samedi 2 avril 2016

RA-HITSIKITSIKA & OUBANGUI BLUES

Namaky ireny tantarakely mitohy hoe « KIRANYL » ireny i Milanto, zandriko mpiara-mitendry mozika amiko. Nasainy nataoko tononkira: RA-HITSIKITSIKA. Nalefako taminy.

Nohirainy niaraka tamin’ny ankizy tambanivohitra. Mpifanerasera aminy andavanandro ireo kilonga ireo satria tantsaha no fivelomany. Nasehony sady nampihainoany ahy nony vita.

Ontsa aho ! Vaky ranomaso.

RA-HITSIKITSIKA

Mandihiza, hono, ra-hitsikitsika ?
Goaika, papango no mpiriaria aty.
Andihizana, hono, raha fararano ?
Poabasy aman-tafondro tsy afaha-mipiha.

Mampamangy amin-dry dadafara,
R’ikaky Arivolahy sy ry mamafara.
Amelao ambiny, hono hoe,
Ny ramanonaka sy ny kafé.

Ho avy ilay andro ikoranana indray.
Hampikakakàka, hahatapa-tsinay.
Tsy maintsy higadona ra-fararano.
Handihy ra-hitsikitsika, hively rano.

Mampamangy ra-vitsika momba kitay,
Singana irery koa manganohano.

Vahömbey, Bangui-RCA
Alahady 24 janoary 2016

Feo sy hira: MILANTO


__________________________________________


Papà Mondô, paysan et bluesman centrafricain, avec le groupe Les Copins
Guest: Vahömbey
Tena mahasondriana ny mampiaraka mozika amin'ny goaik'antitra afrikana. Na tsy mbola noraisim-peo aza izay natao, mampite-hamorona mozika hafa indray: malagasy - central african blues.

Fantatra hoe hatraty Afrika no niampita tany Amerika ny "Blues". Tena afaka mihanoka ny fototrin'ny Blues any RCA. Mifanila ny filatron'ny Tandroy sy ny tompontany afrikana afovoany ny antsoina hoe mozika nentim-paharazana.

" African Blues." 
Ngôma, manina. 
Feo mitoreoreo.
Vatana midoladola.
Mozika mitopa, manonja.

OUBANGUI BLUES

Mon blues de ce soir n’est pas américain
Mon blues de ce soir est africain
Mon blues de ce soir n’est pas du Mississipi
Mon blues de ce soir est le blues de l’Oubangui
Oubangui qui nourrit
La belle ville de Bangui
Bangui la coquette
Ah ! Bangui, Bangui, Bangui

Manigne raho, valy ê
Jagobo raho, valy ê
Manigne raho, valy ê
Jagobo raho, valy ê

Baràmo, baralà
Tongànayèn
Yadapè, yadapè
Singuilà, singuilà
Singuilà mingui, mingui
Mambà njoni
Kêkerekê

Texte & musique : Vahömbey 02 avril 2016
Lead guitar : Milanto



Cabaret aux Paillotes de l'Oubangui, Bangui - RCA