Io
maraina io
Nivoaka ny trano vao vaky masoandro aho io maraina
io, toa ny fanaoko rehefa mila maka saina dieny maraina. Sarotsaro-torimaso aho
mantsy alina. Nampita tamin’ny besinimaro ry zareo ao amin’ny Komity Manolotra
an’i Vahömbey ho Filoha kmvahombey@gmail.com hoe mila tànana amin’ireo izay mazoto hanampy an-tsitrapo ho an’ny fanontàna flyer.
Niramaràma avy any ny valin-tenin’ny olona sasany.
Ompa sisa tsy nataony fa raha ny esoeso sy fanambanimbaniana dia nirara-kompana.
Koa mankasitraka manokana azy ireo aho amin’ny vava tsy ambina navoakany.
Mahasoàva azy.
Ito no zava-dalina tsy nandalo akory ny sain’ireo
olona avo vava sy mpidingin-drambo satria marivo salosana ireo. Samy
mpimenomenona ny amin’ny faharavàn’ny soa toavina avokoa ireo. Saingy rehefa
misy miantso vonjy aminy dia avona no setriny.
Asa ! Ry zareo tsy mandia
tany na mandoloha lanitra angamba ireo koa saro-tahotra sao indray andro tratry
ny aloka ? Hakanosàna lalim-pàka hatrany anaty tsinay mainty anie no
fonosin’izany toetran’ny mpanitsa-dambanana izany ê.
Ohatra
velona
Sarotra ho ahy izay maniry hitantana ity
firenentsika ity ny hanao mody tsy ahita azy ireo. Matoa aho mirotsaka fidiana
dia ho an’ny Malagasy tsivakivolo. Eny, ho an’ny mpanitsa-dambanana sy mpiavon-tsy
feno ihany koa. Raha hodiako tsy hita ireo, tsy vitan’ny hanohy ho mpamosavy
malemy hamorika ny ao-tranony fa manjary very hery velona ihany koa ny
firenena.
Adidin’ny filohampirenena ny misarika azy ireo hiova
fo, halemy fanahy, hazava saina ka ho mby olombanona, ho olompirenena vanona. Ho
fanoitra goavana hisahana fanavotam-pirenena ireo koa tokony hisasarana ihany
koa. Mety tsy fidiny azy ireo akory no lasa masiaka ratsy toetra toa izany. Ny
toetran’ny filohampanjakana sy ny forongony nifandimby teto an-tanindrazana no
lomorina toa izany koa lasa notahafin’ny fiarahamonina tsy fidiny.
Izaho no filohampirenena, tsy maintsy miezaka aho
mijoro ho ohatra velona ho tahafin’ny manodidina ahy, itarafan’ny fiarahamonina :
mirija vatana, mahitsy fo, madio saina, tso-panahy.
Mandraharàha
pôlitika
Henjana ho ahy, tompoko, ny miharitra fakam-panahy ê.
Tsy mbola anjely velively akory ny tena. Izaho ity miezaka madio tànana tsy misy
azo kihanina. Ny sasany eroa gisa mpangala-ketsa avo feo eran’ny tampon-tanety.
Izaho ity mitandrina fatratra, na ampiraviraviana hani-tsy fantatra ambany
orona aza dia mihivingivina manidy vazana.
Ny sasany eroa faran’izay tsivalahara, kary mpijoko
hatrany ampisokom-pirenena, nefa dia ny tena saka mahalala honona ihany koa no
mila ho voatapa-drambo satria sahy misahana pôlitika. Ny sasany, mpanao pôliFika
fibahanan-tseza fitombenana. Ny ahy, fandraharahan pôlitika fifanasoavana
anivon’ny mpiara-belona.
Te-hanaitra fifanomezan-tànana sy
tohivakam-balintànana aho matoa manao antso avo fifanampiana. Ny firaisankina
anie no mamelona ny fihavanana ê. Ary fifampatokisana no takian’ity tany masina
diavintsika ity amintsika mponina mihaminkamina eto amboniny.
Mila mifampitantana isika. Mila mifanao soa isika
raha tiantsika ho levenam-bola hamelombelona antsika isan-tokantrano ny harembe
tahirizin’ito Madagasikara ito hatry ny fahagola. Raha sanatria tsy izay ?
Loza mitatao ary antambo mihatra no setrin’ny fitiavan-tena tafahoatra
mpanilikilika mpiray vodirindrina. Koa anjarantsika no mandinika izay mahasoa
mahatsara.
Zotram-piainana
Ho ahy manokana, ny làlako efa nazava tamiko hatry
ny fahazaza. Folo taona aho tamin’izany. Ny reniko, mpanakanto nalaza teo amin’ny
fiarahamonina, no nivarilavo nohon’ny hetraketrakin’ny fiainana. Bokan-trosa
izy satria sady sara-bady no mbola notambesaran’ny fianakaviany tamin’ny
naha-vavimatoa azy. Saingy rehefa resy dia nisitahan’ny havany. Telo izahay no
zanany. Izaho no matoan’anaka.
Nitsoaka mpitaky trosa izahay. Tsy nanan-trano
intsony. Tsy nanan-kohanina intsony. Tsy nanan-kotafiana intsony. Tsy
nanan-kantenaina intsony. Tsy nanan-kavana intsony. Tsy nana-namana intsony.
Teny an-dàlambe izahay no nangataka. Teny ambody
tonelina teny sady niafinkafina tanaty kirihadrihatra ihany. Aza manody izany
hoe « mpangataka an-dàlambe » ! Saingy akory atao ?
Nahilikin’ny fiaraha-monina ! ENY TOMPOKO, EFA MPANGATAKA AN-DALAMBE AHO
FONY IZAHO FOLO TAONA.
Namono tena ny reniko sy ny zandriko no niafarany.
Izaho nivoady ny hivelona mba hanasoa ny hafa. Ny valinkitsaka nokoninkononiko ho
an’ny fiarahamonina nanjary niova niandàlana rehefa nampian’olona teny aho.
Nampianarina aho nivavaka. Nampiana aho hatoky lalandava an’Andriamanitra.
Inona no niova ? Ny foko niha-ngeza
lavitra noho ny tsinaiko.
Mpatory
an-tsena
Io maraina io, nivoaka ny trano vao vaky masoandro
izahay mivady toa ny fanaonay rehefa mila miara-maka saina maraindraina.
Tratranay mbola natory an-tsena ireo roa vavikely mpiara-mizara vomanga sy
mangahazo ary tetikovy aminay mivady, eo Antsenakely eo rehefa harivariva iny.
Mitakoko amin’ny tany ireo zaza ireo. Miforiporitra kely. Nitery kiho sady nihidy
vazana aho nizaha azy ireo. Nangotsoka hatrany anaty taolako. Rehefa tsy mbola
natory an-tsena toa ahy fahiny, tsy hahalala mandrakizay ny fahorian’izany hoe
matory an-tsena.
Etsy ampitan’ny arabe, zazalahy maromaro efa
ampolony. Samy miampatra sy mifanosontsosoka araka izay azo atao. Mirakotra
gonim-bary plastika ny sasany. Ilay lahikely anankiray aza moa miankohoka matory.
Tsy lamba fitafy, tsy akanjo matevina nefa ladina an-tany tsy ankanisy lafika !
Etsy ananona etsy, mitampify renim-pianakaviana mifonofono vorin-kitsay sy fatipatim-boridamba.
Tsy maintsy niarina sahady satria handeha hitady, handeha hangataka, handeha
hiandrandra famindram-po amin’izay malala-tànana.
Thomas
kely
Itsy koa i Thomas fa efa taitra. Misangy amin’alika
kely, hany mba namany. Vao haingana io zaza 13 taona io no nomem-bazaha kiraro
tena tsara ery ! Saingy nendahin’ny namany izany nony alina. Mifanabotry masiaka
ny samy mafy ady. Nitaraina tany amiko izy hoe ampianarina hiaro tena.
Noraisiko nobeaziko tao amin’ny dojo-ko
toa ireo zaza sahirana ampianariko maimaimpoana ao. Saingy tsy naharaka firy i
Thomas.
Taty aoriana vao nolazainy tamiko hoe kepaka loatra
ny kibony isaky ny tonga mba hanao karaté izy. Sady ny ora fanazarantena
mifanandrify amin’ny fizaran’ny mpivarotra hani-masaka ao antsena izay ampango
tsy lany. Koa tsy maintsy kaly aloha vao karaté.
Ireo andian-jaza mpirenireny eto Antsirabe dia maro
no mpihantahanta amiko efa an-taonany satria hitako nitombo teny
an-ankalamanjana. Rehefa sendra ahy mandalo ry zareo dia miantsoantso avy
hatrany hoe : « Vahömbey ! Vahömbey !! »
Gaga ny olona sasany mahita ahy mifandray fo amin’izy
ireo, tsy taitra akory antsointsoiny amin’ny anarako. Marina anie ny azy ireo
ê. Mitovy amiko ireo zaza mpirenireny ireo, havany aho. Ary tsy maintsy avotako
ireo raha mbola omen’Andriamanitra fofonaina ihany aho.
Mpangataka teny andàlambe aho no nisy nanampy maimaimpoana
nahatonga ahy ho toa izao. Mby ny fotoana hanefako valimbabena. Izay no antony
lalina anaovako filohampirenena.
Antsirabe, 27 septambra 2013
Rabearison Roland Dieu Donné Vahömbey
VAHÖMBEY FAMà : http://www.youtube.com/watch?v=zQUM6sRL0NY
Komity
Manolotra an’i Vahömbey ho Filoha : https://www.facebook.com/pages/Komity-Manolotra-ani-Vahömbey-ho-Filoha/1417830165097065?ref=ts&fref=ts