mardi 27 septembre 2011

Ren-tany, ren-danitra: “ Ho FILOHA mendrika aho ! ”


« Fa ny olona izay ankasitrahan’Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana ; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan’Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra avokoa izany.” (1)

Mpitoriteny 2.26



Noheveriko ho fantatro hoe mangeroka ny andavanandron’ireo izay tsy mitsaha-misasatra manaja tena. Sanatria izay hangalatra sy handainga ary hisoloky toa ny fahazaran-dratsin’ny maty eritreritra. 

Manampy trotraka ny mpanararao-pahefana, hatrany an-tampony hatraty am-paladia. Saloboka omana irery, sahafa no nasolo lovia. Ampihi-mamba ny fananana iombonana ka izay manohintohina rahonana.

Rehefa ny tena no misakafo matsiro, mitafy madio, miriaria am-piarakodia, milamina antokantrano, mahavidy an’izatsy sy iry, … Inona akory izay ferim-piarahamonina ? Fomba fanao ny mba mimonomonona. 

Manafintohina, mampiasa saina saingy tsy mihatra aman’aina. Hany ka hodiana ho fanina. Rehefa jerena dia levilevena. Kiakianina tsy an-kandray ravin-dena. Tsy atao ho raharaha sao mampisondro-tosidrà.

Saingy…

Saingy vao omaly aho no nifandrani-tava tamin-drahalahy antomotra ny foko. Nifanena tampoka. Tsy nisy niomanako.

Saika tsy fantatro ! Olo-manan-talenta, mahiratra saina, mamboly fanahy. Mpitanty lazon’ady: raim-pianakaviana mendrika, mahataiza anaka, mahatandrin-tokantrano. Na mitrongy zara omana aza, mahavatra mitady.

Saingy…

Saingy ankehitriny kosa ? Mikororoso tanteraka ! Hatsatra taolanina,  mitafy vori-kitsay, mangozohozo fanimpanina. Banga ridana tsy mahasolo nify. Dia ahoana hoy ianareo ? 

Nanantona ahy izy. Nihiratra ny endriny. Nitsiky ny masony. TSY NISY TARAINA na indray am-bava aza. Nifanatsafa dia izay. Mifandipatra loatra ny tontolo ivelomanay. Atsimo sy avaratra ny firiariavanay.

Iny izy no lasa. Hitotototo etsy sy eroa. Hanjeny ka hanjeny. Haharemby vatsy kely ve iny dadan’olona iny ? Hahatondra mody ho an-janaka efa hàna mipitrapitra any an-tanàna ?

Nanenjika ahy ny eritreritro. Nanjombona ny lanitro !

VAKY NY FOKO !!!

Vaky ny lohako : “Firy amin’ny malagasy havako no toa io rahalahiko io ankehitriny ?”

Io maraina io, namaky ny Mpitoriteny aho. Izay vao tafody ny saiko. Nananatra ahy ny eritreritro. Toneo ny fo, hoy izy. Aza mirongatra fa mahandrasa tàntana.

Koa amafisiko ny voadiko. Na ho ritra aza ny aiko. Ho Filohampirenena mendrika aho. Mitsinjo ny osa, manolo tànana izay valaka, miaro ny kamboty. Manompo ny fahamarinana. Mampiteraka fanambinana. Maninjara masoandro ho an’ny mpiara-belona amiko.

Na iza hanasoketa, na iza hamosavy, na iza menarana, na iza bibidia !?! N’iza n’iza zana-baratra !

Mason’andro anio: isotroako aleoko maty !  

Tsy ilàko voninahitra, tsy ilàko deradera, tsy ilàko tombontsoa manokana.

“Zava-poana sy misambo-drivotra avokoa izany.”

Ho Filoha mendrika aho.

Ren-tany, ren-danitra:

SALANITRA ê…!


(1)        “Car à l’homme qui lui est agréable, Dieu donne la sagesse, la science et la joie ; mais au pécheur il donne le souci de recueillir et d’amasser, afin de donner à celui qui est agréable à Dieu. C’est encore là une vanité et la poursuite du vent. »
             L’ecclésiaste 2.26


2 commentaires:

Alidera A.R. a dit…

Akory e!

Tsy hoe mahay be akory ny tena fa mba antsika io teny Malagasy io ka dia izay mba kely hay no zaraina e!

Ka hoy aho hoe toa ravin-deno no fiteny fa tsy ravin-dena. Ny leno mantsy toa zava-maniry nampiasan'ny Ntaolo tamin'ny kojakoja-nahandro e! Sa tsy izay moa ilay izy?

Alidera A.R.

Anonyme a dit…

Izay mihitsy ilay izy fa noho ny fivadiky ny taona maro nisesy dia niova ny fiteny sy ny fanoratra azy
Indriantsoa.