jeudi 28 mai 2015

TRASS ! Alakamisy 04 Jona. Amin’ny 8 alina.


Opus LàKALàKA en live !




Sesely & Co !! 


SESELY
Bassiste légendaire - Arrangeur musical

GUEST OF HONOUR


SÔRAMEVA Vahömbey
" Masoandronao "

Hira vaovao !!!



“ Salanitra ny ambanilanitra ” Vahömbey & Milanto.
Version Malagasy de “ What a wonderful world ”, Louis Armstrong.


SALANITRA NY AMBANILANITRA

Tontolo mavana, mamony, mamoa.
Rako-pelana avokoa, manimanitra, soa.
Mahafinaritra, ambanilanitra salanitra.

Manga ny avana, botsiaka ny rahona.
Mirana ny andro, tony ny alina.
Mahafinaritra, ambanilanitra salanitra.

Vahandanitra mandokoloko abakabaka.
Maeva sôra jiabijiaby, tsy ankanavakavaka.
Bezoro ! Man’ahoana, salama tompoko ô.
Fo madio ro talilio, mbola tsara, havako ô.

Ajà tamanimane, bey vata ndraike andro agny ê.
Hisy jery mandilatra zaho, hatsilo hatrany hatrany.
Mahafinaritra, ambanilanitra salanitra…
Eny hahafinaritra, salanitra ny ambanilanitra.

Version malagasy de “What a wonderful world” Louis Armstrong.
« Salanitra ny ambanilanitra », texte de Vahömbey.
Antsirabe,
03 mars 2015 à 16 heures pour honorer le souvenir de l’anniversaire de José Rivo RABEARISON (03 mars 1961- Février 1972)

 
MILANTO
Guitar heroe - Blues singer

MATY AMINAO ZAHO , Milanto & Vahömbey :


MIRÔKARÔKA , Vahömbey & Milanto :



Hira tranainy


ONGAINA. Album SALANITRA 1999. Milanto & vahömbey:

https://www.youtube.com/watch?v=3WM3E6loBJM&spfreload=10

MANGANA, Album Salanitra 1999. Vahömbey, Milanto,  Sôrameva:


ECCHYMOSE

Quand d’un violoncelle s’écoulent des notes tout en caresses,
Quand d’une guitare torturée surgit une poignante mélodie,
Pour ramoner la mémoire… Pour déterrer des histoires.
De ma litière, je fais ma tanière pour étouffer mes pensées.

Quand dehors, il crachine… Le froid engourdit les carreaux.
Est-ce le ciel qui se déteint ou mon cœur qui se dépeint ?
Des grains de larmes se déversent pour se noyer dans mes yeux.
Renégat de climat ! Que de nuée !! Que de buée !!!

Quand tout, en moi et autour de moi, s’effiloche et se déchire,
Mes doigts lacèrent les murs pour un lambeau de ton ombre.
Pourquoi as-tu choisi l’hiver pour déserter ma chaumière ?
Garde un coin pour mes pensées là où tu es désormais !
Quand d’un violoncelle s’écoulent des notes tout en caresses,
MANGANA

Feon-dokanga moramora mampahatsiaro safosafo.
Toreon-gitara mitaraina, langolango malaindaina.
Mitanisa zava-maro tsy hitako ho tantaraina.
Misakobom-bodofotsy aho, mitoretra, lasa saina… !

Rehefa merika iny ny andro, maha-ngolingoly ny ando,
Tsy haiko intsony na ny foko, na ny lanitra no mihofo !?
Satriko ihany tsy hitomany, hiezaka ho mafy loha !
Nefa ny lanitra ami’zany, malomaloka ka tsss…

Izany rehetra rehetra izany sy izao rehetra rehetra izao…
Mampandrangon-drindrina ahy ny alokao mananihany !
Naninona no dia ririnina no iny ianao vao sahy nandao ?
Ny eritreritro fihinina, ataovy entankelinao.

Feon-dokanga moramora mampahatsiaro safosafo.

Textes et musique: VAHÖMBEY, Album SALANITRA 1999


VAHÖMBEY Youtube Play List :



" KIVIRO ", anneau d'oreille du guerrier tandroy
" FARARA ", harmonica diatonique du bluesman

TRASS géolocalisation



samedi 16 mai 2015

TRAFONKENA OME-MAHERY.

Ankasitrahako etoana ireo olona manoratra aty amiko nony mahare ny nandrafetan’ny tarika VAHÖMBEY ilay hira hoe “ FANIRIAKO “ FFPM 39.

F’angà i Vahömbey, hono, Mpino – “ Croyant “ ?

Valiako mazava sady ampahatsorana etoana.




Andriamanitra RAY

Miara-dàlana amin'Andriamanitra RAY mandrakariva aho.

Ny mpanazary dia toa izany avokoa.


Na inona na inona fireham-pinoany sy anarana omeny ara-kolontsaina an’Andriamanitra RAY Ndregnahary, Jehovah, Allah, …




Jesosy Kristy

Zokibeko ankamamiako indrindra JESOSY KRISTY. Te-hanahaka azy lalandava aho. Ary ny faniriako lalina indrindra dia ny hahavita, na ampahany fotsiny aza, izay notanterahany fony izy olona niaina tety an-tany toa antsika.

Safidiko ahy manokana io. Ao am-poko ao no tena tempoliko.

Ny mahafinaritra ahy indrindra dia ny manatrika fotoampivavahana any amin’ny chapelle katolika. Ohatra any amin’ny monastère bénédictin any Mahitsy. Vakiteny dia hira masina ranofotsiny. 

“Communion spirituelle dans le recueillement”.

Tsy vesarina fampideraderam-pahaizan’olombelona ara-tsoratra masina sy toriteny fanitrikitrihana lavareny.




Senseï

Amin'ny maha-mpampianatra Arts martiaux japonais ahy, 43 taona nikatrohana aho izao, dia jery filôzôfika sy teknika fahaiza-miaina andavanandro tatsinanana no mampaharisika ahy.

Ohatra amin'izany ny famolahan-tenako isanandro amin’ny Méditation Zen.

ZANSHIN : vigilance optimale favorisée par une décontraction quasi-totale.

Io no tena ilofosako.




Mahaolona

Amin'ny maha-mpikaroka ahy satria Philosophie no fianarana ambony norantoviko, notovanako Anthropologie ary Ethnomusicologie no tena nifantohako, dia nimatimatesako hatramizay ka hatramizao ny fandalinana ny tena mahaolona malagasy. 

Olombelona = Mitondra tena toa singa mahay mirindra amin’ny voaàry manontolo.

Olombanona = Mankatoa fifanabeazana anivon’ny ankohonana sy ny fianakaviana ary ny mpiray monina ankapobeny.

Olonkendry = Mizatra manefy tena tsy ankiandrandra n'iza n'iza intsony, tsy ankiandriandry n'inon'inona intsony.

OLONA = Mitandrina ny feon’ny fieritreretana koa manatanteraka izany an-tsakany sy an-davany sady ankafaliam-po.

Izay mahatontosa ireo dingana ireo no mahatanteraka ny zotran’ny mahaolona.

Izay mahafehy ny mahaolona dia mahatsapa hoe Andriamanitra RAY no Maha-Olona.




Géomatique

Fanadihadiana mikasika NY VAZIMBA izay loharano nipoirana sady fototrin’ny firenena malagasy no tena ifotorako ankehitriny. Ary anomanako thèse ho atolotro ny Akademia Malagasy.

Fanamarihana goavana

Efa informatiser-na ankehitriny ny tetiandro sy ny sikidy ary ny rohotany. 

Amin’ny fotoana hampety izany dia ho logiciel azon’ny besinimaro kirakiraina toa kindriandriana ny tetiandro sy ny sikidy ary ny rohotany. 

Ho fitaovana fampiasa andavanandro toa ny GPS, ohatra.

Hampigalabona ny antsoina hoe Géomatique ny programmation informatique -n’ny tetiandro sy ny sikidy ary ny rohotany. Toa izany koa ny raokandro.

Ny Géomatique no lafika siantifika fandrafetana fampandrosoana ho an’ny isambatanolona eto anivon’ny firenena. 

Famolahana ny fanontoloana izany !  Hanjary fitaovana fampirijarijàna ny kolontsaina malagasy ny teknolojia vokarin'ny fanontoloana.

Amin’izay fotoana izay, asakasaky ny marivo salosana raha mbola hanasoketa ihany ny fahaizana amam-pahalalàna noraiketina hatry ny vanimpotoam-Bazimba !

Hanasoa ny andavanandron’ny besinimaro io famelomana ara-kolontsaina ny Géomatique io !




Rasavolana

Mizara maimaimpoana ny antsoiko hoe " REVOLUTION VAZIMBA, fascicule de mobilisation " aho ankehitriny. Famintinana ny fahalalàna tratrako hatreto izy io koa ampitaiko amin'ny besinimaro.

Raha sitrakao dia ho ampitaiko any aminao ihany koa izy io, en PDF.

Anoraty mailaka amin'ito adiresy ito aho dia ho valiako avy hatrany ianao raha vao azoko atao:





1. FANIRIAKO :


2. Emission Radio Antsiva.
REVOLUTION VAZIMBA = Tsirim-panantenana ! 



3. « La Vie des Maîtres » Baird T. SPALDING





jeudi 7 mai 2015

VAZIMBA MITAKY FANDRIAMPAHALEMANA.

Marobe, efa mila tsy tambo ho isaina, ny fanaonao fahatany faran’izay tsy manjary ataon’ny mpitondra ny Fanjakana Malagasy sasany ankehitriny. Leferina avokoa izay azo leferina. Ary mbola tsofina rano aza izy ireo hampiarina izay mitongilana.

SAINGY !

Saingy ito kosa TSY HO LEFERINAY MIHITSY.


LAVINAY NY FANOMEZANA VAHANA NY KARAZANA SILAMO MAHERY VAIKA ETO AN-TANINDRAZANAY.

Lolohavinay an-tampon’ny loha ny haja atolotray ny rahalahy sy anabavy mpandala ny finoana sy fotopivavahana Silamo. Ny Silamo nahay niara-nonina tamin’ny besinimaro hatramizay ka nahay nifanaja tamin’ireo mpandala finoana hafa nohon’ny an-dry zareo.

Lolohavinay an-tampon’ny loha ny hafatra napetraky ny raiamandrenibe Ralitavaratra, Al Tawarath, isan’ny loharanom-pahendrena amam-pahalalàna maha-Vatomasy an’i Vatomasy.

Ankehitriny kosa ?

Omen’ny fanjakana vahana manokana ve ny fanorenana mosquée amin'arivo isa ?

Omen’ny fanjakana vahana AN-TSOKOSOKO ?

F’angà efa mahafeno ireo mosquée amin'arivo ireo ny havantsika Silamo eto an-toerana ?

Sa omanina ireo amin'arivo ireo anafarana silamo sadasada tsy fanta-pihaviana, na mody atao indray hoe tsy fanta-pihaviana ?

Dia hiazakazaka hitampify ao amin’ireo toeram-baovao ireo ka hihanaka toa ahi-dratsy ry zareo TSIVALAHARA MAHERY VAIKA ?

Hikotrika loza aman'antambo ao amin’ireo toerana ireo mandra-patanjaka azy ireo hanao ratsy toa ny fanaony manerana an’i Afrika, ohatra ?

Inona no loza aman’antambo manapotika ny firenen-kafa fa tsy io Mahery Vaika, Mahery Vaika io !?!

Fa efa maty eritreritra ve ireo mpitondra fanjakana sasany, tompoko ô ?!

Leo ny miaina angà ka hiompy bibidia romotra ao an-tokontany fiririavan’ny ankizy ?

Sa ry zareo mpamahana vola an’ireo Mahery Vaika ireo koa no namaham-bola nahatongavana teo amin’ny fitondram-panjakana koa tsy maintsy tompoina ankehitriny ?

Raha te-hanompo Mahery Vaika ianareo mpitondra fanjakana sasany ireo dia mialà an’i Madagasikara ary tompoy any amin’izay anomponareo azy any ny Mahery Vaikanareo fa tsy aty an-tanindrazanay ! 

Tanim-Bazimba i Madagasikara. Tany manan-jina. Tany fady rà.

Efa tafahoatra izay rà latsaka teto amin’ity tany masina ity izay.

Ho very faty eny amoron-dàlana ho ataon'ny mpandalo fiotàna sy fanariana maloto izay mpitondra fanjakana efa maty eritreritra ka ho rangory fototry ny afo eo !

Omena vahana eto ireo Mahery Vaika ireo dia higorodana eto koa ny tafika tandrefana hamaky ady amin-dry zareo !? 

Ny sarambabem-bahoaka Malagasy tsy manan-tsiny no ho voaporiporitra eto ?

Izany no tadiavin’ireo mpitondra fanjakana efa maty eritreritra ireo ahatongavana ?

Sa efa mpiray tsikombakomba amin’ny fanapotehana an’izao tontolo izao koa ireo mpitondra fanjakana ireo nohon’ny vola efa nohaniny tany amin-dry zareo mpamahana ny Mahery Vaika ?

Dia i Madagasikara no ilingilingiana ho atao sorona ?

Fantatra anie fa vazaha mody miady ny mpanome baiko ny Mahery Vaika sy ny mpanome baiko ny tafika tandrefana ê !

Mpiray tendro ireo ! Mpiray tsikombakomba !! Mpiray petsapetsa !!!

Kitapon-drenimbola iray ihany no mamahana an’ireo: 

Ny tsenan’ny fitaovam-piadiana mpandripaka aina, izay tena fangoronan-karena faratampony ho an’ny maty eritreritra.


Masonandro androany ity ?

Mahitsy ny teny atoraka izay mpitondra fanjakana efa maty eritreritra:

“ AZA MANGARONA VAZIMBA AN-DAVAKA !

RAHA MBOLA TE HO VANON-TARANAKA !! “


AZAFADY.