Tompokolahy sy tompokovavy,
Tomady. Mitombo harena. Ambinina avokoa ny mpianakavy.
Tondra-dronono ny isan-dovia. Iririavàn-tantely ny isan-tokonana.
Velom-bolo avokoa ny isam-batanolona.
Mirary soa indrindra ê !
Tena Andriamanitra,
Vahömbey mivady.
1. NY MAHA-MALAGASY
Maha-izaho ahy / Maha-ianao anao / Maha-izy
azy / Maha-isika antsika / Maha-izahay anay / Maha-ianareo anareo / Maha-zareo
andzareo (an-dry zareo).
Tompokolahy
sy tompokovavy,
Raha
ny maha-tena ny an-tena no tian-ko ambara dia toa ireo voatanisa ireo no filaza
sy fiteny azy. Koa faran’izay saropady raha kabary miezinezina aroson’ny
Filohampirenena Malagasy ho an’ny sarambabem-bahoaka no mandiso izany. Hita sy
rem-poko amam-pirenena izany ny zoma 05 janoary 2018 teny Iavoloha.
Aza fady amin’izay nanolo-bato mafàna ny Filohampirenena.
Aza tsiny amin’ny Filohampirenena nihinana am-bolony.
Aoka tsy hanin-droa, ry manamboninahitra amam-pahefana isan-tsokajiny, raha mbola azo atao.
Ny fanajàna ny fitenindreny no kiady sy ampingan’ny maha-Malagasy. Indrindra indrindra imason’ireo taranaka faramandimby.
Aza tsiny amin’ny Filohampirenena nihinana am-bolony.
Aoka tsy hanin-droa, ry manamboninahitra amam-pahefana isan-tsokajiny, raha mbola azo atao.
Ny fanajàna ny fitenindreny no kiady sy ampingan’ny maha-Malagasy. Indrindra indrindra imason’ireo taranaka faramandimby.
Teny diso, kabary sa tsy kabary ?
Raha nohiniana kosa tao amin’ny kabary ny namerimberenana hoe “ ny
maha-IZY ANTSIKA ” dia
1. Ilay hoe IZY mety midika hoe SOI
amin’ny fiteny frantsay. Ara-philosophie
dia ilay ifaharan’ny maha-olona faran’izay lalina dia lalina no dikany. Sady
ilay tampony indrindra tsy hita pesipesenina. Ilay tsy hay tononina intsony.
Manakaiky ny hoe L’Absolu , L’Être.
Raha izay no tian’ny Filohampirenena nambara dia azo disoina manontolo
ny voambarako rehetra etsy ambony. Koa fohy fisainana aho ary mandadilady
rariny, miala fondro tanteraka.
2. Raha sanatria nandehandeha ho azy, na fahazaràn-dratsy, no
nampiasàn’ny Filohampirenena ilay hoe “maha-IZY antsika” ? Ara-psychologie dia azo adika sanatria ho
fahandevozana ara-tsaina lalina dia lalina hatrany ampara-hatony izany: aliénation mihorim-pàka any amin’ny subconscient-ny.
Loza aman’antambo, tompokolahy sy tompokovavy, raha sanatria izay no marina.
Loza aman’antambo, tompokolahy sy tompokovavy, raha sanatria izay no marina.
“ Ny maha-Izy antsika ”. Iza etoana ilay hoe “ Izy ” ?
Tsy isika velively.
Izy, tsy haihay. Asa, iza loatra ? Izy fahatanitany any an-kafà any ?!...
Vahabahao moa ê ! Fakafakao !! Alaivo ambony, alaivo ambany !!!
Tsy isika velively.
Izy, tsy haihay. Asa, iza loatra ? Izy fahatanitany any an-kafà any ?!...
Vahabahao moa ê ! Fakafakao !! Alaivo ambony, alaivo ambany !!!
Soso-kevitra tsotsotra:
olombelona mbola voazanaka ara-tsaina, hita taratra amin'ny fiteniny sy ny fihetsiny, io mibaiko ny Fanjakana Malagasy io miampy ny manodidina mpanolo-tsaina azy.
olombelona mbola voazanaka ara-tsaina, hita taratra amin'ny fiteniny sy ny fihetsiny, io mibaiko ny Fanjakana Malagasy io miampy ny manodidina mpanolo-tsaina azy.
Raha sanatria izay no marina dia vinanio ny vokatr’izany ê !
Hamarino !! Na disoy !!!
Alaivo ho vavolombelona izay iainana andavanandro eto amin’ny firenena.
Hamarino !! Na disoy !!!
Alaivo ho vavolombelona izay iainana andavanandro eto amin’ny firenena.
Atsipy ny tady, ho an-tandrokin’ny omby.
Atsipy ny teny, ho am-pon’ny mahalàla.
Atsipy ny teny, ho am-pon’ny mahalàla.
Mankasitraka, tompoko.
2. MAHAOLONA & MAHA-OLONA.
Mankasitraka indrindra, tompokolahy sy
tompokovavy, satria notomorinareo akaiky ilay lahakevitra NY MAHA-MALAGASY. Mitomboa tanjaka sy
harena amam-boninahitra avokoa, tompoko.
Ny teny tsy
feno, hono, manatody ahiahy. Mainka fa ny hevitra ?! Koa indro tovanana io
lahakevitra io. Ombay làlana, tompoko, azafady.
Fonjanteny
Ara-pandinihana,
mitovy saingy tsy sahala ireto teny ireto: mahaolona sy maha-olona. Tena “ fonjanteny
” mihitsy izireo. Concept hoy ny
fiteny frantsay. Tsy teny, fehy teny fotsiny. Izany hoe sady mifono hevi-dalina
no mibaby jery ary atao anondroana rafi-pisainana sy fomba amam-panao.
Raha indramana fiteny frantsay dia tsy us et coutumes fotsiny, na moeurs ihany koa, fa tena attitude et comportement mihitsy. Izany hoe mibaiko
hatrany ampara-hatoka. Mety ho iniana na tsy nahy akory.
Ohatra:
manoloana toe-draharàha iray, manao ahoana ny fahatsapàna sy fandraisana
an’izany ? Koa mahatonga ilay toe-draharàha ho tiana na tsy tiana. Na ihany
koa, tsy raharahiana velively. Izany hoe ny ressenti
miteraka ny affect.
Antony
goavana tokony amaritana ny hoe “ mahaolona ” sy “ maha-olona ” izany.
Fintinina etoana ho indray mielatra ny fanazavana efa nampitaina ombieny
ombieny hatry ny taona maro.
Famaritana
Hoy
Dzaovelo-Dzao Robert, anthropologue
fantadàza:
1.
OLOMBELONA rehefa mahay miaina ho singa fotsiny ihany anivon’ny voaàry
manontolo. Noho izany, mikolokolo ny voaàry fa tsy mieboebo mandidy
manapatàpaka fahatanitany fotsiny. Raha tsy izay, ifoteran’ny voaàry dia avy
eo, lazaina fa loza voajanaàry no mihatra. Ohatra: haintany, rivodoza, sns.
2.
OLOMBANONA rehefa mahay mifanabe anivom-piarahamonina: tokantrano, tanàna,
vohitra, faritra, firenena, izao tontolo izao. Mifanabe ! Izany hoe sady
mandray no manome. Tsy mihambohambo ho mpanabe fotsiny fa mitondra tena ho
anisan’ny beazina ihany koa. N’inon’inona sata heverina ananana. Ohatra: na
raiben-jaza aza, mankatoa beazin’ny zafikely.
3.
OLONKENDRY rehefa nahatontosa ireo dingana ireo koa mahay manefy tena hatrany.
Tsy miandry ho anarina fa manàna-tena, manànatra ny tena. Tsy miandry baikoina
fa mibaiko tena. Tsy miandry irahina fa manira-tena. Ohatra: n’inon’inona
sainina sy ambara ary atao, mijoro ho ohatra velona mendrika tahafina.
Notovanako manokana io rindran-jery io:
4. OLONA
rehefa mirànga ho Zanaàry. Tompon-draharàha, tompon’andraikitra, tompon’adidy
rehefa tandrify ny tena. Lahasa aloha, vao voninahitra ! Asa an-kitsimpo aloha,
vao tambin-karena !! Mientana am-pitiavana tsy ankiandry setriny. Mitia tsy
ankiandry ho tiavina.
Ahoana hoy
ilay fitenenana ? Izany ka olona.
Io firafitra antanantohatra 1-2-3-4 io no antsoina hoe Zotran’ny mahaolona.
Iza ilay
Maha-Olona ? Ilay Ray Mpaàry velona ao am-po.
Ny fanahy no mahaolona. Ny fanahy no olona.
Izay no maha-Zanaàry izay vanon-ko Olona.
Ny fanahy no mahaolona. Ny fanahy no olona.
Izay no maha-Zanaàry izay vanon-ko Olona.
Tsetsatsetsa tsy aritra
Identité ve no tian’ny Filohampirenena notondroina tamin’ny
kabarim-panjakana niezinezina nataony farany teo ?
“ Mahaolona
malagasy ” no tsara nampiasainy.
Sadasàda ilay hoe “ maha-izy Malagasy ” !
Sadasàda ilay hoe “ maha-izy Malagasy ” !
Hoy ny
Filohampirenena hoe: “ny maha-Izy antsika”.
Tokony hoe “ny mahaolona antsika”.
Tokony hoe “ny mahaolona antsika”.
Toa ny filaza hoe identité japonaise dia « mahaolona japoney ».
Identité nationale japonaise dia « mahaolom-pirenena japoney ».
Identité nationale japonaise dia « mahaolom-pirenena japoney ».
Noho izany, « mahaolona malagasy » sy « mahaolom-pirenena
malagasy » no miharihary kokoa.
Tena nahafinaritra tokoa raha
hoy ny Filohampirenena hoe :
« ny mahaolona antsika Malagasy ».
« ny mahaolona antsika Malagasy ».
Tena
mivalàn-dratsy, manimba sofina ary mandratra saina sy fo amam-panahy ilay hoe
:
« ny maha-izy antsika Malagasy ».
« ny maha-izy antsika Malagasy ».
Tompokolahy
sy tompokovavy,
Enga anie
ka tsy nanohintohina na iza na iza izay voambara hatreto !
Ny firenena iaraha-manana ary ny fifanabeazana samy olom-pirenena, iaraha-miantsoroka. Mason-tsokina, masom-boalavo, izay kely anànana no ahiratra.
Ny firenena iaraha-manana ary ny fifanabeazana samy olom-pirenena, iaraha-miantsoroka. Mason-tsokina, masom-boalavo, izay kely anànana no ahiratra.
Tena
Andriamanitra, tompoko.
Tarikevitra an-kira :
GASIKARAKO. Théo Rakotovao / Vahömbey / Bekoto Mahaleo /
Batata Iraimbilanja / Christian Salala / Monique Njava.
https://www.youtube.com/watch?v=eUDBZh-P8Lc&feature=youtu.be
LEMURIA, version 2018.
Vahömbey & Théo Rakotovao.
https://www.youtube.com/watch?v=AlyGKIjhhgY
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire