Ito ny rohy
mirakitra ny serasera an-tranokala rehetra hatramizay (play list).
Ao avokoa na
fanakantoana, na fanehoan-kevitra:
Mankasitraka eram-po
eran-tsaina ireo tapaka – namana - havana nanome voninahitra ny seho natolotray
Vahömbey, Sesely & Co sy Milanto ary Sôrameva notontosain’i BEzoro – ingénierie
culturelle ny alakamisy 04 jona 2015 tao amin’i TRASS Tsiadana.
Voaray soa amantsara ny hasina volatsivaky
natolotrareo ampahatsorana koa Andriamanitra Fiadanana hameno avo analinkisa ny kitapo nialàny tany
aminareo tsirairay avy.
" Madamabe ", Aria Pro II série limitée. Crédit photo: Namana Production, 2015. |
Faran’izay nahatsiaro tena voakarakaran’ny
tomponandraikitra tao amin’i TRASS
izahay mpanakanto koa feno fankasitrahana tokoa noho izany.
Dialogue avec Milanto. Blues session. Crédit photo: Namana Production, 2015. |
Ialàna tsiny etoana ny pitsopitsony tsy
nahatomombana ny lafiny ara-peo ankapobeny. Vao
miantomboka mamaky lay indray izahay, hany ka somary mbola niambakavàka. Hatsaraina
miandàlana izany.
Dialogue avec Sesely. Blues session. Crédit photo: Namana Production, 2015. |
Ankoatra izay,
tsy afa-niatrika iny seho iny ny mpiandraikitra manokana ny kirakira feo ho
anay. Sendra toe-pahasalamana nananosarotra izy tamin'iny. Efa salama tsara izy ankehitriny.
Blues. Poignant mouth organ. Crédit photo: Namana Production, 2015. |
Santatra ambava
rano iny, tompokolahy sy tompokovavy, ny manetsa be mbola ho avy.