Inona no
antsoina hoe Fihaminana ?
Miadam-pinaritra
satria eo ampelan-tànana sy ambany maso avokoa izay ilaina.
Fihaminana no
fenitra ho an’ny fampandrosoana. Miainga amin’io fenitra io no tokony andrafetana
tanjona isan’ambaratonga.
1. Zavamisy
Ankehitriny, zara
raha raharahiana io fenitra - Fihaminana io. Heverina toa ny mandeha ho azy.
Ny tanjona
isan-karazany no hany imatimatesana, atao vaindohan-draharàha.
Lesoka goavana
izany. Kilema ho an’ny mpikatroka fampandrosoana.
Telo no anton’izany:
Voalohany, azo tombanana
sy refesina ary kajiana ny tanjona.
Noho izany, mora anamarinana ny ankolafim-pitantanana - gestion et management.
Mahatsotsotra ny fikirakiràna kitapom-bola ampiasaina.
Noho izany, mora anamarinana ny ankolafim-pitantanana - gestion et management.
Mahatsotsotra ny fikirakiràna kitapom-bola ampiasaina.
Faharoa, ny
fampitambàzana fampindramam-bola “omeko-tsy omeko, omeko tsifoifoy”.
Pôlitika famolahana ampiharin’ny ankabeazan’ny tompon-tsonia io.
Fampanjànaham-bola no fiveloman’ny mpampitrosa.
Ampandinganiny in-droa, atambotsiny in-draika. Ny eo ihany no eo.
Pôlitika famolahana ampiharin’ny ankabeazan’ny tompon-tsonia io.
Fampanjànaham-bola no fiveloman’ny mpampitrosa.
Ampandinganiny in-droa, atambotsiny in-draika. Ny eo ihany no eo.
Fahatelo, mitoky
teny fatratra ny ankamaroan’ny mpiandraikitra fampandrosoana.
Lasitra maty paika no ampihariny. Adiridiry ny tanjona mifanahaka amin’ny baikon’ny mpampindrambola.
Na mifanandrify na tsia amin’ny fenitra Fihaminana sahaza ny toloran-tànana eo an-toerana andraharahàna.
Sahy mitafy lamba imason’ny tompon-tombontsoa – bénéficiaires – ny mpiandraikitra fampandrosoana.
Lasitra maty paika no ampihariny. Adiridiry ny tanjona mifanahaka amin’ny baikon’ny mpampindrambola.
Na mifanandrify na tsia amin’ny fenitra Fihaminana sahaza ny toloran-tànana eo an-toerana andraharahàna.
Sahy mitafy lamba imason’ny tompon-tombontsoa – bénéficiaires – ny mpiandraikitra fampandrosoana.
Noho ireo antony
ireo, asesika am-boletra ny lahàsa fampandrosoana.
Tian-kàno, tsy tian-kàno.
Tian-kàno, tsy tian-kàno.
2. Fanàfana
Ilaina ho vanona
ny tetikasa fampandrosoana ?
Ifantohana
tanteraka ilay fenitra – Fihaminana.
Raha tiana handihy
ny anateràn-kira, fantarina mialoha izay mampitsinjaka azireo.
Ireto ny
fanontaniana tokony voavaly mialoha ny famolavolàna tetikasa.
Ireto no misava làlana ny fahombiazana:
Ireto no misava làlana ny fahombiazana:
-
Iza
ireo omen-tànana ?
-
Inona
no ilainy ?
-
Inona
no tiany ?
-
Inona
no tsiriritiny ?
-
Inona
no andrandrainy ?
Ireo
fanontaniana ireo no manoritra ny antsoina hoe affects.
Miainga eo ny fahafantarana
izay tokony atao sy ny fahalalàna izay fomba anaovana azy.
Dingana
voalohany afaha-manoritra ny famolavolàna tetika sy paika isan-karazany ireo.
3. Rindran-dahàsa
Lahàsa ho an’ny ingénierie
culturelle.
Lafiny subjectif sy qualitatif no manamarika azy ito.
Idéo-logiques eto no resaka.
a.
Process
culturel :
-
Firazànana. Tompontany sa zanatany na mpiavy.
-
Finoana. Kristianina sa silamo na nentin-drazana. Mifamahofaho lalandava ireo.
Ilaina tsirihana ny fifandrohizany.
-
Fanabeazana. Firafitry ny soatoavina. Tohivakana fiainana sy
fahafatesana. Fifampitondràna lahy sy vavy.
b.
Procédure
sociétale :
-
Fahefàna. Ara-panjakana sy ara-pirazànana na ara-mpanànana.
-
Famokarana. Antokom-paniraka sy ankabeazan-kirahana.
-
Faninjaràna tombontsoa. Fifamelomana sy fifanjanahana.
Lahasa ho an’ny ingénierie
technique.
Lafiny objectif sy quantitatif no manamarika azy ito.
Infrastructurel eto no resaka.
d. Protocole
scientifique
e. Procédé
technologique
Tsy ivalamparana
ireto farany ireto. Efa mahazatra ny mpisahana tetikasa fampandrosoana.
Antony:
Mamparisika ny bénéficiaires
tompon-tombontsoa eo an-toerana andraharahàna :
- Handray anjara mavitrika mandritra ny fanatanterahana.
- Hikolokolo izay fotodrafitrasa voatsàngana.
4. Fanamarihana
Ho an’ny
tetikasa iray, mandraharàha in-telo miantoana ny ingénierie culturelle.
1.
Manomana
ny famolavolàna.
2.
Manamora
ny fanatanterahana.
3.
Mandamina
ny fiandraiketana fikolokoloana zava-bita.
5. Fampahafantarana
Tohivakàn-draharàha sahanin’ny Ingénierie culturelle :
-
Coaching personnes-ressources et
intervenants ponctuels
-
Etude, pré-test et communication
locale transversale
-
Elaboration axes marketing
culturel, social et économique
-
Communication institutionnelle et
grand public
-
Post-test, évaluation et audit.
034 08 720 04
vahombey@gmail.com
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire