vendredi 22 juillet 2016

JOLAY 2016

12 jolay “ Tolona ho an'ny Fahafahana ” Antananarivo.






Don-tany sy kapo-tandroka ! 

Santatra ambavarano, ny manetsa be efa ho avy.


50 / 50
Sambatra kokoa isika rehefa miadàm-pinaritra ihany koa ny manodidina antsika.
Tian’Andriamanitra Fitiavana hiadàm-pinaritra avokoa isika mianakavy tsy ankanàvaka. Ary misàsatra lalandava ho an’izany ny anjely masina. 50 % no anjaran’izireo.
Adidintsika olombelona tsirairay avy ny manatanteraka izay lahàsa tandrify antsika hisian’io fiadanàm-pinaritra io: 50 % be izao !
Tiantsika ho vanona ny Malagasy ? Ndao samy hanao izay tokony atao.
Kanosa izay mihalangàlana ny sehatra fampiharana ara-pôlitika kanefa be menomenona eny antsisin-kianja. Maty eritreritra izay mipitrapitra toa valala voatango, miraviravy tànana anoloan’izao haratsian’ny toe-piainàm-pirenentsika izao.
Manome alahelo ny anjely masina mpanampy antsika isika raha vao minia mitazàm-potsiny, mivàvavàva nefa tsy manao n’inon’inona.
Ilaina ny basy vava raha sahy miatrika vava basy.
Hoy ny kristianina katôlika: « L’exercice sincère et correct de la politique est l’expression la plus appréciable de la charité chrétienne. »
Maro amintsika no mitonona ho kristianina. Tsakotsakoy io ventin-kevitra io. Dia ampiharo am’izay.


Hoy ny bouddhiste: « Etre éveillé, ce n’est pas s'hypnotiser de grande lumière et ne plus bouger pour s'en repaître à satiété. Etre éveillé, c’est diffuser la lumière. Oser affronter l’obscurité. Balayer autour de soi. Nettoyer. Quitte à saisir les immondices et les déchets avec les mains pour les enterrer. Et en faire de l’engrais. »
Maro amintsika no mihambo ho bouddhiste. Ndao ampiharina io ventin-kevitra io raha te-ho « éveillé » tokoa isika. Goavana ho antsika bouddhiste ny antsoina hoe « éveil ».
Tsy « état » fotsiny ny antsoina hoe « éveil » fa ACTION indrindra indrindra.

NAMASTE… !
Andriamanitra ao anatiko ao, manaja sy manome voninahitra an’Andriamanitra ao anatinao ao. 50 / 50.
« Namasté …! »


" Namasté...!"