Mampihatra ny
lalàn’ny fitiavana ny Mpanazary. Tsotra izany lalàna izany : mitia tsy ankiandry ho tiavina. Noho
izany, tia ny rehetra. Tia manontolo tsy misy fetra, tsy misy fepetra. Rehefa te-handavorary ny
voaàry ny Mpanazary dia io lalàna velon’ny fitiavana io no ampihariny
lalandava. Ary isika rehetra tsy ankanavaka, isika mianakavy dia samy afaka
mijoro ho Mpanazary avokoa.
Teraka
ankehitriny ny Repoblika Malagasy faha-efatra. Migadona ny fotoana izay nandrasantsika
Malagasy efa ampolotaona maro. Matoa Andriamatoa Rajaonarimampianina Hery no
Filohampirenena dia izy no notinendrin’Andriamanitra-Andriananahary ho mpiantsoroka
izany adidy masina izany. Mazava ny votoatin’ny kabary niezinezina nataony nandritra
ny fianianany teo anoloan’ny tany aman-danitra ho antsika rehetra
ambanilanitra. Mpiandry volavita ihany izy. Tsy tompony fa mpamerina an-dohany.
Koa ndeha
hiara-hisalahy avokoa isika rehetra eo amin’ny sehatra misy antsika tsirairay
avy. Tsy mitaky n’inon’inona avy amin’iza na iza izany ankoatra ny fampiharana
io lalàna velon’ny fitiavana voalaza etsy ambony io : mitia tsy ankiandry ho tiavina. Anjarantsika ny mandavorary ny
tenantsika sy ny manodidina antsika rehetra. Isika no miara-mahatonga nofo ilay
Madagasikara lavorary nofinofintsika.
Ndeha rariana
fatratra hoe mitosaka ny fahasoavana. Ndeha andrandraina ny fanambinana. Ndeha
sarihana amin’ny tsara avokoa ny manodidina antsika. Manomboka amin’ny ao
antokantrano, ny mpiray vodirindrina, ny mpiray anton’asa aman-draharaha. Ndeha
zarina amin’ny làlana tokony alehany avokoa ny zanantsika, ny zandrintsika, ny
havantsika, ny namantsika. Eny, hatramin'ireo izay ahiahiantsika ho fahavalontsika.
Tsy miana-kendry mitondra tena toa anjely latsaka an-tany akory izany, nefa tsy misary adala manary
fanahy ihany koa rehefa mba manala hamohamom-piainana satria kirianan’ ny rotoroto
andavanandro. Manome làlana izay poritra fa tsy bontolo mibahana ny anjaran’ny
hafa. Mifehy vava, manaiki-dela, mitandrina ny teny aloaka tsy ampiheverana. Io
fitandremana io no mampadio fo.
Raha sendra
hoditr’akondro latsaka an-dàlambe dia ahilika izany hoditr’akondro izany sao
mahasolafaka ny hafa. Tsy mifosafosa intsony na mitsikerakera fahatany. Raha
te-hiresaka olona isika, na i Rakoto io na i Rabe na i Ranona na i Ranona, mialoha
ny ilazantsika izay saika ho lazaina dia ndeha heverina hatrany hoe eo imasontsika
eo izany olona resahantsika izany.
Fadiana ny
manaratsiratsy ambadika. Fadiana ankitsirano ny manivahiva, manevateva,
manilikilika, mamotafota. Voatandrintsika izany fady izany ? Ambinina
isika. Salama sy tomady. Ny toe-piainana mihatsara ary hatramin’ny saobakaka
avy no mampididrano. Tsy misahirana firy akory dia ho botrabotra ikoto, ho bolangina ikala koa samy ho mandimandina ny zaza amam-behivavy.
Hafatrin’ny
fitiavana izao ambara izao mba ampirijarija ny mahaolona malagasy. Te-hiranga
ery anie i Madagasikara ê. Noho izany, ndao hitandri-tena isika Malagasy. Olon’ny
fitiavana isika. Olon’ny fanahy. Olon’Andriamanitra. Voatandrintsika izany koa
hiambina lalandava isika ?
Tsy hanindroa
intsony ny antambo ankasomparana izay namoizana aina toa ny tamin’ny sabotsy
hariva teny Anosikely ireny. Ny goragoram-piheverantsika sy ny voriborika mandolo ny ao am-pontsika no nanangatra koa nampihatra
ireny loza ireny. Koa aok’etsy, rey havako isany. Ndeha tampenana ny hirikin’ny
ratsy amin’ny fisainantsika soa, ny fitenenantsika soa, ny fanaovantsika soa.
Feon’ny fieritreretana
bitsihan’ny fitiavana izao voasoratra izao koa miangavy antànan-droa, tompoko ô. Ampiharo
izao teny mamy izao. Ahelezo, aparihao, zarao, ampitapitao. Ndeha ampiana ny
anjely masina hanasoa ny fiainantsika. Te-hiasa ho antsika izy ireo hatrany
ampara-hatoka any koa ndeha ampiana re, tompoko ô.
Ndeha hitia
tsy ankiandry ho tiavina. Samia tahian’Andriamanitra, ry havako isany.
Antsirabe, faha-26 janoary 2014.
VahÖmbey.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire