim-bazimba.

Sasanangy samihafa ireo, tompoko. Samy hafa ravina ihinanana.

Ho an’ny Nosikelim-bazimba IHANY no itoloman’ny mpanoratra.

Faharoa

Mifandrohy amin’ny voalaza etsy ambony ihany. Mahakasika an’ireo galifântsy ara-pôlitika isan-tokony aman-karazany. Ao ny ela nihetezana. Ao ny maitso volo.

Hetsi-bahoaka no tilian’ireo ho sovohana. Maro ny te-hanararaotra ilay tolona Nosikelim-bazimba angalàny tombon-dahany ara-pahefana. 

Raha TENA tia tanindrazana moa maninona ? Saingy sao havako raha misy patsa !

Fahatelo

Lehibe miady ? Fahita izany. Aoka kosa ny kely tsy ho torotoroina. Koa alàna ny nenina :

“ Ô r’ingahy Filohampirenena nofinidim-bahoaka ô. Raiso ny andraikitrao manoloana ireo Nosikelim-bazimba ireo. Sao antoandro fitery ronono koa ilaozan’ny omby miahaka.

Mitodiha ivoho, azafady, dieny maimbohon-dravina. Tariho ny hery velona Malagasy rehetra hanongana ny zioga pôlitika voretran’ny Mpitondra frantsay.

Hatreto, zary vato misakana ny fahanginanao. Sao ho fahon’ny raokaraokam-pahavaratra, marina mafy.”

2. RASARASA

Mitsikerakera fanjakana fotsiny ve ny mpiandany amin'ny lôjikam-bazimba ? 

Tsy mahatakatra fa kajikajy pôlitika avo lenta anafainganana ny " Développement " no mahatonga ny Filohampirenena mangarika ny zon-tsika Malagasy mikasika ny Nosikelim-bazimba ? 

Tomory ny ambaran'ito rohy ito. Hampiharihary io hoe:

Le "Développement" comme discours d'aliénation des élites africaines.


Aleo hifanehatra amin’ny lôjikam-bazimba itony lôjikam-bazaha itony !


Mpitaribato vilam-bava ny Mpitondra frantsay, hoy ny mpampita jerin’andriamatoa Poutine.


Miova tantana ny fanontoloana. 
Banky mpifotodrafitrasa miainga hatrany Chine ! 
Chine sy Etats-Unis mifanandroka any Mer de Chine ! 
Russie mandrafitra teti-panorona hatrao Moyen-Orient ! 
Ito koa ry zareo fa sahy mandingana ny pétrodollars ! 
Russie manitrikitrika ny fibodoan'i France ny Nosikelim-bazimba ! 
Russie mampiseho hoe tomoriny i Madagasikara, efa nandefasany iraka be galona nisava làlana !

Oseana Indiana: Etats-Unis mizizo hibahana ny ranomasimbe aty; France midongy ny Nosikelim-bazimba.

Hifandrohitan'ny Tandrefana sy ny Tatsinanana isika "géostrategique" io.

Aiza ho aiza ny tsinjo "géopolitique"-n' ny Fanjakana Malagasy ankehitrio ?

Fanontaniana !!


Misy tsakotsakoina ito jerin’olona iray ito. Io ambany io ny rohy azo amotorana izany. Dika mitovy:

" INONA NO IFANDRAISANY ILES EPARSES . ADY SYRIE. SY POUTINE. ??

I Russie no manana gaz naturel betsaka indrindra erantany. I Qatar faharoa ..
Notapahany Europe ny fiarahana miasa @ russie ka naka gaz any Qatar zareo.
Nanao projet indrindra ny frantsay hanaovana pipeline hitondrana gaz avy any Qatar mandalo ao Syrie hamatsiana any Europe.

Tsy nanaiky bachar ka noketrehanany la frantsa haongana. Namorona mpanohitra mitambasy izy nozaraina roa i syrie mba hisiany ampahany @ syrie azo ampandalovina ilay pipeline ....kinanjo nivadika t@ny ireto farany ka lasa Etat Islamique nivadika t@ la frantsa ny amboa kely nopiana.
 
Niditra i Russie satria rehefa tsy haka ny gaz ny dia aza forcena ny olona sasany . I bachar raha teo namany Poutine.

Eto indrindra tsika . @ îles eparses iray antsoina hoe juan de nova dia mbola betsaka gaz naturel mihoatra an'i Qatar. Ka rehefa tsy misy fika ny pipeline mandalo any Syrie dia indro fa hotrandrahiny la frantsa ny gaz tsika eto. Ka nahatezitra an ' i Poutine zany zavatra zany. Izay no ambadika ny fanamelohana ataony Russie ny fakana ankeriny ny nositsika.

Ny filohantsika rahateo moa araka io sary io dia kopy kolé ny hollande ka tsy misy azony ambara. "


Ito manaraka ito, misy vaovao mamelom-bolo. Hanan-kisafidianana isika. Na ampivadiana. 

" Bank is bank ". Lôjikan-tombotsoa fifampizaràna io. Tsy misy hantra na ambom-po disoina toerana. Tombontsoa no foto-dresaka. Aleo matsilo toa izay gisitra volosan-dava !

Any amin'ny Mpitondra fanjakana malagasy ny fanapahan-kevitra.

Hifampiera amintsika sarambabem-bahoaka ry zareo mialoha izany ?
Sa hanao bontolo sy ankiafinafina indray ?
Ampitso, ankibon'ny omby !


3. RASAVOLANA

Aok’etsia ny lolalola sy lambolambo fampandriana adrisa, ry Mpitondra fanjakana.

Iza no hiforitra ?

Ny Mpitondra frantsay ?


Sa ny Mpitondra Malagasy ?

Manaramaso akaiky ankehitriny ny Malagasy “ souverainiste ”, saropiaro amin’ny fiandrianàm-pirenena.

Tombontsoa ara-ekonomika no narangarangan’ny Filohampirenentsika tao amin’ny fahitalavitra frantsay. Io no andrandrainy manokana amin’ny Francophonie 2016

Valiny avy amin’ny « souverainistes » :

Nosikelim-bazimba aloha vao francophonie !


Sa efa mba mitsipalotra any amin’ny BRICS ny ampitson’ny pôlitikam-pirenena malagasy matoa nanatrika ny Sommet Inde-Afrique andriamatoa Hery Rajaonarimampianina mivady ?

Asa lahy… !


Ho raharàha ity !...

RANIRANY