A- Vazimba andohan-talily
Ny kolontsainan'ny Vazimba izay nahavatra nampandroso ny vahiny rehetra
tonga taty afara no vahatry ny tantaran'i Madagasikara. Izay no iantsoana azy
ireo hoe Andohan-talily.
Ny fifampirandranan-tendron'ny Vazimba tamin'ireo andiam-bahiny tonga
tsikelikely taty afara ireo no nanome hasina ny fanjakàm-panjaka nanerana ny
nosy.
Nototoran'ny "histoire officielle" tsikelikely noho ny antony
ara-pôlitika ny fisiana mari-pototry ny Vazimba izay tsy mba voakajy
an-tsoratra. Marihana fa sorabe no nitahirizana fahiny izay rakitry
ny ela. Anjaran'ny tsirairay no mamisavisa izay mety nasovok'izany fahefana
pôlitika goavana dia goavana izany.
Na dia efa nisy taloha lavitra
ny vaninandron'Andrianampoinimerina aza ny fanilihana tsikelikely ny taranaka
Vazimba dia teo amin'io mpanjaka malaza io izany no niharihary indrindra rehefa
nikiry ny ampirangàna an'Ilaidama ho mpanjaka mpandimby azy izy.
Nampibolongana ny
fifandiram-pijery teo amin’ny havam-bazimba sy ny mpahay hatrany Atsimo
Atsinanana izany.
Andriamamilaza no nahatondra
hatrany andahamadintanim-bazimba ny rano tsy dikain’amboa
nahasinan’Andrianampoinimerina an’Ikelimalaza nafahany nanitatra
fanjakana.
Tafaka-dapa taty aoriana ny
havana tatsimoatsinan'ny mpanjaka izay hatrany no tena ray nahitany masoandro.
Mifandraika amin’izay ve ny fifantsihan' ny ivon-drohotanim-bazimba ao
andakaosy fanasinan-tsinana fa tsy eo anivo fijoroana mifanandrify amin'ny
andriben-dapa ao Besakana ? Ankamantatra, tompokolahy sy tompokovavy.
Nivaky roa ny tao
androvan'Andrianampoinimerina. “Fracture épistémologique” no filazan’ny
filôzôfia azy. Fifanandrinana isan’ny nampikoro ny fanjakana merina izay
mpiambina ny laka ivon-drohotanim-bazimba nafahany nijoro ho Fanjakan’i
Madagasikara izany.
Loza iray ! Isan’ny
ozon-drazana mahery vaika zakain’ity tany mamintsika ity ny ràn'ny taranaka
tatsimoatsinana nasandratra ho Andriamasinavalona kanefa voavono ankabibibiana
talohan'ny firodanan'ny Fanjakana Malagasy faha-mpanjaka. Anontanio mikasika
an’izay ny mpahalala toa ny Printsy Jobily Rakotoson izay nanolotra ny
Tantaran-drazana # 01 sy # 02 ho an’i
fanambinanamadagasikara.blogspot.com
Loza roa !! Nanomboka teo
amin-dRadama I dia nitampify an-jorony rehefa tsy nikobona an-johy ny mpanazary
Vazimba. Niha-niataka tanteraka ny raharaham-panjakana. Tsy niahy n'inon'inona
intsony mikasika ny zotram-piainam-panjakana.
Radama I rahateo nandidy
ny fanaboriana randrana. Sady nampiasa basy be aman-tafondro fandripahana aina.
Tsy fifandraharahana intsony ny fanitaram-pahefana fa lasa ankibeda sy antery
vay manta. Niha-nahay toa ny tandrefana ra-Malagasy saingy nikolepaka ilay
fotoram-panahy notovozina tamin'ny fahendrem-bazimba.
Aoka isika hahatsiaro fa ny
Vazimba no tena tompon’ity tany disahintsika ity. Hoy ny lovantsofina
nampitain’ilay ingahibe vazimba bahosy nihaonako tany Bemaraha tamin’ny 1999
fony aho niasa ho an’ny RFO-TV5:
“ Nisondrotra
hatrany ankibon’ny tany ny tsingin’i Bemaraha. Ary nipongatra niaraka
tamin’izay ny Vazimba, nialoha ny nielezany nanerana ny vazantany.”
Hoy kosa ny géologie,
nisintona ny ranobe dia nipoitra i Bemaraha. Ambava omana, ampo mieritra.
Nanampy trotraka ny
“fanimbazimbàna”, izay lasa oha-pitenenana, ny fanjanahan-tany izay navozo
fatratra ireo Vazimba nahatahiry tanjaka Mpanazary toa ny fanidim-boay sy ny
zavontsihita ary ny tsilaitrambasy.
Hoy ny lôjikam-bazaha: "
manichéisme, matérialisme et domination de l'homme sur la nature".
Hafa ny lôjikam-bazimba izay mifototra amin'ny " spiritualité, complémentarité des contraires et harmonie avec la
nature".
Hany ka
"nohabibiana" hatrany ny Vazimba teo amin'ny jerim-bahoaka.
Saingy mbola tompon'ny tany ny
Vazimba hatramizao na tsinontsinoavina sy hamavomavoana aza. Miataka dia mitazam-potsiny
sisa izy ireo. Izao no iafaran'ny nosintsika !
Nikoroso efa an-taonjato maro.
Mandroso indray mandingana dia mitambotsitra indroa miantoana.
Ny safodrano tamin’ny febroary
2015 dia nampiharihary ny fodian’ny rano tamin'ny fonenany teny andonahonan'Analamanga
fahiny. Ankoatra izay, nangozohozo fatratra ny iba andrefan'ny
ivon-drohotanim-bazimba !
Tsarovy fa nanomboka teo
amin'ny adimizanantany miazo adijadintany no nanambana ny gorodon-driaka. Asa,
nitaky adalo ialàna faditra ?
Aleo hazava tsara ny resaka.
Tsy mila velively anaovana fomba maramara amam-panao poakaty izay afangaro
finoanoampoana filàna tombotsoa manokana ny Vazimba. Ohatra: izay mety ho
karazana sorona aim-belona (akoho, omby, sns) sady sandaina vola aman-karena
Tsarovy fa FADY Rà ny tena
Vazimba. Ho an'ny adim-bazimba dia izay mahalatsa-drà no resy !
Tsaroako etoana ilay
hitsin-dàlan-dririnin’ny tantara nampitaina tany ampianarana. Tsy nahaleo
an’Andriamanelo izay nanana lefom-by ny vazimba koa vaky lefa. Aoka re marina !
Nalaina niady ifandatsa-drà
izy ireo dia naleony nandefitra. Aok'izay ny fitsirihana ny
tantaran-drazantsika amin'ny lôjikam-bazaha re, tompoko ô.
Amafisiko : Fady mandatsa-drà ny Vazimba.
"Non violence
pour l'harmonie et simplicité ascétique pour l'élévation spirituelle" no dikan'izany.
Fantaro fa ny maha-Vazimba ny tena Vazimba sy ny taranaka Vazimba dia noho
izireo Mpanazary, tompoko.
Ara-pikajiana firazanana, sady TSY andriana, TSY hova, TSY andevo fa
Vazimba ny vazimba satria vazimba.
"Hors caste"!
Ahoana no ahafantarana hoe
mbola mikajy fototra vazimba ny olona sasany ao Imerina ?
Miazo mianatsimo ny varavarambatom-pasandrazany.
Porofo tohaka an-tenda izany.
A- Mpanazary sy Anjely
Vanim-potoana mampibanabàna ny
vavavokàka izao iainantsika izao.
“Copulation des deux
luminaires sur le 0 degré des poissons », hoy ilay mpahalala,
ny faha-19 febroary 2015 tamin’ny 2 ora maraina sy 47 minitra ary 15 sekondra
lasa teo.
“Reprogrammation
galactique”. Io ilay marika nandrasanan’ny Mpanazary hatrizay.
Taom-bazimba ity 2015 ity ary
tsy miverina raha tsy isaky ny 623 taona. Ny volana aogositra teo ny kibony.
Ary ny 15 aogositra no tendron-kibony.
Mandritra ny volana ADIZAOZA
alahady 13 septambra - alatsinainy 12 oktobra no misantatra
aim-panahy vaovao izao tontolo izao. Mananjara manokana amin’izany i
Madagasikara. Asakasak’i ra-Malagasy izay anaovany an’izany.
Koa aleo alàna ny vava fangeja
ny lela.
Misy ny mpiantafika ho an’ny
Mazava. Raha andohalaharana amin’izany ny Mpanazary ety ambonin’ny tany, tsara
fantarina fa misy mpirahalahy-mpirahavavy miara-mianady aminy koa any
ankoatran’ ny tontolo andavanandron'ny besinimaro. Anjely no fiantsoana azy
ireo amin’ny mahazatra.
Ho antsika Malagasy dia
anisan’izy ireo ny razana mpiahy. Tsy izay maty rehetra akory dia misandratra
ho razana. Ny mahavatra manazary mandritra ny fotoam-pandalovany ety an-tany no
hany mizaka ny sata hoe Razana.
Ireo izay nangidy hoditra,
maramara fitondran-tena fony nirisarisa tety an-tany dia tsy mipàka ho razana
velively. Ito karazany faharoa ito dia mpamorika fandevina amoron-dàlana, lolo
sy avelo mirenireny foana koa antsoin’ny olona hoe “mpiady vomanga”.
Soa fa misy ny
manavin-janahary izay mpigodongodona manaitra azy ireo amin’ny fahalovam-panahiny
isaky ny alarobia maizinkitrom-bolana. Tsotra ny antony, mba inoan-dry zareo
ireo hoe misy ny Mazava any ananonanona any izay tokony hisondrotany mba
hananany fahafaha-misafidy hiverina ety ambonin’ny tany amin’ny fiainan-kafa
indray anarenany tena.
Raha tsy izay dia voarohy
andaharan’ny mpiantafiky ny Maizina izy ireo ka mandroba-dràha ety an-tany no
hany lahasany hatrany ambadika any.
Fehin’izay tolokevitra izay,
mifanandrina tanteraka amin’izao fotoana anoratana izao ny andaniny mpiantafiky
ny Mazava sy ny ankilany an’ny Maizina.
Tsy hoe “Reprogrammation galactique” dia manatombo hery ny Mazava.
Tsy hoe Taom-bazimba dia
mamahan-kery vazimba.
Làkalàka io ! Toa ny
fifanandrinana rehetra. Hita fanombohana fa tsy hay fiafaràna.
Mibanabàna ny vavavokàka !
Fiandohana izany. Fiandohana mampifandanja ny hery mpifanandrina. Vita pasoka
ny daomy tamin’ny 19 febroary lasa teo. Tena eo ampandrafetana diam-panorona
vaovao tanteraka isika io. Izao ankehitriny izao. Izao dia izao.
Noho izany, mandromodromotra
mafy mihitsy ny Maizina izay tompon’ny laka nialoha io 19 febroary 2015 io.
Mbola ho avelantsika ho baboanan’izy ireo indray ve ny laka ? Fotoana mety ho
antsika Mpanazary izao irosohantsika amin’ny lalina kokoa. Alao hery, ry havako
isany !
Safeli-dromoromo fotsiny izay
sedran-doza aman’antambo mananontanona.
Na izany, na tsy izany, azontsika
havadika ny tantara. Indrindra ho an’i Madagasikara.
Manana IRAIKA AMBINIFOLO taona isika nanomboka tamin’ny faha-19 marsa
teo hanarenantsika ity firenentsika ity. Hifanitsy ny kajin’ny alimanaka
isan’isany amin’io fotoana io. Tsara dia tsara raha omanintsika sy iomanantsika
dieny izao ny faha-19 marsa 2026.
Miangavy an-tànandroa ny
olo-mazoto. Mandadilady am-bovoka aman-davenona eo antongotrareo tsirairay avy.
Mijoroa avokoa re, tompoko, izay efa miaina ho Mpanazary.
Ho an’ireo izay mbola
misalasala, ... Ataovy re, tompoko, izay hahavanon-ko Olona anareo. Zahao ny
lahatsoratra " Maha-Olona sy mahaolona " ao amin’i
fanambinanamadagasikara.blogspot.com sao afa-manampy ho an’izany.
Mandadilady, tompoko ô. Ario
ny teniko raha misy diso. Saingy mialoha an’izay dia mba alaivo ambony, alaivo
ambany ihany. Tsy tombontsoa ho ahy velively no ilazako izao. Raha izay
tenabeko anie ka mety tsy ho eo intsony rahampitso, rahafakampitso ê..
Sanatria, tompoko, ny mitoky
teny fantatra. Saingy fisaka ny rariny ary marolafy ny marina. Koa mba asio
maso sy sedrao ihany re izay atondroko mialoha ny iavonana azy ê. Azafady
indrindra.
Tsotra ny hafatra. Omeo tànana ny Anjelin’ny Hazavana.
Na ahoana na ahoana finiavan’izy ireo, tsy afaka mamboly fahendrena eo amin’ny toerantsika olombelona ny anjely. Anjarantsika ny ety an-tany, anjaran’izy ireo ny any ambadika any. Raha mahavita mamafy voa tsara isika, anjara lahasan’ny anjely no mampitombo izany avo zato, arivo, analinkisa heny.
D-
Rasavolan'ikaky
Ravaho
“ Raha mbola taranaka Malagasy
mifototra amin’ny lafivalon’ity nosy ity ihany ianao, na razamiharo inona na
inona, dia fantaro sy tsarovy fa miaina ao anatinao ao ary mamelona ny lahatra
iainanao andavanandro ny “Génome Vazimba”.
Miandry anao, vato nasondrotry
ny tany, ireo havanao Vazimba mitampify any ampara zohy. Sao valaka ihany re
izy ireo, marina mafy ê. An-taona maro dia maro izay no nilolohavan’izy ireo
ity tany ity. Efao ny anjara adidinao, ianao olo-mirija, olo-misaina, olom-po
amam-panahy.
Mitsangàna amin’ny
maha-Mpanazary anao !
Na inona na inona foto-pinoanao
sy fiangonanao, tohizo sy hajao. Tanterao anivon’izany ny maha-Mpanazary anao.
Tsy mandrafy anaka, tsy
mialon-jafy ny maha-Mpanazary.
Ary aza manaiky rebireben’izay
fomba amam-panao izatsy na zaroa raha manelingelina ny fisainanao sy ny feon’ny
fieritreretanao izany. Tsy ilan-tsikidy na fanandroana izany. Na izay
karazandrazan-javatra miendrika ho finoanoampoana na asan'ny maizina araka ny
fiheveranao.
Izany hoe Mpanazary izany dia
olona mahato-tsofina ny feon’ny fieritreretany ary manatanteraka izany amin’ny
antsakany sy andavany.
Mijoroa ho MPANAZARY."
.
|
(1) Mpanazary, rakikira Ikaky 2009: www.youtube.com/watch?v=10pUTObgIog
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire