Ankasitrahako etoana
ireo olona manoratra aty amiko nony mahare ny nandrafetan’ny tarika VAHÖMBEY ilay hira hoe “ FANIRIAKO “ FFPM 39.
F’angà i Vahömbey, hono, Mpino – “ Croyant “ ?
Valiako mazava sady ampahatsorana etoana.
Andriamanitra RAY
Miara-dàlana amin'Andriamanitra RAY mandrakariva aho.
Ny mpanazary dia toa izany avokoa.
Na inona na inona fireham-pinoany sy anarana omeny
ara-kolontsaina an’Andriamanitra RAY Ndregnahary,
Jehovah, Allah, …
Jesosy Kristy
Zokibeko ankamamiako indrindra JESOSY KRISTY. Te-hanahaka azy lalandava aho. Ary ny faniriako
lalina indrindra dia ny hahavita, na ampahany fotsiny aza, izay notanterahany
fony izy olona niaina tety an-tany toa antsika.
Safidiko ahy manokana io. Ao am-poko ao no tena tempoliko.
Ny mahafinaritra ahy indrindra dia ny manatrika
fotoampivavahana any amin’ny chapelle
katolika. Ohatra any amin’ny monastère bénédictin any Mahitsy. Vakiteny dia hira masina ranofotsiny.
“Communion spirituelle dans le recueillement”.
Tsy vesarina fampideraderam-pahaizan’olombelona ara-tsoratra masina sy toriteny fanitrikitrihana lavareny.
Senseï
Amin'ny maha-mpampianatra Arts martiaux japonais ahy, 43 taona nikatrohana aho izao, dia jery
filôzôfika sy teknika fahaiza-miaina andavanandro tatsinanana no mampaharisika
ahy.
Ohatra amin'izany ny famolahan-tenako isanandro amin’ny
Méditation Zen.
ZANSHIN : vigilance optimale favorisée par une
décontraction quasi-totale.
Io no tena ilofosako.
Mahaolona
Amin'ny
maha-mpikaroka ahy satria Philosophie
no fianarana ambony norantoviko, notovanako Anthropologie
ary Ethnomusicologie no tena
nifantohako, dia nimatimatesako hatramizay ka hatramizao ny fandalinana ny tena
mahaolona malagasy.
Olombelona = Mitondra tena toa singa mahay mirindra amin’ny voaàry manontolo.
Olombanona = Mankatoa fifanabeazana
anivon’ny ankohonana sy ny fianakaviana ary ny mpiray monina ankapobeny.
Olonkendry = Mizatra manefy tena tsy ankiandrandra n'iza n'iza intsony, tsy ankiandriandry n'inon'inona intsony.
OLONA = Mitandrina ny feon’ny fieritreretana koa manatanteraka izany an-tsakany sy an-davany sady
ankafaliam-po.
Izay mahatontosa ireo dingana ireo no mahatanteraka ny
zotran’ny mahaolona.
Izay mahafehy ny mahaolona dia mahatsapa hoe Andriamanitra RAY no Maha-Olona.
Géomatique
Fanadihadiana mikasika NY VAZIMBA izay loharano
nipoirana sady fototrin’ny firenena malagasy no tena ifotorako ankehitriny. Ary anomanako thèse ho atolotro ny Akademia Malagasy.
Fanamarihana goavana:
Efa informatiser-na ankehitriny ny tetiandro sy ny sikidy ary ny
rohotany.
Amin’ny fotoana hampety izany dia ho logiciel azon’ny besinimaro kirakiraina toa kindriandriana ny tetiandro sy ny sikidy ary ny rohotany.
Ho fitaovana fampiasa
andavanandro toa ny GPS, ohatra.
Hampigalabona ny antsoina hoe Géomatique ny programmation
informatique -n’ny tetiandro sy ny sikidy ary ny rohotany. Toa izany koa ny
raokandro.
Ny Géomatique
no lafika siantifika fandrafetana fampandrosoana ho an’ny isambatanolona eto
anivon’ny firenena.
Famolahana ny fanontoloana izany ! Hanjary fitaovana fampirijarijàna ny kolontsaina malagasy ny teknolojia vokarin'ny fanontoloana.
Amin’izay fotoana izay, asakasaky ny marivo salosana
raha mbola hanasoketa ihany ny fahaizana amam-pahalalàna noraiketina hatry ny vanimpotoam-Bazimba !
Hanasoa ny andavanandron’ny besinimaro io famelomana ara-kolontsaina ny Géomatique io !
Rasavolana
Mizara maimaimpoana
ny antsoiko hoe " REVOLUTION
VAZIMBA, fascicule de mobilisation " aho ankehitriny. Famintinana ny
fahalalàna tratrako hatreto izy io koa ampitaiko amin'ny besinimaro.
Raha sitrakao dia ho ampitaiko any aminao ihany koa
izy io, en PDF.
Anoraty mailaka
amin'ito adiresy ito aho dia ho valiako avy hatrany ianao raha vao azoko atao:
1. FANIRIAKO :
2. Emission Radio Antsiva.
REVOLUTION VAZIMBA = Tsirim-panantenana !
3. « La Vie des Maîtres » Baird T. SPALDING
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire