samedi 19 septembre 2015

VATO NAMELAN-KAFATRA.

Taom-bazimba ity 2015 ity. Isaky ny 623 taona vao miverina.
Tokony araraontintsika analàna zioga sady ivoarana.
Sa hiandry amin'ny taona 2638 indray, tompoko ?

Farafaharatsiny, iomanana hakàna bahana !


A-  ADIM-BAZIMBA

“Adim-bazimba, izay mahalatsa-drà no resy.”

Fotopisainana faran’izay lalina dia lalina !

Fady mandatsa-drà ny vazimba. Fitandrovana ny hasin’ny tany izany sy ny mahasaropady ny rà. Indrindra fa ny an’olombelona. Ny rà no tahirin’ny aina.

Olombelona ve tsy hifanditra ? Fa izay mahafehy herijika ambatany no mendri-piderana ! Mampiasa ki, hoy ny japoney – chi, hoy ny sinoa. Misy isaintsanana. Izay vazimba nahatandri-tena, raha sanatria nisy nila kisa, norakofan-javona masobetsimahita ny fahavalony.


Fahendrena izany. Finoana lalim-paka ny Mpaàry. Fahatokisana herijikam-boaàry. Fahafantarana lalàm-belon’ny voaàry: tamberina makadiry. Soa atao, mitampody analinkisa heny. Ratsy atao, manody analinkisa heny.


B-  FAMARAFARA

Fihavanam-bazimba koa ifamarafaràna. Sanatria amintsika izay ho kely ila. Raha malaim-belirano, aleo dieny sampanana dia mifampitso-drano ho samy masina an-taniny. Raha hiara-hizotra kosa, ndeha hifamantatra.

Mpino tanteraka an’Andriamanitra Ray ny tenako. Manankina Aminy ny fiainako amam-pisainako iray manontolo. Roa no ohatra velona iriko tahafina: Jesosy Kristy sy i Bouddha. Jesosy Kristy no zokibe toa ray mamiko indrindra. Bouddha, ilay mpamporisika ahy hamindra irery.

Nampianarin’i Jesosy Kristy aho hamàntana hatrany sy hanandratra mivantana amin’Ny Rainay izay vavaka mipololoatra ao amam-poko. Noho izany, tsy mivavaka aminy aho, tsy manelingelina azy. Indraindray ihany vao manontany azy raha misy mampiahotra.

Tsy hihambo ho kristianina aho satria malailay “dôgma”, marimarikivy amin’ny fombafombam-piarahamonim-piangonana. Mifankatia tsy elanelanin’iza na iza izahay sy Jesosy Kristy. Kristianina ve izany sa tsia ? Tsy haiko velively. Tsy ivakiako ati-doha rahateo satria fantatro izay inoako.


Bouddhista ve aho sa tsia ? Tsy haiko ihany koa. Ny fitaizan-tena, vatana-saina-fo-fanahy, bouddhista no hitako nahasoa ahy ampolon-taona maro. Matoa aho toa izao dia ny fandalàko jery sy fanao bouddhista. Zen no nilofosako hatramizay, zara fa ahitako rirany kely, saingy ampy ahy namakivakiako fiainana hatreto.


Kamiza io, fanao japoney. Toerana fitokanako mangina, fihainoako izay bitsik’Ilay Mpananatra ao anatiko ao. Méditation zen no fanaoko eo. Tsy ankanisy fomba n’inon’inona.

- Labozia mitsilo ati-fanahy.
- Obi mainty sy obi fotsy. Ny mainty mampahatsiaro ny dingana vita. Ny fotsy mampitandrina hoe tsy mbola mahay n’inon’inona.
- Ny mpanjakabenitanimbazimba, namako mpialoha làlan-tsarotra ahy.
- Ny katana, fitadidy hoe lahy tokana ny aina.
- Ny voatavo arivolahy, fitahiry ranomahery.
- Ny Baiboly, fanamarinako Soratra Masina.

Eo avokoa rehefa singam-boaàry. Rano, vato, vy, afo, hatramin'ny zava-maniry. 
Ny hasina, zavamaniry mpikajy hasin-tsoatoavina.

Anjorofiraràzana ireo rehetra ireo.
Andahalahamadin-trano, firaràzana voaàry, famelombelomana ain-dehibe.


Mpandàla fomban-drazana ve aho ? Tsia. Tsy manatanteraka fombafomba n’inon’inona ho ambatako aho. Ary tsy mikirakira ody, na sampy sy izay rehetra iray sokajy amin’izany. Raha mivahiny an-tanin’olona kosa dia manaja fomban-tany. Tsy mitsara n’iza n’iza amin’izay mahazatra azy. 

Tsy ho atao famadihana aho rehefa dila indray andro. Saingy tsy vato misakana ahy izany hanome voninahitra fombam-pamadihana rehefa ilaina.

Tsy izay maty rehetra dia lasàn-ko razana. Izay namela mamy tambonin’ny tany koa mamy hoditra tamin’ny mpiarabelona, ohatra velona fakàn-tahaka ho an’ny dimby sy fara, … Ireo ihany no mendrika ho razana. Tokavim-belona rehefa ilaina, efa nisondrotra sata ho anjely mpiahy.

Tsy fivavaka ny razana. Tsy fanandratràndratra ihany koa satria natao ihoarana ho an’izay mahavita. Toa izany, ohatra, Andriantsitakadahy ao Ambohimanga-Rova izay loharano nipoiran’Andriantsivongo. Vitsivitsy no mahatsiahy ny tantarany. Taranà-bazimba zanadrano no mahatsimbitsimbina azy ao.


Izay sy izay no famarafara. Teny diso, tsy mba kabary. Samia masina an-taniny. Mahasoàva avokoa izay atao.

Etoana kosa, ilay mpandinika-mpandrasarasa no hizara izay hany fantany. Tsy mpaminany velively. Mpaminavina fotsiny ihany. Koa miangavy an-tànandroa. Aza hohanina ambolony izay ho aroso. Mety ho marina, mety ho diso. Ary na ho marina aza, indramo dia ampodiano an-tànan-tompony. Alaivo ambony, alaivo ambany. Dia alao izay ho anao. Izay manalasala, akipaho.

D-  ZAVAMISY

An-kizofara ny toekarenam-pirenena. Tsikalakalam-bola manempotra tsikalakalam-pihavanana. Goragora ny fiaraha-monina. Farasisan’ny fanjanahantany ankalozain’ny fanontoloam-bazantany.


Ilaina ny mifehy fitenim-bazaha. Saingy ny fiteny milafika lôjika. Saribakolim-bazaha no iafaràna rehefa tsy mahateny hafa-tsy ny am-bazaha. Miondana, tsy fidiny, lôjikam-bazaha.

Ny amparahatoka no voaringodringotra. Haino aman-jery, vazaha. Fandrantoana fahalalàna, vazaha. Fomba fanompoana an’Andriamanitra, vazaha. Diniho moa ê ! Inona sisa tsy vazaha ?

Ny volonkoditra sisa gasy petaka. Ny an-tsinaimboraka sisa gasy petaka. Soa ihany. Soa ihany ! 
Ny fasana ilevenana ihany koa gasy petaka. Aza manody ny hoe very faty ka zara sisa ananganàm-batolahy.

Mamikira mafy, rey fandrotrarana an-tanàna haolo. Mitsangàna avokoa, rey vato namelan-kafatra. Ireto ny ahy no mba voatsirambin’ny tànako.

Andaniny, soatoavina fototra. Ankilany, lôjikam-bazimba.

E-  SOATOAVINA FOTOTRA

a. Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra antampon’ny loha. Châkra faha-fito, ilay volomparasy mety hivoatra ho fotsy ka hisora-bolamena no dika ambadik’io. Kolokoloy.

b. Fiteny mahazatra ny hoe “Tahian’Andriamanitra !” saingy ny an’ny ntaolo fahagola dia hoe “Tena Andriamanitra !”. Maha-hoàra ny fefim-pisainam-bazaha nametra ny tena halalin’ny Soratra Masina mba anadontoany izay marivo salosana.

d. Hajao ny tany diavina, filevonan-tavony, filevena-nofo raha lasàn-ko razana. Isika mianakavy, tsy misy tompon’ny tany. Samy mpamerina andohany fotsiny ihany. Vadiben-Janahary ny tany. Aza kaokaofina ampahamaivanan-doha raha irina anovozan-karena hahatsara, hahasoa.

Fadio atao entam-barotra ny tany ! Ary raha ikirizana ivelomana ihany, mahavàra manaja fomban-tany, hajao izay fomban’ny olona. Trandraka an-tanimena, volon-tany no arahana.

e. Tompoy ny masoandro amam-bolana raha mbola te-ho vantana ihany. Lolohavy ny ray aman-dreny niteraka raha mbola te-ho lava velomana ambonin’ny tany.

f. Asandrato avo ny andriambavilanitra. Tanim-baiavy i Madagasikara. Ny reny, tsinjovy mandeha. Ny vady, ialohavy vavahady. Ny anabavy, amaivano entan-dolohavina. Savao làlana ny zanaka vavy.

Tondro manokana ho antsika lehilahy. Na vadibe io, na vadikely, na sanatria mpivarotena ialàna vonkona. Hajao dia omeo voninahitra. Saropady ny andriambavilanitra malagasy na inona na inona satany anivom-piarahamonina. Koa aok’etsia ry tovolahy mpandika anjambany fisainam-bazaha sy ry be taona misary gaigy toa tovolahy.

g. Tandrovy amin’ny ratsy ny menaky ny aina. Omeo ohatra velona ho alainy tahaka. Raha mibirioka izy, aza itsitsian-drotsankazo. Aleo ny tena raiamandreny no mangotsoka anaty eo ampanarenana azy satria ny fiainana tsy ankivazivazy.

h. Folaho ary fehezo ny fitenin-drenintsika. Aza mihanona amin’izay malagasy ofisialy fa mahavàra mandramby tenim-paritra ihany koa. Mifono lôjikam-pisainana ireny. Fantaro avokoa.

Soa toavina fototra ireo. Dieny mbola fotoanany, jerijereo. Rehefa hita faka,  ampiharo. Atsarao. Ampahafantaro.


F-  LÔJIKAM-BAZIMBA

LÔJIKA: Fampandrohizan-kevitra ho tohivakana mitomandavana. Fandrariana fisainana mihorina ambony soatoavina. Fandranitana jery.

VAZIMBA: Sady tsy ireo vato hosotrosora-menaka. No tsy ny voahetrihetry anaty tantara ofisialy. Fa ilay mahavanon-ko olona ny tsirairay.

Filatrom-pisainan’ny lôjikam-bazimba ?

Dialectique toa ny an’ny vazaha, miaka-midina toa lelan-tsofa. Saingy ny tombony azy manokana: dialectique circonvolutionnaire. Sady miaka-midina toa lelan-tsofa no misangodina toa tandrimo. Mivoaka miditra miodidina andry fijojotsoana-fanganihana.

Mahavàra manongilan-tsofina kabarin’anti-panahy. Mifady hitsin-dàlana mandroba-dràha. Ao ilay filatro.

Tsy poezian’ariary roa ihany koa. Mibohabohaka lasàn-ko foniny.

Mandrary teny toa mandrary aina. Poretina mafy, polesina mora. Ny fikatroka azy, maka mora tsy taitra. Mamaofy tsy an-kikaoka. Mamboraka tsy ankihanjaka. Mandroso dia mihemotra sady mitomboka ihany. Misangodina atsy, misafelika aroa, mandrasaràsa hatrany.

Filatrom-bazimba: ventin’aina mialoha fonjan-kevitra.

Raha vao Aina no atondrotra aloha, n’iza n’iza olombelona tsy maintsy roa lohaloha. Ny toerana sy ny fotoana. Andaniny: aiza. Ankilany: oviana. 

Izay mahafehy an’ireo manan-tombo amin’ny hafa.
Ilay “Aiza ?”, valian’ny rohotany.
Ilay “Oviana”, valian’ny tetifotoana.

a-  Rohotany

Fiheveran-drohotany, samy manana ny azy. Ny fotorana kosa itovitoviana ihany. Ankisarisary angamba, hazava kokoa ?




Ao amin’ny bokikely “ Croyances et moeurs des Malgaches ”, fascicule II, Lars Vig, traduit du norvégien par E. Fagereng, édité par Otto Chr. Dahl, no ahitana ireo kisarisary ireo. 2 500 ariary no vidiny ao amin’ny fivarotamboky katolika.

Ny mampanahirana amin’ny rohotany dia mety ifandirana mikasika ny ivony. Araka ny fikarohana an-taona maro, eo antsisiny Alakaosy fanasinan-tsinana ao amin’ny lapan’i Besakana no ivoiran’ny rohotanim-bazimba.

Andriampirokàna no isany teo voalohany. Mbola manaja ny anarany, mandrak’ankehitriny, ry zareo tarana-bazimba eny Antehiroka. Misy doany be malaza rahateo ao ho an’izay mazoto isahirana hamakafàka.

Nitoetra teo Andrianampoinimerina. Tsy natsatoka ho andrin-dapa ny ivon-drohotanim-bazimba. Mety ho anton’izany, vazimba merina io mpanjaka malaza io, ampokon-dreny. Antemoro, ampokon-dray.

Toa izao ny fisandrahaky ny rohotanim-bazimba:




Hitantsika amin’ireo ny fisamatsamahan’ny rohotanim-bazimba manerana ny nosy. Sarobidy ireo torohay ireo ho an’ny mpahay mandrasarasa. Mifampidipiditra. Mifanolikolika.

Alahamady: Fihasinam-boaàry.
Adaoro: Fidodoan'afo.
Adizaoza: Fananahan-taranaka.
Asorotany: Famantsihana an-tany.
Alahasaty: Fiavonin-tsy hita.
Asombola: Fampiterahan-karena.
Adimizana: Fitandrovam-pihilanana.
Alakarabo: Famokaram-pihinana.
Alakaosy: Fanoitra Alahamady.
Adijady: Famakian-draharaha.
Adalo: Fialàna faditra.
Alohotsy: Fanainga maivana.

N’inon’inona atao, azo tarafina amin’ny famakian-drohotany avokoa. Ohatra: Madagasikara – Antsihanaka – Ambatondrazaka – Atsimondrova – tokotany itsanganana.

Azo arafidrafitra mifanongoa ny rohotany tandrify an’ireo faritra aman-toerana ireo. Hatreo amin’ny misy ny tena no atsangana ny rohotany.

Ny tsotra indrindra dia mampiasa boussole ahatsinjovana avaratra – atsinanana – atsimo – andrefana.

Ny fitaovan-tserasera raitra, google maps, manamora refin-drohotany ihany koa. Hita maso hatreny ambony izay toerana mendrika anaovan-draharaha. Joro nentim-paharazana ho fandatsaham-pototra fotodrafitrasa, ohatra, ka hatramin’izay hampety rendez-vous d’affaires na rendez-vous d’amour.

Kendrena hatrany kosa hifanentana amin’ny andron’ny tompon-draharaha.

Raha repère orthonormé, ohatra, no anazavana azy ?
Ndeha io rohotany io no atao hoe “ X”.

b-  Tetifotoana

Ifampizaran’ny masoandro amàm-bolana ny fikajiana fotoana ety ambonin’ny tany.

Ho an’ny mpiangaly azy dia tarafina hatreny andafin-danitra izany: astronomie
Amarinina amin’ny fandrefesan-davitra tsy hita popoka: astrométrie
Arakarak’izay hita no aminavinàna fisehoan-javatra ety an-tany: astrologie.


Samy manana ny làlany ny planeta sy izay bolonga mpivoivoy manerana ny voaàry. Tarafina eny an-danitra izany. Mifandraika amin’ny lafim-piainana ety ambonin'ny tany. Fifanitsiana ireo no fanalahidy famantatra.

Ny tany rahateo moa, manana ny fizarazarany.

Raha tsotsorina, ny équateur mampizara roa ny bolabolan-tany no voalohany. Na mifamadika ny an’ny hémispheres atsimo sy avaratra. Na misy fifandipàrana azo kajiana. Ohatra akaiky, raha mampavozo ny any andafy avaratra ny vendredi 13, mahasoasoa kosa izy io aty amintsika.

Manaraka ny équateur dia ny tropiques. Ny aty amintsika, ohatra, Capricorne ilay amin’ny làlampirenena faha-7 ho any Toliara. Misy fandikàna sahaza azy izany. Ao koa ny équinoxe, ny solstice. Sns.

Rohy mety ho ilaina:

Ilana fitandremana. Any andafy avaratra ireo torohay ireo. Mitaky fanitsiana raha ampiharina aty andafy atsimo.

Fandranitam-pahaizana ny fampivadiana zava-pantatra. Hatry ny nisian’ny zanak’olombelona. Samy galifantsy amin’ny azy ny riba isanisany. Ny bitika toa ny tena kosa afaka mihanona amin’ny fahalalàna tsotsotra.

Manomboka amin’ny zara-ora ny tety fotoana. Samy manana ny azy io, isam-paritra eto Madagasikara. Miankina amin’ny fitanjozotran-javamisy mandavantaona tsinona izany. 

Ny tokony fantarina dia miatomboka tataovovonana ny fanisana fa tsy sasakalina. Ary azo ampitondraina anaram-bintana avokoa ireo ora ireo. Arakara-kolontsaina isam-paritra izany.

Raha ny zara-andro anatin’ny volana no asiana resaka dia azo fintimpitinina ihany.

Misy ny kajy tomandavana. Anisan’izany, ilay alahamady tamin’ny marsa. Torak’izany, ilay iraika tamin’ny jolay.

Misy ny kajy vadi-bolana. Mifototra amin’io ny isalava anakara sy ny vakiantety vazimba.

Tsara fantarina fa ny fanisàna silamo, ohatra, dia ilay hitan’i Habib na hitan’ny biby. Vao 1 % na 2 % no haben’ ilay volana vao mipongatra.

Ny fanisana jiosy dia volana ambohoka, maizimbolana hoy ny fiteny mahazatra. Eo koa ny kajy vazimba vakiantety no manondro vavam-bintana.

Sakamalaho sy havozo ireo rehetra ireo, samy manana ny hanitra ho azy. Samy tsara ireo ary azo ampifampidipidirina. Ny tena kinga am-panandroana aza moa, mahavàtra mitety sy mampitaha azy ireo. Izay vao manapa-kevitra hoe izato, na zaroa.

Raha ampiasa raokandro koa hioty zavamaniry atao fanàfana ody, fantarina ny rohotany ary dinihana ny tetifotoana. Ohatra, talapetraka no ilaina. Làkalàka raha alailaim-poana. Hahasoa kokoa, ho sahaza herijika, raha anarahan-drohotany sy itiliana tety ora aman’andro.

Toa izao no soritan’ny tetiandro vazimba vakiantety hatramin’ny faran’ny taona 2015.





Repère orthonormé, hoy isika. Raha “X” ilay rohotany, “Y” ilay tetifotoana. 

Ampifanojoy araka izay tian-katao. Ampifanitsio amin’ny vitanandron’ny tompon-draharaha. Dia ho alavirin-drofirofy, isitahan-tolatolaka ka ho vanon-ko soa sy hiranga ho tsara. Tomombana ara-dalàna.

G-  FEHINY

Ingénierie culturelle no fiantso izao naboraka androany izao.

Ny tsirairay samy tompon’ny tenany, tompon’ny tany, tompon’ny andro. Tsy anteri-vozona ny fandinihana rohotany sy ny fahalalàna tetifotoana.

Omby indray mandry, tsy indray mifoha. Raha mitrotro adidy ho an’ny besinimaro, mpitondra fanjakana ohatrohatra, mampalaky fivoarana raha mahatsirika didon'ny takona. Mba hahalavorary ny soa iombonana.

Mba mahay mampifandray “X” sy “Y” fa tsy manaonao foana. Tsy hoe mivavabavaka io dia vita ho azy eo. Nomen’Andriamanitra saina. Ho ampiasaina. Notoloran’ny tantara, kolontsaina. Ho atsaraina.

Malaina hanoko sikidy androhizana “X” sy “Y” ? Katrohana an-tsikidy ankandrina. Tsirihana amin'ny masom-panahy, ilay châkra faha-6.

Tian-ko alaina amin’izay ny Iles Eparses ? Zahàna ny rohotaniny. Zahàna ny sora-bintany. Faritana ny tetiandrony. 

Vintan’inona moa Renikelimalala ?
Mibaby vintana inona ny sangam-panjakany ? 
Vanim-potoana inona no mampanjary antsika ka mampandàmaka azy ?

Edreiiiiy… ! Raisim-potsiny ireo raha vao ampy solaitra isika mianakavy.
 
Table de multiplication, tsianjerim-boloky.
Rohotany ? Vao ianarana.
Tetifotoana ? Vao ianarana.
Dia ho gaga raha saribakolim-bazaha ?

Madagasikara anie alakaosy ê.
Hiavotra ity tanim-bazimba ity…

Rehefa isika mianakavy no mahajoro ho alakaosy.

“Andrianiko ny teniko,
Ny an’ny hafa koa feheziko”.
(1)

Fepero ny lôjikam-bazaha.
Lôjikam-bazimba atao raharaha.

Samia tena Andriamanitra.

Antsirabe, vava asombolan'adizaoza 2015. (2)

ikaky Ravaho.


“Zanahary ô tahio ny tanindrazanay”, Gilbert Ramiarison (fandraisampeo tranainy) :

_______________

(1) Henri Rahaingoson.
(2) Alahady faha-20 septambra 2015 amin'ny 2 ora maraina.

dimanche 6 septembre 2015

VALOM-BAZIMBA.

Katana - Kamiza
Tompokolahy sy tompokovavy,

Manasa anareo havana aman-tsakaiza, longo sy namana, mba hamaky ito Valom-Bazimba ito hatramin’ny farany. Ary hizara sy hanely azy ito araka izay azo atao. Hizara roa izy ito. Tapany voalohany: Besinimaro. Faharoa: Samirery.

1. BESINIMARO

N’inon’inona ankehitriny ezaka ataon’ny Mpanazary dia mandromotra hatrany ireo fatin-gasy mpivarotra tanindrazana sy vahiny mpanao ampihimamba. Manao didiko fe lehibe ireo mpikirakira vola maloto ireo. Maloto satria vola mihosin-drà. Tena VOLA LIAN-Drà.

Fandringanana an-draMalagasy, tso-po sady tso-panahy, no teti-dratsy kononin’izy ireo etsy sy eroa. Koa ireto avy no tsara fantarin’ny besinimaro.

Taom-bazimba ito 2015 ito. Isaky ny 623 taona vao mitampody. Kibon’izy io ny volana aogositra lasa teo. Tendron’io kibony io ny faha-15 aogositra.

Nampirongatra hery mpitampify  isan-karazany io daty io. Nihaohao hatramin’ny lolo aman’avelo. Ho an’izao tontolo izao. Ho an’ny firenentsika. Ho an’ny tsirairay. Samia mitadidy izay tandrify azy nandritra ny vanim-potoana nialoha sy tafarafaran’io !

Taom-pihorenana sady taom-panorenana ito taom-bazimba 2015 ito.

Noho izany, loharany hatrany amin’ny atiboafany ny amparahatokin’ny tsirairay.
Mitsingevana ny zaoridira nafenina ! Vaky bantsilana !!
Miseho masoandro ihany koa izay volamena latsaka ambovoka ka teren’ny hasiny mba hihiratra kokoa !!!

Anton’izany ? Hidanadana ny tokonana fampivoaram-panahy. Miodidina ny 24 septambra ho avy izao.

Ry Mpanazary ! Midiova anaty mialoha an’io, … Raha te-hanovo soa amin’ny herijikam-boaàry manontolo.

Tomory akaiky koa ito torohay ito ! Raha midorehitra hafakely ny volampenomanan’ny 28 septambra ho avy io ?

Izao no mety handikàna an’izany: Dingana goavana ho an’ny Mpanazary. Dingana iatrehany mivantana ny mpamorika sy mpirahoraho ary mpisiasia voretra . Koa MIVONONA dieny izao, ry Mpanazary havako isany.

Mivononà hiatrika ady ! Na anaty, na ivelany. Lakam-pihorenana anaty no fenitra. Lakam-panorenana an’i Madagasikara imason’izao tontolo izao no tanjona.

Fiandohana fotsiny ihany io. Koa mahavàra mitandrina ain-dehibe. Aza miràparàpa na misy mandrangitra aza. Mahaiza miandry ankendritohana. Mitsaingoka dia miala ilany.

Any amin’ny 25 oktobra any ho any isika vao afaka hisento… Koa samia mendrika izay tandrify azy. Lavà velomana avokoa satria miavosa ny mbola ho atao.


Angano angano, arira arira. Asakasaky ny tsirairay. Sitrapon’izay ho vaky tokelaka. Azy ny azy. Mahasoàva ny tsirairay izay saininy.

Katana - Kamiza
SAMIRERY

In-5 aho izay, tatoato, no nanirahana mersenera. Mbola ito aho ito. Velon’aina soa aman-tsara. Nanenjana ny rombo. Be noho vitsy. Andaniny, andiana mersenera boto faniraky ny tsy mataho-tody. Ankilany, ny tenako samirery nialohavan’i Mpanjakabenitanimbazimba.

Hafatro manokana ho an’ireo mersenera nifampikatroka tamiko:

“ Manaja, anareo.

Na nifamely tsy ankitsitsy aza isika, mankasitraka anareo ankitsimpo aho. Na nifofo ny aiko aza ianareo, nahatandrina isika. TSY NISY rà latsaka an-tany. Voatandrina ny tanimbazimba.

Mivalo aminareo aho ankehitriny. Tsy manambola hasolo ny karama nanirahana anareo hamely ahy aho. Saingy aoka izay. Aoka izay amin’ny anaran’ny rà Malagasy iombonantsika. Aoka ho hatreo ny fifamelezantsika samy teratany.

Haiko fa saika hamarana tanteraka ny aiko ianareo tamin’ny zoma alina lasa teo. Efa nivatsy basy hamonoana ahy mihitsy. Naleoko niepoka na naharary ny ambompoko aza izany.

Tsy ho zakanareo sy ny taranaka faramandimbinareo ny todin-dràko izay dimbimbazimba raha ahosinareo amin’io tany masina io. Ary sao handoza eto amin’ny firenena ihany koa izany.

Adidy ho ahy ny mamelona ny Revolisiona Vazimba. Adidy ambany masoandro, adidy ho an’ny ambanilanitra iray manontolo. Ianareo mersenera ireo sy ny taranaka faramandimbinareo anie ka anisan’izany ambanilanitra izany koa ê.

Koa aleo atsahatra, ry zalahy, ny rombontsika. Tsy asiana rahoraho. Izay voaratrako taminareo, notandremako tsy hitondra takaitra. Izaho rahateo efa janga na voavelinareo mafy dia mafy koa aza.

Mibaboka etoana aho, imasom-bahoaka.
Sady manasa tànana toa Paonsy Pilaty.
Raha mbola kasainareo hazaina ihany aho ary ho tifirinareo amin’ny basy…
Dia mifona aho. Mifona amin’ny tany aman-danitra sy ny anjely ary Andriamanitra Mpaàry.

Ho avoakako ny Katanà-ko. Fantaro fa mandripaka io. Tsy hay ivalozana. Tsy trà-drano izay firainy !

Sanatria ve ny adintsika dia hiafara amin’ny fifandatsahan’aina ?
Samy natera-behivavy isika. Samy niteraka.
Aok’etsia, ry zalahy ! Marina mafy !! Aok’etsia !!!

Mbola miavosa ny adidy iriko vitaina. Ary hahasoa anareo ihany koa izay isasarako.

Miangavy an-tànandroa aho:
Aza matim-bola re, ry zalahy.
Aza matin-kambompo diso toerana ihany koa !
Ndeha atsahatra ny disadisa ary hevero toa ny efa resinareo aho.

Miangavy anareo aho.

Aleo mba hihamina lalandava eo anjoro firarazako ny Katanà-ko.

Mankasitraka, anareo.”

Katana - Kamiza
FEHINY

Rahoviana ianareo Malagasy iantefàn’ izao Valom-Bazimba izao vao hijoro ho an’ny taranakareo ?

Rahoviana vao hahasahy hamerina amin’ny laoniny ny fiainam-pirenenareo ?
Fiainam-pirenena izay miantraika mivantana hatrao antokantranonareo.

RAHOVIANA, tompokolahy sy tompokovavy ?

Antsirabe, alahady 06 septambra 2015.

VAHÖMBEY Senseï.

MPANJAKABENITANIMBAZIMBA



lundi 20 juillet 2015

REVOLISIONA VAZIMBA - Faneva fotsy.

Tataovovonana. Alakamisy 16 jolay 2015. Antananarivo 

 MADAGASIKARA


REVOLISIONA VAZIMBA - Faneva fotsy.

Anjomara fanairana / Lettre ouverte :



REVOLISIONA VAZIMBA - Faneva fotsy.

SERASERA " Revolisiona Vazimba - Faneva fotsy.":




REVOLISIONA VAZIMBA - Faneva fotsy.


AOK’ IZAY !!!



REVOLISIONA VAZIMBA - Faneva fotsy.

AOK’ IZAY !!!

Vasobasoka fitafy, ho’aho, Ra-Malagasy.
Gilôbalôba fianjaika, tontatonta ratsiratsy.
Bàkiraro loadoaka, kapakapa lany ila,
Kolepadepaka mandringa, silasila, bilabila.

Sara-bady, lany vatsy, zanaka nafoy
Tompontrano koa nandroaka, akora lava hoe : « Kororoy !
Iantsoy vadintany, angalao fokontany !
Daroy, homboy, lakoy !! Vonoy !!!"

Lasa indray, mitanjozotra tsy ho aiza.
Mitady volakely amin’ny namana, sakaiza.
Mangataka etsia, mitrosatrosa eroa,
Na menatra olona aza, afoy ny ambom-po.

Olo-nianatra sady kinga no mahay.
Ny asa tsisy fa raha misy, andoavam-bola indray.
Voatery mitsoaka, mitsoaka trosan’olona,
Maty ihany no iafaràny, aoka izay mandrakizay !!

AOK’IZAY ! AOK’IZAY !! AOK’IZAY !!! AOK’IZAY !!!!


F A N E V A   F O T S Y  !

Saina fotsy fahiny !!

FANEVA Fotsy ANKEHITRINY !!!

Saina fotsy – drapeau blanc – raha milavo lefona, mibaboka fa resy. Atinakanjo fotsy, hono satria antsilin-tsofina, no nasain’ny mpanjaka Ranavalona faha-3 naharihary teny antendron’i Manjakamiadana nony tsy nanohitra intsony ny mpiantafik’i Renikelimalala izy. Mahonena !

FANEVA FOTSY – bannière blanche –.  Arangaranga ny faneva hibaribary antampon’ny loha. Vonona ny mpianady. Vonona hiatrika izay hifanandrina aminy. Vonona ! Na inon-kidona, na inon-kihatra. Efa nisotro ny aleoko maty. Efa nidio anaty. Madio sy mahitsy. Mitaky rariny. Mitaky hitsiny. Mampiranga faneva FOTSY.

Saina fotsy no nihafian’ny razambe Vazimba FAHINY.

FANEVA FOTSY no atsangan’ny taranaka Vazimba ANKEHITRINY.

R E V O L I S I O N A 


V A Z I M B A !


M B Y   N Y   F O T O A N A .

lundi 13 juillet 2015

Andriamatoa Filohan'ny Repoblika / Monsieur Le Président de la République,

FANEVA FOTSY - Bannière blanche

Andriamatoa Filohan'ny Repoblika,

Tompokolahy hajaina,

Olompirenena voafidim-bahoaka ianao. Asandrato ankasahiana ny hasim-pirenena. 
Saropady, raondriana, ny voady sahinao notononina ho ren-tany, ren-danitra, nandritra ny fianiananao. Koa miangavy anao antanàn-droa. Tanteraho dieny mbola fotoany.

Ry olom-boafidy hajaina isany,

Hatramin’ny rahoviana ianareo no halaza ratsy nohon’ny tsikalakalam-bola maramara fiaviana ? Miangavy antànan-droa, tompoko. Lolohavy ny haja amam-boninahitra natolotra an-tsitrapo anareo tsirairay avy.

Ry olom-panjakana isan’antanàntohatra,

Hefao antsakany sy andavany ny raharaham-panjakana sahinareo noraisina an-tànana. Ataovy madio mangarahara, tsy misy tomika. Mahasahia mametra-pialàna raha izay no tsy ho vita.

Ry vahiny mpamatsy vola isan-tsokajiny aman-tokony,

Ampiteraho ara-drariny eto Madagasikara ny tambin-karena izay notrandrahan’ny fanjakanareo sy mpangoronkarenareo an-kamitapitaka teto amin’ito tany masina, tanim-bazimba ito, efa anjato taona.

Ry Malagasy tsivakivolo,

Tandrovy ny hitsiny. Ny hitsiny ihany. Ny hitsiny hatrany.

Ahofahofa ny FANEVA FOTSY.

Amparisika ny olo-mazoto mpitaky fandriampahalemana sy fivoarana. Ahatanteraka ny fanambinana eto Madagasikara.

Andriamatoa Filohan'ny Repoblika,

Tompokolahy hajaina,

DIOVY NY FITANTANAM-PANJAKANA.

Mby ny fotoana.

Antsirabe, 13 jolay 2015

VAHÖMBEY.

__________________________


Monsieur Le Président de la République,

Excellence,

Vos concitoyens vous ont confié la majorité de leur vote. Veuillez leur prouver avec justesse et magnanimité que votre adoubement est, pour vous, sacré. Ils veulent la paix et le progrès. Ils s’impatientent à raison de vous voir démontrer pleinement vos capacités à ce sujet.

Mesdames et messieurs les Elus,

Jusqu’à quand vous permettrez-vous de défrayer les chroniques par l’insalubrité monnayable de vos pratiques ? Vous êtes les porte-voix des populations de vos circonscriptions et non seulement des artisans de vos élections. L’autorité conférée est sacrée. Quant au respect, il se conquiert.

Mesdames et messieurs les dépositaires de l’autorité officielle,

Veuillez sauvegarder la noblesse de vos fonctions respectives à quelque niveau que vous soyez. La bonne gouvernance est, avant tout, affaire de conscience. Aussi, toute compromission ne se rachète-t-elle à juste titre que par une volontaire démission.

Mesdames et messieurs les bailleurs de fonds et investisseurs,

Advient pour votre partie le moment de rendre à Madagasikara son légitime dû. Depuis des siècles, que de ressources n’y sont-elles frauduleusement exploitées, sinon pillées, pour enrichir les capitaux qu’actuellement, vous gérez. Intérêts pour intérêts, donnez sens à l’équité. Que la solvabilité se fasse précéder de la redevabilité.

Malagasy des quatre coins cardinaux,

Préservons la justesse. Rien que la justesse.

Le FANEVA FOTSY – bannière blanche - est hissé. Pour interpeller. Au nom de la paix et du progrès. En vue de la prospérité.

Monsieur Le Président de la République,

Excellence,

RENOVEZ L’ETAT DE DROIT.

Que ce moment-là soit.

Antsirabe, 13 juillet 2015.


VAHÖMBEY.