Io maraina io. Nifoha moramora. Tsikelikely toa ny mahazatra. Nisotro kafé faran’izay mahery.
Tsy ankanisy siramamy na ronono ho fitandrovana ny fikorian-drà satria ny tena efa màkamàka
taona ihany. 56 tsotra izao ! Làsalàsa saina. Mitsiahy izay niainana nandritra
ny alin-torimaso, nandritra ny ambiroa niremby tany anebakeban-danitra.
Technique
mnémonique fampiasan’ny Pythagoriciens
(1)
izany. Mialoha ny ho
rendrika hatory, mitadidy antsipirihany izay niainana nandritra ny tontolo
andro. Mialoha ny hifoha andraharahàna, mitsiahy izay niainana nandritra ny
tontolo alina. Mampatsilo saina izay fanao izay. Mampiodina kokoa ny ati-doha.
Mampifandrindra kokoa ny vatana sy ny ambiroa. Mampatanjaka zotom-po.
Teo
ampifohazana, làsalàsa saina. Nitombina nitàn-takolaka. Nandalo ilay mpiray
vodirindrina. Fa dia maninona, hoy izy, no mitàn-takolaka ? Ory sa malahelo ?
Sokafy ny tànana fa aza atao toa io. Sady nitsiky izy no lasa nandeha. Tonga
saina ny tena: “F’angà tokoa misy maha-ory ahy ?!”
Nandalo koa mpiray vodirindrina hafa indray. “ Bonjour ! Ca va ? » Tadidy tampoka ilay efa nambarany talohan’io hoe :
« Toujours parfaitement ! ».
Izay, hoy izy, no famaly. Mailaka tampoka ny tena. Sady nitsiky no niteny hoe: “Toujours parfaitement !”.
Toetra fahita
amin’ny Centrafricains izay nifaneresaseràna hatramizao izany. Farafahakeliny, “Ca va bien” no valinteny rehefa
anontaniana. Ahitsin-dry zareo avy hatrany raha vao mitonantonana miteny hoe
tsy ça va eo ! Raha misy manahirana,
efa aorian’ilay ça va bien vao
resahana. Raha ilaina.
Lesona:
Toetra kojakojain’izay Centrafricains niharitra ngidin’ny afero izany. Ho azy ireo: “Etre encore en vie pour pouvoir se dire bonjour est un miracle.» Izay no fanazavàna nomen’ilay vahiny mpiara-miaina amin’ny Centrafricains raha nanontaniana mikasika ilay fomba fifampiarahabàna. Noho izany, fadian-dry zareo mihitsy ny hamaly hoe « Ca ne va pas » na « Ca va mieux ». Mbola velon’aina soa aman-tsara mifanao « Bonjour » koa hoe tsy « Ca va bien » !?!
Bonjour ! Ca va ? |
YE TI MAWA
Tena
mampitsangam-bolo ny fandalovana fotsiny amin’ny toerana nitrangàn’ny habibiana
taty. Raha karazan’olona “hyper sensible”
toa an’i Kiranyl dia kaodikaody avy hatrany. Mampalaina ny mbola hiresaka an’izany.
Efa voalaza tao amin’ireo lahatsoratra mialoha an’ito.
Efa
milamindamin-dratsy ny eto antampon-tanàna na dia mifady fivezivezena maty
masoandro aza ny mponina. Amin’ny 8 alina, efa mangingina ny arabe.
Omaly takariva. Tsy nahataitra an’iza
n’iza intsony ny poa-basy nifanesisesy. Tsy naharitra i Kiranyl
fa nony nitsahatra ilay izy dia nivoaka nanontany mpiray vodirindrina. “Poa-basy
ilay teo ô ?” Sady mba mody tsy rototra firy.
F’angà naka
sarotra akory ny valin-teny, hoy ianareo ?
“ Eisy ! Poa-basy
madinika. Tatsy amoron’ny arabe tatsy iny. Angamba nisy jiolahy nanafika
mpandeha tratra hariva. Rehefa hanendaka moto, na bisikileta, aza anie ry
zalahy dia mampiasa basy ê. Mitsoaka ny tompom-panànana dia lasan-dry zalahy
mora foana izay robainy. Mirifatra ry zalahy avy eo dia tsy hita. “Braqueurs”
ireny ê. Tsy misy ahiana akory, tsy hankaty velively ireny. Izay tratra hariva
an-dàlambe ihany no asiany.”
Mbola mitobaka
izay tsizy ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Naparitaky ny mpampiady an-trano.
Efa noresahana teto ihany koa ny mikasika an’iny koa aleo aloha atsahatra raha
ho tantaraina fotsiny fa tsy mbola ho rasarasaina.
Jereo sy henoy
moa ity hira malazan’i Losseba Ngoutiwa ity
ê. Rakitra tantara niainana. Faran’izay mahonena. Mandranitra hambo ihany
koa. Sady miteny Sango ilay tononkira
no misy ampahany amin’ny fiteny frantsay. Mora takarina ny tiany ampitaina:
“
Aza manao ratsy !” Yé Ti Mawa.
https://www.youtube.com/watch?v=aqx9rx7-dis
Le pays de BOGANDA |
BOGANDA
Amin’ny 31
janoary ny fifidianana fihodinana faharoa ho Filohan’ny Repoblika aty Centrafrique. Enga
anie hisongadina izay hentitra indrindra, hampirànga ny tanin-taranak'i Boganda.
Ny
raiamandrenibe antsoina hoe Barthélémy BOGANDA (2) no tena toavin’ny olona aty. Mahasondriana ny tantarany. Izy no nifofotra ho an’ny
fahaleovantenan’i RCA izay fiantson’ny mponina hoe “Le pays de Boganda”.
Goavana dia
goavana ho an’ny fahafantarana ny tantaran’i Afrika nandritra ny fanjanahantany
frantsay ny vakoka mikasika an’io andrarezina io. Voaramby anatin’izany tantara izany i Madagasikara.
Aleo tsy
fintinina eto sao mampitanila jery. Azafady, zahao ito rohy ito ahafantarana ny
andinindininy:
"Kékéréké !"
Amin'ny manaraka indray, tompokolahy sy tompokovavy.
Samia tena Andriamanitra isika mianakavy.
KIRANYL – Bangui 14 janoary 2016
Toujours parfaitement ! |
(1) L’école pythagoricienne est une école philosophique de l’Antiquité fondée par Pythagore (-580 à - 490). Elle dure neuf ou dix générations.
(2) 04 avril 1910 – 29 mars 1959
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire