Avant de continuer à partager mes réflexions
personnelles, je souhaite faire part aux lecteurs de l’importance du texte
explicatif rédigé en malagasy ci-après. Par honnêteté intellectuelle, je tiens
à préciser que je n’ai pas personnellement participé à sa rédaction. Ma
responsabilité se limite donc à son partage.
Merci de noter que la mention de Vazimba Mpanazary dans le texte renvoie au groupe établissant siège au Tahala Rarihasina Analakely avec lequel j'entretiens des relations cordiales mais non-formelles. Aussi, sera-t-il judicieux de ne pas confondre nos engagements respectifs. Le leur s'assortit de louables efforts d'institutionnalisation du "Taombaovao malagasy". Le mien, pour le moment, se concentre sur la clarification des fondements idéologiques des concepts-clés malagasy dont ceux du vazimba et du mpanazary.
Merci de noter que la mention de Vazimba Mpanazary dans le texte renvoie au groupe établissant siège au Tahala Rarihasina Analakely avec lequel j'entretiens des relations cordiales mais non-formelles. Aussi, sera-t-il judicieux de ne pas confondre nos engagements respectifs. Le leur s'assortit de louables efforts d'institutionnalisation du "Taombaovao malagasy". Le mien, pour le moment, se concentre sur la clarification des fondements idéologiques des concepts-clés malagasy dont ceux du vazimba et du mpanazary.
Quoique non-signé, le texte original est accessible
grâce au lien ci-après qui doit aussi faciliter le contact avec la
source d’information.
A toutes fins utiles, prière s'adresser au Tarika Rary Efitrano Rary Tahala Rarihasina aux horaires suivants: 07 h, 11 h et 16 h.
Bonne lecture !
A toutes fins utiles, prière s'adresser au Tarika Rary Efitrano Rary Tahala Rarihasina aux horaires suivants: 07 h, 11 h et 16 h.
Bonne lecture !
Io rohy io, tompokolahy sy tompokovavy, no
afahantsika mandramby ny loharano nipoiran’ny lahatsoratra izay ho adikako manontolo
etsy ambany. Avy amin’io koa
no mety hiseraserantsika amin’ny mpanoratra ilay izy.
Soritako mazava tsara fa tsy nandray anjara velively tamin’ny fanoratana
azy io ny tenako. Mpampita fotsiny no hany anjara raharahako eto satria
heveriko fa tena ilaintsika ny torohay izay tanisainy. Hanampy antsika aharaka
kokoa ny fanadihadiana izay iandraiketako manokana sy tohizako ho zaraina eto
rahateo izany.
Farany, tsara avahana ny tarika Vazimba Mpanazary, mpikatroka ao amin'ny Tahala Rarihasina ao Analakely, izay voatonina anatin'ito lahatsoratra ito sy ny tenako manokana. Mifampita traikefa izahay saingy samy manana ny làlana izorany. Ry zareo no mendri-pideràna mifofotra sy mively vy mikasika ny fankalazana ny "Taombaovao malagasy" efa hatry ny taona maro. Ny tenako kosa hatreto dia mihanona amin'ny fisavasavàna ny ambahandain'ny maha-olona sy ny maha-malagasy. Anisan'izany ny Vazimba sy ny Mpanazary. Antony goavana ampitàko ito lahatsoratra ito izany.
Raha mila fanampim-panazavana, zahao ny Tarika Rary ao amin'ny efitrano Rary, Tahala Rarihasina. Ora: 7 maraina sy 11 antoandro ary 4 folakandro.
Mahazoa tombondahany, tompokolahy sy tompokovavy.
_______________________________________________________________________
Farany, tsara avahana ny tarika Vazimba Mpanazary, mpikatroka ao amin'ny Tahala Rarihasina ao Analakely, izay voatonina anatin'ito lahatsoratra ito sy ny tenako manokana. Mifampita traikefa izahay saingy samy manana ny làlana izorany. Ry zareo no mendri-pideràna mifofotra sy mively vy mikasika ny fankalazana ny "Taombaovao malagasy" efa hatry ny taona maro. Ny tenako kosa hatreto dia mihanona amin'ny fisavasavàna ny ambahandain'ny maha-olona sy ny maha-malagasy. Anisan'izany ny Vazimba sy ny Mpanazary. Antony goavana ampitàko ito lahatsoratra ito izany.
Raha mila fanampim-panazavana, zahao ny Tarika Rary ao amin'ny efitrano Rary, Tahala Rarihasina. Ora: 7 maraina sy 11 antoandro ary 4 folakandro.
Mahazoa tombondahany, tompokolahy sy tompokovavy.
_______________________________________________________________________
"
TAOMBAOVAO MALAGASY": DATY? FOMBA? TANJONA?
Ny "Taombaovao Malagasy" dia anarana
natokana hiantsoana ny fiandohan'ny taona malagasy sy ny fankalazana izany izay
atao eo amin'ny manodidina ny volana martsa na aprily
FAMARITANA NY
DATY FANKALAZANA NY TAOMBAOVAO MALAGASY:
Manaraka ny endrika sy fipetraka ary fihodin'ny volana
ny fanisantaona malagasy koa isaiky ny andro vava alahamady amin'ny volana
Alahamady, atao koa hoe tsinambolan'Alahamady, no ankalazaina ny Taombaovao
malagasy. Mifanandrify amin'ny volana martsa na aprily amin'ny taona gregoriana
hatrany io tsinambolan'Alahamady io.
Ny Trano Koltoraly Malagasy sy ny Akademia Malagasy no
namaritra io daty io. Nefa koa efa ela ny fikambanana hafa toy ny Tarika RARY
sy VAZIMBA MPANAZARY no efa nahafantatra io daty io.
Hoan'ny Trano Koltoraly Malagasy dia eo amin'ny
vanimpotoan'ny fararano, izany hoe efa hifarana ny rivodoza, ny ranobe, ny
fihotsahan'ny tany. Amin'io vanimpotoan'ny fararano io koa no miakatra ny vary
koa resy ny maintso ahitra. Fahizay mantsy dia indroa miakatra ny vary
isan-taona ka ny "vary aloha" dia eo amin'ny febroary no jinjaina,
ary ny vary aloha dia anaovana ny fety natao hoe " santa-bary". Fa ny
vary ara-potoana kosa dia eo amin'ny fararano izay mifanandrify amin'ny volana
martsa-aprily amin'ny taona gregoriana no ampiakarina. Efa afaka mifaly sy tsy
mifehy kibo intsony araka izany ny rehetra satria vokatra ny vary ary efa
nindaosin'ny ranobe sy ny rivodoza ny loto ary manomboka madio indray ny
voajanahary rehetra. Ny Malagasy koa dia tsy tara amin'izany fidiovana
ara-boajanahary izany fa manararaotra io midio amin'ny alalan'ny fandroana sy
fifamelana ary fandiovana ny tontolo manodidina. Fotoana filanonana
ara-boajanahary ny fararano satria tafavoaka ny andro ratsy sy ny mosary koa
hoy ny fiteny fahizay hoe "mandihiza rahitsikitsika,hianaranay raha
fararano". @ io fararano io no mifanitsy ny tsinambolana sy ny
antokokitan'alahamady eny amin'ny lanitra raha jerena avy eto Madagasikara. Koa
tsinan'alahamady na vava alahamady ny andro voalohany isian'io fifandrifiana io
ary izany vava alahamady izany no manamarika ny fiandohan'ny Taombaovao
Malagasy. Hoan'ireo efa zatra ny fanisantaona gregoriana dia ny tsinambolana
akaiky indrindra ny équinoxe 21 Martsa no tena mora hamantarana ny andro
voalohany amin'ny Taombaovao malagasy.
Fahizay dia manisa andro sy mijery ny endrika sy ny
toeran'ny volana mitaha amin'ny antokokitana hafa ny Mpanandro mba hahalalana
ny volana tsinana sy ny diavolana sy maizimbolana ary ny
anarambolana.Ankehitrio kosa, nohon'ny fisian'ny milina matanjaka dia azo
fantarina mialoha ny andro mahatsinana ny volana alahamady satria ireo
solosaina matanjaka dia afaka mikajy izany hoan'ny 50 taona hoavy.
Indreto santionany ny datin'ny Taombaovao malagasy
hatramin'ny taona 2019 :
- Taona 2015: 20 Marsa 2015 @12 ora 36mn atoandro no
tsinan'alahamady,Taombaovao malagasy.
- Taona 2016: 10 Marsa 2016 amin'ny 04 ora maraina sy
55 mn no tsinan'Alahamady
- Taona 2017: 28 Marsa 05 ora maraina sy 58 mn no
tsinan'Alahamady, Taombaovao malagasy.
- Taona 2018: 17 Marsa amin'ny 16 ora hariva sy 13 mn
no tsinan'Alahamady,Taombaovao
- Taona 2019: 05 Aprily @11ora atoandro 51 mn no
tsinan'Alahamady, Taombaovao Malagasy.
NIVOATRA NY DATY
FANKALAZANA AZY
Nivoatra hatrany ny daty nankalazana ny tonontaona
teto Madagasikara.
Tany amboalohany dia azo heverina fa samy nanana ny
tonontaonany ny faritra tsirairay noho ny tantarany sy ny anisan'andro tsy
mitovy. Etienne de Flacourt tamin'ny taonjato faha- 17 tany amin'ny faritra
Anosy dia nanoratra fa mifanandrify amin'ny volana martsa taona gregoriana ny
fiandohantaonan'ny foko Antanosy izay taranaky ny mpanjaka Raminia izay tonga
teto Madagasikara tamin'ny taonjato faha-12. Ny volana "alahamaly"
hoan'ny foko antemoro izay taranaky Ramakararo arabo tonga teto Madagasikara
tamin'ny taonjato faha-16 dia mifanandrify amin'ny volana aprily amin'ny
fanisantaona gragoriana, tsy volana voalohany amin'ny taona anefa ny
"alahamaly" amin'ny foko antemoro. Hoan'ny foko merina dia ny
Mpanjaka Rabiby izay arabo no nanova ny anarambolana vazimba ho anarambolana
arabo ka nahitan'ny merina ny anarambolana alahamady tamin'ny taonjato faha-16.
Ny tsara ho marihina dia saika taranaky ny Mpanjaka Raminia sy ny Mpanjaka
Ramakararo ary ny Mpanjaka Rabiby no nifindrafindra toerana namorona ny
fanjakana-foko maro eraky Madagasikara. Tsy mifanalavitra anefa fa miodina eo
amin'ny martsa na aprily eo ny volan'Alahamady hoan'izy telo razamben'ny
fanjakana maro teto Madagasikara ireo.
Voalaza fa tany Imerina ny Mpanjaka Ralambo
(1575-1610) zafikelin'ny mpanjaka Rabiby, teo Ambohidrabiby, no nanao ny volana
alahamady ho volana voalohany amin'ny taona. Hatramin'ny Mpanjaka Ralambo ka
hatramin'ny mpanjaka Andrianampoinimerina (1787-1810) dia ny andro voalohany
amin'io volana alahamady io no miandoha ny taona tany Imerina.
Tamin'Andrianampoinimerina anefa dia nampifandrifiana
tamin'ny alahamaly antemoro ny alahamady tao Imerina araka ny torohevitry ireo
antemoro mpanolotsaina azy, izany hoe raha mitaha amin'ny fanisantaona
gregoriana dia teo amin'ny volana martsa ny alahamady merina no nakisaka ho eo
amin'ny volana aprily. Ny Mpanjaka Andrianampoinimerina moa dia teraka tamin'ny
volana alahamady ary alahamady no vintany. Izy dia nilaza fa " Tsy
manampahavalo afa-tsy ny mosary aho". Izany filazany izany dia ahitana
taratra ny fandresen'ny volana alahamady izay taompiakaran'ny vary sy fararano
amin'ny maintso ahitra.
Nanomboka tamin'ny Radama I Mpanjakan'i Madagasikara
(1810-1828) kosa no nisy ny alimanaka voalohany izany hoe fanoratana mialoha
amin'ny bokikely ny tetiandro hoan'ny taona iray. Tamin'ny Radama II
Mpanjakan'i Madagasikara (1861-1863) anefa dia nasiana fanitsiana indroa ny
fanisan'andro malagasy satria dia nihioatra 300 andro mahery. Tamin'ny
Ranavalona III Mpanjakan'i Madagasikara (1881-1896), vokatry izany rehetra
izany, dia tsy fantatra intsony ny tena andro vava alahamady amin'ny volana
alahamady satria samy manana ny fanisany andro ny mpanandro. Hany herin'ny
Ranavalona III, novainy amin'ny 22 Novambra andro nahaterahany ny
fiandohantaona . Tamin'ny taratasim-panjakana nifanaovan'ny mpitondra fanjakana
teto Madagasikara tamin'ny nanjakan'i Ranavalon III, Mpanjakan'i Madagasikara,
taratasy izay voarakitra ao amin'ny tahirimbakokam-pirenena dia hita fa
mifanandrify eo amin'ny volana martsa na aprily eo hatrany ny volana alahamady
hoan'ny taona 1894 sy 1895 sy 1896 ary 1897.
Ankehitrio kosa, tsy azo heverina intsony ny samy
hankalaza ny taombaovao malagasy araka ny datin'ny faritra tsirairay satria ny
tanjona dia hatao andro iray tsy fiasana nefa andraisakarama io daty io. Izany
dia mitaky daty iray iombonan'ny faritra rehetra. Ny Trano Koltoraly Malagasy
sy ny Akademia Malagasy, dia samy nikaroka momba izany ary nitovy ny fomba
fijerin'izy ireo fa raha ampifandrifiana amin'ny fanisantaona gregoriana dia ny
tsinambolana akaiky indrindra ny ekinoksa 21 Martsa no fiandohan'ny taona
malagasy ka ankalazana ny Taombaovao Malagasy.
NIVOATRA NY
ANARANY
Nivoatra hatrany ny anarana nampiasaina. Samy nananana
ny fiandohan-taonany ny faritra maro teto Madagasikara fahizay.
Tao anivon-tany dia ny Mpanjaka Ralambo no nankalaza
izany voalohany tamin'ny fomba manetriketrika ary tao amin'ny renivohitry ny
fanjakany tao Ambohidrabiby no nankalazana izany voalohany tamin'ny
fitsingerenan'ny andro nahaterahany tamin'ny taona 1575 aorian'ny Jesosy Krisy,
andro "vava Alahamady" amin'ny volana alahamady moa io
fitsingerintaona nahaterahany io koa natao hoe "Alahamadibe" no niantsoana izany izay nataony andro voalohany amin'ny taona.
Tamin'ny taonjato faha 19 kosa rehefa nivelatra ny
fivavahana kristiana ary lasa kristiana mihintsy ny fanjakana malagasy dia tsy
nampiasaina intsony ilay anarana hoe "Alahamadibe" satria toa misy
fombafomba fanao amin'ny sampy izany, koa "Fandroana" no teny
nentina niantsoana io fety io. Tamin'ny Ranavalona III (1883-1896) dia novainy
ho ny 22 novambra izay tsingeritaona nahaterahany ny fanaovana ny fandroana,
vanimpotoan'ny asara moa io 22 novambra io koa "Asaramanitra" no niantsoana io fety io.Ary "tratry ny asaramanitra e!"
no teny ifampiarahabana tamin'izany.
Rehefa tonga ny fanjanahantany mandrak'ankehitrio dia
nampiasaina hilazana izay fety rehetra io asaramanitra io na dia tsy
vanimpotoan'ny asara intsony aza ka na tonga ny 1 Janoary na 14 Jolay na 26
Jiona dia mifampiarahaba "tratry ny asaramanitra" ny Malagasy.
Ankehitrio kosa dia haverina hankalazaina amin'ny
fomba manetriketrika izany tonontaona malagasy izany koa "Taombaovao Malagasy" no anarana iantsoana izany satria natao hoan'ny Malagasy tsy
vakivolo, tsy manavaka fiaviana, firazanana sy finoana ary foko izany. Ny
Taombaovao Malagasy dia tsy misy fomba iraisana hankalazana azy fa dia miankina
tanteraka amin'ny mpikarakara ny fankalazana azy: ny Kristiana dia afaka
mankalaza izany amin'ny fomba kristiana, ny silamo malagasy koa dia afaka mankalaza
ny Taombaovao malagasy amin'ny fomba silamo; toy izany koa ireo mpandala ny
nentim-paharazana. Ny mpandraharaha amin'ny sehatra maro dia afaka mankalaza
izany koa amin'ny fombany toy ny hetsika ao amin'ny toerampiasana na
toerampianarana. Ny taranak'andriana dia afaka mankalaza izany amin'ny fombany.
Ary any amin'ny faritra maro eraky Madagasikara dia afaka hankalazaina amin'ny
fomba any amin'ny faritra ny Taombaovao malagasy.
TOERANA SY
SEHATRA MANKALAZA NY TAOMBAOVAO MALAGASY
Nivoatra ny toerana nankalazana ny fiandohan'ny taona
teto Madagasikara.
Misy tamin'ny faritr'i Madagasikara no tsy nankalaza
mihintsy ny tonontaona . Nisy kosa ny nankalaza. Arak'izany, samy nanana ny
fanisan'androny koa ny faritra ka samy hafa ny tonontaona.
Tamin'ny taonjato faha-19 anefa, rehefa lasa
fanjakan'i Madagasikara i Madagasikara dia efa nankalaza tamin'ny daty iray
niraisana ny 3/4 ny faritra rehetra eto Madagasikara. Arak'izany, efa
fetimpirenena niraisan'ny Malagasy maro anisa ny fankalazana ny tonontaona
talohan'ny nahalasa zanatany antsika tamin'ny taona 1896 ary efa samy nankalaza
azy ny eraky ny Nosy talohan'ny taona 1896.
Ankehitrio, ny Taombaovao Malagasy amin'ny maha
fankalazana tsy mialonjafy sy natao hoan'ny Malagasy tsy ankanavaka azy dia
eraky Madagasikara sy manerantany ny Malagasy no entanina hankalaza azy isaiky
ny tonga ny fiandohan'ny taona malagasy eo amin'ny martsa na aprily eo. Hatreto
dia efa maromaro ny toerana mankalaza ny " Taombaovao Malagasy" dia
ny eo Antananarivo sy eny Ikianja Ambohimangakely, ny ao Imerimanjaka, ny ao
Ambohidrabiby, ny ao Ambohimanga, ny ao Sabotsy namehana, ny ao Ilafy. Efa misy
sekoly maro koa mankalaza ny "Taombaovao malagasy" ao amin'ny
toeran'ny sekoly ihany na mamonjy ireny toerana manatantara ireny. Maromaro koa
ny antokompinoana mankalaza ny Taombaovao malagasy. Ary misy aza fikambanana
antoko politika no efa mankalaza azy toy ny antoko KITANA tarihin'Atoa Tabera.
Ary indrindra, maro koa ireo trano fisakafoanana sy filanonana no manao tolotra
manokana rehefa tonga ny Taombaovao Malagasy.
FOMBA
FANKALAZANA NY FIANDOHANTAONA MERINA SY TAMIN'NY FANJAKAN'I MADAGASIKARA
(1810-1896)
Saika ny fomba nankalazana ny Alahamadibe teo
Ambohidrabiby tamin'ny Mpanjaka Ralambo no fomba mbola narahina nankalazana ny
taombaovao malagasy tamin'ny Fanjakan'i Madagasikara (1810-1896). Toy izao ny
hevi-dehibe.
" ny
fidiovana" : iray volana
mialohan'ny taombaovao malagasy dia misy ny atao hoe " fara-tsena"
izay natao hividianana na hifanakalozana ahazoana ireo fitaovana rehetra ilaina
amin'ny fankalazana. Andro vitsy mialohan'ny andro voalohany amin'ny
taona dia midio ny Ntaolo malagasy koa diaovina daholo ny saina , ny vatana sy
fanahy ary ny tontolo manodidina rehetra. Tafiditra ao anatin'ny fidiovana ny vatana
sy ny fanahy mba ahazoana ny fahamasinana ny " fandroana" dia ny
fandroan'ny Mpanjaka sy ny fandroan'ny vahoaka. Rehefa avy manjo ny
Mpanjakan'Imerina sy Mpanjakan'i Madagasikara dia tafiana jaky vaovao
notenomin'ny Andriandoriamanjaka avy eo Ambohidrabiby. Indray andro mialohan'ny
hidirana ny taona vaovao no itrangan'ny Fandroana. Miverina mihavana ny rehetra
na mpivady misitaka na mpiray tampo miady na mpifanolobodirindrina fa tsy
fomban'ny Ntaolo ny miditra taona vaovao amin'ny fo maloto. Diovina daholo koa
ny ati-trano sy ivelany koa soloina tsihy vaovao ny lambanana ary vonoina ny
mpamosavy sy ody ratsy ary diovina ny tanàna. Tsy mikitika faty mandritry ny
andro mialoha sy ny andro fankalazana ny Taombaovao malagasy. Ny hariva
alohan'ny taona vaovao dia mandrehitra ny afo tsy maty koa ny eo Ambohidrabiby
no mandrehitra voalohany vao mahazo mandrehitra ny vohitra sisa eo amin'ny
firenena. Mitohy eo ny harendrina miodidina ny vohitra mba handroahana ny
fanahy ratsy ary mba hazava ny lalakombana mandritra ny taona vaovao. Ny alina
kosa dia misy ny lapabe na kimandrimandry koa mandritra izany dia foana ny
resaka firazanana sy maha mpihavana fa na mpianaka aza na tompo sy mpanompo dia
afaka miaraka. Andrasana mandra-maraina tsy ho faty ny afo tsy maty. Mandritra
ireo andro maromaro mialohan'ny hidirana ny taona vaovao ireo koa dia tsy
mandatsa-drà ( tsy mamono biby na olona ) ny Ntaolo satria tsy mety ny miditra
taona vaovao misy rà ny tanana na misy resaka faty.
" ny
safo-rano": vao maraina
misandratr'andro dia manao ny ankanjo vaovao ny rehetra ary mandeha mamonjy ny
safo rano, na tsodrano ny fianakaviana manatrika ny fankalazana. Rano madio tsy
vakimasoandro sy tsy vakin'amboa notsakain'ny vehivavy virijiny sy lehilahy
mahery tamin'ny mbola maizina mangiran-dratsy no hafanaina ary apetraka anaty
tranom-panjaka. Ny zoky raiamandrany toteny sy fitaratra ary efa fotsy volo no
mitsodrano ny taranaka koa maka tahona ravinkazo atao hoe hasina no ajobony
anaty ny rano ary afafiny amin'ny mpanatrika arahina tsodrano ambava.
"Tatao": Rehefa izany dia santarina amin'ny vary amin'ny ronono
tondrahan-tantely ny taona koa tataovina eo ambony loha ny vary amindronono
tondrahantantely anaty ravin'akondro koa isaorana an'Andriamanitra ary
angatahana tsodrano aminy mba hahazo fahasoavana mandritry ny taona vaovao.
Marihina fa ny vary sy tantely ary ronono no tena sakafo saika iraisan'ny
Malagasy rehetra eraky Madagasikara fahizay. Ny vary ampiasaina eto dia tsy
vary aloha akory na vary vao nojinjaina tamin'ny fararano fa vary vokatra
tamin'ny heritaona lasa, izany hoe "vary mialin-taona", mba hirariana
fa hanana amby ampy hatrany ary hahatratra ny taona vaovao manaraka ny vary vao
nojinjaina tamin'ny taona vaovao.
" zara-hasina": eo
amin'ny fararano dia masaka ny vary eny antanimbary, koa angalana ampahany kely
izany ary atolotra ireo zoky raiamandreny.
" jaka mialintaona": Satria
amin'ny andro voalohany amin'ny taona vaovao dia tsy mety ny mandatsa-drà koa
ny "jaka mialintaona" no hilaofan'ny mpanjaka. Ny jaka mialintaona
dia hen'omby volavita novonoina teo Ambohidrabiby tamin'ny fankalazana ny
taombaovao tamin'ny heritaona lasa.
"
Nofon-kena mitam-pihavanana": Rehefa vita
izany vao mamono omby koa ny tendrombohitra 12 masina no mahazo mamono omby
volavita fa ny vohitra sisa dia omby tsy volavita no vonoiny. Ny tendrombohitra
12 masina moa dia Ambohidrabiby, Ambohimanga, Antananarivo, Ampandrana,
Alasora, Imerimanjaka, Antsahadinta, Ilafy, Namehana, Ikaloy, Ambohitsontsy ary
Imerimandroso. Amin'ireo
tendrombohitra 12 masina ireo anefa dia ny omby volavita eo Ambohidrabiby no
vonoina mialoha vao mahazo mamono ny tendrombohitra masina miisa 11 sisa.
" fifamangiana":
aorian'izany dia mifamangy ny mpianakavy sy mpiara-monina koa ny zanaka na
zandry no mamangy ny raiamandreny sy zoky ary mitondra
"solo-mbodiakoho" ny zandry na zanaka amin'izany. Dia ankalazaina
mandritry ny 1 volana ny taombaovao fahiny teto Madagasikara.
Araka izany, ny fankalazana ny Taombaovao malagasy no
fomba tena malagasy sy amanjatotaona nentin'ny Malagasy nanao ny fampihavanana
na teo amin'ny tokantrano, ny mpiray vodirindrina, ny mpiray tanàna, sy ny
mpiray firenena ary fanamafisana ny fototry ny fihavanana malagasy.
FOMBA
FANKALAZANA NY TAOMBAOVAO MALAGASY ANKEHITRIO
Ny taombaovao malagasy dia natao hoan'ny rehetra tsy
anavahana foko sy finoana sy fiaviana ary firazanana. Vokatr'izany, malalaka ny
fomba fankalazana azy araka ny toerana misy ny mpikarakara satria ny rehetra
dia afaka mankalaza azy amin'ny fomba mety amiy. Rehefa tonga ny Taombaovao
malagasy dia azo atao tsara ny mankalaza izany amin'ny fomba misy ao amin'ny
faritra mankalaza izany.
Hoan'ny faritra ao Boeny ohatra dia araka ny fomba
fanao amin'izany faritra izany no hanaovana azy isaiky ny tonga ny Taombaovao
malagasy.
Izany koa anefa dia tsy manakana ny tsirairay na
fianakaviana, na orinasa, na vohitra, na fikambanana hanao fomba araka izay
tiany rehefa tonga ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy. Ohatra: ny sekoly
ACEEM dia nankalaza izany tao antsekoly ka ny mpianatra amin'ny sekoly dia
manao fitafy malagasy amin'ny andron'ny fankalazana.
Ny Fiangonana FJKM Ambohidrabiby dia mankalaza izany
amin'ny fomba kristiana ka fivavahana ekiomenika ao ampiangonana no hataony
amin'izany isaiky ny Alahady hariva manomboka amin'ny 2 ora atoandro ao amin'ny
FJKM Ambohidrabiby ary ny mpiangona dia manao akanjo malagasy daholo
amin'izany.
Ny tarika RARY sy ny VAZIMBA MPANAZARY, ohatra dia
seho dihy sy mozika ary fampiratiana eo amin'ny Tahala Rarihasina ao Analakely
isantaona no ankalazany ny Asaramanitra Taombaovao Malagasy.
NY TANJON'NY
FANKALAZANA NY TAOMBAOVAO MALAGASY
Ny firenena malagasy, toy ny firenena maro erantany
(jiosy, silamo, egyptiana, etiopiana, indiana, sinoa, eropeana)dia nanana ny
taonany manokana sy mankalaza ny fiandohan'izany taona izany. Tamin'ny taona
1897 anefa dia nofoan'ny Frantsa mpanjanatany izany fankalazan'ny Malagasy
izany taombaovao malagasy izany ary noenjehin'ny Frantsa ny Malagasy nankalaza
izany.
Vokatr'izany, tsy sahy nankalaza izany imasombahoaka
intsony ny Malagasy ary indrindra, maro tamin'ny Malagasy no lasa nihevitra fa
mpamosavy sy mpilalao ody izay Malagasy mbola manao izany fankalazana ny
Taombaovao Malagasy izany. Vokatr'izany koa dia nosoloin'i Frantsa ny
fankalazana ny 14 jolay ny fankalazana ny Taombaovao malagasy. Hatramin'ny
taona 1897 mandrak'ankehitrio dia mbola manankery foana ny didimpitondrana
noraisin'ny Mpitondra frantsay nanafoana ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy.
Nanomboka tamin'ny taona 90 anefa dia nijoro ny Trano
Koltoraly Malagasy sy ny Akademia Malagasy izay niaranamerina ny fankalazana
amin'ny fomba manetriketrika izany Taombaovao Malagasy izany. Ny tanjona dia ny
hanafoanana ilay didimpitondrana noraisin'ny fanjakana frantsay ka ny fanjakana
malagasy mihintsy no hanao andro tsy fiasana nefa andraisa-karama izany andro
fankalazana ny Taombaovao malagasy izany. Hatreto dia efa mihamaro ireo
mpitondra fanjakana no mankalaza ny Taombaovao malagasy saingy mbola tsy
ofisialy. Ny vahiny indray aza, toy ny Ambasadora Indoneziana eto Madagasikara
no tonga nanotrona tamin'ny fomba ofisialy ny fankalazana ny Taombaovao
malagasy tamin'ny 31 Martsa 2014.
Rehefa tafaverina amin'ny fomba ofisialy ny
fankalazana izany Taombaovao malagasy izany dia hoavy hiarahaba ny firenena sy
vahoaka malagasy ny firenena maro erantany isaiky ny manodidina ny martsa na
aprily isantaona, izay vao hajain'ny vahiny amin'ny fombantsika isika Malagasy.
Ary isika Malagasy kosa tsy homenatra amin'ny fombantsika intsony ary hiverina
hanana toe-tsaina mandala ny fahadiovana ampo, ampanahy, antsaina sy amin'ny
manodidina toy ny fanao isaiky ny fankalazana ny taombaovao malagasy fahizay.
Marihina fa ny Taombaovao malagasy dia nataon'ny
Ntaolo ho fanavaozana ny hasina eo amin'ny tontolo rehetra, ho fanamafisana
orina ny fihavanana sy ho fametrahana sy fisaorana an'Andriamanitra antampon'ny
loha noho ny soa sy fitahiana rehetra nataony ary ny ami'ny hoavy mandritry ny
taona vaovao ary ho fanomezandanja ny mahamalagasy.
________________________________________________________________
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire