dimanche 7 février 2016

Kiranyl # 07. MBI NE ALA MINGUI - Manaja anao tanteraka.

ALAHADY.
Tontolo andro fitsaharana.

Ahato ny Karaté mialoha mazava atsinanana. Sasàna ny karatégi hotsaka hatsembohana sy dinitra nandritra ny herinandro.

Ahantona ny tsakotsako pitsopitso-kevitra rasarasaina ho an’ny oniversité. Ny mankatsy, mankaroa, fampitahàna lôjikam-pisainan' ny olombelona afrikana.

Singanina tsirairay ireo hentanentam-po nanemitra herinandro : ahiahy sy tebiteby ; alahelo sy hakiviana ; hatezerana sy hasorenana ; tsiky sy tokelaka ; vanitika sy kàkakàka.

Borahana ny ati-fanahy. Mihaino fahanginana. Fahanginana Alahady. Tony sy milamina. Mihaino bitsik’eriteritra. Injao mitafa ny anjely. Injay fa nangina.

Mangina tanteraka. Mibitsika Andriamanitra.

Namasté…!

“Namasté”, hoy ny siddha hindou. “Ny Mpaàry anatiko ao miankohoka, manaja ny Mpaàry anatinao.”

“Mbi Né Alà Mingui”, hoy ny fitenindreny Sango. “Manaja anao tanteraka.”


Namasté…!

" Namasté ", sary nindramina tao amin'ny internet.

Io maraindraina io. 

Indreo ny mpiadidy antsoso-koditra ny kandidà filohampirenena voasokajy lohalaharana. Hay tokoa moa efa hatry ny afakomaly no raikitra ny fampielezan-kevitra sy fifandresehan-dahatra !?

Edrey, somebiseby vao maraina ireto tapaka sy namana. Sasakalina vao mandry. Mazava andro, 'ndao indray ! Mitotototo izaitsizy. Sakafo maraina, tsisy tokotaniny. Mitsangana, mitoetra. Mikoropadropaka.

Nifampiarahaba toa ny mahazatra dia nifanojo ny resaka:

- " Namasté…!
- Mbi né alà mingui
!
- Omenareo minitra vitsy monja ve aho ?
- Manakambara aminay angà i grand-frère ?
- Eny, tompoko. Omenareo minitra vitsy monja aho ?
- …

- Misy ny antsoina hoe Zen: ici et maintenant. Enti-mikojakoja Zen no antsoina hoe Zanshin: “Vigilance optimale grâce à une décontraction quasi-totale”.

Tsotra ihany atao rehefa mila zanshin satria fotoan’izany izao ho anareo mahatsapa ho miady mafy ireo.
- …

- Isaky ny ilaina, mieritrereta hoe manjono ianareo. Manjono amoron-drano mikoriana.

Arotsaho ny tadim-pintana. Hazony tsara ny tahony. Hazony malefaka. Aza bedaina. Aza fihinina.

Araho maso ilay bosoa aevaevan’ny rano. Ifantoy ny bosoa.

Tandrify maso eo koa ireo aloalon-drano. Manjelanjelatra dia tsy hita. Mikoriana dia dify. Mivalombalona dia lasa.

Diniho ny bosoa. Araho maso ny bosoa.

Io misy trondro misangy lelam-pintana. Aleo izy hisangisangy. Aleo handeha rehefa tsy hihinana. Aza ihetseham-bolomaso akory.

Ifantoy ny bosoa. Tilio ny bosoa. Diniho ny bosoa.
- …

- Tsarà tontolo andro ê. Mahavità soa.
Mazotoa manjono ô…!


- …
Mbi Né Alà Mingui, grand frère.

- Namasté.


Namasté...!

Tsy naharitra ny namana karatéka fa nanaraka ivelan’ny efi-trano:

- " Osu. Miala tsiny izahay, grand-frère. Tena tsy tafaverina amin’ny entraînement fédéral  raha tsy vita ity propagandy ity.
- Osu. Vitao aloha ny adidy ho an'ny firenena ê.
- Raha ianao io, grand-frère, no manao gourou ân ! Mpanefoefo mihitsy. Indrindra aty aminay aty." 


Sady nijery nisompirana ranamana no nitsiky. Sangisangy zary tenany.

- " ...
Ô petit frère ! Ny tenabeko aza 'ty, mbola manahirana ahy. Tsy ho gourou mihitsy aho. Mahasadaikatra ahy ihany koa ‘ty antsoin'ny mpianatra hoe “maître-maître” ‘ty. 

Senseï aho. Mpampianatra-mpikaroka. Dia izay. Mandra-pialàn’ny fofonaiko.

Ny hoe senseï aza, efa mampivoa-dinitra ahy . Koa “maître-maître” izany tsy hahatorana ahy mihitsy !? Indrindra fa ny hoe gourou. Izany ve tsy hahafaty !?

Aleoko ihany aho toa izao kàh. Vitsika sy androngo, landin-drahona sy voninkazo no zokibe mampianatra ahy kata !"

Loky ny hehy avokoa izahay mirahalahy.

 “Mbi Nè Alà Mingui !”

Kiranyl, Bangui-RCA 07 febroary 2016


PS:
" Alahadinay mpanota ", vavaka alahady maraina:
https://www.youtube.com/watch?v=5lCxB8KAqyI&feature=youtu.be



Aucun commentaire: