dimanche 9 juin 2013

Tetezamita, ravao ! Fifidianana, atao !! A bas la transition ! Vive les élections !!


Hatry ny 2009 ka hatramizao ny sarin’adim-pianakaviana ifanaovan-dRavalomanana Ikotofetsy sy Rajoelina Imahakà.
Mandrapaka fananam-bahoaka avokoa izay mba manam-pahefana.
Miliba amin’ny harenam-pirenena ny voaibe vahiny ampian’ny teratany mpivarotra tanindrazana.
Manao kitoatoa amin’ny lalàna ny mpitondra isan’ambaratonga.
Tsy misy fahefana mahatapaka intsony eto Madagasikara.
Mikarakara fifidianana no ilàna mpitondra tetezamita.
Tetezamita tsy mahavita fifidianana ? Ravao !

Olompirenena mampihatra zon’olompirenena aho manoratra izao.
Sady kandidà Filohampirenena manan-jo sy adidy koa.
Takiako ny fifidianana. Ambetin-teny, tsy ankiato.
Takiako hatreny ankalamanjana.

Ry Malagasy, mitsangàna !

RABEARISON Roland Dieu Donné Vahömbey
Antsirabe, 09 jona 2013.



La guéguerre familiale entre Ravalomanana le cabotin et Rajoelina le fanfaron bloque le pays depuis 2009 à ce jour.
Tous les chefs et sous-chefs abusent à mort de leurs pouvoirs et dilapident les biens publics.
Le patrimoine national est sous la coupe d’étrangers ayant à leurs bottes des nationaux collabo.
La loi est piétinée de partout, bafouée à tous niveaux. Vide institutionnel ou vide juridique, peu importe. Mis sous vide ou sous perfusion, l’Etat fout le camp.
Mener à bien les élections doit pourtant être la mission de ses dirigeants.
La transition échoue-t-elle dans sa mission ? A bas la transition !

Tout citoyen a le droit de revendiquer la démission collective de ces dirigeants aussi incompétents qu’irresponsables et de se mettre en droit d’exiger la tenue, dans les meilleurs délais, des élections.
Mon statut de candidat à la Présidence de la République me place en devoir d’interpeller les responsables. Même sur la place publique.
Sans cesse ni relâche.

Malagasy, time is up ! Get up !! Stand up !!!

RABEARISON Roland Dieu Donné Vahömbey
Antsirabe, 09 Juin 2013


___________________________________________________________
"ILO MBY AN-DOHA."




Cette œuvre d’art, performance live exécutée en moins de trois heures, est signée ISAAC. Ce tableau m’a été gracieusement offert lors d’une soirée non-stop de slam d’une très belle envolée. 
Chapeau bas, mesdames et messieurs les artistes. Clin d’œil à Harry Kotaba & Co. Mes amitiés aux hôtes-organisateurs d'Antsahabe. Longue vie aux créatifs malagasy ! 
Merci de m’avoir insufflé le courage de me lever chaque matin pour toujours aller de l’avant. Au nom de la vie. Et de la dignité des enfants de ce pays. Frères et soeurs, amis artistes, MERCI.

vendredi 7 juin 2013

ARODANY IO TETEZAMITA IO !!











Sabatra mampihorohoro, tsara fono anaty tranony. Asafelika ao an-damosina. Mitovy amin’ireny mpianady fahita amin’ny horonantsary ireny. Poignards miantona an-takiba.  Ankavia, lava lela marotsaka. Ankavanana, fohy lela tapelaka. Basy lava an-tànana ihany. Toa izany ny tovolahy mahery raha miriorio an-tsena. Izay manana moa dia mivimbina basy lava 5 coups tsotra izao. Anio dahalo. Ampitso patrôn’aomby. Afakampitso, patrôm-panjakana !



Maso be tsy mahita ny mpanao fanamiana antenaina ho manam-pahefana. Ny zandary sy pôlisy aza anie tafihan’ny dahalo an-tokantranony rehefa izay no tiany ê ! Zava-misy izany. Aza manody, hoy izy ireo, ny manambotra dahalo, manatitra azy ireo any amin’ny tiribonaly fa ireo dahalo indray no mirehaka, mivoaka avy ao koa manao hoe : « Akory ny arôzazy sefo bey ? » Aiza izay fanjakana ê ?!?










Hita maso ny andiam-balala mahatsiravina ! 20 km no halavan’ny andiany, 1 km no sakany ! Vain’i Egypta ity, marina mafy ! Koa inona indray no manaraka !? Aiza izay fanjakana ê ?!?


Raha izany no any andakira, any antanin-draketa, manakory ny aty afovoan-tany ? Faty miampatry ny hatsiaka zéro degré ! Satria fatin’olo-mahantra tsy manan-kitafiana na ialofana dia sanatria toa fatin’alika ?! F’angaha tsy mba nisy kristy nonina tao anatin’ireo faty ireo, kristy toa ilay ao anatiko, ao anatinao, ao anatintsika rehetra ?!! Koa aleo ho faty any satria fatin’olo-tsisy mpandraharàha !!! Aiza, ho'aho, izay fanjakana ê ?!?










Rehefa izao no izy ? Aleo fitokonam-be lavareny ! Aleo hiantona ny fandrotsahan-ketra isan-karazany !! Iza koa no sady handoa vola no alikaina lava toa izao ? Satria sarambabem-bahoaka ? 

Rehefa hagaigena ihany isika vahoaka vao mahare fanjakana !

Fitokanana hôpitaly manara-penitra, fandaniana mihoam-pampana miampy propagandy ho an-dRajoelina ? Io mandany vola be io Ra-Fanjakana !



Mifanaraka aby indray ny CST, f’andao indray aloha hiara-hisôsy, ahemory any izany fifidianana izany ! Aleo aloha hitavana volam-bahoaka, hikaly sosisy henakisoa, hividy salon ho an’ny 3ème bureau, hanokatra épi-bar ho an’ny 4ème bureau. Io fa manefa karama sy tombontsoa maro ho an’ny CST-CT isika vahoaka. Io fa mandany fahatany ny volantsika indray Ra-Fanjakana !










Tsy misy mandraharaha izay fifidianana ara-drafitra izany ! Tompondaka mpanao bodongerona ry zareo be hatoka rehetra.  Na ry Lalao, na ry Andry, na ry Didier. Ry mpanongam-panjakana mianakavy isany rahateo mbola mankafy voninahitra sy mitavana harenam-pirenena ! Koa iza amin’ireo no hiaiky hoe diso ?!? Iza no tsy mpanararaotra fanjakana amin’ireo rehetra ireo ?



Sady mpiandry anie no ankamaroan’ireo ê. Rehefa tsy diakona dia evanjelisitra latsaka fahefany. F’angaha vao androany no nanjakan’ny fariseo sy sadoseo ?!? Koa izay jentilisa vazaha sy afrikana ve no hamepetra fahaiza-miaina eto ? An’ireo fariseo sy sadoseo  ireo anie ny fifandovana fanjakana eto ê. Tsy mila vazaha mitsiritsirika izany ireo rehefa hiara-hivalana ankadilàlana. Rehefa samy avy nifitra ireo vao handadilady an-tsokosoko any an-tokontanim-bazaha hila ranondranony ho azy manokana. Izany no fomba fanjakana teto hatramizao !










Mari-pitiavana omen-drafanjakana antsika amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao ? Miverina mandray ny asa aman’andraikiny avokoa izay olom-panjakana kandidà prezidà niala rehetra teo noho ilay daty 24 jolay. Izany no izy, hoy ny minisitrin’ny Atitany. Raha tsy tanindrazako ity Madagasikara ity dia lokin’ny hehy aho. 

Koa ndao re miverina karamainay vahoaka daholo indray ianareo mpanongam-panjakana rehetra ireo ê. Mazotoa mihinana ô. Aza miala raha tsy voky ho faty sy mandrora gira. Anareo tokoa ny fanjakan’ny mpisoloky tsy voasivam-pifidianana !


24 jolay toa lasa 23 aogositra moa ilay fifidianana prezidà iny ? Sa moa tsy izay ilay izy satria mifanontona amin’ny baccalauréat ? Aza helingelenina ny mpianatra, tompoko ô. Efa momoka ny raiamandreny nampianatra, torovana ny ankizy nianatra. Koa ho inona ihany ny daty ê ? Sa tsy misy fanjakana mahatapaka eto ?

Misy fanjakana ve eto ê ? Raha ho fanjakan-dolo sy avelo, foano any ! Foano ny Filoha HAT ! Foano ny CST ! Foano ny CT ! Foano ny governemanta ! 










Atsangano ny fitondrana teknisianina manomana fifidianana anatin’ny telo volana raha ela. Mijoroa izay te-handray fanjakana. Tsy mila filohan’inon’inona izany. Praiminisitra sady Minisitrin’ny Atitany misahana fifidianana. Izay no tena ilaina. Ny sekretera jeneraly no mitantana ny affaires courantes amin'ny minisitera rehetra. Tsy ankandray karama ! Fitiavan-tanindrazana.

Mijoroa izay Mpahay lalàna matahotra an’Andriamanitra Marina . Ajoroy izay tampom-pahefana mifehy an-dalàna ny zotra sy vokam-pifidianana. Tsy ankandray karama ! Fitiavan-tanindrazana. 



Mijoroa izay olom-pahefana am-panamiana manompo marina ny Tanindrazana sy Lalàna. Rehefa tsy hanapa-kevitra ny ampanatanteraka ny fifidianana ianareo ireo dia arovy izay olom-baovao tsara sitra-po hampanatontosa an-tsakany sy andavany izany fifidianana izany.

Mijoroa ry vondrona ekonomika isan’isany. Aza omena io fanjakana io intsony izay efa nafoy ho azy. Tsy mahavita azy io fanjakana io. Firy tao-maty izao ! E lelon-jaza eto ihany no anaovana antsika mianakavy. Aleo izay tsara sitra-po ho avy eo no ampianareo. Kajio izay hetra, haba, sns. Kajio any an-kafà. Iandraso fanjakana vaovao.

Andraso hirodana io fanjakana tsy mahavita azy io vao ampodiana amin'ny laoniny ny fanefàna hetra sy haba.



41 no isanay kandidà mihambo hahavita hanarina. Ao ny efa miondam-panjakana, mpisoloky matihanina, mpangala-tety aman-tombodahatra. Ao ny efa teo fa nisitaka dia mody miana-kendry indray. Ao ny efa teo fahiny fa voaroaka dia te-hanao tampody fohy. Ao ny miandry kendry tohana, efa nanao antoka ny harempirenena mba hitrosana vola anambakàna mpifidy. Ao ny mpanao ombay làlana an-tsena, manao ny rariny an-doloha koa mizotra milamina. 

Aleo fa ho tratr'andro hamoa-tsampona eo izay joko tsoriaka aminay 41 ireo.

Aleo ho hitan’ny havany eo izay mpiravaka vangy hosoka nofaina tany amin'ny mpisandoka satria kanosa tsy mahavono biby akory.

Malalaka ny banja. Tanteraho ny fifidianana.


ARODANY  IO  TETEZAMITAN-DOZA  IO  !


mercredi 5 juin 2013

Auto-censuré !














A cause de sa malhonnêteté notoire hypocritement enrobée d'envolées pseudo-évangéliques, Ravalomanana a été son propre fossoyeur lors de son deuxième mandat. Couard, il avait fui sans avoir osé relever l’arrogant défi qu’il avait lui-même lancé contre ses détracteurs. Vil, il avait sciemment plongé le pays dans le chaos au mépris de tout respect pour la Constitution. Belliqueux, il continue d’attiser le feu de la discorde de l’autre côté du canal. Malin serviteur du désordre total, il envoie son épouse se faire candidate prête-nom. Les affaires de l’Etat pour l'ancien président n’auront jamais été que des chiffres d’affaires.

Passons sur ces histoires larmoyantes de belle-mère mourante qui auront permis à la candidate de s'imposer sans semestre de résidence et comble du comble, avec un certificat de régularité fiscale à la clé. Belle apologie du vol quand même ! Autant désormais décorer d'un collier d'honneur tout voleur puisque apparemment, ici au pays, aucun ministère public n'est censé défendre ni le patrimoine d'Etat, ni les biens publics. Bonté de bonté ! Auto-censuré !! Quelle arnaque mais quelle grosse arnaque ! Décidément ! Plus vicieusement tortueux que l'exilé de l'autre côté du canal, difficile à trouver.













Sauf peut-être du côté de Rajoelina avec Ratsirahonana, l’inqualifiable grand vizir expert en fourberie depuis des décennies. A se demander si un tel personnage héritera du statut d’ancêtre le jour où il passera de vie à trépas ! L’exercice du pouvoir par le putschiste Rajoelina sera un épisode délicat à traiter lors des examens d'histoire au BEPC. Dommage pour l'écriture de l'histoire officielle qui aura besoin d'une grosse saupoudrée d'ingéniosité. Jamais la gabegie n’aura autant laminé le pays. Jamais la corruption n’aura autant pourri les institutions. Jamais l’Etat malgache n’aura été aussi fantomatique. Pire encore, bananier ! Bonté de bonté ! Auto-censuré !!

Oui, bananier avec cette cohorte de candidats et candidates issu(e)s du coup d’Etat de 2009.  A peine se contentent-ils et se suffisent-elles d’avoir usé de tous leurs passe-droits pour s’enrichir illicitement à très grande vitesse et de faire tapage propagandiste avant l’heure ! Non, il faut aussi qu’ils / elles s’accrochent à leurs postes de décision et s’agrippent à leurs sphères d’influence. Bonté de bonté ! Auto-censuré !! Attention désormais au vent du sud qui s'est levé. Gare à la chute, celle des fruits pourris. Leurs noms sont archiconnus. Inutile de les énumérer et d’encombrer ce pamphlet. Les poubelles de l’Histoire sauront s’en acquitter.












Quand les pourvoyeurs des fonds destinés au processus électoral, sous la pression de leurs propres contribuables peu désireux de laisser se perpétuer l’espèce des oligarques prédateurs indianocéaniques, imposent des conditions d’éligibilité relevant du simple bon sens, ici on crie haut et fort: exception îlienne, souveraineté nationale et cas de force majeure. Bonté de bonté ! Auto-censuré !!

Mieux encore, on suppute et on chuchote à propos de candidat(e)s déjà adoubé(e)s on ne sait où et à parachuter on ignore d’où. Seule information sous le manteau : ce serait au bon vouloir des puissances monstrueusement occultes qui enserreraient le monde entier dans leurs griffes. Serait-on donc, ici au pays, à la merci d’un étau méta-quelque chose d’invisible et d’invincible ? Se retirer sur la montagne à moins de s’exiler au plus vite serait, dans cet ordre d’idées, de bon conseil pour les candidats trop prestes du verbe et trop agités de la plume. Bonté de bonté ! Auto-censuré !!













 Et voilà qu’à l’heure où ces lignes s’écrivent, la plus controversée de toutes les institutions, la Cour Electorale Spéciale, rappelle à escient que sa décision de maintenir les candidats aux présidentielles au nombre de 41 ne peut souffrir d’aucun recours. On dira ce qu’on voudra mais l’auteur de ces lignes comprendra qu’une institution d’une telle dimension symbolique ne peut sombrer plus loin dans le ridicule. Elle s’est déjà suffisamment laissée humilier par les goujateries de Rajoelina, les malversations de Ravalomanana et les turpitudes de Ratsiraka. Pitié pour elle, bonté de bonté ! Et compassion pour nous citoyens malagasy !!

Que peut-il demeurer d’un idéal d’Etat, au pire d’une idée d’Etat, quand ses dirigeants n’en respectent ni la nature ni l’esprit ? Mais bonté de bonté ! C’est avoir bêtement oublié que nos dirigeants actuels ne le sont que grâce à un coup d’Etat. Aussi, se sont-ils toujours considérés comme au-dessus même de l’idée d’Etat ! Peu leur importe d'asseoir leur auguste postérieur par-dessus. Bonté de bonté ! Auto-censuré !!













HAT-CST-CT ou non. Mouvance ceci-cela ou non. Candidats aux élections ou non. Fonctionnaires ou non. Opérateurs ou profiteurs. Fahavalo au col blanc ou dahalo des grands chemins. PoliFiciens ou politiciens. Vazaha-sinoa-karana-afrikana ou malgache. Tout le monde sans exception !

Que tous les menteurs, voleurs, violeurs, pilleurs, meurtriers aillent toutes et tous se faire dépouiller-trucider pour de bon. Ont-ils des comptes à se rendre entre eux ? Bien. Qu’ils se les règlent au plus vite ! Et le plus tôt sera le mieux.

Bonté de bonté ! Auto-censuré !!













mardi 4 juin 2013

Tane'ay toe, rey anö, malay mpangalatse ey !!!



Nipole tama’ay, antanà’ay tanë raho. Nipay troke an-tane. Nisoloha tioke an-danitse. Nifankatreha tami’kàva’e. Nitohake talilin-draza'e, nanontane vaovao: akore ty vilon'tikanë ao, rey agnombe ey, aze vosy bey valo hay iy, mbe soa avao ihy ao ?


Nao, rey anö ! Vata’e !! Moromomorotse vata’e raho baka agne nanike zao. Robake ty filongoa, trobo ty raketse ankazomanga, rokake ze olo vanta’e, gege ty pamarake tratse’ty jamala inoma toake kasetë, matemati’e ty radio karity, mangalatse në agnomben-draza ivilia basy maviriky bala sinky coups, amonoa’ndate ilàn-drala andese ikarioke avao, mihisa meso lava etoa, mampiola lolo eroa !


Marare tratse’ey ty politiky rate atao’e ty fanjakà mpangalatse toe ey : presidà tetezamita, ministry, bey ty rezio, disitrika, kominy, CT, CST, zandary, pôlisy, militera, mpitsara an-tiribonale ! Rate iabe reo iabiabe ey !! Mieritseritse ty ambata’e ho andriamanitse avao aze ondate mandroba-draterate avao ty asa’e. Ni’tetoe zae ! Ni’tetoe fomba rate’ty fanjakà’e malaso, dahalo, fahavalo toe ey.


Ke misïra iabe aze ondate mpangalatse ami’tane toe ey ! Naho kele rehe, naho bey, naho bibe bey, naho bey vata bibe bey ho inö oy. Misïra agne naho rate ey !!

Lignisa’areo malasom-panjakà an-drova agne avao rahay fe hanganike ami’areo agne rahay ke lignisa avao, rey anö ! Aly ro andesi’ay ami’areo malaso-dahalo-fahavalo mpamerivere ty kabeso’ay. Naho movansy inö andese'areo, naho movansy inô ty anara’areo,... Zae avao, hoe rahay. Tampitse ty hagege'areo. Tampitse ey !


Misïra tse Ravalomanana, mose madamo areo roe, heji’ay mavovava mavàka aly, vondrake malay mokotse, ty aze avao ro fanta'e  ! 
Misïra tse Rajoelina, pamarake mavande bibe tale bey ty dahalo avao, naho robake iabe tane toe, Andry ihy avao ro anto'e, Nirina ihy avao ro foto'e ! 
Misïra tse Ratsiraka, lignisa ho bey mitoboke an-kile, enteo ihy milalilaly an-tane, mialy abobo mampanahira ajà ! 
Misïra iabe iareo mpanongàm-panjakà boaka tami’2009 iabiabe reo ! 
Misïra iabe iareo nivalike tami’tane toe, nivarotse ananàn-dràza nipaia’areo drala anaova areo ty piropagandy areo amerivereha ondate an-tonda agne avao. 
Misïra lavitse agne tsy ho matemate fahatane ey !



Vahömbey. Zoke ami’tanë itirian-draiketa ama’taritarike, satromena ty aze mitolike an-danitse.



Vahömbey mitreha: "Atoe ey ! Atoe ey ty lala’e !! Antrokë atoe ey ty lilin-draza’e !!!"

dimanche 12 mai 2013

4

4

EFATRA. Laharana faha-Efatra isika ao amin’ny bulletin unique sy eny amin’ny peta-drindrim-panjakana mandritry ny fifidianana Filohan’ny Repoblika faha-Efatra.

EFATRA. Efa-joro miorina amin’ny vazan-tany Efatra eto Madagasikara Manankasintsara.


RAIAMANDRENY

Mpiangona tsotra, mpandray Fanasan’ny Tompo ao amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy Antsirabe Antampontanàna ny tenako. Mpanamafy orina lalandava an’i Kristy ao am-po sy saina ary fanahy amam-batana. Ao anatintsika tsirairay avy no tempoly tsara indrindra fonenan’Andriamanitra Ray Mpahary tongotra aman-tànana.

Isan’ireo raiamandreny Malagasy ny tenako. 54 taona. Efa mipi-bolo sy sola an-tampondoha. Efa loa-jafy ihany koa. 

Tompokolahy sy tompokovavy, zavatra roa loha no ambarako ampahabemaso mason’andro androany.


1. FIANIANANA

Ny tenako no fidian’ny olompirenena Malagasy, fantenan’Andriamanitra mpandahatra ny zava-drehetra ho Filohan’ny Repoblika faha-Efatra ?

Takiako ampidirina ao amin’ny lahateny fianianako :

« Madio ny tànako mandray izao adidy masina izao. Hadio tanteraka ny tànako hahavita izao adidy masina izao. Miozona amin’ny taranako fara-mandimbiko aho. Tanterahako ankitsim-po izao fianianako izao. »

Soritako mazava : mandat iray ihany no iantsorohako fahefàm-panjakana. Tenin-dehilahy ny ahy. Ary fifidianana faran’izay raitra no ho karakaraintsika ho an’izay handimby toerana. Koa ifampitàna amin’ny fomba faran’izay mendrika ny fifamindram-pahefana. Ho antsika ambanilanitra, izay no teny omeko.

2. ANKEHITRIO

Ho an’ny ankehitrio dia ambarako ren-tany, ren-danitra, izao manaraka izao. 

Mahakasika anay kandidà rehetra miandahy sy miambavy izay mihambo ho kiadin’i Madagasikara Manankasintsara :

« Miantso ny TSININ’ny TANY sy ny TODIN’ny LANITRA hipàka aminay rehetra avy hatrany aho mason’andro niany.

Ny soa rehetra izay nataonay sy ataonay, mivaly aminay antapitrisa ! 
Ny ratsy rehetra izay nataonay sy ataonay, mitampody aminay antapitrisa !!

Mihatra aminay sy ny taranakay tsirairay avy izany !

Izao dieny izao !! »

Ny Malagasy, tompoko, Manankasy. 
Ary Madagasikara, Manankasintsara. 

Mby ny fotoana iavahan’ny vary amin’ny tsiparifary.
Manivana ny tany ! Mikororoka ny voaàry !!

TANIN-TARANAKA: "Ny faravodilanitra no valam-parihiko."






vendredi 3 mai 2013

Taratasy misokatra ho fanta-poko, fanta-pirenena.

                                   
 Antsirabe, 03 mey 2013


            
Ho an’Andriamatoa sy Ramatoa
Mpikambana Cour Electorale Spéciale
Antananarivo MADAGASIKARA




Antony : Taratasy misokatra ho fanta-poko, fanta-pirenena.


Manaja, tompoko.


Manoratra izao ny tenako manao sonia etsy ambany taorian’ny fivoahan’ny Décision n°01-CES/D du 3 mai 2013.

Voalohany, maneho fankasitrahana ny fankatoavanareo ny firotsahako fidiana Filohan’ny Repoblika faha-efatra taorian'ny fanadihadiana notontosainareo mikasika izany.

Faharoa, manome toky izahay, ny tenako manokana sy ny komity mpikarakara ny firotsahako fidiana ary ny mpikambana ao amin’ny antoko FAnambinana MAdagasikara – FAMà, fa hanome hasina io fifidianana voalaza etsy ambony io. Noho izany, hitandrina fahamendrehana hatrany na amin’ny fiteny na ny fihetsika. Koa hijoro ho ohatra velona mpandàla lalàna sy fahaiza-miaina anivon'ny tany ama-monina.

Fahatelo, manambara ho ren-tany, ren-danitra ny fankatoavanay izay voarakitra ao amin’ny Décision n°01-CES/D du 3 mai 2013. Noho izany, ialanay lavitra izay siasia ara-pôlitika sy filan-kisa isan-karazany mifandiso amin'ny jerinay manokana. Mpandrary fahalemana eto an-tanindrazana, tompoko, izahay. Isan’ny antony goavana irotsahako fidiana Filohan'ny Repoblika izany.

Mankasitraka, tompokolahy.
Mankatelina, tompokovavy.
Fanambinana ho an’ny tsirairay avy.