Isan’ireo valalanina tamin’ny zava-nitranga
nandritra ny taona 2015 nanerana an’izao tontolo izao, hatrao an-tanindrazany, ny mpanoratra. Nahaketraka ny ankabeazan’ny vaovao nipotsaka tsetsy sy teroa. Ohatry
ny nifandràmatra izany ny olombelona. Tsy rony tsy ventiny dia nifanaritaka.
Nifampihantsy. Nifandrafy. Nifandatsa-drà. Nifamaly faty. Zary notsinontsinoavina ny Aina nampindramin'ny Tompony: Andriamanitra Ray.
Efa nanomboka tokoa ilay soridia malazan’i Gog sy Magog. Mifaninana ny Tsara sy ny Ratsy. Ho an’ny mpanara-baovao naneran-tany, saika
nahalikiliky avokoa ny vaovao tetsy sy teroa. Raha tahiany mba nisy singan-torohay
nahavelom-bolo, nigorodanan’ny fatipatim-baovao nampihivingivina avy hatrany.
Na nampivarahontsana mihitsy.
Nampifantoka ny
mpanoratra tamin’ny zava-nitranga tao ankibon’i Afrika izany. République Centrafricaine - RCA no azo ampitahaina amin’ny foitran’ny
bolabolantany noho izy tandrify tanteraka ny Equateur. Manana dikany goavana izany ho an’ny mpandinika zava-miotrika.
Toa ny hoe tao
amin’io tany io no nifàtratra ny haromontana sy habibiana. Nifandrafy, nifampihaza ho faty ny tsitokotokon-tsarambabembahoaka. Tao no nahitana tamin’ny tranonkala olombelona
nandràsaràsa sy nitetika velona olombelona. Ary nandrapaka izany toa hena manta
tsotra izao teo anoloan’ny televiziona vahiny. Loza tena loza. Antambo raha
samy antambo.
Mifamahofaho ny
antony nahatonga izany toe-draharàha mahatsiravina izany. Mbola ho voaboasantsika eto
tsikelikely araka izay voatsirambin’ny saina. Ezahan’ny mpanoratra ho tomorina
araka izay vitany izay azo fotopotorana rehetra.
Aty Centrafrique ankehitriny ny kapa kiranyl fitetezan-tanin’ny mpanoratra.
Handinika. Hanadihady. Hisàvasàva ifotony.
Naninona taty no tonga tamin’izany fara-fahoriana izany ?
Inona no ataon-dry zareo aty ivoahana izany kizo lalina tsy manampaharoa izany ?
Azo tarafina
amin’ny any Madagasikara amin’izao fotoana izao ny fitsombadihan’ny
toe-draharàha taty tamin’ny fotoan’androny:
1. Famiraviràn’ny firenena matanjaka.
2. Hatendan-kanin’ny pôlitisianina rajakom-bazaha.
3. Hamaivanàn-dohan’ny mpahita fianarana izay nihofo ho bolokim-bazaha.
4. Fanaporetana ny sarambabem-bahoaka mba ho dondrona. Raha vao mahita rirandrirany amin’ny fianarana an-tsekoly dia domboina ho donto.
Mirary koa raha
mirary ny mpanoratra hanampy isorohana ny antambo fahita aty mba tsy hihalohalo
mandrakizay any an-tanindrazany. Hianatra no alehany aty. Hianatra zava-misy
ifotony.
Ny hany
ampitaina ho an’ny anio dia ny fihatsaran’ny toe-draharàha taty nanomboka ny 30
novambra lasa teo. Ho an’ny mponina aty dia efa nihamaivamaivana ny andavanandro anjakàn'ny horohoro. Ho an’ny vahiny vao tonga kosa dia hoe: “ Andraiiiy ! Fa ahoana
koa ity ? F’inona izao !?! ”
Hay tena mbola mampiadankadàm-poana
ny andavanandro any Madagasikara. Tsy mahagàga raha mbola mandany lera mampiady
kalizy sy midananàm-poana. Lasan-ko vavany avokoa. Na mpitondra, na mpanohitra,
na olompirenena tsotra. Na nandia fianarana, na tsia. Indrindra moa fa ny
mihambo ho sady manam-pahaizana no manan-katao sy atokona. Samy miseho ho
mahay. Tsy misy tomponandraikitr’inoninona. Mpiandry kitapo latsaka, mpanefoefo tampoka tamin'izay tsy nosasarany, no lasa ohatra ho an'ny ankizy.
Raha ho faty
aho, matesa rahavana. Raha ho faty rahavana, matesa ra-omby ihinanana hena
matavy. Enga
anie tsy hamaky takotra raha sanatria itontonàn-koropaka. Enga anie…
Enga anie
Madagasikara tsy hiaina izay manjo ny olona aty. Mandrakizay doria.
Ny fandalovan’ny
Pape François taty no nampitselaka
sombim-pahazavana figihazin’ny haizin-kitroka. Tatitra nindramina nikasika ny 29
novambra taty Bangui, renivohitr’i RCA :
Fanevam-pirenena République Centrafricaine - RCA |
« Aujourd’hui,
Bangui devient la capitale spirituelle du monde. L’Année Sainte de la
Miséricorde commence en avance sur cette terre. Une terre qui souffre depuis
plusieurs années de la guerre et de la haine, de l’incompréhension, du manque
de paix, a dit le Pape François à Bangui. Mais sur cette terre de souffrance se
trouvent aussi tous les pays qui portent en ce moment la croix de la
guerre ».
Ce sont les paroles que le Pape
François a prononcées dimanche, à la cathédrale Notre-Dame de l’Immaculée
Conception de Bangui, avant
d’ouvrir la Porte Sainte et le Jubilé de la Miséricorde. Bangui devient ainsi,
a ajouté le Pape, la capitale spirituelle de la prière pour la miséricorde du
Père. « Nous voulons tous la paix, la miséricorde, la réconciliation, le
pardon, l’amour. Pour Bangui, pour toute la République centrafricaine, pour le
monde entier, pour les pays qui souffrent de la guerre, demandons la
paix! », s’est exclamé le Saint-Père, invitant à répéter à voix haute:
« Tous ensemble demandons l’amour et la paix ».
Le Pape a aussi élevé la voix
en langue sango de la République
centrafricaine, pour demander « Doyé
Siriri » (amour et paix). C’est par cette prière qu’a commencé l’Année
sainte, après le rite d’ouverture
de la Porte de la Miséricorde. « Ouvrez les portes de justice; c’est la
porte du Seigneur; je rentre dans ta maison Seigneur », a dit le Pape,
avant d’entrer seul et en premier dans la cathédrale où l’attendaient les
prêtres, les religieux, les religieuses et les séminaristes du pays pour
participer à la messe et entendre
son homélie dans laquelle il a rappelé que tous,
sans exception, attendaient « la grâce, la charité de la paix » et a lancé un nouvel
appel à ceux qui prennent injustement les armes de ce monde: « Déposez ces
instruments de mort; armez-vous plutôt de justice, d’amour et de miséricorde,
garanties d’une paix authentique ».
Pape François mamoha ny Porte Sainte Cathédrale Bangui - RCA |
Bangui est devenue ce dimanche 29
novembre 2015 la capitale spirituelle du monde, la capitale de la prière. Le
Pape François a officiellement inauguré le Jubilé de la Miséricorde, en
Centrafrique, un pays exténué et oublié. Il a posé un geste historique en
ouvrant la porte sainte de la cathédrale de Bangui, située au cœur d’une
capitale dévastée, aux périphéries du monde, où les infrastructures sont
vétustes ou inexistantes, où la misère est extrême. Un geste historique,
porteur d’espérance
Loin du faste somptueux de la
basilique Saint-Pierre, la Porte Sainte de Bangui se compose d’une grille en
bois, en forme de porche, qui donne directement sur la nef, laissant passer la
lumière et la fraicheur. Devant cette porte ouverte sur le monde, le Saint-Père
s’est arrêté, ému, recueilli. « Ouvrez les portes de la Justice », a-t-il récité sur un ton solennel, le visage grave. « Nous demandons la paix, la miséricorde, la réconciliation
pour la Centrafrique et pour tous les pays en guerre. Nous demandons la
paix », a-t-il scandé en sango, la langue du pays, suscitant un tonnerre d’applaudissements.
« Nous devons pardonner », a martelé le Pape dans son homélie insistant sur
l’amour des ennemis qui prémunit contre la tentation de la vengeance et contre
la spirale des représailles sans fin. « Les agents
d’évangélisation doivent être avant tout des artisans du pardon, des
spécialistes de la réconciliation, des experts de la miséricorde ». Et le Pape a lancé un appel à« tous ceux qui utilisent injustement les armes de ce monde
afin qu’ils déposent ces instruments de mort. Armez-vous plutôt de la justice,
de l’amour et de la miséricorde, vrais gages de paix ». Le Pape François en est certain :« Dieu aura le dernier mot ».
Cathédrale Notre Dame de l'Immaculée Conception - Bangui Crédit photo: centrafrique.com |
Fanamarihana:
Nanakana io
anton-dia masina io, araka izay azon-dry zareo natao, ny mpitondra fanjakana
frantsay. Eny, hatramin’ny fitateran’ny miaramilany hatraty afovoan-tanàna tamin'ny fiara mifono vy ireo andian-jiolahy mpampihorohoro hatramizay. Tsy tahotra, tsy henatra intsony. Olon-tsotra an-dàlambe no vavolombelona izany.
Saingy
ahoana, hoy ianareo ?
Nivory ny sarambabem-bahoaka. Ny kristianina sy ny silamo
ary ny mpandàla fomban-drazana. Nanome toky fa hiaro manokana ny Pape François. Isak’izay làlana nodiavin’io
Olobe ara-panahy io dia nanao tohivakana nifandimbiasana ny vahoaka.
Nihazakazaka nanila ny fiara nitondra azy. Zaza amam-behivavy, zokiolona, tanora.
Hatramin’ny andiana moto-taxi.
Bouclier mobile humain no filaza izany.
Nandamohaka
tanteraka ny fikasandratsin-drangory menasofina mpampiady an-trano, mpamporisika sahotaka. Hentitra ny Iraka Masina: " Dieu aura le dernier mot."
DOYE SIRIRI… Amour et paix.
KIRANYL
- Bangui, 29 desambra 2015.