1. FIHAVANANA
Fanao manerana an’izao tontolo izao any amin’ny
firenena iharan’ny ady an-trano, na isorohana mialoha ny korontana tsy
hihitatra, ny fampihavanam-pirenena.
Mitaky ny
antsoina hoe “ Justice Transitionnelle”
izany. Mamelona rariny. Mandràndrana hitsiny. Mampody laoniny. Mandrary
fihavanana amin’ny antokon’olona mifandrafy.
Mahasoa sy mahatsara
raha voasoroka mialoha, araka izay tratra, ny fifanolanana anivom-piarahamonina.
Tena ilain’i Madagasikara izany ankehitriny.
Ho an’ny mpikaroka
dia “laboratoire de recherche” – “terrain
d’investigations”, seha-pikarohana sy fanadihadiana ary fandinihana tena
goavambe aty Centrafrique. Angalàna lesona.
Ny tohivakan’ny
Tantara no itsirihana izay fifandrohizan’ny zava-nitranga. Misy ny talaky maso,
miharihary. Saingy inona no lafika sy ambadika izany ? Soatoavina,
fivelomana, sns.
Nisy Rangory ve
tany ho any ? Inona no famiraviràna nataon’ilay io ? Ahoana no nahatanterahany
ny tetidratsiny ?
Fampitahàna ny Tantara
ofisialy sy ny tsipotipotin-tantara etsy sy eroa no itsirihana izany rehetra
izany. Antoka ho an’ny fahombiazan’ny “justice
transitionnelle” izany satria vy tsy mikitrana irery. Raharaha
ho an’ny philosophe, sociologue, psychologue,
anthropologue, historien, juriste, économiste,
… Lahasa tandrify ny manampahaizana aman-traikefa eo amin’ny antsoina hoe sciences humaines, sociales, juridiques,
économiques, politiques, sns.
Rehefa tontosa ny fandravonana vokam-pikarohana dia
miroso amin’ny fanarenana. Manomboka
miditra an-tsehatra ny ingénierie
isan-karazany. Lohalaharana amin’izany ny ingénierie
culturelle satria rafi-pisainana aman-jery no anefena soatoavina
enti-miaina sy mivelona andavanandro. Na am-pifaliana. Na am-pahoriana.
Toa izay raha hazavaina no fotodian’ny Kiranyl aty RCA. Philosophe
- anthropologue izy sady mpisahana ingénierie culturelle. Tsy vola amam-panànana no katsahany aty fa harena Maha-Olona.
République Centrafricaine. Anivon'i Tchad - Soudan Avaratra - Soudan Atsimo - Congo - RDC - Cameroun |
2. ADY FAHEFANA
Ito no vaovao
malaza aty ankehitriny. Fizotran’ny ny valim-pifidianana filohampirenena.
Archange Faustin Touadéra no mitarika araka ny tombana ofisialy vonjimaika.
Praiministra nandritra ny fitondrana François
Bozizé (2003-2013).
Anicet-Georges Dologuélé no faharoa, hatreto. Praiminisitra tamin’ny
fitondrana Ange-Félix Patassé
(1993-2003).
Velona ahiahy ny
olona. Dia mbola i Lafrantsa indray ve no nikirakira ny valim-pifidianana ? Sa
mba afaka hisento hiataka ny vahohony amin’izay ny RCA ?
Sarotra
amaivanina izany tebiteby izany. Zahao anie ny fifandimbiasam-pahefana taty RCA
nanomboka tamin’ny 1960. Fiafaràna ofisialin’ny fanjanahantany frantsay.
1ère REPUBLIQUE
David Dacko……………14
août 1960 – 01 janv 1966…… Indépendance
Jean Bedel Bokassa…… 01 janv 1966 – 04 déc 1976…….. Coup d’Etat
Jean Bedel Bokassa…… 01 janv 1966 – 04 déc 1976…….. Coup d’Etat
EMPIRE
Bokassa 1er…………….. 04 déc 1976 – 20 sept
1979…….. Empire
2ème REPUBLIQUE
David Dacko…………… 20 sept 1979 – 01 sept 1981……. Coup d’Etat
André Kolingba………... 01 sept 1981 – 1986…………….. Coup d’Etat
André Kolingba………... 01 sept 1981 – 1986…………….. Coup d’Etat
3ème REPUBLIQUE
André Kolingba………… 1986 – 22 oct 1993……………. ..
Election
Ange Félix Patassé……… 22 oct 1993 – 1995…………..…. Election
Ange Félix Patassé……… 22 oct 1993 – 1995…………..…. Election
4ème REPUBLIQUE
Ange Félix Patassé…….. 1995 – 15 mars 2003
François Bozizé………… 15 mars 2003 – 11 juin 2005……. Coup d’Etat
François Bozizé………… 15 mars 2003 – 11 juin 2005……. Coup d’Etat
5ème REPUBLIQUE
François Bozizé………… 11 juin 2005 – 24 mars 2013……...
Election
Michel Djotodia………… 24 mars 2013 – 13 avril 2013…. … Coup d’Etat
Michel Djotodia………… 13 avril 2013 – 10 janv 2014……. Transition
Alexandre N’Guendet….. 10 janv 2014 – 23 janv 2014……… Transition par intérim
Catherine Samba Panza…. 24 janv 2014 – (mars 2016 ?)……. Transition
Michel Djotodia………… 24 mars 2013 – 13 avril 2013…. … Coup d’Etat
Michel Djotodia………… 13 avril 2013 – 10 janv 2014……. Transition
Alexandre N’Guendet….. 10 janv 2014 – 23 janv 2014……… Transition par intérim
Catherine Samba Panza…. 24 janv 2014 – (mars 2016 ?)……. Transition
Nifandimbidimbiasana ny fanonganàm-panjakana. Hany
ka miandrandra mafy Filohampirenena voafidimbahoaka ny mponina aty.
3. ADY TANTARA
Nanomboka 2013 no nankaty. Ady an-trano FAHATELO. Fifamonoana faobe, anjambany. Fandringanana zaza amam-behivavy
hatramin’ny antitra.
Andaniny, Seleka izay silamo nanampy ny Filoha Djotodia. Tchadiana
sy Soudanais no ankamaroany sady nampian’ny djihadista Boko Haram ary salafista.
Ankilany, ny Anti-Balaka misy ny tompontany
kristianina sy mpandàla fomban-drazana izay notohanan’ny ampahany tamin’ny
tafika nasionaly, niandany tamin’ny Filoha
Bozizé.
Izay tsy notohanan’ny
filoha Tchadianina Idriss Derby, nampialokalofan’ny filoha congolais Denis Sassou-Ngesso.
Ireo no mpamporisika manao vazaha mody miady. Saingy ny mpitondra frantsay no mifehy
baiko azy rehetra ireo. Arakaraka izay tombony ilainy mba hampateza ny fifandrafiana aty an-toerana. “Bizn’ ê ! Bizn’ foana !! Bizn’ foana !!!” Misy dikany inona
akory izay mainty hoditra kely mitsitra etsy, bory loha eroa !?! “Bizn’ io. Bizn' dia bizn'. "
Ireo andiany
ireo no nifandràmatra sy nifamaly faty tsy ankiato. Malaza aty ny hoe “Diamants sales”, diamondra mihoson-drà,
namahanana ara-bola sy basy aman-tafondro ny mpifanafika. Ny tandrefana sy ny arabo
mpikirakira harena ankibon’ny tany no mpilalao tombontsoa ambadika.
Voarohirohy amin’izany
ny mpampandry tany aty. Na ny mpisatromanga. Na ny tafika frantsay. Ny vahoaka
ampiadiana. Zara raha mody elanelanina. Ny harem-pirenena kaofina hatrany amin’ny
fiaramanidina mpinday entambe sy helikôptera miranirany fiadiana. Tsy maty
manota, manao izay danin’ny kibony. Firenena iniana ravàna fanjakana ny aty
Centrafrique.
Mody totototofana
fanampiana amin’ny projets deraina ho
humanitaires. ONG izany aty izany,
ONG !!! 4x4 vaovao tsy tambo isaina. Iza moa no tsy mahalala fa viviny dia
viviny, raha be indrindra 30 % no tonga any amin’ny bénéficiaires. Ny ventin-kitapombola dia karama, tombontsoa ary charges diverses sy frais de fonctionnement ho an’ny fonctionnaires internationaux sy experts ary consultants isan-karazany.
Ankoatran’ny miaramila vahiny faran'izay tena be karama be, ibontsonan’ny expatriés ny tanàna. Tena rentable
ho an’ny firenena matanjaka sy ny forongony amam-piasakeliny isan-tsokajy ny
ady an-trano toa ny aty.
Efa firy taona
izao, lazaina fa ho ampiharina ny désarmement
civil. Inona akory no eo !?! Mbola maro dia maro no faritra anjakàn’ny
mpampihorohoro. Mpitazampotsiny ny mpisatromanga sy lejionera frantsay.
Ny
mampilamindamin-dratsy ny eto Bangui ankehitriny dia ny fahakingàn’ny Minisitra Fiarovam-Pirenena.
Mahazendana ! Raràn’ny
Firenena Mikambana, mandrak’ankehitriny, ny famelomana ny tafika nasionaly. Tsy
mahazo omena fitaovam-piadiana nefa ny mpisatromangany sy ny lejionera frantsay
tena tsy manao n’inoninona fa miparady ramatahora eran’ny tanàna fotsiny.
Nanao di-doha ilay
Minisitra. Novelominy araka izay vitany ny FACA – tafika nasionaly. Ireo no
hajaina sy atahoran’ny jiolahimboto any amin’ny kartié mpiromborombo rehetra.
Ireo no miaro ny convoi mpaka
entam-barotra hatrany Cameroun. Masin-teny sy haja amam-boninahitra ny
miaramila tompontany. Tena miaramilam-bahoaka.
Nefa zara raha
manana basy. Raha manana basy, tsy manana bala. Mandeha tongotra sy môtô kely
marary hovana satria tena ory fampitaovana. Saingy tiana no hajaina ary toavin’ny
mponina. Tena Héros ny FACA ho an’ny
sarambabembahoaka. Satria zanabahoaka. Miara-mihosina amin’ny rehetra. Mahantra
kely toa ny rehetra. Izy ireo no nahasambotra ny mpanakorontana
nampirefodrefotra basy marovava tamin’ny voalohan’ny taona. Fa raha ny
mpisatromanga sy lejionera no nandrasana dia asa indray izay niafarana taty,
hoy ny olona.
Nohon’ ny FACA
sahy manao vy very ny ainy dia izao vao mba velombelona tsikelikely ny tsena
aty Bangui. Manomboka misy voankazo, legioma sy hena. Eny na dia avo vidy
indimy mihoatra ny any amintsika aza ny entana rehetra. Indrindra fa ny importé, na dia PPN aza.
Tena midangana izaitsizy ny vidim-piainana !
Hiasa mafy ny
fitondrampanjakana ho lany eo amerenana ny laoniny aty.
4. TETSY SY TEROA
Mailomailo raha
vao handray taxi. Vazaha ny tena ? Ahiana dia ahiana ny kidnapping. Any dia tsy hita !
Nisy vazaha vavy
niseho ho zatra fiainana aty, nilingilingy namily fiara irery.
Nosakanan-jiolahy antampon-tanàna tamin’ny andro antoandro. Notereny hidina.
Notifirina ny feny. Nanjavona ilay 4x4. Nozohiana. Efa any Tchad. Izay no
nataony.
Misy tompontany
aty, nividy fiara occasion tsara
tarehy ery. Mialoha ny nampiasàny azy, nalefany tany amin’ny garazy nolokoina
tonta be sady noravaravàna endrika ivelany. Raha tsy izay, tonga dia misy
midongy. Any Tchad no iafarany. Mampamangy.
Raha misy
fifamaliana mpiray vody rindrina, grenady avy hatrany no harefotra. Izay miàmpatra
miàmpatra. Atao ahoana ? Azo vidiana eny an-tsena ny grenady. Mitovy vidy amin’ny
akondro iray kilao. 1 500 ariary.
Mirary koa raha
mirary ny Kiranyl mba ahazoan’i RCA mpitondra mendrika sady hentitra.
Mbola be no ho
tomorina aty. Ny ampitso ankibon’ny omby. Samia tena Andriamanitra.
KIRANYL –
Bangui, 05 janoary 2016.
Armoiries République Centrafricaine |
Fanamarihana:
Mbola tsy
manan-tsary hampihaingoana lahatsoratra isika satria saropady ny makamàka sary
ankalamanjàna. Mahasorena ny mponina ny fampitambaovao ataon’ny mpiserasera
tandrefana. Maramara loatra. Aleo mitandritandrina sao sanatria afangaron’ny
olona amin’ny amboalambo.
Ito ny rohy
afaha-mamantatra an-tsipirihany kokoa ny zava nitranga tatoato taty RCA. Troisième
guerre civile centrafricaine:
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire