1. Hatrany an-tanàna
Kiana
mahamaivay : « Ahenao ny fandanindaniam-bolampanjakana. Mitanila
loatra ! Faran’izay mihafy ny sarambabembahoaka, andaniny. Migalabona loatra ny
mpampiasa volam-panjakana, ankilany. Ohatra akaiky: ohatrinona indray izao no
ho ripahana amin’ny lanonampanjakana voalohan’ny taona eny Iavoloha ?” Izany no
manemitra ny zotran-tserasera an-tranonkala.
Efa hatry ny
taon-dasa 2015 ny mpanoratra, amin’ny maha-mpiandraikitra pôlitika azy, no
nandà fanasàna fifampiarahabàna ofisialy teny amin’ny lapam-panjakana. Nanelingelina
ny eritreriny ny firavoravoana sy fisehosehoana tany nefa ny fiainana
ankapobeny efa niha-nitontongana. Sanatria nianjaika tambony tsikoko. Nipiaka
helika nanoloana fahoriam-pirenena.
Tsikera izany
nalevilevy azy izany: "Maivandoha, matikambo, jiolahimboto tsy mahalala fomba !"
2015. Nitety
afovoan-tanàna nilanja faneva fotsy nanomboka fanairana ho an’ny Revolisiona
Vazimba. Mitaky fihavaozan’ny maha-olona Malagasy ny toe-draharàha ankehitriny.
Ara-kolontsaina ny revolisiona ilaina.
Tao ny tsy
nandraharàha velively: “Ssssshhh…!”. Tao ny naneso : “ Itony koa mpanakanto
lefy laza, mpanao pôlitika lany harena !” Tao ny nanasoketa tsy ankihambahàmba: “Rehefa
mamon’ny môly tsy mipetraka tsara fa manalabaràka tena ety an-dàlambe !” Tao ny
nanompa reny sy anabavy ankitsirano. Saika nikasi-tànana mihitsy saingy
niahotra.
2015. Namelabelatra
an-tserasera hoe vizanin’ny pôlitika maloton’ny fitondrana frantsay sy ny tandrefana anie
isika io. Anirahany karazan-tsilamo sandoka, saribakoly bosibosehany hahery
vaika hamoritra antsika amin'ny horohoro. Ikononkononany ady saritaka.
E ireny fihantsiana nikasika ny
nosikelimbazimba Malagasy. Loloiny hoe azy ny basy, azy ny tafondro, azy ny
tanjaka ara-tafika. Inona akory, hono, izay isika !?! Andefasany lejionera eo raha vao
mitroatroatra. Ary feheziny hatrany antampony ny famiraviràna
fanapahan-kevimpanjakana. Haninona eo rehefa baikoany tanteraka ara-bola ?!
Ompa sy
fanalikàna no setriny: “Leitia koa mba miseho mahalàla. Rehefa tsy mahay
mibizina ialahy dia tampeno ny vava. Mpanamôly, mpilalao ody, mpaminany
sandoka mpanakorontana saim-bahoaka fotsiny !”.
Inona no tsy
nianjady noho izany ? Hatramin’ny fampihazàna an-kamono voatery natrehina
irery. Nandratra mafy. Soa fa tsy nahafaty !
2. Hatraty ampivahiniana
Naleo nidify.
Hazo tokana tsy mba ala. Be noho vitsy. Hafa ny tian-ko natrehina. Lako tampoka
an-damosina avy amin’ireo nantenain-ko iray laharana amin’ny tena no nandrivorivo.
Nisy safidy.
Hiantsinanana any Azia ? Mahatamàna any saingy mampidanàka. Lavitra loatra ny elanelana
amin’ny zavamisy an-tanindrazana. Hiankandrefana any Eorôpa ? Hialokaloka any amin’ny
mampitsiriritra nefa hampihafihafy amin’ny fanapepoana.
Naleo Afrika.
Aty afovoan’i Afrika. Efa nihatra taty ny ahiana hitranga any Madagasikara.
Misy ho vahabahana, ho fopotorana. Hakàna lesona sao mba afaha-misoroka.
Vao nigadona ny
2016, nirefodrefotra ny basy. Soa fa tsy nampikoropaka firy. Sady tsy
nahataitra akory ny olona taty. Efa be no hitany. Miezaka mamerina fiainana amin’ny laoniny ny olona. Mahasahy misedra tahotra sy horohoro.
Mampipao-tsatroka mihitsy !
Manomboka
mivoaka tsikelikely ny valimpifidianana filohampirenena sy solombavambahoaka,
fiodinana voalohany. 30 ny kandidà filoha. Malaza ny hosokosoka. Nisy ny
toerana izay nianjadian’ny horohoro amam-basy. Na izany aza, nirohotra nifidy ihany ny
olona. Misy ny kandidà tsy lany, efa mahay mihonona. Misy ny kandidà mandrahona hanakorontana raha tsy izy no ho lany. Asa hanao ahoana ato ho ato ? Ny
tena vahiny vao tonga no velompanontaniana, zary mandry andriran’antsy. Ny
mponina aty toa tsy taitaitra akory. Efa be no hitany. Mampipao-tsatroka
mihitsy !
Sady ara-poko no
ara-pirehampinoana no naharafitra ady taty. Nifandona nahalatsak’aina
aman’aliny ny silamo sy tsy silamo. Mihantsy izay te-hihantsy, ny sarambaben’olona
toa tsy rototra intsony. Mahavariana !
Tsy ahitàna velively
vazaha mandeha tongotra andalàmbe. Miriorio anaty fiara tsy mataho-dàlana
mamirapiratra, migadra varavarana avokoa. Voasokajy ho vazaha moa ny mpanoratra
aty. Hafahafa be hay ilay hoe vazaha !!!
Mba nandeha tongotra
an-dàlambe irery. Marina tsy saika lanin’ny mason’ny olona. Tsy fahita velively
izany aty. Na izany aza, handeha hitety kartié malaza tsy
fandehanam-bazaha an-tongotra, raha vao zajàtra eo.
Ny valala tsy
mandady harona aty tena mbola farahidiny nohon’ny any amintsika. Ny vazaha sy
rajakom-bazaha kosa tena migalabona sy manàva-tena izaitsizy. Saingy na hàna
andalambe aza ny olona, tsy mpisavisavika toa ny any amintsika. Mifandràra tsy
hangatangataka izany ry zareo ! Tombanany ambony ambany ny tena izay vazaha ho
azy. Dia izay. Arantirantiny ny hambony.
Feno miaramila
mpisatro-manga ny tanàna. Fiara mifono vy mitandahatra etsy sy eroa. Isaky ny
kihon-dàlana, mandondona ny basy marovava. Helikôpitera mihaodihaody
an-tampondoha andro aman’alina. Toa ny fahita amin’ny sinéma. Saingy izao !
Halan’ny olona
aty ireo mpampandry tany ireo. Sady misetrasetra no tsy manasaraka akory fa
mitazam-potsiny rehefa misy rahoraho amin'ny samy tompontany. Tsy mihetsika ireo raha tsy ny vazaha sy rajakom-bazaha no voatohintohina. Mahagàga ! Asa ho an’iza angà no
iasan’izireo ? Malaza manodinkodina harem-bahoaka fotsiny rehefa tsy manolana
zaza amam-behivavy.
Asakasak’izay
maniry hitongavan’ny mpisatromanga any amintsika fa hoy ny mpanoratra hatraty
hoe: “Aza miantso loza !” Ny ataon’ny vahiny mantsin-doha any amintsika aza efa
mampihivingivina ankehitriny mainka fa honenan’ireo mpisatromanga ireo ? "Aok’etsia, marina mafy !"
Tafika baikoan’ny mpanàpaka ara-pôlitika frantsay mpampiady an-trano ireo. Ary mody atao ambany fiahian’ny
fikambanambe afrikàna. Saingy ito fikambanambe ito dia tena sady rajako no
bolokim-bazaha.
572 tapitrisa dolara
no lanian'ny fikambanambe afrikàna andraharahàna isan-taona. Ny 28 % -n’izay no hany latsakembokin’ny
firenena afrikàna. Ny 72 % dia ny FMI, Etazonia, Eoropa, Chine no manentsina
azy. Koa iza no mpanome baiko ? Izay mpanome vola. Tombontsoan’iza no
lohalaharana ? Ny an’ny mpanome vola.
Saingy hatraiza
ny tena loharanon-drenimbola ? Ny harena afrikàna izay gejainy amin’ny tanàna
ankavanana. Dia anipàzany potipotiny amin’ny tànana ankavia.
Marihana fa raha
mbola harena voajanaàry na antanety, na ankibon’ny tany, mbola manana lavitra
noho i Madagasikara i Centrafrique. Hany ka miandràndra fahendren’izay ho
filohampirenena ry zareo vahoaka aty.
3. Rasavolana
Manovo lesona
mafy aty ilay mpanoratra mikapa kiranyl.
Hafa ny vahoaka
voataizam-piarahamonindrazana ho mpianady. Masiatsiaka, bontolontolo angamba,
sns. Saingy mahasahy manohitra geja tsy ara-drariny.
Tsorin’ny
mpanoratra fa mampiaina azy kokoa ny mifanila amin’ny karazan’olona manan-kambo
sahy miady antanampolo rehefa ilaina. Toa izay ny mifanjinja amin’ny be
takoritsika no malemy tsy hita ho raisina nefa mpandefona andamosina.
BAMINGA.
Mpianady amin’ny fitenindrazana Sango. Mpivonona hiady mba ampandriana fahalemana. Jery
fisainan’ny mpianady io. N’inoninona riba maneran-tany.
Fampiofanàn-tena antsitrapo amin'ny famahana olana ady saritaka no foto-dia. Mbola be ny
lesona ho tovozina.
Ny ampitso, ankibon’ny omby koa samia tena
Andriamanitra.
KIRANYL –
Bangui, 04 janoary 2016
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire