dimanche 18 septembre 2011

Tondrozotra voasonia, pôliTika sa pôliFika ?




PôliTika sa pôliFika ?
Isan'ireo mpanazary mivavaka mafy ho an'i Madagasikara araka izay vitako aho isan'andro vaky izao. Arahin'asa aman-ketsika izany fa tsy sanatria toloko na toreo anjoron-trano fotsiny. Antony isahiranana amin'ny fameloman'aina ilay banjan-tserasera ho an'ny MSF - Mpiandàlana SAINA FOTSY - ao amin'i 
SainaFotsy@groups.facebook.com izany.

Marina fa mahasorena sy mahalikiliky mihitsy ny fanaon'ireo misora-tena ho "mpahay" pôliTika sy ireo milanja loha toa mpamiravira "pôliFika". Tofoka tanteraka amin'ny fomba fiaina sy fampiharana ny antsoin-dry zareo sadasada ireo hoe pôlitika ny be sy ny maro. Rariny loatra !

Saingy ny pôlitika tena ara-pototra anie, rey olona, ka fisahiranana ankitsim-po amin'ny fanasoavana ny mpiara-belona ê. Izay ilay politique CITOYENNE. Koa raha Olompirenena marina isika dia anjara tandrifintsika ny fandraharahàna ara-pôlitika araka io famaritana ara-pototra io.

Ny politique citoyenne ?

Tsy ilàna karatra maha-mpikambana. Tsy ilàna sefo. Tsy iandrasàm-mpitarika. Tsy ifanaovana kobaka am-bava. Tsy ifandambolamboana. Tsy iandrandràna tamby manokana. Tsy filan-dranondranony. Tsy fiteteham-boninahitra izahozahoana.

Tsotra sady mazava ny antom-pisiana sy lojikan'ny politique citoyenne:

Andaniny,

" Velon-driaria sy mirijarija ny mpiara-belona amiko ? Miadan-tsaina sy bolangina aho amin'izay vokatry ny herim-poko. Isaky ny mahatsinjo ny hafa aho dia mamy hoditra hatrany eo anivon'ny mpiara-belona. Ny hampanambina ny hafa, isahiranako toa ny ho ahy. Ambinina lalandava aho satria manambina ny hafa. Samy mahazo izay tombony tandrify ny zotompony avy ny mpiara-belona miaina sy manao toa izany."

Ankilany,

" Mikainkona sy fadiranovana ny mpiara-belona amiko ? Tsy afaka hiampatra mandrakizay amin'izay ananako aho na hanao saloboka omana aza. Mety ho voky irery, mihatihaty, saingy hiferon'aina tsy sahy hivoaka ny trano sao lakasirin'ny olona ! Ny tamboho makadiry noho ny manda tsy ahavita hiaro ahy mandrakizay.

Noho izany, fitsinjovako ihany koa ny tenako sy ny ankohonako ary ny fianakaviako ny fisahiranako ho an'ny politique citoyenne. Aleo samy hiadam-pinaritra avokoa ny rehetra ê :-) "

Fehiny,

Raha mialangalana amin'izany politique citoyenne izany isika dia himenomenom-poana fotsiny tsy ankandray andraikitra. Ary ho poizinin'ny "mpahay" pôliTika sy mpamiravira pôliFika hatramin'ny taranantsika.

Eo anoloan'ny toe-draharaha ankehitriny eto amin'ny firenena dia aleo manohitra, araka izay tratry ny hery, izay fakam-panahy maniraka ho any amin'ny fikorontanana sy fahapotehana.
Koa ndeha aloha diovina ny fo dia miara-mirary fahombiazana ho an'ny Tondrozotra voasonia. Fitsinjovana ny Soa IOMBONANA anie no dikan'izany ê.



SainaFotsy@groups.facebook.com


Ny hevitra tera-bary, omby indray mandry tsy indray mifoha, koa sanatrian'ny vava ladian'ny lela raha kabary tsy valiana izao hikam-po izao.

Koa pôliTika sa pôliFika ?

Misokatra ny ady hevitra tsy ankisorona raha sitrakareo, tompokolahy sy tompokovavy.

Karibo amin'i 
SainaFotsy@groups.facebook.com, havako ô. " Banja malalaka " ê. 


Tondrozotra voasonia, pôliTika sa pôliFika ?
Izaho manokana dia hisalotra lalandava marika Fotsy eny am-batako mandram-pahatokiako hoe miravina ny disadisa sy fifandrohitan'ireo "mpahay" pôliTika sy mpamiravira pôliFika ireo.

Ahantontsika aloha ny fitakiana ny fialàn'ny mpitantana FAT mandra-pahitantsika hoe mahomby sa tsia ny fifanarahan-dry zareo isan-tokony sy forongony ireo.
Mitohy hatrany kosa ny ambana fikomiana SAINA FOTSY ho tery ara-panahy sy ankivy ara-tsaina hanafainganan-dry zareo mpitantana ny fifidianana madio sy mangarahara.


Torohay ilain'ny Olompirenena


Loharanon-torohay: CNOSC - Coordination Nationale des Organisations de la Société Civile
Azafady, zahao ireto rohy manaraka ireto.
- Feuille de route amendée:
http://www.calameo.com/read/0008949367c1582441112?authid=SlVGTm2o6XKh
- Cadre juridique de mise en oeuvre finale:
http://www.calameo.com/read/000894936c401b361c86d?authid=a3i0XKgoTU5V




Mankasitraka, tompokolahy.
Mankatelina, tompokovavy.
Tahian'Andriamanitra isika mianakavy.

Aucun commentaire: