Ny fiforonan'ny tanindrazantsika. Madagasikara sy ny Nosikelim-bazimba (Sary nindramina tany amin'ny facebook) |
Ny fitoeran'ireo Nosikelim-bazimba malagasy (Sary nindramina; madagascarder...) |
HAZOLAVA SIANTIFIKA
Tandremo !
Aza kororohana
ny ati-ranomasin’ny Nosikelim-bazimba malagasy ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika
!!
Raha korontanina
ny lafika faladian-tanimbazimba ao amin’i Juan de Nova sy Bassas de India ary Europa, …
Hiteraka loza
aman’antambo hahatsiravina hatraty an-tampontanetin’i Madagasikara.
Aza itrandrahana
solika na entona voajanaàry ao ankibon-dranomasina ao !!!
Saropady ! Saropady !! Saropady !!!
Amarino ara-siantifika izao antso avo
fampitandremana izao.
Hazolava siantifika izao.
Aleoko aho diso. Toa izay hanan-dratsy.
Ireto misy rohy
azo hiaingàna. Diniho. Sivano. Fakafakao. Sedrao :
Manambarà
avokoa, azafady, ianareo siantifika mpahalàla rehetra mikasika izao fanairana
izao.
Tandremo ! Efa
izao no zavamisy:
Saropady ireo
Nosikelim-bazimba malagasy ireo.
Miangavy antànan-droa
ny Fanjakana Malagasy hitandro sy hikajy azireo toa ny anakandriamaso.
Antsika Malagasy
iringiriny ireo Nosikelim-bazimba ireo:
Adidin’ny
Mpitondra Fanjakana no miantso rodobe ny vahoaka tsivakivolo.
Adidintsika vahoaka no manao rodobe manampy ny Fanjakana.
Na iza, na iza hanoha-riana antsika.
Akanga maro tsy vakin’amboa.
Mitabe tsy lanin’ny mamba.
Andao !
Na isika hikajy
ny maha-saropady ireo Nosikelim-bazimba ireo,
Na isika ripahan’ny hatendan-kanin-dry Trimobe mpijirika.
“ TANDREMO ! SAROPADY ny Nosikelim-bazimba Malagasy !” :
Rahondrahom-Bazimba |
FANAMBARANA.
Amin'ny
maha-kiadin’ny Revolisiona Vazimba ny tenako,
Milaza sy
manamafy ary mamerimberina aho hoe:
1. Toheriko tanteraka ny pôlitika
voretran-drenikelimalala.
2. Toheriko tanteraka ny
fanagejana bontolo ataon-drenikelimalala amin' ny Nosikelim-bazimba malagasy.
Atrehiko ary ihatrànako avokoa
izay mpitondra fanjakana frantsay mampihatra aty " Madagasikara -
tanimbazimba " io pôlitika voretran-drenikelimalala io. Aina no fetra.
Aoka
hazava :
Andaniny, ny mpampihatra io
pôlitika voretran-drenikelimalala io.
Ankilany, ny sarambabem-bahoaka
frantsay.
Samy
hafa ireo.
Andaniny: tsiparifary.
Ankilany: vary.
Hafatra
:
Ny kary no manao ny ataony. TSY
ny saka no borian-drambo.
Eo anoloan’ny antambo mitranga
any Frantsa,
minia mangina ny tenako.
Miondrika am-panajàna.
Androany, sabotsy 14 novambra
2015.
VAHÖMBEY.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire