ALAKAOSIBE isika izao.
Izao ampanoràtana izao.
Loa-bava ny Mpanazary.
Tsy
ankanompo fomba. Tsy ankiloloha fanao. Tsy ankanoko sikidy. Tsy ankamolaka
aody. Tsy ankamorivory olona. Tsy an-kanao sorona. Tsy ankandatsà-drà.
Am-po miloaka ankiharihary. Voandàlam-panahy nahefa sidin’ambiroa
hatrany ampahafiton-danitra. Hain’ireo mpandàla fahalalàna tatsinana ny
tian-kambara amin’izany.
MPANAZARY:
Tompokolahy sy tompokovavy,
Alakaosy i Madagasikara. Mahasoa antsika izao Alakaosibe izao.
Tandrifim-bahoaka tsihy be lambànan’ambanilanitra.
Salanitra ê…!
Salanitra ê…!
Tanim-baiàvy i Madagasikara. Hatry ny faha-vazimba izany. Rohizina
hatrany Lémuria.
Mialoha ny anambaràna, amakiana bantsilana, anapotsirana voamasony...
Manao ombay làlana, tompoko. Ho alavirin-tsiny sy fady amam-pondro.
Izay tohininy, aoka haka sisiny satria basy atifin-kavana koa aràngarànga.
Tantely eraky ny vata aroso am-pahatsorana koa raha sanatria hamaifaika na handrahoraho, aza asiana maso akory izay ho tohin’izao.

Hasina - kabontsintsina 4 ravina |
Venti-kafatra :
- Aoka tsy hilingilingy hikàtsaka fitondràm-panjakana intsony izay efa
nanota fady tamin’ity tany ity. Rano ràraka nalevim-bovoka ireny. Zàra aza
niravina ho fota-mandry !
Indrindra moa fa ràn’ny mpiarabelona, na dia indray nitete fotsiny ihany aza, no navela ràraka an-tany !! Hatramizay ka hatramizao.
Aoka ahatsàpa-tena izay voakasik’izao fampitandremana izao.
Marina mafy ! Marina mafy, tena marina mafy !!
Iladiladiana amin’ny tany, marina mafy !!!

- Aoka ho tena olom-baovao madio tànana tsy misy pentina no hitantana ny
Fitondràm-panjakana Malagasy manomboka amin’ny taon-ko avy.
Misy andriambavilanitra hirotsaka ho Filohampirenena ve ?
Arahaba soa, arahaba tsara ! Izay no andràsana. Izay no andrandràina.
Tsara tso-drano avokoa, tompokovavy.
Tanim-baiavy i Madagasikara. Fotoany, tena fotoany izao, rey andriambavilanitra isany.
Tanim-baiavy i Madagasikara. Fotoany, tena fotoany izao, rey andriambavilanitra isany.
Ianareo andriambavilanitra no mivatsy ilay aina ilain’ny Firenena.
Ho fongana ny ozon’ny lasa hatramizay. Ho lasa tokoa ! Handavenona am-pahitra.
Haniry vary hatrany ambadik'adàbo.
Hanarànaka akondro hatrany an-tany milevin-drano.
Ho fongana ny ozon’ny lasa hatramizay. Ho lasa tokoa ! Handavenona am-pahitra.
Haniry vary hatrany ambadik'adàbo.
Hanarànaka akondro hatrany an-tany milevin-drano.
- Aoka ho vato asondrotry ny tany no lohalaharana hampirànga an’i
Madagasikara. Olona nivoitra hatrao ankibon’ny saràmbabem-bahoaka.
- Aoka ho Olona mpifamatotra am-po, an-tsaina, aman’aina, amin’ny
kaontinanta afrikàna sy asiatika.
Ireo kaontinanta ireo no kitapo nifonosan’i Madagasikara fony faha-Lémuria. Hasina makadiry tsy roa aman-tany izany.
Ireo kaontinanta ireo no kitapo nifonosan’i Madagasikara fony faha-Lémuria. Hasina makadiry tsy roa aman-tany izany.
- Aoka ho tanora no handray an-tànana ity Firenentsika ity.
Fanontoloana “ numérique ” no atrehina sy ifaninanana ary iadivana zokin-dahàrana.
Fanontoloana “ numérique ” no atrehina sy ifaninanana ary iadivana zokin-dahàrana.
Izay, tompokolahy sy tompokovavy, no hafatra hatrany anebakebàn-danitra
sady ambetin-kafatra hatrao ankibon’ny tany.
Efako ny ahy izay, izay tokony ho fanàla vava. Afaka aho izay.
Mazoto ny anjely masina. Marisika ny vanon-ko razana mpiahy. Efa manolo-tànana
antsika avokoa izireo.
Koa mahaizà mifantina izay ho Filohampirenena sady mendrika no vanona.
Koa mahaizà mifantina izay ho Filohampirenena sady mendrika no vanona.
Filoha miloloha tany.
Filoha miandràndra lanitra.
Filoha miandràndra lanitra.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire