Lahatsoratra : Dadan’i Ranto - Gazety Basy Vava laharana 6805
Sary pika : Jeannet Razafimahery, olompirenena.
Iny olona iny
Niakarany sy
nivazavazany ny tao an-dapa
Fandàvana ankitsirano ny itarazohan’izao kirizy izao,
hetsika ankitsi-po sy ampahatoniana ary mateza izay voizin’ny olompirenena
samirery,
fampisongadinana ny zo masimandidy sy ny fahalalahana feno izay
tandrify ny olompirenena,
fanoherana ny viravira ataon’ny mpilalao pôlitika
matihanina, mpigalabona amin’ny ady seza,
antso avo ho an’ny mpanao pôlitika rehetra tsy
ankanavaka hiaiky ny fahadisoam-paikan’izy ireo ka handefitra ankehitrio,
hanome ny lakan’ny fitantanan-draharampirenena ho an’ny Olompirenena tsotra.
Fitakiana ny fametraham-pialàn’ireo mpibodo ankeriny
ny Fitondrana, ny mpiandraikitra rehetra ao amin’ny tetezamita: Filoha,
Goverinemanta, CST, CT…
Fandrafetana Tetezamita vaovao iadidian’ny Raiamandreny
sy ny Zokiolona,
fanomezana alàlana hanatanteraka ny fifidianana
isan’ambaratonga rehetra an’io rafi-pitantanana manokana io.
Iza moa no tsy efa nahare izany foto-kevitra
nodradradrain’iny olona iny izany ?
Fa ny antsika dia nijanona ho revin-gadra
fotsiny ny resaka tokony hifanentanana, ka mahatonga ny rehetra hiteny izay
tandrifin’ny vavany fotsiny.
Fa iny olona iny dia te hamarana izao
fahavoazan-tsika izao ka naleony mihitsy, raha ny fanazavany, nandray adidy
hirotsaka ho fidiana ho filohan’ny repoblika.
Nokarohina sy natao ny hevitra
rehetra ka dia nahafeno ny fepetra ho amin’izany tokoa ny tenany, saingy
nahatsapa izy (ankehitriny) fa natao tsinotsinona indray ny finiavany, ka dia
nivazavazany ny tao an-dapa tao omaly.
Ny hevitra vohiziny sy nahatonga azy teny dia tsy manan-tompo
velively, na iza na iza. Na fikambanana, na vondrona, na firehan-kevitra.
Manohitra ary tsy miray dia mandrakizay, amin’ny mpikatsaka tombontsoa
manokana, na iza na iza : TGV, TIM, antoko, vondrona, tambatra ...
Rehefa
mipetsapetsa ara-pôlitika, na misarontava ho manampahefana sivily na miaramila
aza, dia voakasika izany avokoa.
Mankahala ny fanakorontanana na
fanonganàm-panjakana iny olona iny, saingy tonga eny amin’ny arabe izy omaly
satria tezitra amin’ny fanodikodinan-dresaka.
Tany tsy misy fanjakana rahateo eto raha tsy rehefa
hieboebo sy hisehoseho, handroba sy hanaporitra. Fanjakazakan’i Baroa no misy
fa tsy Fanjakana ara-drariny sy ara-dalàna, hoy iny olona iny teo
Antaninarenina teo.
Tezitra sy nivoa-dinitra ny tenany, raha tonga teny amin'ny manoloana ny
lapan'Ambohitsorohitra: Miala Rajoelina, fa tsy mahavaha-olana ny tetezamitany.
Tena
ho gaga ianao hoe fa iza iny olona iny ?
Izy ilay kandida laharana faha-4.
Tsy mitarika ny
olom-pirenena hidina eny an-dalambe aho, hoy izy, fa ny tenako izao no ety
amin'ny arabe ary efa nivonona ny amin'izany...fa izay hevitrao dia anao irery
ihany izany.
Tsy mila olona any anaty trano sy be resaka any anaty
efitra mihidy ny firenentsika raha ny hevitra novoizin’iny olona iny sy ny
fivazavazany.
Fa
firy tamin’ireo olona nitangorona moa no te hivazavaza sy himenomenona toa
an’iny olona iny ?
Firy izy rehetra ireny no nitempo fitiavana ity tanindrazana
ity ka te-hiteny ihany koa saingy feno tahotra hatrany anaty fanahiny ?
Izany ny Gasy, r’iny
olona iny, izany no sakana ny anatin’ny fisainany any ka tsy ahafahany mijery
sy mandinika ny ho avy ho any amin’ny tsara kokoa.
Tsy te-hamono tena ny olona,
ary tsy te-hanohana na iza na iza intsony fa leo ny resaka sy ny taim-bava tsy
misy fatrany avoakan’ny mpanao politika.
Fa niavaka tamin’ny teny nataony iny
olona iny ka nahatonga ny olona nanome vahana ny heviny.
Fa
inona tokoa moa izao no tena andrasan’ny olona nihaino anao teo, r’iny olona
iny ?
Inona
no tao an-tsain’ireo rehetra nanotrona anao teo ?
Ianao
iny ve ilay mpanakorontana lazain-dava eto, sa ireo tao an-dapa izay
nivazavazana tsy nitsahatra ?