jeudi 9 juin 2011

TANTARAN-DRAZANA # 02

( Tohin'ny Tantaran-drazana # 01 )



6. NY ANJARA TOERANY TETO AMIN’NY NOSY : 

6.1 – Fampihavanaña : 

Fitondram-panjakana nanaña ny Hasiny sy ny Lazany tokoa teto anivon'ny riaka ny FANJAKANA ANTEMORO. Faritra iray ao amin'ny sisin-tany atsimo atsiñanan'ny Nosy no misy azy. Mañaraka ny làlam-pirenena faha-7, raha avy eto Antanàñarivo, ka mandray ny lalam-pirenena faha-12 raha tonga eo Ambohimahasoa.

Torak'izany koa raha mandray ny fiaran-dalambỳ avy ao Fianarantsoa-Manakara. Eo añelañelan'i Mananjary faritry ny Antambahoaka avy ao avaratra, fa eo atsimony kosa i Farafangana. Añisan'ny Foko nahay niara-monina tamin'ny rehetra hatrany ity Foko iray ho tantaraina aminao mpamaky ity.

Fantatra ary azo hamarinina izany, fa hatramin'ny taona 1790, dia nandefa olona efatra ny Foko BARA, hanohy ny fiaraha-monina sady hianatra fanandroaña sy ny fandrosoana ara-pomba amam-panao.

Nañiraka torak'izany koa ny ANTAMBAHOAKA avy ao Mananjary tamin'ny taona 1802-1842-1888.

Tamin'ny taona 1836 dia nañiraka indray ny Foko MAHAFALY. 
Torak'izany ihany koa ny Foko TANÔSY ZAFIRAMINIA tamin'ny taona 1842-1872.

Naniraka koa ny Foko SAKALAVAN'IMENABE.

Ny Foko teto IMERINA moa dia mazava ho azy fa añisan'ny nahazo tombony betsaka tamin'izany fampianarana avy tamin'ny Foko Raiamandreny Antemoro izany.

Añisan'ny reharehan'ny Foko MALAGASY indrindra ny nanañan'ny Firenena MALAGASY TANTARA VOASORATRA noho NY TENY SORATRA avy amin'ny SORABE ANTEMORO. Heverinay fa miara-manaiky izany aminay ny rehetra.

Torak'izany koa ny Foko BETSILEO, añisan'ny Taranaka nipoitra avy amin'ny Foko ANTEMORO Anteoñy dia ny Andriana ANDRIAMAROHALAÑA (Jereo Boky Rovan'Ambositra tompon'Añarana ). Fa tamin'ny Alakarabo 1170 tao ISANDRA, ny Antemoro atao hoe ANDRIAMPAHY na hoe ANDRIANOTAZOÑINA, sy Alijady 1182 tao AMBATOLAHIKOSOA ao Fianarantsoa (Ivoeñana), faritra tsy azon'ny lambo diavina.

Ny Foko MAHAFALY tamin'ny Asorotany 1104, tao ny Mpanjaka Raletsy.

Tamin'ny taona Alahasaty 1193 ny Sakalavan'Imenabe, Mpanjaka ANDRIANTÌRY ( Jereo Tantaran'ny Omby Vandamenabory ) - añisan'ny Foko Mpiziva ny ANTEMORO sy ny SAKALAVAN'IMENABE -.

Araka ny voalaza tery ambony dia niara-niasa tsy nisaraka hatrany ny Foko ANTEMORO sy ny Fokon'IMERINA, hatrany amin'ny andron'ireo Mpanjaka nifandimby ( ANDRIAMASINAVALOÑA - ANDRIANAMPOINIMERIÑA- RADAMA I ). Raha tsy hilaza afa-tsy ireo aloha, fa maro izy ireo no nifandimby tamin'izany.
Tao koa ny Mpanjakavavy RANAVALONA II, izay nitondra, ka nifanojo indrindra tamin'ny ady an-trano nifanaovan'ny Foko ANTEMORO tao Vohipeno ( Ady Sombily - 1883-1887 ).

Nandray anjara lehibe tamin'ny fandaminaña izany ady an-traño izany ny Foko MERINA, ka nandefasan'ny Mapanjaka an'ANDRIANTSARABIKA, añisan'ny lehiben'ny tafika nampandry tany tamin'iny faritry ny Antemoro iny, ka efa ela vao tafaverina taty Imerina.

Avy eo izy voatendry ho mpifehy ny miaramila tany Vonizongo teto Imerina indray. Lahy roa sy vavy efatra no zanany. Nisy vitsivitsy ny zafiny, ary ny zafiny sasany sisa velona dia nipetraka tamim-bodivona. Ary ny Zafiny iray RATSIMAMAKITANY ( Ratany ), sy RAKOTOVODIHEVITRA, governora Principal tao Ankazobe Vonizongo. Efa nahatratra 100 taona ANDRIATSARABIKA vao maty ( pejy 37 - Tantaran-dRazana Antemoro Anteoñy, nosoratan'i ROMBAKA ).

Torak'izany koa ny Komandy RABENJAMINA niara-dìa taminy, nandray anjara lehibe tokoa teo amin'ny fampihavanaña ny ady nifanaritaka teo amin'ny Foko samy Antemoro.

Tamin'izany ady izany no nahitaña ny Kintaña manan-drambo añisan'ny fantatry ny maro mpahalala, fa fambaran-javatra mahatahotra tokoa tamin'iny faritra mañodidiña tamin'izany ady Sombily izany.

Tamin'ny taona Hezira 364 ( tamin'ny andron'ny Onjatsy sy ny Antetsimeto Rañaha ) no nahatonga ny mponina tao Antañavo, 4 Kms avy ao amin'ny tanàña Añivorano, faritany Antsirañana, nanjary voay, raha voahozoña ka tsy nañome rano hosotroina ireo vahiny tonga tao. Mbola hita ny endriky ireo voay ireo ao amin'io dobo lehibe misy azy ireo. Mbola hita sy tazaña ao hatramin'izao ny traño na tanàña milentika ao. Ary tsara ampahalalaina fa na dia voahodidiña hazo maniry aza io. Manan-kasina ao Antañavo io, dia tsy ahitana latsaka ao añaty rano ny ravin-kazo maiña ( mahagaga io )...

Torak'izany koa tao Vohimaro, tanàña ao ANDRANOMAMY , 2 Kms ny tanàña Amborôñana ao Tanambao atao hoe - Lac Vert -, ka mbola hita ny lohan'ny olona nanjary voay ( na toy ny loham-boay no marimariña kokoa ).

Torak'izany ny tao FIHEREÑANA TOLIARY, sy ny TSIMIHETY ZAFINIMENA sy ZAFINIFOTSY tao Mahajanga, ary ireo toerana maro tsy voatañisa avokoa. Tsy lavinay fa añisan'ny Mpivahiny avokoa sy Mpiavy ny Foko rehetra mañeraña ny Nosy. Nefa dia tsy nahasakana ny fifandraisany teo amin'ny fiaraha-monina izany.

Ireo voalazanay ireo izany no azonay lazaina fa nitohizan'ny Fihavanan'ny Foko Antemoro sy ny Foko maro mañeraña ny Nosy. Fa tsy mbola nanam-pahavalo na iza na iza tamin'ny Malagasy mañeraña ny Nosy ny Foko Antemoro. heverinay fa miara-miaiky izany aminay ny rehetra. Ary saika mazana dia mpiziva avokoa no niavian'ny Fihavanan'ny Malagasy manontolo.

Fa amin'ity Nosy ity, dia FIHAVANAÑA NATAON'NY RAZAMBE MIRAY TALOHA NY ZIVA, ka nahatonga azy ireo ho MPIFAÑOMPA-MIRAY TENY, LOHATENY , ZIVA,SOMANDRAZA, ZAKAVALA, sy ny sisa tsy voalaza, fa ireo rehetra ireo dia fantatra amin'ny teny hoe : ZIVA avokoa ka nahatonga ny Fihavanan'ireo Razantsika Malagasy teo aloha tsy rava.

Añisan'ny Manan-kasiña bebe kokoa noho ny FATIDRA ny ZIVA. Mbola hisy fotoaña hiresahantsika bebe kokoa ny amin'ny teny hoe ZIVA ( Parenté à plaisanterie ) hoy ny teny Frantsay, fa frère de sang, na Sœur de sang. Manan-kolazaina betsaka sy laza isika raha ny amin'izany, fa ho resahintsika amin'ny manaraka izany.

6.2 – Mpanolon-tsaina :

Voalazan'ny mpanoratra vazaha iray - Gabriel Fernand tamin'ny taona 1891 ( boky " LES MUSULMANS A MADAGASCAR ET AUX ILES COMORES " - Chapitre IV, pages 41-49 ) sady voalaza amin'ny teny vazaha no voadika amin'ny teny malagasy ihany koa, ka indro alefantsika araka izany :

" Ny Onjatsy dia karazan'olona monina ao atsimo atsiñanan'i Madagasikara, ary ny Razana niaviany dia avy any andafin'ny ranomasiña. Ary izy ireo dia manaña fahaizana amy ny fañafody araka izay nentin-dRazany avy "Onjatsy sy Tsimaito" izany. Manampahaizana momba ny zavatra ety ambonin'ny tany, izany hoe : ny zava-mihetsiketsika rehetra no ahalalany izany, ny zavatra ho avy, na ho ratsy na ho tsara.

Ary ireo Onjatsy sy Tsimaito ireo dia nasian'ny teo aloha ny añaraña hoe :

MPITAIZA NY TANY SY NY VAHOAKA. ARY IREO ONJATSY IREO TAMIN'NY ANDRON-dRadama rainy dia nañome toky azy hoe : NA AIZA NA AIZA TANY ALEHANAO ILAIDAMA, DIA TSY MAINTSY HOMBA ANAO IZAHAY,HITAIZA ANAO HAMPANDRY NY TANY SY NY FANJAKANA. ARY HITA TOKOA TAMIN'IZANY, FA NA TAIZA NA TAIZA TANY NANAFIHAN'ILAIDAMA KA NITONDRANY AZY IREO, DIA TSY MAINTSY NAHARESY IZY IREO. ARY MBOLA TSY RESY AN'ADY NA OVIANA NA OVIANA.

ARY IZANY FOMBA FAHAIZANY IZANY DIA EFA HITA AVOKOA AMY NY BOKINY, KA HAHALALANY NY ZAVATRA REHETRA NA INONA NA INONA. "

Toy izao kosa ny amin'ny teny Frantsay :

" LES ONJATSY ET LES TSIMAITO PORTAIENT AUTREFOIS LE NOM DE CONSEILLER DE LA TERRE ET DES PEUPLES. Sous le règne de Radama 1-er, les Onjatsy promirent à ce Roi de l'accompagner partout où Il irait, de Le conseiller et de faire régner la paix dans son Royaume. Partout où ils l'accompagnèrent, Radama fut vainqueur, et il n'a encore été vaincu nulle part. Ils ont puisé la science des sorts dans leurs livres qui leur ont appris toutes choses. " 

Heverinay fa tsy hisalasalana mihitsy ny milaza etoaña, fa ny Foko Antemoro no añisan'ny nandray anjara lehibe tokoa teo amin'ny fañatsaraña ny Fihavanaña sy ny fiaraha-moniña ary ny fiaraha-miasan'ny tsairairay, fa saika ahitaña azy avokoa moa ny tany rehetra mañeraña ny Nosy.

Fa tsaroan'ny Merina indrindra ny fandraisana anjara betsaka nataon'ny Antemoro teto Imerina. Hita fa somary nisy fialoñana ny fisian'ny Zanak'Andriaña Antemoro, fa namoronan-kevitra ny hanesorana azy ireo tsy ho ao an-dapan'Andriaña intsony. Nisy nifofo ny ain'izy ireo mihitsy aza tamin'izany.

Fa araka ny voalazan'ny Mpanoratra Kasanga Fernand tamin'ny Boky Andrianampoinimerina sy Ilaidama, misy pejy 96 :

« Fa tamin'ny andron-dRadama Rainy, volana Asombola ( 1188 ) + 622 = 1810, raha nañatoña ny Mpanjaka Radama Rainy ireto Antemoro izay sisa tsy maty novonoin'ny mpialona, ka tsy mbola hita ny fatin'izy telolahy. Nampanao famotoraña sy fikarohaña ny Mpanjaka tamin'izany, nefa tsy hita raha tsy afaka tapa-bolaña tao Mahazoarivo ny fatin'izy ireo. Nañome lamba sy vola Radama nentina hikarakarana ny fandeveñana izay natao vonjimaika tao Ambatoroka. Fa ny fasaña nahafatesan'izy ireo tao Mahazoarivo dia mbola hita ao ihany mandraka androany. Nohon'ny fikarakaraña sy noho ny fañampiaña lehibe nataon'ny Mpanjaka dia nalefa tañy Vohipeno ny razan'izy telolahy ireo.”

Ka na dia teo aza ny savorovoro tamin'ny nahafatesan'ireo iraky ny Antemoro ireo dia azo lazaina fa tsy naharava ny fihavanan'ny foko anankiroa izany. Ary niezaka hatrany ireo Mpitondra Fanjakana roa tonta ahatsara kokoa ny fiaraha-miasan'ny roa tonta.

Radama tamin'ny nahatongavan'ireo Antemoro dia mbola zaza folo taona teo ho eo, nefa niara-nitombo tsara tamin'ny fombafomba rehetra narahin-dRainy. Henony, hitan'ny masony avokoa ny tontalin-kevitra rehetra nampiasain-dRainy, ny resaka miafina sy ny fifanarahana, ny FAMPIDIRAÑA AZY IREO HO MPIHEVIM-PANJAKAÑA SY NY FANDRAISANA AZY HO AÑISAN’I ANDRIAMASINAVALOÑA.

Tsy nisy niafina taminy izany rehetra izany, hatramin'ny fañomezaña an'Andriamahazonoro vehivavy ho vadiny tao amin'ny fianakaviany, dia Rafaravavy teo amin'ny Andriandranando izany. Fantan-dRadama efa ela ilay fotoaña voafetra nifanarahana hampivereñana azy ireo any an-Tanindrazany. Koa dia nandeha dia nandeha ny fisaiñany.

Fa indraindray toa tsy te-hampiasa hery sy fahefana intsony, fa ny fangatahana nataony dia nolavin'ny Antemoro avokoa. Fa na dia lasa niveriña nody añy Vohipeno aza ireo Antemoro sasany dia nanapa-kevitra Ratsilikaina sy Andriamahazonoro fa tsy hiveriña any Matitañana fa hitoetra eto Imerina.
Efa mila tsy ho zakan'ny Hova intsony ny asa ratsy nataon'ny Tañindraña, koa dia nampiantso an'Andriamahazonoro Radama hotolorany zavatra hoentiny any Matitañana sy izay hafatrafatra ho an'ny Mpanjaka any Matitañana.

Tamin'ny fitondrana ireo Razaña ho entina any Matitañana, dia nanapa-kevitra Radama fa hiara-hiainga teto Antanàñarivo ny Andro Alarobia volana Asorotany, taona 1195+622=1817.

Fa Radama koa dia nitondra ny vatan-dehilahy iray alina am-basy sy an-defoña, fanalolahy 500, tandapa 20, mpihevi-panjakana 40 lahy. Izahay kosa dia Andriamiadana avy any Dilambato, Rainivelo avy añy Ambodimanga sy Andriamiray ary ankizy iray avy. Roa tokom-bolaña vao tonga tany Matitañana izy ireo.

Avy amin’ity taranaka Anakara ity no nipoiran’Andriamahazonoro, fantatra eto Imerina loatra. Fa raha tonga teto Imerina ny Antemoro dia lasa Mpanolontsainan’ny Mpanjaka hatramin’ny andron’Andriamasinavaloña sy Andrianampoinimeriña ary Radama I sy ny sisa tsy voatoñona, ka nanambady an-dRafaravavy tao amin’ny Andriandranando ka niteraka an-dRaharolahy sy ireo taranany.

Tsy ny Anakara ihany anefa no iraky ny Antemoro teto Imerina, fa samy nisy tao avokoa ny Anteoñy – Antalaotra, ny Zafimbolazia. Ny an’ny Onjatsy kosa dia tamin’ny andron’Andrianampoinimeriña sy Radama I ( Boky : Les Musulmans à Madagascar et aux Iles Comores – Gabriel Ferrand – 1891 – Chapitre IV ).

Tsara homarihina ihany koa fa tsy ny Anakara irery akory no notoloran’Andrianam-poinimeriña ny fiandriañana ho Andriamasinavaloña teto Imerina fa ny Antemoro, noho izy ireo isan’ny Mpihevi-mpanjakaña sy Mpanolontsaiña tao andapany.

6.3 – Faminaniaña : 

Ndeha hiverina any Vohipeno indray isika hitantara ny fanjakana Antemoro. Maro ny faminaniaña efa voalaza ny amin'ny ho avin'ny Firenena sy ny Foko Malagasy, raha ny ho avy no jerena. Fa tamin'ny andron'ny Mpanjaka Andrianampoinimeriña teto Imerina, dia nametraka fañontaniaña tamin'ireo Antemoro Mpanolontsainy ireo ny mpanjaka, ka hoy izy tamin'izany :

" INDRO IANAREO OLON-KENDRY ANTEMORO , MINO AHO FA AZONAREO ATAO NY MILAZA AMIKO NY HO AVIN'NY FITONDRAM-PANJAKANA MALAGASY, MANOMBOKA AMIN'IZAO HITONDRAKO AZY IZAO, KA MITOHY HATRANY.... HATRANY.... ?".

Na dia somary Teny hentitra sy ho fitsapana ihany aza no nilazan'ny Mpanjaka izany ka nametrahany izany fañontaniaña izany dia voñona tsy nisalasala kosa ireto olon-kendry Antemoro ireto no nilaza ny Zava-mariña sy ny Teny mariña mikasika ny amin'ity FIRENENA MALAGASY ITY, ka hoy ireo raha namaly ny tenin'ny Mpanjaka :

" RY MPANJAKA HENDRY, RAHA IZANY NO TIANAO HO FANTATRA SY TIANAO HO RE DIA VONONA IZAHAY HILAZA AZY ? NEFA AOKA TSY HO TSINY, AOKA TSY HANANAM-PONDRO, SATRIA TSY HILAZA AFA-TSY IZAY FANTATRAY SY HAINAY IZAHAY, ARY TOY IZAO IZANY :

FA ANKOATR'IZAO FITONDRANA ENTINAO IZAO RY MPANJAKA DIA HISY FITONDRAM-BEHIVAVY ( ary dia tonga tokoa izany ).

ARY AORIAN'NY FITONDRAM-BEHIVAVY DIA HISY NY FITONDRAM-BAHINY ( ary dia tonga tokoa izany ),

ANKOATRA NY FITONDRAN'NY VAHINY DIA HISY NY FITONDRAN'NY MPIAVY ( ary dia tonga tokoa izany ),

ANKOATRA NY FITONDRAN'NY MPIAVY DIA HO AVY NY FITONDRANA SADASADA ( heverinay fa nisy koa izany ),

ANKOATRA NY FITONDRANA SADASADA DIA HIVERINA AMIN'NY TOMPONY NY TANY (tsy misalasala izahay raha milaza fa tonga ary nisy teto izany ),

AORIAN'ZANY DIA HO ENTIN'NY TOMPONY NY TANINY " ( , ka handry fahalemana ny Vahoaka Malagasy, ary tsy hisy intsony, sy ho foana ny fifandrafesana eto amin'ity Nosy ity, tsy hisy ny ady an-traño, hitovy tanteraka ny saranga, fa tsy hisy ny ambony na ambany fa tokony hitovy. ). 

Ary toy izao no antsovon-Teny nataon'ireo Olonkendry Antemoro hoe :

" HAHAY HIARA-MONIÑA AMIN’NY VAHOAKA KA HANDRAY SY HAKA-TAHAKA IZAO FITONDRANAO IZAO RY MPANJAKA HENDRY ". 

Faly tokoa ny Mpanjaka raha nahare ny filazan'ireto Olonkendry Antemoro ireto, na dia teo aza ny tebiteby sy tahotra.

FA NY FITONDRAN'ANDRIANAMPOINIMERIÑA MOA DIA FITONDRANA NAMPIRAY SY NAMPIVONDROÑA NY TARANAKA MALAGASY, KA NAHATONGA NY FANJAKANA NENTINY AÑISAN'NY NAHARITRA ELA INDRINDRA HITA HATRAMIN'IZAY. ( ANDRIANAMPOINIMERIÑA OU LA RELIGION DU POUVOIR UNIFIE ).

Fa hoy ny Mpanjaka Andrianampoinimeriña raha nitety faritany hila fihavanana amin'ny vahoaka izy :

" KOA SATRIA NY RANOMASIÑA NO VALAM-PARIHIKO, NY OMBILAHY TSY ROA AM-PAHITRA, ARY NY FANJAKANA TSY HANAÑAN-KAVAÑA , ka indro ny rano mikoriana amin'ny fefiloha, koa samia miasa sy mamboly ho enti-mandresy ny fahavalo dia ny mosary, ary izay vokatra rehetra miakatra dia tsara raha entina hanaovaña Takalo eñy an-Tsena. Satria ny Tsena dia toy ny LAPAKO, fa izay mangalatra ao an-Tsena dia toy ny mangalatra ao an-Dapako, ka mendrika ho faizina mafy."

Heverinay fa miankina amin'ny Malagasy manontolo anefa ny ahatanteraka izany fa mba samy handray ny andraikitra manandrify azy avy, fa izay tsy mahay sobìka, dia aoka hahay fatambary, araka ny Ohabolan-dRazaña io.

Mino sy mañanteña izahay fa hiverina tokoa io fitondram-panjakaña añatin'ny fiaraha-moniña tsisy romoromo, satria hitanay sy fantatray fa vahoaka mihezaka hivoatra hatrany ny Malagasy, na an-tsaha izany na an-tanan-dehibe.

Ireto kosa ny Faminaniaña Antemoro tanteraka ihany koa amin'izao fotoaña izao ao Matitañana :

Fa RAHA FENO FITO NY NOSY AO MATITAÑANA DIA MODY ATY MADAGASIKARA i LAMEKA : FA HISY ÑY SOMONDRARA BOTRY - HISY ÑY VOATROTROKOLO - HISY ÑY SADIKA SAMPANA - HIAROHARO ÑY TANY.

Ireto kosa ireo Nosy manan-kasiña fito ireo :

SOAMASIRY ( ao Andrañovolo ) - AMPASIMBOLA ( any ambonin'ny rano), MAÑANDRIAÑA ( eo amin'ny Bac taloha ), NOSIMAHETSAKY ( ao Sañambary ), NOSIBE ( ao Onjatsy ), NOSIRANTO ( ao Onjatsy ), TAPAKALA ( ao Onjatsy ).

Ankoatr'ireo voalaza ireo dia tsy hay hadinoiña ny toeraña manan-daza iray dia AMBATOMISEVA izany, io no toeraña mahatahotra indrindra tamin'ny Foko Antemoro, indrindra fa ny Vehivavy, raha sendra ka hilaozan'ny vadiny mila ravinahitra añy ivelany, na añy an-tany lavitra, ka efa bevohoka roa na telo volaña sahady ilay vehivavy.

Koa tamin'izany andro sy fotoaña izany dia tonga mitangeña, mandro eo amin'ny Rano Ambatomiseva ilay vehivavy, hilaza amin'ny be sy ny maro fa ity zaza ao an-kibony ity dia aoka hivoaka soamantsara, raha an'i Ranona tsy misy fangarony. Fa raha sañatria kosa dia hitan'ity Tany sy Toera-Masiña ity. Mbola hidirantsika manokaña amin'ny mañaraka izany. Fa toeraña fihozoñana tamin'ny andro taloha io, fa toeram-pitsaraña ( Tribunal Populaire Ancestral Antemoro ) ihany koa.

7- NY ANKEHITRINY : 

Na dia misy ny fizarazarana isan-trokiny dia Antemoro avokoa izy ireo voalaza ery ambony ireo: Onjatsy Antemoro, Anteoñy Antemoro, Antalaotra Antemoro, sy ny sisa maro tsy voatanisa.

Araka ny vanim-potoaña fantatra hatramin’izao dia hankalaza ny faha 500 taona niaviany ireto Anteoñy ireto.

Lapabe hitambaran’ny Antemoro manontolo ity FENOVOLA ity, ka tsy misy azo ahilikilika ao amin’ity trañobe lapan’i Fenovola ity. Fa na iza na iza dia manaña anjara toeraña eo avokoa.

Fa ny toeran’ny Onjatsy kosa no tiana hohazavaina betsaka eto. Fa raha ery amin’ny varavarambe atsiñanaña avaratra dia ny Onjatsy no tompon’ny toeraña eo voalohany – tsy azon’ny rehetra lavina io noho ny maha-zokiolona voalohany ny Onjatsy.

Raha eo atsimom-baravaraña atsiñanaña toerana misy ny Ndreñony, dia mbola toeraña misy ny Onjatsy ihany koa izany. Satria zanaky ny Onjatsy ny Anteoñy ka na iza na iza mpanjaka Ndreñony mitondra ity Fenovola ity dia tsy misy afaka mañilika ny Onjatsy akory, fa raha mipetraka eo añoloan’i Ndreñony ny Onjatsy dia toy ny mibaby azy fa zanany io. Fa raha mipetraka kosa ao andamosin’i Ndreñony ny Onjatsy dia toy ny mitrotro ny zanany izy. 

Misy andry lehibe telo añatin’ity traño Fenovola ity, ka ny iray Avaratra an’ny Anteoñy, ny Afovoany an’ny Antalaotra ary ny Atsimo an’ny Ampanabaka sy ireo maro tsy voatañisa mpañotroña azy avy.

Fa traño sivy metatra ny lavany ary sivy metatra ihany koa ny sakany, kanefa na maro na vitsy ny olona mivory ao añatin’ity traño lapa Fenovola ity, dia samy manaña ny anjara toerany avokoa.

Ny ONJATSY no tonga voalohany – izany hoe Razambe niandohan’ny Anteoñy. 
Araka ny voalaza tary aloha dia Onjatsivavy ny renin-dRandriamarohalaña nañitatra ny taranaka Anteoñy. Talohan’ny hafatesany Ratandramasy dia nañafatra an-janany lahitokana Andriamarohalaña hoe :

“ Rehefa maty aho dia mangataka hileviña hody eny amin’ny Onjatsy Razaña niandohako”.

Dia notanterahina tokoa izany ka nileviña ao amin’ny Rovan’ny Onjatsy ao Ambohabe Saririmasiña izy, ary misy vato lehibe mañamariña izany ao. 
Taty aoriana anefa rehefa maty kosa Andriamarohalaña razan’ny Anteoñy zanaky Ratandramasy dia nañafatra ireto Anteoñy taranany hoe:

“ Raha maty aho dia aza aleviña aty amin’ny Raiko eny amin’ny Anteoñy fa aleveño hiaraka amin-dReniko Ratandramasy Onjatsivavy”.

Dia notanterahina tokoa izany, ka misy vato iray lehibe koa mañambara izany eo añilan’ny reniny ao añatin’ny Rova Ambohabe.

Koa dia tsara holazaina eto izany fa mañitsy ny diso filazan’ireo taranaka ankehitriny tsy mahay tantara na mañadiso tantara. Fa ñy mariña dia vaton’Andriamarohalaña sy vaton-dRatandramasy reniny ( fa tsy vadiny akory), satria tsy mileviña velively eñy amin’ny Rovan’ny Onjatsy velively ny vadin’Andriamarohalaña Anteoñy. Nanomboka tamin’izany fotoaña izany no nanañan’ny Anteoñy anjara ao amin’ny Rovan’ny Onjatsy eñy Ambohabe.

Tsara homarihina koa fa tsy misy vorondolo mitera-boromanga na voromanga mitera-borondolo.

Mbola hamafisinay etoaña fa ny Onjatsy irery no tompon’adidy amin’io Rovan’Ambohabe io, torak’izany izy ihany koa no tompon’adidy sy andraikitra amin’ny Viñany, ka raha misy lanonana atao amin’izany dia ny Onjatsy irery ihany no tompon’antoka.

Mbola izy ihany koa no tompon’ny Sombily, izany hoe raha misy famonoaña omby amin’ny lañonaña ara-pombandrazaña sy ny sisa … Tamin’ny taona 1883-1887 dia nisy ny ady nifanaovan’ny Antemoro samy Antemoro noho io resaka Sombily io. Ny marimariña kokoa dia ady nifanaovan’ny Anteoñy sy ñy Ampanabaka.

Koa satria maro añ’isa ñy Ampanabaka fa vitsy kosa ny Anteoñy tamin’izany, ka nandositra teñy amin’ny Onjatsy reniny ireto Anteoñy. Raha nahita izany ireto Ampanabaka dia nodoran’izy ireo ny tanàñan’ny Onjatsy, ka vaky nandositra. Ny sasany lasa niañatsimo tao amin’ny foko Zafisoro, ny sasany kosa niañavaratra ka ao Mahanoro na Ambilabe ( izay misy Onjatsy telo troky hatramin’izao – azo hamarinina avokoa ireo voalaza ireo ).

Ireo taranaka Anteoñy voalaza ireo dia samy manaña anjara Trañobe ao amin’ny Onjatsy telotròky avokoa. Hitanay sy fantatray fa maro ny taranaka Antemoro mpikaroka sy mpitantara no tsy mahalala ny tantara toy itony.

Tao amin’ny Trañobe Soromala ao Onjatsy no niandohan’ny Ndreñony, tamin’ny andron’i Ndreñony sy Tsimatahodrafy mivady araka ny voalaza tary aloha, ka niteraka an- dRatandramasy izay nalain-dRamosamarỳ Anteoñy ho vady, ka niteraka an’Andriamarohalaña.

Nahay nifañaran-tsaiña anefa ireo razaña teo aloha ka noho ny fifankatiavana dia nomen’ny Onjatsy an’ireto taranaka Anteoñy ireto ny zanany vavy Ratandramasy sy ny fitondraña Ndreñony ka azy ireo hatramin’izao, nefa mbola mitoetra mandrak’ankehitriny ao amin’ny Trañobe Soromala. Onjatsy ny añaram-boninahitra Ndreñony, izay mbola lovan’ny taranaka sy entin’ny taranany hatramin’izao.

Ka na teo aza ny fizarana io andraikitra lehibe io dia mahay mifañaja izy ireo isaky ny misy lañonaña ataon’ny Antemoro eny Ambohabe Saririmasiña Rovan’ny Onjatsy, ka tsy maintsy mañome voninahitra ny Onjatsy Razambe niandohaña ireto Anteoñy ireto, sady mampilaza mialohan’ny fotoaña fa ho avy.

Tsy voahaja anefa izany rafitra fifampitondraña izany ankehitriny. Ny ANTONY ??? …. Na hodian-tsy fantatra ireo rafitra voalaza ery aloha ireo, na tsy fahaizan-tantara, na tsy firaharahàna fotsiny izao …

Vita soamantsara ny fañatsaraña fañintelony ny lapa Fenovola tamin’ny taon-jòma 2000 tao Vohipeno. Nanaña anjara lehibe tamin’izany ny Onjatsy noho io lañonaña lehibe io. Somary nanahiran-tsaiña ny taranak’Anteoñy izany fahitaña ny taranak’Onjatsy nandray anjara tamin’ny lañonaña izany, dia tsy nisy olona tokony nañatanteraka izany raha tsy ireo taranak’Anteoñy ihany: tamin’ny fanoloraña fanalahidin’ny lapa tamin’iny taoña 2000 Iñy.

Fa tamin’ny taoña 2001 volaña Jona lasa iñy dia hidirana ara-pomban-dRazaña Antemoro ny lapa Fenovola. Hita fa mbola tsy nahafaly ny taranak’Anteoñy sasany ny anjara toeraña noraisin’ny Onjatsy tamin’ny alàlan’ny taranany.
Ny Onjatsy moa no Zokintany ao Matatàña, vao mañaraka ireo taranaka taty aoriana toy ny Anteoñy, sns … Noho izany dia sarotra sady tsy tsara ny manao lañonaña ao amin’ny Foko Antemoro raha tsy vory avokoa ny Antemoro, indrindra fa ny Onjatsy.

Aoka jerena amin’ny fo tsy miangatra, sady amim-pahamariñana ny anjara toeran’ny Onjatsy raha jerena eo amin’ny Lapa Fenovola.

Voalohany : amin’ny maha olo-manan-kaja azy dia ery amin’ny sisim-baravaraña voalohany atsiñanaña no toerana misy azy.

Faharoa : Olonkafa no nitoetra teo tamin’ny taoña 2001 lasa iny, fa vahiny Betsileo iray no teo.

Mañarak’izany dia tsy maintsy mitrotro ny Ndreñony ny Onjatsy amin’ny maha-zanany azy. Raha eo anoloan’ny Ndreñony no toerany dia toy ny mibaby ny zanany izy, fa raha ao andamosin’ny Ndreñony kosa no misy dia toy ny mitrotro an-janany izy.

Koa noho izany dia tsy maintsy voafaritra toy izany ny anjara toeran’ny foko Onjatsy raha ny ao Matitañana no jerena. Izany dia mampianatra sady mañitsy ny hevi-diso ataon’ny sasany milaza fa ny Onjatsy dia tsy manaña anjara ao amin’ny Lapa Fenovola. Aoka koa ny mpikaroka tantara tsy ho voasariky ny hevi-diso tsy mariña.

Fantatra sy hita fa misy olona sasany mañome tantara tsy mariña raha momba ny Foko Antemoro fa ny azy kosa no hatsarainy, fa ny an’ny hafa haratsiany. Fa ny tiana holazaina kosa dia fantatr’izy ireo mazava tsara ny anjara toeran’ny tsirairay ao Matitañana, fa inian’izy ireo kosa ho disoiña mba ampisongadina azy manokana, fa ataony kosa ny hañaratsiaña ny an’ny sasany.

Ny taranaky ny Onjatsy kosa dia tsy afaka manaiky izany hevi-diso izany fa manaña ny taranany sy ny zanany mpahay tantara izy ireo ka tsy hamela ny mariña afenina tsy ho fantatr’ireo taranany, sy ny foko maro.

- Toy izao kosa no voalazan’Atoa Kasanga Fernand, mpanoratra malaza teo amin’ny Anakara mikasika ireo foko tao amin’ny Antemoro :

1.- NY ANTEOÑY dia avy any IONI ( Arabo Grika ) ;
2.- NY ONJATSY dia Arabo fotsy avy ao Medine Lameka ;
3.- NY ANTETSIMETO dia Sunnite Arabon’i Alzeria ;
4.- NY ZAFIMBOLAZIA dia Karana ;
5.- NY ANTAMBAHOAKA dia Taranaka Arabo ihany koa, niara-dia tamin’ny Onjatsy ;
6.- NY TANÔSY dia niforoña teto,fa taranaky ny Zafiraminia izy ireo ;
7.- NY ANAKARA dia Jiosy Israelita noniña tao Arabia ;
8.- NY ANTEVANDRIKA dia fifangarohan’ny ankizy niara-dia tamin’ny mpifindra monina rehetra.

Raha fehezina izany dia fahiny elabe no nahitaña olona dimy karazana teto Matitañana izay mameno ny foko Antemoro, izay toy izao mañaraka izao ( Il y avait cinq tribus qui composaient la race Antemoro ) :

Ny Onjatsy, ny Anteoñy, ny Antalaotra, ny Ampanabaka ary ny Atetsimatry. Samy manaña ny tanàña sy ny renivohitra nisy azy avy izy ireo.

Ny Onjatsy moa dia sady añaran’ny tanàña misy azy ireo no mbola añaran’ny mponina ao aminy koa, nefa tsy manaña afa-tsy tanàña iray ihany, fa tsy neken’ny Zañahary sy ny Razany hanao tanàña maro hitoerany. Misy Trañobe telo dia ny ANTENAY - SOROMALA – FOSANDRIAÑA.

Raha jerena ny boky navoakan'ny Université de Madagasikara, ao amin'ny Faculté des Droits et Sciences Economiques - Cahiers du Centre d'Etudes et des Coutumes - Directeur : Mme ROUHETTE - N°7 et 8, page 225,226,227,228,229 ) dia milaza hoe :

" La région d'Onjatsy jusqu'aux écoles d'Ivato et de Vohindava est habitée par des Antemoro de la tribu des Onjatsy, des Anteoñy, des Antalaotra et des Velombazaha ( caste esclave ). 
- Le village d'Onjatsy lui-même est peuplé entièrement des Onjatsy. Ils occupent aussi un petit village appelé Ambohitrova. Ce dernier est situé au bord de la mer sur la rive gauche de l'embouchure de la rivière Matitañana.
- Tous les Antemoro sont d'accord que les Onjatsy sont les premiers Antemoro habitant cette région. Ils sont établis dans cette région depuis une époque très ancienne. Ils sont venus bien longtemps avant la conquête de cette région par les Hova. Au village il ya trois Trañobe ou Fatrangé : ANTENAY - SOROMALA - FOSANDRIANA , ces trois sous-clans n'habitent que le village d'Onjatsy et d'Ambohitrova. 
- Un grand nombre des Antemoro sont aussi d'accord que les Onjatsy sont les premiers venus parmi ces tribus. Autrefois, ils habitaient un village appelé SARIRIMASIÑA ( Sarihimasy ), auprès du Rova où reposent les Ancêtres des Onjatsy, on y trouve le tombeau. 
- Même, si les Onjatsy sont les premiers venus de cette région, ils ne sont pas beaucoup plus nombreux, et comme on dit que LES ANDRIAÑA NE SONT PAS NOMBREUX. Le village s'appelle Onjatsy et les habitants aussi s'appellent Onjatsy. "




Hialaña tsiñy indrindra amin'ny mpamaky fa tsy maintsy nadika araka ny nahitana azy tamin'ny boky amin'ny teny vazaha ny tantara, fa sarotra aminay kosa ny tsy hilaza izay teny lazain'ny mpanoratra ny amin'ity foko Onjatsy ity.

Ny Anteoñy kosa na dia maro aza dia teo Ivato no nofidin’izy ireo ho renivohiny. Ary misy tanàña an’ny Antesambo ( taranak’i Sambo ) ao Lokomby sy ny mañodidiña, an’ny Antemahazo ( taranak’I Mahazo ) faritra Andemaka sy ny mañodidina azy, ary an’ny Anteoñy ( taranak’i Ony ) Ivato renivohiny hatramin’izao. Fa ny Zafirambo kosa na dia zokiny indrindra aza, dia nieli-patraña mañeraña ny Nosy, fa i Rambo no niandohany.

Ny Antalaotra : Koto ( Vohibolo ) – Sañambary – Savaña – Vatomasy – Antelangisay – Zafimbolazỳ ( Voasary ).

Ny Ampanabaka : Ambinañy – Mainty – Vohindava – Vohitrindry – Marovato ;
Mbola tohizantsika ihany ny filazan'ilay boky amin'ny teny frantsay, ary toy izao izany:

« - Par contre, les Ampanabaka, surtout les habitants de Mainty, sont venus dans cette région longtemps après la création du village d'Onjatsy. Dès leur arrivée, ils ne furent pas reçus par les Anteoñy et les Antalaotra. Ils virent trouver les Onjatsy, alors et ceux-ci leur donnèrent un terrain pour cultiver ; de plus ils les autorisent d'enterrer leurs morts auprès de ceux des Onjatsy. Voilà pourquoi leurs tombeaux sont voisins, et on les appellent les Antepipìky. »
Ny Antetsimatry : Ilakatra – Bevohitra ( Ifanireha ).


TENY FAMARAÑANA :



Fa ny Firenena Malagasy no firenena fahatelo amin'izao tontolo izao, fa hoy ny Mpanoratra Augustin Chaboseau ao amin'ny boky nosoratany " LA PHILOSOPHIE BOUDDHIQUE " Edition Astra, page 126, toy izao no filazany azy amin'ny teny Frantsay :

" Le Continent que l'avant dernier déluge a détruit, Lemuria, offrait son centre là où s'étale aujourd'hui l'OCEAN INDIEN, entre les Mascareignes et l'Australie. Il était le domaine de la troisième race humaine, la noire-brune, dont les survivants se retrouvent, pérpétuant l'apparence anscestrale aussi pure que possible dans les autochtônes de Madagascar ... "



- Ka tamin'ny taona 1891 no nanoratan'ilay mpanoratra io boky mitantara ity Firenena Malagasy ity. Koa raha izany ary no fahafantaran'izao tontolo izao antsika Malagasy, dia manao ahoana kosa no fahaizantsika tompony ny tantaran-dRazantsika.

- Koa aoka tsy ho tompontany mihono isika, fa mba tokony hahalala sy handalina ary handalina ny zava-misy ato anatiny. Fa tany aloha dia saika ny vahiny no mampahalala sy mampianatra antsika ny tantaran'ity Nosy misy antsika ity. Fa amin'izao fotoaña izao kosa dia tokony havadika ny rasa, fa ny tantara dia anjarantsika kosa no hampianatra ny rehetra na tompontany, indrindra fa ireo vahiny tonga eto.

Eto am-pamarañana ny tenanay no milaza amin'ny taranaka Malagasy fa ireo Razambentsika Malagasy ireo taloha dia nañidiña, tany amin'ny fahiny elabe izany. Ary ny teñanay dia manana Boky Koraña, misy dikany amin'ny Baiboly. Ka amin'ny pejy 526 dia misy izao teny izao amin'ny teny Frantsay :

"RAPPELONS QUE LES GRUES, COMME OISEAUX MIGRATEURS, ALLANT DE LA SCANDINAVIE A MADAGASCAR, PASSENT EN EFFET PAR LE HIJAZ, ET LE BEDOUIN DEVAIT AVOIR PRIS CES OISEAUX MYSTERIEUX, VOLANT A HAUTE ALTITUDE, POUR DES ETRES CELESTES ".

Noho izany dia tsy misalasala izahay ny milaza fa olona nahay nañidiña ireo Razantsika fahizany, fa inona hoy ianao no tsy nisian'izany intsony ankehitriny.... ? Isika rehetra no aoka hamaly izany.

Ireo no tantara fohy natolotray, io no sakafo masaka koa dia hialaña tsiñy amin'ireo zanaka sy zafy, ary zoky sy zandry, raha toa ka misy tsy azoazonao. Nefa araka ny voalazanay dia ny mariña no nolazainay mba tsy hisian'ny taranaka ihinaña amim-bolony.

FA RAHA MISY FAÑONTANIAÑA TSY AHITANAO VALINY ATO AMIN'ITY TANTARA FOHY ITY,DIA HAÑONTANIO AMIN'NY RAZAÑAO, FA IZY NO HAÑOME ANAO IZAY TIANAO HO FANTATRA. 

Misaotra.

Tantara nadika sy nalaina tamin'ireo Bokin-dRazaña
Antemoro maro, ka nadika ho azo vakiana toy izao .

Teto Antanàñarivo, volaÑa Asorotany , Vintaña
Vody Alijady taoña 1998 , Ambohipo ...

Ny havanareo,

Printsy Jobily RAKOTOSON

+261 32 04 748 14
+261 34 40 064 57



Fanamarihana manokana:
Mpiserasera mpampita fotsiny ihany ny mpiandraikitra eto amin'i fanambinanamadagasikara.blogspot.com

Aucun commentaire: