TSO-DRANO
Mahatratràra avokoa ny Paska analin-kisa hifandimby,
tompokolahy sy tompokovavy.
Fankalazana ny
andron’ny Paska izao anoratako izao. Ny Paska dia fahatsiarovana ny fahasahian’i
Jesosy Kristy nanaporofo imason’izao tontolo izao ny fandinganana ny antsoin’ny
terak’olombelona hoe fahafatesana.
Tsy inona akory
ny fahafatesana fa fiampitàna tontolo roa mifandrohy. Noporofoin’i zoky Jesosy
Kristy fa vao mainka aza izy nihavelona lalandava. Dera sy laza ary hobin’anjely
no mendrika izany fandresena goavana izany. Tsy misy fijoroana ho vavolombelona
mandilatra an’izany. Ary nataony izany mba ho tahafintsika tsirairay avy.
Matokia, hoy i zoky
Jesosy Kristy, ary aza malahelo velively satria misava làlana ho an’ny
Mpananatra no antony andehanako. Ho mby amintsika mianakavy tsivakivolo tokoa
anie ny Fanahy Masina ka homba antsika tsirairay avy.
Mirary antsika hiaina
finaritra sy hankalaza izany, tompoko, ny mpanazary. Koa samy hahatsiaro izany
isika mianakavy rehefa tahiany migadona ny Pentekôsta, fanamarihana eo amin’ny
tontolo kristianina ny fiavian’ny Fanahy Masina.
Mampaneno ny
lakolosin’ny Paska ny mpanazary mba handrisika antsika hiroso amin’ny
lalindalina kokoa hatrany eo amin’ny fiainam-panahy madio mangarangarana,
hotronin’ny fo diboka fitiavana, saina matsilo henika fahendrena ary indrindra
indrindra vatana tomady iriririavan’ny herijikan’ny voaàry iray manontolo.
Samia velon’aina,
tompokolahy sy tompokovavy.
|
Kabotsintsina efa-dravina: finoana, fanantenana, fitiavana, fanambinana Maniry aty Vakinankaratra, asombolantany ara-drohotanim-bazimba. |
|
PARTICULE
DE DIEU
Miramarama ankehitriny ny science physique. Mikatsaka mafy ny hamantatra ara-tsiantifika izay
mbola kobonin’ny antsoina hoe « particule
de Dieu ». Araka ny fikasan-dry zareo mpiandraikitra an’io raharaha io
dia ato ho ato, ankerinandro raha ho ela hono no tian-dry zareo anatanterahana
izany, Ito ny rohy fanampim-panazavana :
Miferonaina ny Pape François eo anatrehan’izany !
Nanao fanambarana tamin’ny
20 marsa 2015 hoe : « Atsaharo hatreo io expérience io. Aza hihoarana ny fetra napetrak’Andriamanitra.
Hampibanabàna ny helo izany. Loza
aman’antambo !!!”. Ito ny rohy fanampim-panazavana:
Ankilan’izay,
maro dia maro ny siantifika velon’ahiahy fatratra hoe handrava hefa ny tombo
nomen’Andriamanitra ny “matière” eo
anatrehan’ny “anti-matière” izany. Io
tombo kely io anefa no afahantsika miaina ety ambonin’ny tany. Hanokatra hirika
fifandrohizana amin’ny “univers parallèle”
izany. Tsy hay veroka ny ho ambadik’izany.
Ary farany,
ahiana hiteraka “micro trous noirs”
ao anatin’ny “matière” izany. Loza
aman’antambo raha sanatria izany, hono, no hitranga satria 1 mètre cube amin’ny herijika anatin’io “matière” io dia mahavita mampangotraka ny ranomasimbe
maneran-tany. Noho izany, tsy hita pesipesenina izay sanatria aterak’ireo
“micro trous noirs à l’échelle de la
galaxie. Apocalyptique !”.
Mampivarahontsana ilay “hypothèse réaliste pessimiste”, ry havako isany !
|
Kabotsintsina efa-dravina: finoana, fanantenana, fitiavana, fanambinana Maniry aty Vakinankaratra, asombolantany ara-drohotanim-bazimba. |
|
OPTIMISME
DU MPANAZARY
Mpiasaben’Andriamanitra mikolokolo finoana-fanantenana-fitiavana-fanambinana mahasehaka ny tany aman-danitra ny tena Mpanazary koa mihevitra hoe :
Zana-kevitra voalohany
Rehefa izay no
sitrapon’ny siantifika dia aleo tsirihany any izay fonosin’ny “particule de Dieu”. Fady alahatra amin’izay
olombelona i Andriamanitra Mpaàry izao rehetra izao ka sanatria ny vava ho
voaboridan’izay siasia siantifika.
Azo antenaina
hampody saina ny olombelon-drehetra ny fahombiazan’ilay expérience scientifique. Ahatsapan’ny mafy loha, sady mangidy fo,
fa hay efa ao anatiny ao ihany ito itadiaviny porofo any ivelany ito. Mety
hiteraka fivelaran’ny ”conscience
cosmique” ho an’izay mpanjono anaty koveta, toa ny filazan’ny vazimba
mpanazary Olombelo Ricky, azy izany. Aleo ho tonga saina ! Mba ho tonga fanahy
feno kokoa !!
Zana-kevitra faharoa
Raha tena sitrapon’Andriamanitra
izany fitsirihana ankibon’ny “particule
de Dieu” izany dia ho tanteraka. Raha tsy sitrapony dia tsy ho vanona izany
expérience scientifique izany. Mbola millions de dollars no mila
voahangon-dry zareo vao afaka hanatanteraka an’io. Ho
voahangony ve ? Asa re !
Zana-kevitra
fahatelo
Na inon-kidona,
na inon-kihatra, manana fanefitra isika rehetra mamaky izao lahatsoratra izao. “Fantaro
ny zava-drehetra koa fihino mafy izay tsara ». Zahao ireto rohy ireto
satria ato no hahitan’ny tsirairay fanampim-panazavana ahatsirihana ny fanefitra :
Mondes intérieurs, Mondes extérieurs. 1ère
partie :
Mondes intérieurs, Mondes extérieurs. 2ème
partie :
Mondes intérieurs, Mondes extérieurs. 3ème
partie :
Mondes intérieurs, Mondes extérieurs. 4ème
partie :
Aseseo tsirairay
izy ireo satria mifampiankina ny fanazavana. Antsasakadiny monja no faharetan’izy
ireo tsirairay. Mety ho ny fiainanao iray manontolo, miampy ny an'ireo olon-tianao sady tia anao, no ho soavin’ny fahalalàna
sy fampiharana izay voarakitra ao. Anao ny safidy.
Zana-kevitra fahaefatra
Rehefa voadinika antsakany sy andavany ireo
fanampim-panazavana voalaza etsy ambony ireo dia ampiharo izay sahaza anao. Ho
an’ny mpanazary eo ampanoratana izao dia mikolokolo fatratra ny tenany izy mba
hiranga sy havitrika ny kundalini ao
anatiny ao. Io kundalini io no velon-driaria, aleo
hipoaka izay hipoaka !
Fantaro fa ilay
Mpananatra resahan’i Jesosy Kristy, ilay antsoin’ny kristianina hoe Fanahy
Masina dia kundalini no anarany ho an’ny
fahendrena tatsinanana lalimpaka.
Tsotra ny
hafatra:
Kolokoloy ny sehatra mampavitrika ilay kundalini ao anatinao ao dia hahatoky tena ianao na inon-kidona, na
inon-kihatra.
Zana-kevitra fahadimy
Raha sanatrian’ny
vava ladian’ny lela ka higadona ihany izay antambo, ny Malagasy monina eto Madagasikara
dia manana tombon-dahany manokana. Antony nanoratana sy izarana
maimaimpoana ny REVOLUTION VAZIMBA,
fascicule de mobilisation izany.
Ny vazimba resahana ao dia “concept générique”. Izany hoe ilay Olona mitohaka mivantana amin’ny loharanon’aina Mpaàry. Olona mahavelona ny kundalini ao anatiny ao.
Olona générique
no tian-kambara fa tsy olona historique.
Vazimba générique no tian-kambara fa tsy vazimba historique. Ny hoe générique dia ilay vahatra, ilay hatrany amboalohany, le premier modèle créé par le Saint Esprit
à son image.
Koa velomy ilay kundalini satria io no rohy, azo
tsapaim-batana, amin’ny Saint Esprit.
Zana-kevitra fahaenina
Efa ambaran’ny Révolution Vazimba ny hasina manokana
mitaiza an’i Madagasikara sy ny Malagasy miraikim-po, miraikin-tapisaka amin’i Madagasikara.
Izay Malagasy tafajoro ho mpanazary satria mahatoha-tsofina ny feon’ny
fieritreretany ka manatanteraka izany amin’ny antsakany sy andavany, mpanazary
maharànga ny kundalini , dia afaka
miriaria ampiadanan-tsaina.
Na
inon-kipoitra, na inon-kiseho, Alakaosy i
Madagasikara. Na ho rendrika aza izao tontolo izao nohon’ ny siasian’olombelona,
i Madagasikara tsy maintsy hihangana.
Ary ny mpanazary tsy maintsy tafita.
Indrindra fa ny mpanazary Malagasy. Indrindra indrindra ny mpanazary Malagasy mahavatra
monina eto Madagasikara. Tampony amin’izany, ny mpanazary manasoa lalandava tsy
ankitaky setriny na ankiandry tambiny an’i Madagasikara.
Tokana an-tany ito tany masina diavintsika isanandro
eto an-toerana ito.
|
Kabotsintsina efa-dravina: finoana, fanantenana, fitiavana, fanambinana Maniry aty Vakinankaratra, asombolantany ara-drohotanim-bazimba. |
|
RASAVOLANA
Tsy milingilingy
mitonon-tena ho mpaminany ny mpanazary manoratra izao fa mpandinika zava-dalina
fotsiny. Mpanazary Ikaky Ravaho fa tsy
mpaminany.
Enga anie, tsy
hisy hikitikitika intsony izay ankibon’io “particule
de Dieu” io.
Ary raha ho
voakitika ihany dia rariana sy tsofin-drano hiteraka “conscience cosmique universelle” ao amin’ny tsirairay izany.
Raha sanatria antambo, HO FOANA ANIE IZANY !
|
Kabotsintsina efa-dravina: finoana, fanantenana, fitiavana, fanambinana Maniry aty Vakinankaratra, asombolantany ara-drohotanim-bazimba. |
Fomban'olon-tsotra ny milaza hoe ny amisavisàna ny ratsy, mba iavian'ny soa. Fomban'olo mahiratra ny misoroka toa izay mitsabo. Fombam-bazimba ny misikin-damba, vonona lalandava miatrika izay holikolim-piainana. Fomban'ny mpino ny manankim-po amin'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra.
Ny ampitso, ankibon'ny omby, hoy ny ntaolo. Koa miambena raha mbola olom-panahy ihany. Miomàna dieny
izao koa mijoroa ho Mpanazary mahafatra-po. Kolokoloy ny sehatra ivelaran’ny kundalini ao anatinao ao.
Toa ny
mikolokolo voninkazo faran’izay sarotiny indrindra ny mikarakara kundalini.
Diovina ny
eritreritra. Ahitsy avokoa izay mety ho bingom-po. Fadiana ny amboletra.
Fadiana ny teren-ko masaka toa voalobo-jaza. Masahana ny tany, laroina zezim-pahatra, tondrahana ankazotoana fa tsy atao raharaha fe raharaha. Rakofana fitiavana. Tsofin-drano lalandava. Araha-maso marain-tsy hariva.
Ny manodidina ny kundalini ihany no tokony
isahiranana. Anjarany ny mitombo tsimoramora rehefa hitany hoe feno ny fepetra
ilainy.
Ny fepetra
voalohany takiany ?
Henoy ny feon’ny
fieritreretanao ary tanteraho antsakany sy andavany sady ankafaliam-po.
Ny fepetra
famenony ?
Mianàra teknika
fahita any amin’ny chi-kung, tai-chi, aikido,
karaté-do, iaï-do, tae-kwon-do, yoga, sns. Aza misalasala manontany izay
mpahalala sy efa za-draharaha kokoa. Manafaingam-pianarana mantsy izy ireny
mikasika ny respiration, posture, ... Circulation énergétique no tena ilaina fantarina.
Ao ankibon’ny
antsoina hoe méditation no mitoetra ny
fanalahidin’ny kundalini.
Ry havako isany,
Mijoroa ho
Mpanazary !
Omeo Hasina i Madagasikara
!!
Mpanazary
mampaneno lakolosin’ny Paska !!!
Ikaky Ravaho,
mpanazary manokan-tena ho an’i Madagasikara.
|
034 08 720 04
vahombey@gmail.com
12 A 10 Antsenakely Antsirabe 110 |