Lahatsoratra somary mavesabesatra saingy mety mahafintina ny
fampianarana nisahiranako fahiny teny amin’ny anjerimanontolo no zaraiko eto.
Hoy ny raimandreny Dzaovelo Dzao-Robert:
Olombelona = singa anaty voaàry =>
Olombanona = beazin'ny fiarahamonina => Olonkendry = mahatefy tena.
Notohizako io lôjika io. Olombelona => Olombanona =>
Olonkendry => OLONA.
Rehefa mahatefy tena dia vanon-ko Olona. Io zotra io no atao hoe zotran'ny mahaolona.
Iza ilay Maha-Olona ? Andriamanitra-Andriananaàry manjaka ao am-po koa maha-Olona ny Olona.
Jery iray mifameno amin'io ihany koa ito
ho velabelarina ito:
ANJARA
MAHA-OLONA = ( VINTANA x LAHATRA )
Alaivo ambony, alaivo ambany dia itaro,
tompoko, raha mampazoto.
"Ra-OLONA"
12 septembre 2010, 23:47
BEzoro, tompoko.
Miarahaba, tompokolahy.Manaja,
tompokovavy. Salohy ombàm-pirariantsoa ê. N'aiza n'aiza lafi-tany onenana, na
andafin-driaka na eto an-toerana.
Ny fisahiranana tamin’ny "Coaching:
Fanabeazàm-boa ny mahaolona " an-taona maro izao atoro eto izao. Na
nandritra ny "consultance" ho an'ny "gestion des ressources
humaines" ho an'ny orinasa liana amin'ny fankatoavana ny maha-malagasy
izany. Na fizaràna traikefa teny amin'ny sehatra fampianarana anjerimanontolo.
Hatraty amin’ny fampitàna haizatra anivon’ny tontolon'ny "Do"
maha-Karatédo ny karaté.
Toa izao no fototrin’ilay làlan-kevitra
araka ny fiheverako manokana.
Ego
PERSONNALITE = ( Nature x Milieu )
Personnalité = Nature à multiplier par Milieu. Et le tout, à la
puissance Ego.
"Formule" natoro anay fony nianatra Psychologie io
nandritra ny fianarana Philosophie.Tsy idirantsika intsony ny fanazavàm-bahiny
nipoirany izay mety efa manavanana antsika. Ireto kosa ny tombony azo anampiana izany ho antsika
Malagasy.
SORIKEVITRA VOALOHANY
- P ( Personnalité ) dia ny maha-izy azy
ny tsirairay, ny maha-tena ny tena.
- N ( Nature ) dia ny VINTANA.
Ankoatran'izay nolovaina tamin-drazana nipoirana izay ao anaty rà-n'ny tena toa
ny toe-batana, endrika, sns. Io vintana io no mamaritra ny tena tsy fidiny.
Zahàna eo ny andron'ilay olona. Izany hoe tsirihana avy amin’ny fotoana sy
toerana nahaterahany.
Rohotany no ifantohana entina hamaritana
ny andro: alahamady, adaoro, adizaoza, asorotany, alahasaty, asombola,
adimizana, alakarabo, alakaosy, adijady, adalo, alohotsy. Izay no antony
ilàn'ny mpahay azy ny famantarana ny ora sy minitra marina nahaterahana.
Mety miampy fitokoan-tsikidy koa, ho
an'ny tena maranitra, entina izahana izay ifaningorana amin’ny toerana
nahaterahana (firenena - faritra - tanàna - trano - zoro tao antrano na hamonto
anebakeban-tany).
Izay, ohatra, no maha-saropady fatratra
ny hoe "Oviana ary taiza no nalatsahan'ny tavony ?" Tohiny: "
Taiza ary oviana no nasitrika ny tavony rehefa latsaka ?"
Fikatsahana ny "Probabilité" ateraky ny
"entrecroisement des données temporelles avec les indicateurs
spatiaux" angà no mety azo ilazàna azy ?
"Subi" fa tsy "choisi". Izany hoe mihatra
tsy ankifinidy ny vintana.
Tsetsatseta tsy haritra: mampandinin-tena eto ny atao hoe
"accouchement provoqué". Saingy aleo iny idivirana satria asakasaky
ny tsirairay loatra.
- M ( Milieu ) dia ny fibeazana anivon'ny ankohonana, ny
fianakaviana, ny fiarahamonina manodidina, ... hatramin'ny firenena sy ny
bolabolatany ary ny voaàry iray manontolo.
Io kosa no mifanandrify amin’ny antsoina
hoe LAHATRA.
Iza no alain-tahaka ?
Inona no lasitra ivoirana ?
Manakory ny fanefena toetra amam-pisainana voaranto sy ilofosana ?
Milahatra amin'iza ny tena, atao ohatra velona alain-tàhaka dia ihoarana, na
ahilika tsy itoviana ?
Manakory ny fandaharan'ny hafa, na ny toe-javatra, ny tena ?
Aiza ny laharana raisina, na tian-ko savihana ?
- E ( Ego ) io no ivo-atin'ny tena. Fonosana mitahiry ny haren-tsarobidy
indrindra: Ny feon'ny fieritreretana.
Misy moa no variana eo amin’ny fonosany
fotsiny koa tia tena tafahoatra, bontolo be fotsiny. Misy kosa ny mahavatra
mamaofy, koa mby hatrany amin’ io ivo-atiny voalaza io.
Ao no lapan' Ny Masina. Tahirin'ny
hasin'ny olona ny Ego. Io ilay antsointsika hoe ANJARA.
Avy ao no miainga ny safidy, ny
"libre arbitre". Izay mahavaofy io anjara-ny io no tena mahatomombana
ny sori-dia mahaolona feno. Ny lahasa famàofana azy io no antsoina hoe
Manazary.
Izay tonga Mpanazary lalina indrindra ao
an'ivo-atiny ao, koa mahazara fitiavana sy fahasoavana ary fanambinana eo
amin’ny manodidina azy, …Tafapàka any amin’ny fara-atin'ny ati-boàfany ny
fiorenan'ny maha-izy azy: Zanahary.
Ny mpanazary maharoboka lalina tanteraka
eo ampikatsahana ny tenany, araka io voalaza io, dia tafaranga ho ZANAHARY
tokoa.
Izay, Ra-Olona, ilay foto-dresaka.
FANAMARIHANA ambàtan'ny mpampita hafatra:
1. Aoka isika ê, hitandrina. Tsy tokony
omena olona mampiahiahy mihitsy ny ora sy minitra naterahana. Toa izany koa ny
mikasika izay antsipirihan-toerana nahitàna masoandro. Saro-pady loatra ireo
!!! Sao sanatria an-tànan'ny mpamiravira bingo fisainana koa mety ho antambo.
2. Nandalina mikasika ny fanandroana
nandritra ny fotoana nisinisy ihany moa ny tena. Ary ny sikidy dia "unité
de valeur" mihitsy tamin'ny Anthropologie fony mbola tany andabilio.
Efa azo informatiser-na izany rehetra
izany ankehitriny satria "données physiques" azon'ny "logique
mathématique" babena tsara ireo.
Ny "capacité intuitive" no
tombony manokana ho an-draolombelona arakaraka izay fahafolahan-tena
voasedrany.
3. Ny tenako manokana dia efa niala
tanteraka an'izany mamantapantatra ny ho avy izany. Tsy mila izany intsony aho
ankehitriny. Efa naleviko impito mandifotra olona izany. Ampy ahy ny fiainana
feno fahatsorana. Tsy mila misikidy intsony. Tsy mila manandro intsony.
Manazary ampaha-mendrehana dia izay. Mpanazary mifampitantana amin'ny anjely.
Izay no safidiko ahy manokana ho an'ny fiainako.
Tsindriako mafy etoana fa tsy mila
mandalo fahaiza-manandro na fanokoan-tsikidy velively akory vao afaka manazary.
Sehatra tsy voatery fantarina akory ireo.
Saingy izaho moa olona be holikolika
izay fahiny no tia karokaro-tsaina tsy ankiato, zary lasa nihoam-pàpana. Zara
aza tsy very fanahy mbola velona tany !!!
Fo mazava, saina madio sy vatana tomady
ary fanahy malefaka. Izay ihany no takiana. Dia izay. Ampy izay, ahatongavana
Mpanazary marina ara-drariny.
SORIKEVITRA FAHAROA
Ohirintsika koa ny ankilatakiban’ilay
làlan-kevitra teo aloha teo iny ?
PERSONNALITE = Maha-Olona. Andriamanitra-Andriananaàry io
Maha-Olona io.
Izy no mitrotro aina ilay Zanahary anatintsika tsirairay avy...
koa lasa ny tenantsika mihitsy izany rehefa tomombantsika ny fampirangàna azy.
Nature = Maha-Olombelona. Isika ilay
nateraka.
Milieu = Maha-Olombanona. Isika ilay tsy
mitsaha-beazina.
Ego = Maha-Olonkendry. Isika ilay
maha-tefy tena tsy ankiato.
Hatreo ve aloha, Ra-Olona ? Eny, marina. Fadiana ny be ambava sao
sahiran-kiherotra, hono, ny fo ê.
Rehefa te-hanala hamohamo dia zahao, azafady indrindra, ao amin'ny Facebook ny
pejy Vahömbey. Pendeso ilay hoe "My band". Azo télécharger-na
ankalalahana ao ilay rakikira navoakan'ny tarika tamin’ny taona 2009: iKAKY.
Irina koa raha irina hahavatsy
fanambinana izay mahatohan-tsofina azy. Sady mba an-kira fa tsy tosa-teny
lavareny !
Misy hira tsotsotra kely mahafinaritra
izay ao. "Mpanazary" no lohateniny.
Veloma indrindra, Ra-Olona.
Soavatsarà koa alavirim-parofy, ihavonan-tsiasia, mikasa mahavanona, mizara
mahazary, ifanontofan-karena, ambinim-pisasarana, ... Velon-driaria arivoarivo
taona, henin-kaja lolohavim-bonin'ahitra. An-tanàna mamim-bahoaka ê.
Ampandehanana tsinjovim-pitiavana.
Tahian'Andriamanitra lalandava ny
mpianakavy, tompokolahy sy tompokovavy.
Mankasitraka hatrany,
VAHöMBEY.
Asaramanitra 2010.
Antsirabe, MADAGASIKARA."