Hoy i Andry
Rajoelina tany Mahajanga tamin’ny sabotsy 06 jolay lasa teo :
« Les chiens aboient.
La caravane passe. Andry Rajoelina passe (…). » (1)
Iza moa izany no
alika mivovo noho ny afitsok’i Andry Rajoelina ?
N’iza n’iza mitaraina
satria mikoroso fiainana noho ny fitondràny ?
N’iza n’iza
mitsikera ny halatra sy gaboraraka ary jadona hilibàny ?
Isika rehetra sahy
milaza ny marina moa izany alikainy avokoa ?
Izaho manoratra
izao izany alika ? Alika satria teny anoloan’ny vavahadin’ny lapa
Ambohitsorohitra aho nitaky ny fialan’ny andrim-panjakan’ny tetezamita ?!
Fikarakarana fifidianana,
tompokolahy sy tompokovavy, no antom-pisian’ny tetezamita. Efa taona izay. E !
Tsy misy fifidianana mihitsy !!! Ompain-dRajoelina
ho alika aho noho izany fitakiana izany ?
Manompa ny manalika !
Tsy mpiziva izahay sy Rajoelina. Koa maninona aho no ompainy ho alika ?
Hampidoboka an-dRajoelina iny nanompa safobemantsina imasom-bahoaka iny. Fiantsiana iny fanalikàna iny.
Fiantsiana hirongatra !
Fiantsiana ny olompirenena rehetra mpandadilady rariny iny fanalikàna iny !!
Fiantsiana
hirongatra.
1 commentaire:
Hanorana ve hoy aho sa hanavandra ?
Sa hiafiana fa karama, hoy ny mpitarika sarety ?
Tsisy lehibe otran'ny vorona fa rehefa tsy miteny, hitoeran'ny vorona !
Nefa atody ve ka hiady amim-bato ?
Sa lakan-kifaninan'amin-jahatra ?
Tsy mpomba ilay mpanalika aho, fa miandry izay fihetsik'ilay nohalikaina.
Enregistrer un commentaire