Ela dia
ela nitsakotsakoana aho vao tapakevitra hampita izao torohay manaraka izao.
Tsapako ho adidy aman’andraikitro izany amin’ny maha-zokinjokiny ahy koa
tanterahako ampitiavana sy ampanetren-tena. Raha sanatria mampifandipatra, … Ny
teniko ariana f’izaho kosa tsinjovy mandeha fa havanareo.
Malaza
maneran-tany ny diavolana rahalina faha-27 septambra 2015. Indrindra fa ny ampahany fahatelo izay hanomboka
amin’ny 3 ora maraina aty amintsika. Samy manana ny filazany. An’ny tsirairay
no manatanteraka izay mahadiavolana ny sainy.
Tolokevitra
toa ny rehetra ito ho aroso ito. Voankazo an’ala, ara-pitenenana. Haneho
jerim-bazimba izy ity. Tsy faminaniana fa vinavina. Fehin-kevitra naravona avy
tamin’ny torohay samihafa. Ankasitrahana etoana ireo loharano nipoirany. Tsy ho
voatanisa koa ialàn-tsiny, ialàm-pondro.
Araka
ny tetiandro vazimba Vakiantety, vava alakaosy anio ary vody alakaosy
rahampitso. Ny volana: Adizaoza, mahamaro anaka sady mahabotrabotra taranaka.
Toa hitako hatrety ireo Malagasy kely be dia be miriaria finaritra ery ! Ho
tena Andriamanitra, aby ê !
HIRIKA ! |
ALAKAOSY
Tena tsara ny vintana alakaosy. Ireo ray aman-dreny
mpifori-drambo andavanandro no saro-tahotra raha man’anaka alakaosy. Ireo
mpitantam-pahefana sadasada fanapahana sy voretra fitondrana no mavozo faty ny
alakaosy.
Izay olom-pehezina toa ny zanaka - zandry – mpiasa - vahoaka, ireo no
alakaosim-piarahamonina. Ny mpifehy fahefana, ankohonana - fianakaviana - toerampiasana - fanjakana, ireo kosa no alahamadim-piarahamonina.
Itrikitrihana anjambany ho mpaningotra, mpandràtra, mpanonto fotsiny ihany ny alakaosy. Mandeha ila, mitanila izany fanasoketàna izany. Tokony fantarina koa fa ny alakaosy dia
- Fiaro ho an'ny ankapoben-drohotany.
- Fanoitra ny alahamady.
- Fanàfana ody ratsy.
Noho izany, tsy mahagaga ny fahadisoam-pijery, mihànaka etsy sy eroa, mikasika ny alakaosy. Ireo izay efa manerinerina ka minia mitiritirina, malaina hanetry tena, dia mijery vilana azy avokoa. Manendrikendrika azy ho ratsy. Manabibibiby. Manazimbazimba. Nahelin'ny tompom-pahefana rehetra izany jery vilana izany. Hatry ny faha-mpanjaka. Nabontsin'ny fanjanahantany. Nolovain'ny repoblika.
Tsotra ny anton'izany. Rehefa voapempo ny alakaosy, ao an-tsain'ny besinimaro, ... Mora gihazina, hatrany amparahatony, ny sarangam-piarahamonina alakaosy rehetra. Indrindra fa ny vahoaka. Vokany: manjaka tokana ny mpitondra.
Milefa sàtan' alakaosy ny besinimaro. Mifandripaka miady ho lohany avokoa. Tonga amin'ilay hoe: "Raha tsy inona aho koa ho alakaosy ?!?" Mivàvatra ny tsikalakalam-pihavanana. Ifandrotehana ny tsikalakalam-pahefana. Miha-marefo ny rindram-piarahamonina arapizokiam-panahy mahaolona.
F'angà vitan'izay ? Araka ny mpahalala, mitrotro vintana alakaosy i Madagasikara. Iza no tsy nalaim-panahy nimenomenona noho io vintan'ny tanindrazany io ?!? Noho io fanasoketàna anjambany ny alakaosy io ihany !
Koa izao no izy, rey havako isany.

Diavolan’ Alakaosy
no iainantsika rahalina. Alakaosy tokoa i Madagasikara. Nahandry ny rariny izy hatramizay, n'inon'inona fangirifiriany. Ela ny ela ! Ho tandrify hitsiny i Madagasikara, tanim-bazimba, rahalina hadiva haraina. Hiarim-bintana amin’izay izy. Haneho ny hasiny hanerana an’izao tontolo izao.
Ary
hitroatra ny vahoakany ! Mety handrongatra mihitsy.
Hiaino
tsara, hatrany ampàra-aty, io fitobahana herijika makadiry rahalina io. Izay fomba fihasinana
mahazatra anao atao. Gasigasy fanao ianao ? Fanao gasigasy atao. Mpivavaka any
ampiangonana ianao ? Vavaka fanaonao any ampiangonana atao.
Ho
ahy manokana, fanao japoney no mampandry saina ahy. Efa nahavita “ misogi “ –
fidiovana anaty sy ivelany - tany Tritriva aho tamin’ny vava asombola lasa teo.
Nahatanteraka fifadian-kanina hateloana adimizana. “ Meditation zen “ no ho
ataoko rahalina. Ary rehefa reko tony tsara ny ao anatiko ao dia hivavaka aho.
Hivavaka
mangina amin’ Ny Ray. Tsy hangataka n’inon’inona. Hankasitraka fotsiny ihany.
Hankasitraka lavareny amin’ny fahasoavana atosany sesilany ety an-tany. Tokana
ny faniriana ho apetrako eo ampofoany. “ Ny sitrapony ary ny sitrapony ihany no
tanteraka. ”
Masom-potoana
anankiroa no ifantohako rahalina. Ny voalohany, amin’ny 3 ora sy 33 minitra. Ny
faharoa, amin’ny 4 ora sy 44 minitra.
Manao tohi-vakana ny ankitily lanitra sy rindran-kajy nahatonga ahy hifantina an’ireo
masom-potoana ireo. Mba hampalaky ny fanazavana dia ireto ambany ireto misy
torohay fototra, mora rambesina. Rahalahy mpiara-mianàla no nanolotra azy
ireto. Ankasitrahako azy manokana izany.
Loharano nanovozana: Doreen Vitue.
Loharano nanovozana: Doreen Vitue.
Samia
mivonona amin’ izay ho ateraky ny ampitso. Samia tandrify izay irin’ny fony. Samia tena Andriamanitra.
H I R I K A !! |
(3h33) ou
333 :
Les Maîtres ascensionnés sont
près de vous, désireux que vous sachiez que vous avez leur aide, leur amour et
leur compagnie. Faites souvent appel à eux, en particulier lorsque vous avez
des combinaisons de 3 à proximité de vous. Les Maîtres Ascensionnés les plus
connus sont Jésus, Moïse, Marie, Kuan Yin et Yoganan.
(4h44) ou 444 :
Les anges vous entourent en ce moment ; ils vous
confortent par leur amour et leur aide. Ne vous inquiétez pas ; ils sont tout
prêt pour vous aider.
H I R I K A ! ! ! |
Fanamarihana: Iangaviana ampanajàna izay mila fanampim-panazavàna hisavasava ato anatin'ito sompi-kevitra FAnambinana MAdagasikara - FAMà ito.
Serasera: vahombey@gmail.com
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire