lundi 9 septembre 2013

Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano… (*)



Nanovokovoka mafy izahay  nanomana ny fifidianana filohampirenena tokony natao tamin’ny faha- 24 jolay lasa teo. Natontona tao avokoa ny ampahan-karama nangonina aman-taonany, ny  tahiry rehetra teo ampelan-tànana. Kinanjo tsy noraiketin’ny fanjakana ilay daty !

Fesona mihitsy aho nanomboka teo. Nihivingivina. Nisavorovoro saina hoe sao hahadangy ity fifidianana toa sangy ratsy pôlitika ity ! Sao tokony sintonina ny maha-kandidà dia tsoahina ny antoka napetraka, dieny nanova lisitra ny CES2  ? Aleo avadika fameloman-tena, ampiasaina ny vola fa ity raharahan’angatra ity toa sarin’ady voatokana ho an’ny saribakolim-bazaha.

Raha filàn-karena ranofotsiny sy fampitomboam-bola sesilany no fisainana nitondrako ny fiainako hatramizay dia nalàko tokoa ilay antoka 50 tapitrisa ariary. Ny ilàna ampiasàna izany rahateo misy dia misy. Raha laza motramotraka sy fisekosekoana fotsiny no notadiavina, efa ampy izay fisehoana vahoaka izay. Saingy tsy izany velively. Sady tsy laza amam-boninahitra, na fitadiavan-tseza, na fitetehana harena manokana no mahatonga ahy mirotsaka ho filohampirenena.


Tsy ho ahy ambatako, na ho  an’ny havako akaiky no irotsahako amin’ito adidy masina handray an-tànana ny fitondràm-pirenena ito. Voady efa nataoko tamin’ny tenako hatry ny fahazazako io. Mpangataka teny an-dàlambe aho faha-zaza, zanak’olona bokan-trosa izay voatery namono tena no niafarany. Fitiavana avy tamin’olona samihafa no mahatoa izao ahy ankehitriny, nafahako nianatra sy nitombo fanahy ho vato asondrotry ny tany.

Mianady

Kely manana adidy aho. Omby mahia tokoa saingy andrandrain’ny kaozatra noho izaho mba hiaro sy hitsimbina azy ireo. Maharary ahy ny mahita kamboty, mananontena, sembana sy beantitra mangataka eny an-tsena. Indrindra eny antokontanin’ireny supermarché ireny. Angarihan’ny vazaha sy ny rajakom-bazaha fotsiny. Maharary ahy izany ! Ny efa nangataka tamoron-dàlana toa ahy tamin’ny fahazazako no hany mahatsapa anaty hoe mahakely aina anie io mangataka andalàmbe io, rey olona ê. Fa akory atao !?

Koa ankasitrahako etoana ny valintenin’ny vady andefimandriko raha nanontany azy aho nony niahotra  hanohy hifandrirotra amin’izao fifidianana filohampirenena izao. Hoy Holi Vahömbey Ramiarintsoa tamiko:

« Efa niomananao nandritra ny fiainanao manontolo ny hitsimbina ny osa, ny hanatsara ny toe-piainan’ny malagasy, ny hanandratra an’i Madagasikara. Koa satria ve tsy manambola anohizana intsony  ianao dia hiala an-daharana, hidina ampandehanana ? Nefa anie dia io fitiavanao ny olona mihoatra ny tenanao io mihitsy no mampiraiki-pitia ahy aminao ê. Tadidio izany ! »

Miroso amin’ny lalina kokoa hatrany aho ankehitriny. Eny na dia efa miharihary aza fa faran’izay fifidianana kitoatoa ity ho atao fotoam-pahavaratra ity ! Ê ireto kandidam-panjakana zavontany ! Samy mangalatra dépâra. Samy mandraviravy vola etsy sy eroa. Vola avy aiza ireny ? Mba vola madio ve ? Sa vola nahodinkodina, izany hoe vola nangalarina tamin’ny sarambabem-bahoaka ihany no ampilendalendàna sy andrebirebena azy indray avy eo ? 

Na mahafantatra tsiambaratelon-kolikoly goavana aza ny Bianco dia tsy mahefa n’inon’inona manoloana ny andrezatrin'ny fahavalom-pirenena mirotsaka ho kandidà. Ny Samifin moa vava takiky fotsiny. Tsy misy lalàna afahan-dry zareo misavasava hono. Ary indrindra indrindra manasazy. Ny fitsarana eto amintsika moa ankehitriny, naman’ny tsy misy. Anarany fotsiny no Fitsaràna !

 Fita-bitro

Amporisihana izahay kandidà hanao sonia fifanekena izatsy sy izaroa. Ny tenako izao anie ka nosavasavaina hatraty amin’ny fokontany onenako mihitsy ny mikasika ahy sy ny toe-piainako ary ny fahaizako miara-monina ê. Tsy nahita nokihanina ny mpanadihady ! Ireo kandidà rehetra ireo koa ve natao toa izany ? Miharihary fa rehefa kandidà vaventy dia tsy azo tsikafonina ny mikasika azy. Atahorana, hono. Sao mamono ? Ary ry zareo rehetra ireo dia kandidà vaventy avokoa. Tombatombany ê. Alaivo ambony, alaivo ambany. Adihodiho dia halaky hahita ny afenin-dry zareo ianareo.

Izaho Vahömbey kosa dia tsy manan-kafenina na inona, na inona. Na fananana ampelan-tànana, na fidirambola. Ary efa nataoko mazava tany amin’ny antontan-taratasy firotsahako izany. Izao indray asaina hanao sonia mikasika ny zo sy adidy izahay, mba hanara-dalàna, hitandro fifanajàna. Koa tokony hiaiky dieny izao tsy hanakorontana n’inon’inona mandritra ny fifidianana sy aorian’ny valim-pifidianana. Fa izahay kandidà madinika itony moa izany dia tena heverina ho bado sa gaigy ?

Efa hitam-poko, hitam-pirenena izao ny fanararaotam-pahefana efa hatry ny taona maro, ny fanaovana didiko fe lehibe, ny fandrahonana isan-karazany any andakira rehetra any,  ny kolikoly atao amin’ny manam-pahefana isan-sokajiny, sns. Ireo kandidà maventy rehetra ireo efa manao izany avokoa. Ny sasany aza efa aman-taonany. Dia asaina hanao sonia izahay kandidà madinika mba hamato-tena hangina n’inon’inona fandikan-dalàna ataon’ny maventy ? Fa angà izahay raha madinika dia kanosa ka na ho itsahana an-tampondoha aza dia hiforitra ? Sarobidy ho ahy kandidà madinika izany teny omena anaovan-tsonia izany. Matoa atao misy antony. Raha tsy izay, aleo tsy atao.

Olompirenena

Matoa aho mirotsaka kandidà, na faran’izay osa tsy manam-bola ho laniana anaratoana vatom-pifidianana aza, dia mahasahy. Amafisiko amin’ izao firotsahako izao ny fanoherako ny gaboraraka. Na felan-tànampoana aza ny ahy. Izaho sahy mandroso hamoha ny vavahadin’ny fahamarinana. Na ho vidiako amin’ny aiko aza izany. Te-ahita ny fireneko miaina anatin’ny rariny sy ny hitsiny aho. Ny hazavana maharesy aizina no mampivoatra malaky ny be sy ny maro tsy ankanavaka. Io ny hazavana, io andolohako io.

Olompirenena faran’izay sarotiny amin’ny fananana iombonana aho. Na tany io, na harena ambonin’ny tany, na ankibon’ny tany, na andranomamy, na andranomasina, na an’abakabaka. Tsy antsika ireo fa nampindramina antsika. Tokony kolokoloina, kajiana sy ampitomboina ho an’ny taranaka fara-mandimby. Leo ny mimenomenona tsy ankandray andraikitra mivantana aho. Tofoka ny mihanahana fotsiny toa ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny fiarahamonimpirenena.

Nanahy aho sao fitapitahan’ny mpanodinkodin-dalàna raha ndeha hirotsaka ho fidiana amin’ny maha-olompirenena tsotra. Kaodikaody aho nikasika ny fampiharan’ny mpitsara ny code électoral. Hany ka naleoko nanangana an’i FAnambinana MAdagasikara – FAMà ho antoko pôlitika nandrotsaka ahy. Raha ny sitrapoko dia tsy nitafy pôlitika aho. Tsy mba mpiady seza izany aho hatramin’izay niainako. Ary tsy ho mpiady seza mandrakizay. Raha seza no nilaiko efa nahazo hatry ny ela aho. Na dia tamin’ny 2002 fotsiny aza.

Masao mpanao trano

Koa akory ny hatairako noho ireo namana nantenaiko hanome tànana, raha vao nahare hoe ifanotofan’ny masao (1)  tanteraka ny lakan’ny kandidà, … Avy hatrany dia namporisika ahy handefitra hanao sarintsarin-kandidà fotsiny. Efa vita ady varotrin’ny samy masao, hono, ny fanjakana eto Madagasikara koa aleo aho mipirina. Sady izaho rahateo tsy masao akory. Kepoka aho.

Ny ampahana masao mpiherongerona indrindra ao anaty fivondronamben’ny masao no misetrasetra izay tsizy eto amintsika ankehitriny. Ireo mpanao bodongerona ny fananam-pirenentsika ireo no mifampitantana amin’i Renikelimalala (2). Ary ity ankalazaina ho vondrona iraisampirenena ity dia sary vongana raha ny tena marina. 

Sinémà ifanaovan’ny vazaha sy ny rajakom-bazaha, vazaha mody miady, no mibahana eto Madagasikara. Ny kandidà mpivarotra tanindrazana rahateo moa raofina amin’ny sobika aminay kandidà miisa 33 ireo ! Sady ireo rahateo faran’izay mahay mivarotra saka beloha. Jereo moa ity famiravirana ny maha-isika antsika ity ê ! (3)

Ny olona no harena

Hanavotra ny tanindrazako no laharam-pahamehako ankehitriny. Noho izany, tsy avelako ataon’iza na iza antoka ny tanindrazako. Manan-jina ny harena rehetra eto Madagasikara satria Manankasitsara i Madagasikara, hoy ingahy Olombelo Ricky izay. Io andrarezin’ny kolontsaina malagasy io rahateo no efa nanafatrafatra hatrany mikasika ny maha-saropady ny  “ kadasitr’i Madagasikara  ”.

Noho izany, tompokolahy sy tompokovavy, amin’ny maha-taranaka mpanazary vazimba ahy dia aleoko izaho no kandidà osa indrindra, tsy mba manam-bola, aminay kandidà 33 ireo. Aleoko aho boribory toa izay ampitrosain'ny mpambotry ny tanindrazako, mpanandevo ny fireneko. Na ho tambazana deal toa inona aza !

Amin’ny vahoaka malagasy irery ihany aho no manao velirano hifanasoa sy hifanatsara. Lozan’izay mivadi-belirano. Ambonin’ito tany diavintsika ito aho no mianiana hitandrina ny rariny. Ambanin’io lanitra lolohavintsika io aho no manome toky hitandro ny hitsiny. Mason’andro niany, mivoady aho ny hanao hatrany izay maha-salanitra ny ambanilanitra.

Koa raha misy azonareo atao hanafainganana izany, rey havako, dia ataovy ankafaliana re. Na olona iray, na folo, na zato, na arivo, na halina, na hetsy, na tapitrisa voasarikareo ho namantsika dia raisintsika an-tànan-droa avokoa. 

Tsihy be lambanana ny ambanilanitra. Lapabe tia maro ny tanin-taranaka. Koa ndeha hanao tohivakana, hifanome tànana.

Ny olona no harena, tompokolahy sy tompokovavy.







(*) « Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano no efa tonga fehizoro indrindra », Salamo 118.22

(1) Franc-Maçon

(2) Françafrique

Aucun commentaire: