5. NY MAHAOLONA IORENAN' NY
MAHA-MALAGASY.
"Rajakom-bazaha", hoy ny poety Jean Narivony izay. Samy tofoka, sanatrian'ny vava ladian'ny lela, ny soketaina hoe rajakom-bazaha isika mianakavy. Ny vazaha rahateo any avaratra, isika Malagasy aty atsimo. Ohatra tsotra dia tsotra, atahorana mafy any ny "vendredi 13". Aty amintsika kosa io manambina. Atsimo sy avaratra re ê. Samy manana ny sora-danitra tandrify azy araka ny onenany.
Koa tomory akaiky fa maro dia maro ny pitson-javatra toa izany izay mangeja tsy nahy antsika mianakavy hatrany ampara-hatoka. Izay mahabotrabotra any, mety mahakôzatina aty. Tsy ry zareo no ratsy, na isika no tsara, fa olombelona sahala avokoa isika. Saingy samy masina an-taniny. Toa izay no nandrafetan'ny Mpaàry ny voaàriny.
Koa ny vazaha ve no mand-rajako antsika sa isika, sanatria, no mi-rajako tsy nahy satria varimbariana ? Anjarantsika ny mamongotra ny "néo-colonialisation" any ampara-hatontsika.
Koa "Rehefa manao inona aho, na misaina toa inona aho, na mihevitra toa inona aho, na miteny toa inona aho no mi-rajako tsy fidiny ? Ahitsiko avy hatrany raha vao tsikaritro."
Mipàka hatrany amin'ny filôzôfia enti-miaina andavanandro izany koa diniho akaiky anie, rey olona ê.

6. NY MAHAOLONA IORENAN' NY MAHA-MALAGASY.
Rohontany: " Alahamady, adaoro, adizaoza, asorotany, alahasaty, asombola, adimizana, alakarabo, alakaosy, adijady, adalo, alohotsy. " (1)
Miazakazaka ny "architecte contemporain" mianatra mafy mikasika ny "feng shui" sinoa manambara ny fikorian'ny herijikan'aina mba ahalavorary ny taotrano, ohatra.
Rehefa mandrafitra trano anefa dia ny toeram-pivoahana anariana maloto izay tokony atao any amin'ny Adimizana, matetika tsy voatandrina velively. Rehefa tsy hay idivirana ny toa izany dia ilaina ny fahafantarana rohontany anazariana ny herijikan'aina ao an-trano mba hahatamàna sy hanambina.
Mahasoa tokoa ny "feng shui" sinoa saingy ny rohontany tsy mena-mitaha sady io rahateo no sahaza an-draMalagasy.

7. NY MAHAOLONA IORENAN' NY MAHA-MALAGASY.
Ho an-draMalagasy, ny vava andro amin'ny herinandro
dia ny ALAKAMISY ary ny vodiandro kosa dia ny Alarobia.
Isika moa efa mizatra ny alatsinainy mifarana alahady. Izay no raikitra aloha hatreto dia hatreo izany. Saingy ho an'ny raharaha fikolokoloana ny mahaolona, any antokantrano ohatra, dia mamelombolo kokoa ilay Alakamisy hatramin'ny alarobia.
Mipàka hatrany amin'ny filôzôfia enti-miaina andavanandro izany koa diniho akaiky anie, rey olona ê.
Isika moa efa mizatra ny alatsinainy mifarana alahady. Izay no raikitra aloha hatreto dia hatreo izany. Saingy ho an'ny raharaha fikolokoloana ny mahaolona, any antokantrano ohatra, dia mamelombolo kokoa ilay Alakamisy hatramin'ny alarobia.
Mipàka hatrany amin'ny filôzôfia enti-miaina andavanandro izany koa diniho akaiky anie, rey olona ê.
(1)
Mason-tsokina ahazoana fahalalàna
tsotsotra ? Zahao, azafady:
" Lars Vig, « Croyances et mœurs des Malgaches », traduit du norvégien par
E. Fagereng, édité par Dhal Otto, Fascicule II, 1901. " Ny Loterana no
nanonta azy io hatramizay raha ny fitadidiako. Mbola fahita eny amin'ny
fivarotam-boky toa ny Librairie Mixte eo
Analakely izy io. Ary mirary dia mirary tokoa ny vidiny raha oharina amin'ny
fahalalàna azo sokirina ao anatiny.
(Hitohy)
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire