lundi 20 juillet 2015

REVOLISIONA VAZIMBA - Faneva fotsy.

Tataovovonana. Alakamisy 16 jolay 2015. Antananarivo 

 MADAGASIKARA


REVOLISIONA VAZIMBA - Faneva fotsy.

Anjomara fanairana / Lettre ouverte :



REVOLISIONA VAZIMBA - Faneva fotsy.

SERASERA " Revolisiona Vazimba - Faneva fotsy.":




REVOLISIONA VAZIMBA - Faneva fotsy.


AOK’ IZAY !!!



REVOLISIONA VAZIMBA - Faneva fotsy.

AOK’ IZAY !!!

Vasobasoka fitafy, ho’aho, Ra-Malagasy.
Gilôbalôba fianjaika, tontatonta ratsiratsy.
Bàkiraro loadoaka, kapakapa lany ila,
Kolepadepaka mandringa, silasila, bilabila.

Sara-bady, lany vatsy, zanaka nafoy
Tompontrano koa nandroaka, akora lava hoe : « Kororoy !
Iantsoy vadintany, angalao fokontany !
Daroy, homboy, lakoy !! Vonoy !!!"

Lasa indray, mitanjozotra tsy ho aiza.
Mitady volakely amin’ny namana, sakaiza.
Mangataka etsia, mitrosatrosa eroa,
Na menatra olona aza, afoy ny ambom-po.

Olo-nianatra sady kinga no mahay.
Ny asa tsisy fa raha misy, andoavam-bola indray.
Voatery mitsoaka, mitsoaka trosan’olona,
Maty ihany no iafaràny, aoka izay mandrakizay !!

AOK’IZAY ! AOK’IZAY !! AOK’IZAY !!! AOK’IZAY !!!!


F A N E V A   F O T S Y  !

Saina fotsy fahiny !!

FANEVA Fotsy ANKEHITRINY !!!

Saina fotsy – drapeau blanc – raha milavo lefona, mibaboka fa resy. Atinakanjo fotsy, hono satria antsilin-tsofina, no nasain’ny mpanjaka Ranavalona faha-3 naharihary teny antendron’i Manjakamiadana nony tsy nanohitra intsony ny mpiantafik’i Renikelimalala izy. Mahonena !

FANEVA FOTSY – bannière blanche –.  Arangaranga ny faneva hibaribary antampon’ny loha. Vonona ny mpianady. Vonona hiatrika izay hifanandrina aminy. Vonona ! Na inon-kidona, na inon-kihatra. Efa nisotro ny aleoko maty. Efa nidio anaty. Madio sy mahitsy. Mitaky rariny. Mitaky hitsiny. Mampiranga faneva FOTSY.

Saina fotsy no nihafian’ny razambe Vazimba FAHINY.

FANEVA FOTSY no atsangan’ny taranaka Vazimba ANKEHITRINY.

R E V O L I S I O N A 


V A Z I M B A !


M B Y   N Y   F O T O A N A .

lundi 13 juillet 2015

Andriamatoa Filohan'ny Repoblika / Monsieur Le Président de la République,

FANEVA FOTSY - Bannière blanche

Andriamatoa Filohan'ny Repoblika,

Tompokolahy hajaina,

Olompirenena voafidim-bahoaka ianao. Asandrato ankasahiana ny hasim-pirenena. 
Saropady, raondriana, ny voady sahinao notononina ho ren-tany, ren-danitra, nandritra ny fianiananao. Koa miangavy anao antanàn-droa. Tanteraho dieny mbola fotoany.

Ry olom-boafidy hajaina isany,

Hatramin’ny rahoviana ianareo no halaza ratsy nohon’ny tsikalakalam-bola maramara fiaviana ? Miangavy antànan-droa, tompoko. Lolohavy ny haja amam-boninahitra natolotra an-tsitrapo anareo tsirairay avy.

Ry olom-panjakana isan’antanàntohatra,

Hefao antsakany sy andavany ny raharaham-panjakana sahinareo noraisina an-tànana. Ataovy madio mangarahara, tsy misy tomika. Mahasahia mametra-pialàna raha izay no tsy ho vita.

Ry vahiny mpamatsy vola isan-tsokajiny aman-tokony,

Ampiteraho ara-drariny eto Madagasikara ny tambin-karena izay notrandrahan’ny fanjakanareo sy mpangoronkarenareo an-kamitapitaka teto amin’ito tany masina, tanim-bazimba ito, efa anjato taona.

Ry Malagasy tsivakivolo,

Tandrovy ny hitsiny. Ny hitsiny ihany. Ny hitsiny hatrany.

Ahofahofa ny FANEVA FOTSY.

Amparisika ny olo-mazoto mpitaky fandriampahalemana sy fivoarana. Ahatanteraka ny fanambinana eto Madagasikara.

Andriamatoa Filohan'ny Repoblika,

Tompokolahy hajaina,

DIOVY NY FITANTANAM-PANJAKANA.

Mby ny fotoana.

Antsirabe, 13 jolay 2015

VAHÖMBEY.

__________________________


Monsieur Le Président de la République,

Excellence,

Vos concitoyens vous ont confié la majorité de leur vote. Veuillez leur prouver avec justesse et magnanimité que votre adoubement est, pour vous, sacré. Ils veulent la paix et le progrès. Ils s’impatientent à raison de vous voir démontrer pleinement vos capacités à ce sujet.

Mesdames et messieurs les Elus,

Jusqu’à quand vous permettrez-vous de défrayer les chroniques par l’insalubrité monnayable de vos pratiques ? Vous êtes les porte-voix des populations de vos circonscriptions et non seulement des artisans de vos élections. L’autorité conférée est sacrée. Quant au respect, il se conquiert.

Mesdames et messieurs les dépositaires de l’autorité officielle,

Veuillez sauvegarder la noblesse de vos fonctions respectives à quelque niveau que vous soyez. La bonne gouvernance est, avant tout, affaire de conscience. Aussi, toute compromission ne se rachète-t-elle à juste titre que par une volontaire démission.

Mesdames et messieurs les bailleurs de fonds et investisseurs,

Advient pour votre partie le moment de rendre à Madagasikara son légitime dû. Depuis des siècles, que de ressources n’y sont-elles frauduleusement exploitées, sinon pillées, pour enrichir les capitaux qu’actuellement, vous gérez. Intérêts pour intérêts, donnez sens à l’équité. Que la solvabilité se fasse précéder de la redevabilité.

Malagasy des quatre coins cardinaux,

Préservons la justesse. Rien que la justesse.

Le FANEVA FOTSY – bannière blanche - est hissé. Pour interpeller. Au nom de la paix et du progrès. En vue de la prospérité.

Monsieur Le Président de la République,

Excellence,

RENOVEZ L’ETAT DE DROIT.

Que ce moment-là soit.

Antsirabe, 13 juillet 2015.


VAHÖMBEY.