samedi 16 mai 2015

TRAFONKENA OME-MAHERY.

Ankasitrahako etoana ireo olona manoratra aty amiko nony mahare ny nandrafetan’ny tarika VAHÖMBEY ilay hira hoe “ FANIRIAKO “ FFPM 39.

F’angà i Vahömbey, hono, Mpino – “ Croyant “ ?

Valiako mazava sady ampahatsorana etoana.




Andriamanitra RAY

Miara-dàlana amin'Andriamanitra RAY mandrakariva aho.

Ny mpanazary dia toa izany avokoa.


Na inona na inona fireham-pinoany sy anarana omeny ara-kolontsaina an’Andriamanitra RAY Ndregnahary, Jehovah, Allah, …




Jesosy Kristy

Zokibeko ankamamiako indrindra JESOSY KRISTY. Te-hanahaka azy lalandava aho. Ary ny faniriako lalina indrindra dia ny hahavita, na ampahany fotsiny aza, izay notanterahany fony izy olona niaina tety an-tany toa antsika.

Safidiko ahy manokana io. Ao am-poko ao no tena tempoliko.

Ny mahafinaritra ahy indrindra dia ny manatrika fotoampivavahana any amin’ny chapelle katolika. Ohatra any amin’ny monastère bénédictin any Mahitsy. Vakiteny dia hira masina ranofotsiny. 

“Communion spirituelle dans le recueillement”.

Tsy vesarina fampideraderam-pahaizan’olombelona ara-tsoratra masina sy toriteny fanitrikitrihana lavareny.




Senseï

Amin'ny maha-mpampianatra Arts martiaux japonais ahy, 43 taona nikatrohana aho izao, dia jery filôzôfika sy teknika fahaiza-miaina andavanandro tatsinanana no mampaharisika ahy.

Ohatra amin'izany ny famolahan-tenako isanandro amin’ny Méditation Zen.

ZANSHIN : vigilance optimale favorisée par une décontraction quasi-totale.

Io no tena ilofosako.




Mahaolona

Amin'ny maha-mpikaroka ahy satria Philosophie no fianarana ambony norantoviko, notovanako Anthropologie ary Ethnomusicologie no tena nifantohako, dia nimatimatesako hatramizay ka hatramizao ny fandalinana ny tena mahaolona malagasy. 

Olombelona = Mitondra tena toa singa mahay mirindra amin’ny voaàry manontolo.

Olombanona = Mankatoa fifanabeazana anivon’ny ankohonana sy ny fianakaviana ary ny mpiray monina ankapobeny.

Olonkendry = Mizatra manefy tena tsy ankiandrandra n'iza n'iza intsony, tsy ankiandriandry n'inon'inona intsony.

OLONA = Mitandrina ny feon’ny fieritreretana koa manatanteraka izany an-tsakany sy an-davany sady ankafaliam-po.

Izay mahatontosa ireo dingana ireo no mahatanteraka ny zotran’ny mahaolona.

Izay mahafehy ny mahaolona dia mahatsapa hoe Andriamanitra RAY no Maha-Olona.




Géomatique

Fanadihadiana mikasika NY VAZIMBA izay loharano nipoirana sady fototrin’ny firenena malagasy no tena ifotorako ankehitriny. Ary anomanako thèse ho atolotro ny Akademia Malagasy.

Fanamarihana goavana

Efa informatiser-na ankehitriny ny tetiandro sy ny sikidy ary ny rohotany. 

Amin’ny fotoana hampety izany dia ho logiciel azon’ny besinimaro kirakiraina toa kindriandriana ny tetiandro sy ny sikidy ary ny rohotany. 

Ho fitaovana fampiasa andavanandro toa ny GPS, ohatra.

Hampigalabona ny antsoina hoe Géomatique ny programmation informatique -n’ny tetiandro sy ny sikidy ary ny rohotany. Toa izany koa ny raokandro.

Ny Géomatique no lafika siantifika fandrafetana fampandrosoana ho an’ny isambatanolona eto anivon’ny firenena. 

Famolahana ny fanontoloana izany !  Hanjary fitaovana fampirijarijàna ny kolontsaina malagasy ny teknolojia vokarin'ny fanontoloana.

Amin’izay fotoana izay, asakasaky ny marivo salosana raha mbola hanasoketa ihany ny fahaizana amam-pahalalàna noraiketina hatry ny vanimpotoam-Bazimba !

Hanasoa ny andavanandron’ny besinimaro io famelomana ara-kolontsaina ny Géomatique io !




Rasavolana

Mizara maimaimpoana ny antsoiko hoe " REVOLUTION VAZIMBA, fascicule de mobilisation " aho ankehitriny. Famintinana ny fahalalàna tratrako hatreto izy io koa ampitaiko amin'ny besinimaro.

Raha sitrakao dia ho ampitaiko any aminao ihany koa izy io, en PDF.

Anoraty mailaka amin'ito adiresy ito aho dia ho valiako avy hatrany ianao raha vao azoko atao:





1. FANIRIAKO :


2. Emission Radio Antsiva.
REVOLUTION VAZIMBA = Tsirim-panantenana ! 



3. « La Vie des Maîtres » Baird T. SPALDING





jeudi 7 mai 2015

VAZIMBA MITAKY FANDRIAMPAHALEMANA.

Marobe, efa mila tsy tambo ho isaina, ny fanaonao fahatany faran’izay tsy manjary ataon’ny mpitondra ny Fanjakana Malagasy sasany ankehitriny. Leferina avokoa izay azo leferina. Ary mbola tsofina rano aza izy ireo hampiarina izay mitongilana.

SAINGY !

Saingy ito kosa TSY HO LEFERINAY MIHITSY.


LAVINAY NY FANOMEZANA VAHANA NY KARAZANA SILAMO MAHERY VAIKA ETO AN-TANINDRAZANAY.

Lolohavinay an-tampon’ny loha ny haja atolotray ny rahalahy sy anabavy mpandala ny finoana sy fotopivavahana Silamo. Ny Silamo nahay niara-nonina tamin’ny besinimaro hatramizay ka nahay nifanaja tamin’ireo mpandala finoana hafa nohon’ny an-dry zareo.

Lolohavinay an-tampon’ny loha ny hafatra napetraky ny raiamandrenibe Ralitavaratra, Al Tawarath, isan’ny loharanom-pahendrena amam-pahalalàna maha-Vatomasy an’i Vatomasy.

Ankehitriny kosa ?

Omen’ny fanjakana vahana manokana ve ny fanorenana mosquée amin'arivo isa ?

Omen’ny fanjakana vahana AN-TSOKOSOKO ?

F’angà efa mahafeno ireo mosquée amin'arivo ireo ny havantsika Silamo eto an-toerana ?

Sa omanina ireo amin'arivo ireo anafarana silamo sadasada tsy fanta-pihaviana, na mody atao indray hoe tsy fanta-pihaviana ?

Dia hiazakazaka hitampify ao amin’ireo toeram-baovao ireo ka hihanaka toa ahi-dratsy ry zareo TSIVALAHARA MAHERY VAIKA ?

Hikotrika loza aman'antambo ao amin’ireo toerana ireo mandra-patanjaka azy ireo hanao ratsy toa ny fanaony manerana an’i Afrika, ohatra ?

Inona no loza aman’antambo manapotika ny firenen-kafa fa tsy io Mahery Vaika, Mahery Vaika io !?!

Fa efa maty eritreritra ve ireo mpitondra fanjakana sasany, tompoko ô ?!

Leo ny miaina angà ka hiompy bibidia romotra ao an-tokontany fiririavan’ny ankizy ?

Sa ry zareo mpamahana vola an’ireo Mahery Vaika ireo koa no namaham-bola nahatongavana teo amin’ny fitondram-panjakana koa tsy maintsy tompoina ankehitriny ?

Raha te-hanompo Mahery Vaika ianareo mpitondra fanjakana sasany ireo dia mialà an’i Madagasikara ary tompoy any amin’izay anomponareo azy any ny Mahery Vaikanareo fa tsy aty an-tanindrazanay ! 

Tanim-Bazimba i Madagasikara. Tany manan-jina. Tany fady rà.

Efa tafahoatra izay rà latsaka teto amin’ity tany masina ity izay.

Ho very faty eny amoron-dàlana ho ataon'ny mpandalo fiotàna sy fanariana maloto izay mpitondra fanjakana efa maty eritreritra ka ho rangory fototry ny afo eo !

Omena vahana eto ireo Mahery Vaika ireo dia higorodana eto koa ny tafika tandrefana hamaky ady amin-dry zareo !? 

Ny sarambabem-bahoaka Malagasy tsy manan-tsiny no ho voaporiporitra eto ?

Izany no tadiavin’ireo mpitondra fanjakana efa maty eritreritra ireo ahatongavana ?

Sa efa mpiray tsikombakomba amin’ny fanapotehana an’izao tontolo izao koa ireo mpitondra fanjakana ireo nohon’ny vola efa nohaniny tany amin-dry zareo mpamahana ny Mahery Vaika ?

Dia i Madagasikara no ilingilingiana ho atao sorona ?

Fantatra anie fa vazaha mody miady ny mpanome baiko ny Mahery Vaika sy ny mpanome baiko ny tafika tandrefana ê !

Mpiray tendro ireo ! Mpiray tsikombakomba !! Mpiray petsapetsa !!!

Kitapon-drenimbola iray ihany no mamahana an’ireo: 

Ny tsenan’ny fitaovam-piadiana mpandripaka aina, izay tena fangoronan-karena faratampony ho an’ny maty eritreritra.


Masonandro androany ity ?

Mahitsy ny teny atoraka izay mpitondra fanjakana efa maty eritreritra:

“ AZA MANGARONA VAZIMBA AN-DAVAKA !

RAHA MBOLA TE HO VANON-TARANAKA !! “


AZAFADY.



dimanche 12 avril 2015

TSIPAK’OMBALAHY.

Mpitandro aina koa sarotim-pihavanana ny mpanazary. Aleony misoroka toa izay mitsabo. Dieny mbola fotoanany dia atsipiny ny teny. Tsipak’ombalahy. Mahavoa, mahafaty. Tsy mahavoa, mahafanina.

Anjara nofinidy sady natolo-bahoaka ny fitondrana firenena. Saropady. Ary raha andraikitra natolotra, nekena an-tsitrapo ihany koa fa tsy novozonana. Sarobidy.


Raiamandrenin’ny sarambabem-bahoaka, hono, ny mpitondra. Na mibolila aza itandritandremana toa mitaky trosa amin’andriana. Saingy ny anio ho vita ihany fa ny ampitso mila tsinjovina. Koa manao ombay làlana, raondriana, raha hanao teny tsy ankisorona ny mpanazary.


https://www.youtube.com/watch?v=10pUTObgIog

KERE

Nanao reportage ny tena tamin'ny 1991, fony mbola niasa tao amin’ny Radio-Madagasikara. Ny tatitra izay niainana sy hita maso ary nampangotsoka no nananganana dossier nikasika ny KERE tany Atsimo. Ny Programme Alimentaire Mondial no niantoka ny kojakoja nanatontosana io reportage radiophonique io.

Dokotera nomen'ny mponina tany solon'anarana hoe "Rambô" no niandraikitra ny lahasa makadiry ho an'ny PAM tany Ambovombe tamin'izany fotoana izany.

Natolotra nivantana an'Andriamatoa José Bronfman – tomponandraikitrin’ny Banque Mondiale tamin’izany fotoana - sy ny Praiministra Razanamasy io dossier io. Tafajoro ny Opération KERE SOS SUD. Voin-kava mahatratra sy tsipaipaika fa nahavita izay vitany nohon’ny tohivakam-pifanampian’ny nalala-tànana rehetra. Ankasitrahana ampahabe-maso eto avokoa izy ireo.

24 TAONA aty aoriana ! Mbola izao ihany ny zava-misy any Atsimo ! Kere, kere, kere !! Efa antsasa-manilan’ny mponina no tsy mahita arapaka. Efa raketa mena no ifandrohitana. Aza manody izany voatery mihinana voan-draketa mena ! Efa voatery nihinana ny tena, matoa mahalala. Aza manjo izany mahita maso zazakely tazonina aina amin’ny kily laroina tany ravo !


https://www.youtube.com/watch?v=10pUTObgIog

 TAVOZAVOZA

Mitavozavoza loatra avokoa, rehefa tsy mangala-pihinana vary sosoa andovian-jaza madinika, ny ankamaroan’ireo mpitondra ankehitriny eo anoloan'ny fahorian'ny Malagasy. Tsy ambanivolo, tsy antanàn-dehibe !

E koa ity antambo any Betroka ankehitriny ! Efa hatramin’ny 2011 Ingahy D’Gary no nanaitra ny sain’ny be sy ny maro mikasika io fifamonoana any Betroka io. Ankehitriny, vao mainka nihitatra. Mandoza !!

Ràn'olombelona ankehitriny no mijininika mamonto ity tany masina ity. Hanody ny tomponandraikitra isan-tsokajy io fa tsy ho vitavita mora foana. Fady ràn'olombelona ity MADAGASIKARA tanim-bazimba ity ! Indrindra nanomboka tamin'ny 19 febroary lasa teo.

Sao tsy hahadingana ny volana Jolay 2015 eo ireo mpitondra be kabary, mpitaribato vilam-bava ireo ! Efa niainga anie ny " Révolution Vazimba " ê.

Hamaivan’izireo loatra koa ny Hazolava isahiranan’ingahy Théo Rakotovao mikasika ny fandrotehana tsy ampiheverana ny Ala Mikéa. Mitahiry hasina tsy takatrin’ny marivo salosana anie io Ala Mikéa io, rey olona ê. Tsy ho leon’ny tsikalakalam-bola mandrakizay.

Hodian’izireo fanina ihany koa ny fanandevozana mianjady amin’ny tompontanin’i Horombe. Basy no arangarangan’ny mpivovon’ny misoratena ho mpandrafitra tetikasa goavana. Mitahiry ivon-drohotany isan’ny saropady indrindra eto amintsika io faritra io. Iaraha-mahalala izy izay.

Rahoviana ny mpanapaka eto amin’ity firenena ity vao hisaintsaina ny ankibon’ilay antso avon’ingahy Olombelo Ricky mikasika ny Kadasitr’i MADAGASIKARA ? Atsaharo, hoy io olobe io, ny fahazaran-dratsy mamoehatra “ Manjono anaty koveta “.

Sy ny sisa, sns. Rehefa mitsoaka fahoriana hatrany ambanivohitra lavitra andriana ny Malagasy tsy manam-piahy dia mifatratra any amin’ingahy Père Pedro ny ankamaroany. Sa koa io olon’ny fo io no vody fahatra fanilihana ny rihatra ateraky ny fitavozavozan’ny mpitondra fanjakana ?


https://www.youtube.com/watch?v=10pUTObgIog

TSIPAK’OMBALAHY

Teny atsipy izao ho an'ireo mbola itampifiam-panahy ihany, any antsefatsefan'ny fitondram-panjakana any. Efa voaisa ny fotoam-panapahan’izy rehetra rehetra ireo. Na inona haja iamboany, na inona voninahitra isalorany. 

Ary enga anie izireo tsy hampiasa herisetra rehefa kibokiboan'ny marina sy hianjadian'ny rariny. Izay mitonantonana mahalatsa-drà amin'ity tany ity, na mpitondra io na mpanohitra, ifoteran'antambo tsy misy hatakandro.

Tandremo ry mpitondra isan-tsokajiny ny tanjak'izao teny mipàka amin'ny tany aman-danitra izao. Teny iloaka ny vavan’ny vaky lela izao !

Efa niandoha tamin’ny 19 febroary teo ny “ Révolution Vazimba ”. Ary miha-miridana.

Manivana io ny tany. Mikororoka izao ny voaàry. 
Mampodia fanahy avokoa raha mbola mihevi-tena ho mpiankandrefam-baravarana ihany.

Manasa tànana iny Ikaky Ravaho, 
Mpanazary manokan-tena ho an'i MADAGASIKARA.


https://www.youtube.com/watch?v=10pUTObgIog

dimanche 5 avril 2015

Mpanazary mampaneno lakolosin’ny Paska.


TSO-DRANO

Mahatratràra avokoa ny Paska analin-kisa hifandimby, tompokolahy sy tompokovavy.

Fankalazana ny andron’ny Paska izao anoratako izao. Ny Paska dia fahatsiarovana ny fahasahian’i Jesosy Kristy nanaporofo imason’izao tontolo izao ny fandinganana ny antsoin’ny terak’olombelona hoe fahafatesana.


Tsy inona akory ny fahafatesana fa fiampitàna tontolo roa mifandrohy. Noporofoin’i zoky Jesosy Kristy fa vao mainka aza izy nihavelona lalandava. Dera sy laza ary hobin’anjely no mendrika izany fandresena goavana izany. Tsy misy fijoroana ho vavolombelona mandilatra an’izany. Ary nataony izany mba ho tahafintsika tsirairay avy.

Matokia, hoy i zoky Jesosy Kristy, ary aza malahelo velively satria misava làlana ho an’ny Mpananatra no antony andehanako. Ho mby amintsika mianakavy tsivakivolo tokoa anie ny Fanahy Masina ka homba antsika tsirairay avy. 

Mirary antsika hiaina finaritra sy hankalaza izany, tompoko, ny mpanazary. Koa samy hahatsiaro izany isika mianakavy rehefa tahiany migadona ny Pentekôsta, fanamarihana eo amin’ny tontolo kristianina ny fiavian’ny Fanahy Masina.

Mampaneno ny lakolosin’ny Paska ny mpanazary mba handrisika antsika hiroso amin’ny lalindalina kokoa hatrany eo amin’ny fiainam-panahy madio mangarangarana, hotronin’ny fo diboka fitiavana, saina matsilo henika fahendrena ary indrindra indrindra vatana tomady iriririavan’ny herijikan’ny voaàry iray manontolo.

Samia velon’aina, tompokolahy sy tompokovavy.

Kabotsintsina efa-dravina: finoana, fanantenana, fitiavana, fanambinana
Maniry aty Vakinankaratra, asombolantany ara-drohotanim-bazimba.
PARTICULE DE DIEU

Miramarama ankehitriny ny science physique. Mikatsaka mafy ny hamantatra ara-tsiantifika izay mbola kobonin’ny antsoina hoe « particule de Dieu ». Araka ny fikasan-dry zareo mpiandraikitra an’io raharaha io dia ato ho ato, ankerinandro raha ho ela hono no tian-dry zareo anatanterahana izany, Ito ny rohy fanampim-panazavana :


Miferonaina ny Pape François eo anatrehan’izany ! Nanao fanambarana tamin’ny 20 marsa 2015 hoe : « Atsaharo hatreo io expérience io. Aza hihoarana ny fetra napetrak’Andriamanitra. Hampibanabàna ny helo izany. Loza aman’antambo !!!”. Ito ny rohy fanampim-panazavana:


Ankilan’izay, maro dia maro ny siantifika velon’ahiahy fatratra hoe handrava hefa ny tombo nomen’Andriamanitra ny “matière” eo anatrehan’ny “anti-matière” izany. Io tombo kely io anefa no afahantsika miaina ety ambonin’ny tany. Hanokatra hirika fifandrohizana amin’ny “univers parallèle” izany. Tsy hay veroka ny ho ambadik’izany.

Ary farany, ahiana hiteraka “micro trous noirs” ao anatin’ny “matière” izany. Loza aman’antambo raha sanatria izany, hono, no hitranga satria 1 mètre cube amin’ny herijika anatin’io “matière” io dia mahavita mampangotraka ny ranomasimbe maneran-tany. Noho izany, tsy hita pesipesenina izay sanatria aterak’ireo “micro trous noirs à l’échelle de la galaxie. Apocalyptique !”.

Mampivarahontsana ilay “hypothèse réaliste pessimiste”, ry havako isany !

Kabotsintsina efa-dravina: finoana, fanantenana, fitiavana, fanambinana
Maniry aty Vakinankaratra, asombolantany ara-drohotanim-bazimba.
OPTIMISME DU MPANAZARY

Mpiasaben’Andriamanitra mikolokolo finoana-fanantenana-fitiavana-fanambinana mahasehaka ny tany aman-danitra ny tena Mpanazary koa mihevitra hoe :

Zana-kevitra voalohany

Rehefa izay no sitrapon’ny siantifika dia aleo tsirihany any izay fonosin’ny “particule de Dieu”. Fady alahatra amin’izay olombelona i Andriamanitra Mpaàry izao rehetra izao ka sanatria ny vava ho voaboridan’izay siasia siantifika.

Azo antenaina hampody saina ny olombelon-drehetra ny fahombiazan’ilay expérience scientifique. Ahatsapan’ny mafy loha, sady mangidy fo, fa hay efa ao anatiny ao ihany ito itadiaviny porofo any ivelany ito. Mety hiteraka fivelaran’ny ”conscience cosmique” ho an’izay mpanjono anaty koveta, toa ny filazan’ny vazimba mpanazary Olombelo Ricky, azy izany. Aleo ho tonga saina ! Mba ho tonga fanahy feno kokoa !!

Zana-kevitra faharoa

Raha tena sitrapon’Andriamanitra izany fitsirihana ankibon’ny “particule de Dieu” izany dia ho tanteraka. Raha tsy sitrapony dia tsy ho vanona izany expérience scientifique izany. Mbola millions de dollars no mila voahangon-dry zareo vao afaka hanatanteraka an’io. Ho voahangony ve ? Asa re !

Zana-kevitra fahatelo

Na inon-kidona, na inon-kihatra, manana fanefitra isika rehetra mamaky izao lahatsoratra izao. “Fantaro ny zava-drehetra koa fihino mafy izay tsara ». Zahao ireto rohy ireto satria ato no hahitan’ny tsirairay fanampim-panazavana ahatsirihana ny fanefitra :

Mondes intérieurs, Mondes extérieurs. 1ère partie :


Mondes intérieurs, Mondes extérieurs. 2ème partie :


Mondes intérieurs, Mondes extérieurs. 3ème partie :


Mondes intérieurs, Mondes extérieurs. 4ème partie :


Aseseo tsirairay izy ireo satria mifampiankina ny fanazavana. Antsasakadiny monja no faharetan’izy ireo tsirairay. Mety ho ny fiainanao iray manontolo, miampy ny an'ireo olon-tianao sady tia anao, no ho soavin’ny fahalalàna sy fampiharana izay voarakitra ao. Anao ny safidy.

Zana-kevitra fahaefatra

Rehefa voadinika antsakany sy andavany ireo fanampim-panazavana voalaza etsy ambony ireo dia ampiharo izay sahaza anao. Ho an’ny mpanazary eo ampanoratana izao dia mikolokolo fatratra ny tenany izy mba hiranga sy havitrika ny kundalini ao anatiny ao. Io kundalini io no velon-driaria, aleo hipoaka izay hipoaka !

Fantaro fa ilay Mpananatra resahan’i Jesosy Kristy, ilay antsoin’ny kristianina hoe Fanahy Masina dia kundalini no anarany ho an’ny fahendrena tatsinanana lalimpaka.

Tsotra ny hafatra: 

Kolokoloy ny sehatra mampavitrika ilay kundalini ao anatinao ao dia hahatoky tena ianao na inon-kidona, na inon-kihatra.

Zana-kevitra fahadimy

Raha sanatrian’ny vava ladian’ny lela ka higadona ihany izay antambo, ny Malagasy monina eto Madagasikara dia manana tombon-dahany manokana. Antony nanoratana sy izarana maimaimpoana ny REVOLUTION VAZIMBA, fascicule de mobilisation izany.

Ny vazimba resahana ao dia “concept générique”. Izany hoe ilay Olona mitohaka mivantana amin’ny loharanon’aina Mpaàry. Olona mahavelona ny kundalini ao anatiny ao. 

Olona générique no tian-kambara fa tsy olona historique. Vazimba générique no tian-kambara fa tsy vazimba historique. Ny hoe générique dia ilay vahatra, ilay hatrany amboalohany, le premier modèle créé par le Saint Esprit à son image.

Koa velomy ilay kundalini satria io no rohy, azo tsapaim-batana, amin’ny Saint Esprit.

Zana-kevitra fahaenina

Efa ambaran’ny Révolution Vazimba ny hasina manokana mitaiza an’i Madagasikara sy ny Malagasy miraikim-po, miraikin-tapisaka amin’i Madagasikara. Izay Malagasy tafajoro ho mpanazary satria mahatoha-tsofina ny feon’ny fieritreretany ka manatanteraka izany amin’ny antsakany sy andavany, mpanazary maharànga ny kundalini , dia afaka miriaria ampiadanan-tsaina.

Na inon-kipoitra, na inon-kiseho, Alakaosy i Madagasikara. Na ho rendrika aza izao tontolo izao nohon’ ny siasian’olombelona, i Madagasikara tsy maintsy hihangana. 

Ary ny mpanazary tsy maintsy tafita. Indrindra fa ny mpanazary Malagasy. Indrindra indrindra ny mpanazary Malagasy mahavatra monina eto Madagasikara. Tampony amin’izany, ny mpanazary manasoa lalandava tsy ankitaky setriny na ankiandry tambiny an’i Madagasikara.

Tokana an-tany ito tany masina diavintsika isanandro eto an-toerana ito.

Kabotsintsina efa-dravina: finoana, fanantenana, fitiavana, fanambinana
Maniry aty Vakinankaratra, asombolantany ara-drohotanim-bazimba.
RASAVOLANA

Tsy milingilingy mitonon-tena ho mpaminany ny mpanazary manoratra izao fa mpandinika zava-dalina fotsiny. Mpanazary Ikaky Ravaho fa tsy mpaminany.

Enga anie, tsy hisy hikitikitika intsony izay ankibon’io “particule de Dieu” io.

Ary raha ho voakitika ihany dia rariana sy tsofin-drano hiteraka “conscience cosmique universelle” ao amin’ny tsirairay izany.


Raha sanatria antambo, HO FOANA ANIE IZANY ! 

Kabotsintsina efa-dravina: finoana, fanantenana, fitiavana, fanambinana
Maniry aty Vakinankaratra, asombolantany ara-drohotanim-bazimba.

Fomban'olon-tsotra ny milaza hoe ny amisavisàna ny ratsy, mba iavian'ny soa. Fomban'olo mahiratra ny misoroka toa izay mitsabo. Fombam-bazimba ny misikin-damba, vonona lalandava miatrika izay holikolim-piainana. Fomban'ny mpino ny manankim-po amin'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra.

Ny ampitso, ankibon'ny omby, hoy ny ntaolo. Koa miambena raha mbola olom-panahy ihany. Miomàna dieny izao koa mijoroa ho Mpanazary mahafatra-po. Kolokoloy ny sehatra ivelaran’ny kundalini ao anatinao ao.

Toa ny mikolokolo voninkazo faran’izay sarotiny indrindra ny mikarakara kundalini.

Diovina ny eritreritra. Ahitsy avokoa izay mety ho bingom-po. Fadiana ny amboletra. Fadiana ny teren-ko masaka toa voalobo-jaza. Masahana ny tany, laroina zezim-pahatra, tondrahana ankazotoana fa tsy atao raharaha fe raharaha. Rakofana fitiavana. Tsofin-drano lalandava. Araha-maso marain-tsy hariva.

Ny manodidina ny kundalini ihany no tokony isahiranana. Anjarany ny mitombo tsimoramora rehefa hitany hoe feno ny fepetra ilainy.

Ny fepetra voalohany takiany ?

Henoy ny feon’ny fieritreretanao ary tanteraho antsakany sy andavany sady ankafaliam-po.

Ny fepetra famenony ?

Mianàra teknika fahita any amin’ny chi-kung, tai-chi, aikido, karaté-do, iaï-do, tae-kwon-do, yoga, sns. Aza misalasala manontany izay mpahalala sy efa za-draharaha kokoa. Manafaingam-pianarana mantsy izy ireny mikasika ny respiration, posture, ... Circulation énergétique no tena ilaina fantarina. 

Ao ankibon’ny antsoina hoe méditation no mitoetra ny fanalahidin’ny kundalini.

Ry havako isany,

Mijoroa ho Mpanazary !

Omeo Hasina i Madagasikara !!

Mpanazary mampaneno lakolosin’ny Paska !!!

Ikaky Ravaho, mpanazary manokan-tena ho an’i Madagasikara.


034 08 720 04
vahombey@gmail.com
12 A 10 Antsenakely Antsirabe 110