vendredi 16 février 2018

ALAKAOSIBE

ALAKAOSIBE isika izao. 
Izao ampanoràtana izao. 
Loa-bava ny Mpanazary.


Tsy ankanompo fomba. Tsy ankiloloha fanao. Tsy ankanoko sikidy. Tsy ankamolaka aody. Tsy ankamorivory olona. Tsy an-kanao sorona. Tsy ankandatsà-drà.
Am-po miloaka ankiharihary. Voandàlam-panahy nahefa sidin’ambiroa hatrany ampahafiton-danitra. Hain’ireo mpandàla fahalalàna tatsinana ny tian-kambara amin’izany.

MPANAZARY:

Tompokolahy sy tompokovavy,

Alakaosy i Madagasikara. Mahasoa antsika izao Alakaosibe izao. Tandrifim-bahoaka tsihy be lambànan’ambanilanitra.
Salanitra ê…!
Tanim-baiàvy i Madagasikara. Hatry ny faha-vazimba izany. Rohizina hatrany Lémuria.
Mialoha ny anambaràna, amakiana bantsilana, anapotsirana voamasony... Manao ombay làlana, tompoko. Ho alavirin-tsiny sy fady amam-pondro.
Izay tohininy, aoka haka sisiny satria basy atifin-kavana koa aràngarànga.
Tantely eraky ny vata aroso am-pahatsorana koa raha sanatria hamaifaika na handrahoraho, aza asiana maso akory izay ho tohin’izao.


Hasina - kabontsintsina 4 ravina

Venti-kafatra :
- Aoka tsy hilingilingy hikàtsaka fitondràm-panjakana intsony izay efa nanota fady tamin’ity tany ity. Rano ràraka nalevim-bovoka ireny. Zàra aza niravina ho fota-mandry !
Indrindra moa fa ràn’ny mpiarabelona, na dia indray nitete fotsiny ihany aza, no navela ràraka an-tany !! Hatramizay ka hatramizao.
Aoka ahatsàpa-tena izay voakasik’izao fampitandremana izao.
Marina mafy ! Marina mafy, tena marina mafy !!
Iladiladiana amin’ny tany, marina mafy !!!

- Aoka ho tena olom-baovao madio tànana tsy misy pentina no hitantana ny Fitondràm-panjakana Malagasy manomboka amin’ny taon-ko avy.

Misy andriambavilanitra hirotsaka ho Filohampirenena ve ?
Arahaba soa, arahaba tsara ! Izay no andràsana. Izay no andrandràina. Tsara tso-drano avokoa, tompokovavy.
Tanim-baiavy i Madagasikara. Fotoany, tena fotoany izao, rey andriambavilanitra isany.
Ianareo andriambavilanitra no mivatsy ilay aina ilain’ny Firenena.
Ho fongana ny ozon’ny lasa hatramizay. Ho lasa tokoa ! Handavenona am-pahitra.
Haniry vary hatrany ambadik'adàbo.
Hanarànaka akondro hatrany an-tany milevin-drano.

- Aoka ho vato asondrotry ny tany no lohalaharana hampirànga an’i Madagasikara. Olona nivoitra hatrao ankibon’ny saràmbabem-bahoaka.

- Aoka ho Olona mpifamatotra am-po, an-tsaina, aman’aina, amin’ny kaontinanta afrikàna sy asiatika.
Ireo kaontinanta ireo no kitapo nifonosan’i Madagasikara fony faha-Lémuria. Hasina makadiry tsy roa aman-tany izany.

- Aoka ho tanora no handray an-tànana ity Firenentsika ity.
Fanontoloana “ numérique ” no atrehina sy ifaninanana ary iadivana zokin-dahàrana.

Izay, tompokolahy sy tompokovavy, no hafatra hatrany anebakebàn-danitra sady ambetin-kafatra hatrao ankibon’ny tany.
Efako ny ahy izay, izay tokony ho fanàla vava. Afaka aho izay.
Mazoto ny anjely masina. Marisika ny vanon-ko razana mpiahy. Efa manolo-tànana antsika avokoa izireo.
Koa mahaizà mifantina izay ho Filohampirenena sady mendrika no vanona.
Filoha miloloha tany.
Filoha miandràndra lanitra.



Soavà tsarà, rey havako isany.
Samia Tena Andriamanitra !