VAKIVOLANA
Kandidà amin’ny
fifidianana Filohampirenena ny tenako sady mpanakanto - mpiserasera no mpanabe.
Saingy ampanginiko ireo eto amin’ito lahatsoratra ito fa ilay Olompirenena
misahirana amin’ny fanabeazamboa ny mahaolona no hiteny.
TSY RARINY
INTSONY KOSA Ê !
Ito ambany ito
ny vaovao voaraiko izao sabotsy 17 novambra izao avy tamin’i D’GARY. Mahanena !
Hoy ny aty Vakinankaratra izay. Tena ilàna TOLO-TANANA avy amin’ny Malagasy
tsivakivolo.
Saingy ndeha
aloha hifamarafara tsara.
Sitraka ho an’Andriamanitra
Ray satria niato ny vono anjambany tany amin’ny faritra Betroka. Tratrantsika iny tanjona iny. Sady niasa ny anjely no maro amintsika no nanao izay vitany.
Aiza ho aiza isika izao ?
Aiza ho aiza isika izao ?
1. Fahalemana "fôpla"
Adidim-panjakana
ny fampandriampahalemana. Tena ilaina mihitsy ny hazalambo ampiharin’ny
herim-panjakana amin’ny fahavalom-piarahamonina. Mazava izany.
Saingy niteraka
antambo izany, dégâts collatéraux,
izay sarontsaronan’ ny fanjakana foibe. Koa ho ariana any ve ireo havantsika, longontsika niharam-boina
tsy fidiny ?!
"E ra-fanja ‘ty miala pà, mody fanina amin’ny fôpla
nataon’ny herim-panjakana sasany izay nivadika biby !?!"
Zahao ny
lahatsoratra ery ambany mitantara ny zava-nisy sy misy.
Tsy rariny intsony kosa ê !
Tsy ny herim-panjakana no ilàna vaniny fa ny dégâny navelan-dry
zareo ndeha re iaraha-manarina, tompoko ô.
2. Fakopakom-pôliFika
Rehefa notatatataintsika ny tsy rariny dia mitabataba amin’izay koa ny mpifikafika pôliFika sy ny forongony ! Zaran-dry zareo aza misy vorikitsaim-bahoaka ifandroritana.
Mifampitorotoroka toa zaza ratsy taiza, mifanilakilaka nefa samy rangory
fototry ny afo avokoa na iza na iza amin-dry zareo ireo.
Tsy rariny intsony kosa ê !
Aleo ry pôliFika mpitavana antambo hitabataba amin’ny haino aman-jery fa ny degâny vokatr’izany ndeha
re iaraha-manarina , tompoko ô.
3. Mpangoron-karena iraisampirenena
Mibitabitaka ery
ry mpangoron-karena iraisampirenena mitaingim-bozona ny mpifikafika pôliFika
andevon-dry zareo. Ataon-dry zareo izay ahalao-monina ny sarambabem-bahoaka any
an-toerana !
Tetehany ho bedaina avokoa rehefa harena na an-tsaha, na
an-tanety, ambany sy ambonin’ny tany ka hatrany an-dranomasina.
Ho kororohan’ity
tany masin’i Madagasikara ity avokoa ireo ary tsy misy hahita tany isitrihana ! Matezà ny aina, ho hitantsika maso izany.
Saingy ny fijaliana manjo ny valala
tsy mandady harona no laharam-pahamehana ho antsika mianakavy izao ankehitriny izao.
Tsy rariny intsony kosa ê !
Aleo ry mpangoronkarena mpanao salobokomana ho vaky
tsinay amin’ny hatendam-patiny any fa ny degâny vokatr’izany ndeha re iaraha-manarina
, tompoko ô.
MITANTARA i D’GARY
Dia toy izao ny tohin'ny
resaka Betroka, satria nisy ramatoa fianakavianay zay tonga teto A/vo tamin'iny
herinandro iny,zay avy ao amin'ny Fokontany VOROMIANTSA no nitantara
bebekokoa ny zava-nisy tany nandritry ny asan'ireo mpitandro-filaminana(forces
spcecial).
-Rehefa hiditra amin'ilay
tanana reo gendarmes-militaires dia mifehiloha mena daholo ry zareo, mifehy
lamba mena koa ny eny amin'ny basin-dry zareo ary mifehy lamba mena sy mainty
ny tanan-dry zareo havia-havana.
-T'isy fanontaniana an'i Remenabila
fa tonga dia mampihorohoro sy midaroka ,dia nisy tovovavy kely iray (13
ans) teny ambaibo(an-tsaha), notifirin-dry zareo fa tsy voa ary tonga dia
nandositra tany anaty ala lay ankizy vavy kely ...roa andro izy vao niverina
tamin'ny fianakaviany(roa alina tany anaty ala), nisy jabely (vao avy niteraka
roa volana) tsy nomena bodofotsy fa lamba flanelle iray ihany fa dia niaraka
tamin'ireo fokonolona tany anaty ala koa nandositra.
-Alohan'ny handoroan-dry zareo
ny tanana dia alain-dry zareo daholo aloha zay entana saro-bidy toy ny
"volamena-volafotsy(vangovango),lamba flanelle....zay tsy zakan-dry zareo
dia atsipitsipiny toy ny lamasinina fanjairana ...dia rehefa avy eo odoran-dry
zareo amin'izay reo tanana rehetra na ny lakilasy (ecole), hatramin'ilay
drapeau-n'ecole, may daholo ny copie, ny bokin'omby (cahier de
bovides),tahirim-bary, tahirim-balahazo....
-Ny tao amin'ny
komitim-ponkotany ASELY ,dia nisy lonaky (olo-be) iray tsy nety nivoaka ny
trano tonga dia nisintonin-dry zareo tao an-trano dia nokapohan-dry zareo
tamin'ny vodi-basy, dia nofantsihan'ny tamin'ilay fantsika (tamin'ny
latognambaravarana) ny lohany ,rehefa avy eo notapahin-dry zareo ny filahiany
(ny sex), dia nampidirin-dry zareo tao anaty ny kidoro lay rangahy f'efa
mitsipatsipaka dia nodoran-dry zareo amin'izay ary notifitifirina .
-Ny tany amin'ny
komitim-pokontany Bekivozy sy ny tany amin'ny Fokontany MIARY dia nanaovan-dry
zareo ny tifitra lance-roquette,grenade.
-Ny foko Zafindrav'ala
amin'iny faritry Dist-Amboasary-sud iny dia tena tratran'izany heri-pamoretana
zany daholo ,ny tao MAROMBY ohatra dia betsaka no maty voa-tifitra .
Tsy mbola fantatra loatra ny
isan'ireo nosamborin-dry zareo ,satria tamin'ny nanombohan'ilay dian-dry zareo
hoan'ny amin'iny faritry an-driry iny dia zay olona avy avy antsinanan'ny
Betroka (an-driry),hamonjy tsena ... tonga dia samborin-dry zareo daholo.Tsy
mahagaga moa fa ny mpitarika(guide) ndry zareo koa dia olona avy amin'ny foko
antanosy,dia mandeha ny tondro-molotra.
Ka ny filazan'ireo havanay dia
f'efa mahatratra 45 no isany nosamborindry zareo, ny telo amin'ireo d'efa
nalefa Tsiafahy, tsorina etoana fa ts'isy vita fitsarana daholo reo rehetra reo
,ny vahoaka reo koa dia tena tsy mifankahita ny avy aty amin'ny vill-Betroka sy
ny any ambanivohitra satria samy matahotra ,na dia ny samy any ambanivohitra
torak'izany koa, na ny mpivady tsy mifankahita ,ny zanaka sy ny reny satria
samy niparitaka any amin'ny zay andosirany (anaty-ala) .Mampalahelo !
Fa ny mahagaga dia fa nahoana
ny foko Zafindrav'ala ihany no enjehina,dorona trano,vonoina...??? .
Ireo olona ireo dia an'ny
anaty ala no matory hatr'izao satria mbola matahotra-be, dia ny hariva iny izy
ireo no maka balahazo zay eny an-tsaha hohanina ,ts'isy lamba isaforana...nefa
zao fotoanan'ny fahavaratra, hatramin'izao tsy mbola taitra ny croix rouge !
Dia ireto zany ny
fitambaran'ireo Fokontany sy ny komitim-pokontany may (16) :
Voromiantsa, Miary, Bekivozy,
Asely, Ambaro-atety, Ambaro-ambany, Mahatsinjo, Manombo, Agnezan-dava,
Ambatomazaka, Morafeno, Egn'omby, Amboandelaky, Abetsizaray, Ambaibo, Ambalasoa
.
Ny isan'ireo olona tsy
mana-kialofana : 4557.
Fa raha ny mikasika ny eny
amin'ny ilan'ny antsimo-andrefana-Betroka - CR-Analamary, Fok-Ankilimary dia
tena habibiana sy fandraisana-tsolotra ka tsy ho voatantara eto fa efa misy ny
PV zay hatolotro anareo .
Dia mamerina fanindroany fa
fisaorana lehibe no atolotro anareo," sitraka hoentina matory ka ho
valiana isaky ny mahatsiaro ".
Misaotra betsaka amin'ny
fiaraha-miasa .
Mirary soa
D'GARY
HAFATRA
Matoa isika mianakavy mamaky izao lahatsoratra izao mbola velon'aina dia manana adidy vitaina amin'ity Tanin-taranaka Madagasikara ity.
Atsipy ny tady an-tandroky ny omby. Atsipy ny teny am-pon'ny mahalala.
Mankasitraka, tompokolahy.
Mankatelina, tompokovavy.
VAHÖMBEY.
1 commentaire:
Ny Bara sy ny mponina aty atsimon'ny nosy dia olombelona toa ny malagasy rehetra ihany, ka mendri-kaja !
Enregistrer un commentaire