SALANITRA
NY AMBANILANITRA.
Hoy Ikaky
Ravaho:
“ Miarahaba,
tompokolahy. Manaja, tompokovavy. Salanitra isika mianakavy.
Somary ho
lava taria koa ialàna tsiny indrindra. Sasinteny sy kibon-dresaka ary rasavolana.
SASINTENY
Zahako izao
tontolo izao. Korontana sy loza aman’antambo no manemitra ny filazàm-baovao.
F’ahoana ihany izy ity ê ? F’angà ratsy tokambolo no hany mitranga eto an-tany
?
Dinihako ny
eto an-tanindrazana. Sangodimpanina mampisafotofoto sy vilany mitongilana lava
izao nohon’ny afitsoky ny manampahefana manao tsindry ila mizàna. F’ahoana
ihany izy ity ê ? Fandoto iray sotro ve, tompoko, dia hahaleo fandio iray siny
?
E ‘ty
Ramalagasy voazanaka ara-pototsaina nohon’ny torohay tian-kàno tsitian-kàno
afatratry ny fanontoloana ao anaty betrony. Tokana, tompoko, ny hirika iavotana:
Fahendrena. Fikatsaham-pahendrena toa ny an’i Salomona.
Tsotra no
nataon’i Salomona. Nandala lalandava ny feon’ny fieritreretany izy. Fiadanana
no vokatr’izany. Nifikitra tamin’ny fenitra ara-panahy izy. Niaina fanambinana
tsy roa aman-tany. Raha mbola misy koa olo-mahiratra, Salomona anisan’izany.
Hono
ho’aho, Ramalagasy. Sanatrian’ny vava ladian’ny lela ve dia hoe very fanahy
mbola velona ? Sa diso fikajy ka miandrandra masoandro hihiratra vao maneno akoho
tokana ? Na hilelalela hoe miavià ry fanahy masina nefa ny avara-patana fiandrianany
aza mbola mila fikarakaràna ?
KIBON-DRESAKA
Ny aina tsy
mifametra. Ny tena efa mahazoazo taona. Raisiko ho adidy, tompokolahy sy
tompokovavy, ny mizara ampahatsorana izay voankazo an’ala notazana an-dàlana.
Mason-tsokina, masom-boalavo. Izay kely ananana no ahiratra. Nahasoa ahy koa
sao mahatsara ny havana aman-tsakaiza.
Eo ampanoratana
boky makadiry aho ankehitriny isavasavàko ny ambahandain’ny mahaolona Malagasy.
Ny ampitso moa ankibon’ny omby koa mandrapahatontosa soa amantsara izany asa
karoka izany mba ho lovain’ny taranaka faramandimby dia tapakevitra aho ny
hanokatra banja malalaka ao amin’ny facebook: “SALANITRA NY AMBANILANITRA.”
Bemiray izy
io. Na ara-pomba fijery satria fandalinana fenitra ara-panahy no antom-pisiany.
Na ara-pitenimpirenena satria malaim-pefy ny fenitra ara-panahy. Tokana ny
fepetra: fahamendrehana tanteraka.
Ohatra,
tandrovina ny hasin’ny teny. Hoy ingahy Elie Rajaonarison fahiny: “Mendrika
avokoa ny teny. Tsy misy teny tsara, tsy misy teny ratsy. Teny fady no misy.”
Eny, tompoko. Misy ny teny fady masoandro. Ao ny teny fady imason’anaka na
anoloan-draiamandreny. Misy teny fampiasan’ny mpivady ampototra ondana saingy
saropady amin’anabavy na anadahy. Izay fahaiza-mandanjalanja izay dia efa
endri-pahamendrehana.
Midadasika
ny sehatra “SALANITRA NY AMBANILANITRA”. Ho zaraiko ao izay ampahany voafantina
amin’ny boky famakiko andavanandro efa roapolo taona mahery izao: “La Vie des
Maîtres, Baird T. Spalding”. Ho ampitaiko ao ny rohy afahana mandramby izany
boky izany ho an’izay te-handinika ankahalalahana.
Ny omby
indray mandry, tsy indray mifoha. Ny hevitra rahateo tera-bary. Samy maka izay
tandrify azy. Fepetra: ampahamendrehana.
Ankoatra
izay, ao amin’ny gazety bokin’andriambavilanitra “Essentielle” janoary 2015
laharana faha-29, dia misy lahatsoratra hoe: “L’Alimanaka et le Fanandroana
sous toutes les coutures”.
Azontsika iaraha-mandrasarasa izany ao amin’i
“SALANITRA NY AMBANILANITRA” raha misy liana amin’izany.
Mialoha
izay, mahavàra mamaky boky malagasy toa ny “Anganon’ny ntaolo”, ohatra.
Amin’izay, manana ventin-kevitra ho rohidrohitina fa tsy
fosafosan’olo-mpikobana no sanatria ifandrafesana. Fepetra hentitra:
ampahamendrehana.
RASAVOLANA
“ Ny faravodilanitra
no valamparihy ”. Ndeha vahàna ny gejan-dRamalagasy. Ndeha omena vahana ny
ati-fanahy mahaolona. Isaky ny mihamaro isa isika mahatontosa izany
zotram-pahendrena izany, …
Miha-malefaka
ny toetr’olona manodidina antsika.
Miha-maha-te
honina eto an-tanindrazana.
Miha-tomady
kokoa izao tontolo izao.
“SALANITRA
NY AMBANILANITRA”.
Mankasitraka,
tompokolahy. Mankatelina, tompokovavy. Tahian’Andriamanitra isika
mianakavy.”
SALANITRA NY AMBANILANITRA. |
APPROCHE SEREINE DE LA SOIXANTAINE
Un jour, vivre à Madagasikara sera plus agréable. Cette
belle perspective deviendra réalité le jour où les leaders d’opinion malagasy
les plus influents sauront mieux domestiquer leur peur chronique de tout.
Angoisse collective, appréhension de l’étranger, crainte maladive des
gouvernants, psychose de l’échec et résignation défaitiste. A quelques
rarissimes exceptions près. Dur et méchant constat, me direz-vous !
Mais à mon humble avis, puissé-je me tromper, là se tapit le
mal qui nous ronge. Notre peur viscérale de l'inconnu.
En énumérer les causes
générales - colonisation, mondialisation, déculturation, etc. - est ici hors de
propos. Tout comme fustiger la débandade
encouragée par certaine grégarité malsaine - obscurantisme, sectarisme, bigotisme,
diabolisation démesurée de la chose politique entre autres, … - est également hors sujet.
Le monde ne changera que si moi-même je change d’abord,
martèlent tous les sages de l’histoire de l’humanité. Bien sûr ! A chacun
son vécu, sa culture générale, ses besoins et ses désirs, ses contraintes et
ses limites. Ah ! Les limites ! Parlons-en. C’est l’abcès à crever.
Mettons en place la problématique fondamentale.
Il s’agit justement d’annihiler
les hypnotiques limites qu’on s’impose toujours à soi-même. Trop souvent,
inconsciemment. Il faut absolument se surpasser. Comment ? En s’attachant
à l’idéal universel, celui de la Spiritualité. L’authentique spiritualité,
celle qui rend libre, paisible et aimant. Autrement dit, débordant d’Amour.
Peut-être que pour vivre intensément la loi de
l’ « Agapê », aimer sans attendre d’être aimé, faut-il s’initier
et se cultiver ? Tel a toujours été mon choix personnel. Quelqu’un, parmi
les lecteurs de cet article, s’intéresse-t-il aux jalons de mon approche sereine
de la soixantaine ?
Un groupe de réflexion bilingue, malagasy et français, vient
d’être créé sur facebook à cet effet : SALANITRA NY AMBANILANITRA. A votre
bon vouloir, mesdames et messieurs. (1)
Dans le même ordre d’idées, permettez-moi de signaler la
parution du n° 29, janvier 2015, du magazine féminin Essentielle. S’y trouve
aux pages 16 à 18, une interview intitulée « L’Alimanaka et le
Fanandroana, sous toutes les coutures ».(2)
Son contenu est délibérément généraliste pour grand public,
particulièrement féminin. N’empêche, il offre quelques pistes de recherche et
d’investigations, certainement sommaires pour les connaisseurs mais
instructives pour les non-avertis. Deux courts extraits :
« Le Fanandroana
ressemble à une grille de lecture, un guide de bon sens, voire un pack d’outils
pour certaines prises de décision. »
« Tout individu est totalement libre d’écrire chaque
jour son histoire comme il l’entend. »
Rendez-vous sur SALANITRA NY AMBANILANITRA ?
Personne n’y prétendra détenir le monopole de la science
infuse ou de la vérité. Surtout pas moi qui ai tant et tant à apprendre encore.
Le partage y sera le mot d’ordre en fonction de la générosité intellectuelle de
chacun. Et mieux encore, de la générosité tout court. Ouverture d’esprit et
empathie rendront meilleur le monde, petit à petit. A commencer par nous-mêmes.
Et peut-être bien notre entourage aussi ?
Mesdames et messieurs, merci de votre aimable attention.
Antsirabe, 26 janvier 2015.
Vahömbey RABEARISON
(1) Tant qu’il s’agisse de quête authentique et sincère de
Spiritualité, les colonnes de SALANITRA NY AMBANILANITRA sont disponibles.
Chrétien comme musulman ou bahaï, bouddhiste,
shintoïste, hindouiste et traditionaliste sont invités à s’y exprimer
pour partager leurs expériences. Ainsi de même ceux qui se disent athées
puisqu’ils n’épousent aucune religion instituée et voguent dans la vie selon
leurs propres consciences. Seule règle : la tolérance et rien que la
tolérance. Donc, respect mutuel. MERCI.
Lien pour accéder à SALANITRA NY AMBANILANITRA: https://www.facebook.com/groups/1374295612880880/
(2) Ci-après, photo des pages de ESSENTIELLE, le magazine en question. Il est en vente en kiosques et dans les librairies. Coût très abordable vu la belle qualité de
son contenu et de son impression : 3 000 ariary. Je ne me permettrai de diffuser sur internet la teneur de l’interview
« L’Alimanaka et le Fanandroana sous toutes les coutures » que
lorsque l’autorisation pour le faire me sera accordée par les responsables du
magazine. A mon avis, lorsque le numéro mensuel suivant sera en vente. D’ici
là, gentlemen’s agreement . Question d’éthique, n’est-ce pas ?
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire