Migadona ny « Mangoambodilanitra atsinanana » !
(2)
Ny mpandroba
hamono ny mpangalatra.
Ny mpanao haza lambo handringana ny mpanamboa mpanalika.
Ny lian-drà hifofo aina ny mpihosonoson-drà.
Ny sakaizan-doza hamandrika ny
mpivarotra antambo.
Aleo azy ireo ny azy !
Isika tsy hanenji-dresy,
na hamaly faty, na hanao andolom-po !
Satria isika
olom-banona,
sady olon-tsara no olon-tsoa.
Koa
mitsofa rano ê ! Aza manozona !!
Katanà SAINA FOTSY |
Fanazavana fanampiny, azafady, zahao "Bitsika ho an'ny manam-panahy", 02 jolay 2012.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire