mardi 22 septembre 2015

RANO MAHERY.

Hoy ilay fitenenana: “Samy nosoran-dreniny menaka, samy manana ny rano nandroiny”.

Mihatrikatrika, vonon-kikatroka no dikan’izay.

Ireo zanak’antitra dia mbola mahatsiaro avokoa fa nosoran-dreniny menakomby fony fahazaza. Sady fiaro no fanàfana. Ary fanehoam-pitiavana. Toa ilay tambohoka fahiny.

Mialoha ny hiainga hisedra ny sarotra, ivelan-tokantranon’ny ray aman-dreny, dia tsofina rano hatrao anaty lovia misy tsanganolona sy zavamaniry. Mety miampy vakamiarina sy izay nifandovàna hatrany andoham-pirazanana.

Ampandroina sady tokavina ! Izay vao tsofina rano ahaleo ahalàsa, irin’olona fa tsy haniry olona, ho tojo izay irina, ambinin-java-manasatra, tahian’Andriamanitra.

Toa ny riba maneran-tany, manan-danja ny rano ho andra-Malagasy. Tena zava-mahery !


Mason-tsokina, masomboalavo. Izay kely ananana no ahiratra. Mpiandry volavita, tsy tompony akory fa mpamerina an-dohany.

Koa indreto toromarika vitsivitsy hatraty Vakinankaratra, asombolan-drohotanimbazimba, mikasika an’i Tritriva.


A-  Ankapobeny

Ny velarantany fonenan’olombelona rehetra manerana izao tontolo izao dia mihorina ambony renim-batovy antsoina hoe “tantale”. Mitovy avokoa ny “polarisation”-n’izy rehetra ireo. Ny an’i Madagasikara irery no mifanohitra amin’ny an’ny rehetra rehetra.

Nisy meteorita goavana niporitsaka hatrany am-pototr’ivon’ny galaxie. Niantraika teto Madagasikara izay niangana hatrany: Tritriva ! Nampitsimbadika ny polarisation-n’ilay lafi-batovy faladian-tanin’i Madagasikara.

Izay no maha-hafa dia hafa an’i Tritriva. Maha-rano fihasinana azy. Rano fandroana fialàna rahondrahon-dràha amam-padipaditra. Rano matoy herijika !

A-  Fanao

Fantapantaro ihany ny fotoam-panovozana ranom-bazimba ao Tritriva. Ampifandraiso amin’ny vintanao satria mizara roa mazava ny toerana azo anaovana an’izany ao.

Andafiny avaratra, aok’etsia ! Aza hilingilingiana. Vody adalo – vava alohotsy no ao. Fandikaina mosavy amam-borika. Marary ho faty, efa ferezina ambiroa, no fialà-nenina ao. Mpahalàla tena hafa karazana, mahasedra setrasetran-tsavik’andro no hany mahasaky ao. Alàna ny vava, gejaina ny lela. Asakasak’izay tsy ho malina. Aok’etsia ny ery avaratra !!!

Andafiny atsimo. Vody alahasaty ara-drohotany. Ao no faleha. Toa izao no tazamaso hatreo: 


Izao no fanao :

- Mivatsy tantely gasy sy ranompotsy - toaka mahery io, ohatra rhum blanc mbola tsy vaky sarona.

- Mivatsy tavoahangy, sanatria ny plastika, voadio tamin’ny ranompotsy ny atiny sy vatany.

- Mivatsy volatsivaky hasin-dela ho an'ny zokim-pandraharàha voafantina manokana ao an-toerana. Tompontany, zokiolona taranà-bazimba zanadrano, mendrika haja aman-kasina. Ravin-tokana 10 000 ariary no fanolo ankehitriny ny volatsivaky fahiny.

- Midinika amin’ilay zokiolona mikasika ny anton-dia. Hanongilanan-tsofina izay ambarany.

- Izy no mitarika ho eny an-toeram-pihasinana ao Tritriva.

- Arahana antsakany sy andavany izay toromarika omeny. Ary hajaina fatratra ampahanginana tanteraka.

- Anjara andraikiny no manatanteraka fomban-tany - fomban’olona nifandovàna hatry ny ela.

FADIO ny maka sary na feo mandritra izany fomba izany.
VONOY ny finday sy izay mety fitaovana elektronika.

- Tahiany tontosa ny anton-dia, tsy miainga hatrany raha tsy nahavita ombay làlana ka voatso-drano.


Rehefa tafody an-trano,

- Diovina amin’ny ranompotsy ny vatan’ilay tavoahangy nentina nody.

- Afindra anaty voatavo arivolahy ny ranombazimba notovozina.

- Fehezina an-kofehy gasy, rofia na taretra, ny tendan’ilay voatavo.

- Ahantona amin’izay toerana mendrika azy indrindra. Matetika an-joro alahamadin’efitra.

- Avela mibanàka lalandava ny vavan’io voatavo io mba hihanaka ao an-toerana ny herijika koboniny.

- Tokavina ilay ranombazimba. “Programmer”-na, hoy ny fiteny maoderina. Amantsihana “forme-pensée”, hoy ny mpahalala sasany.

Tsy fanao

Tandremo, rey havako isany !

Malailay karazam-bazaha – fotsy, mainty, kelimaso - ny ankamaroan’ny tobim-bazimba. Koa aleo hikobona ho antsika samy isika izao hafatra izao, raha mbola azo atao ihany.

Saingy raha minday lio malagasy, na dia 1% fotsiny aza, dia azo ekena... Raha manan-jery malalaka sy saina tsy mpiroaroa fahatany.


Azafady, rey havako isany !

Fehezo ny lela. Gejao ny vava. Saropady loatra izao tsy famboraka ankiharihary izao. Saingy efa an-dàlana ny Revolisiona Vazimba koa izay iray aina, iray vatsy. Ary izay be no basy.

Aleo hitoky amin-tafondro izay fahavalo te-hampiasa izany, ny antsika dia ny bitsik’anjely sy  ny tàntan’Andriamanitra ihany.

Veliranom-bazimba, rey havako isany. Izay mivadika aloha, kely ila.

O rey havako isany !

FADY KISOA io toerana io toa ny ankamaroan’ny tobim-bazimba zanadrano. Rehefa hihasina ao dia mahavàra mifady mikasika na mihinana kisoa mialoha ny fotoan-dehibe. 

Ary raha mbola zakan’ny saina ihany dia mifadia kisoa masonandrotr’io sy ho an’ny ampitso rehetra.

Tsetsatsetsa ho an’ny manam-po amam-panahy, tompokolahy sy tompokovavy,

Samia tena Andriamanitra.

Hoy ikaky Ravaho,
Dimbimbazimban’Alahamadintany.

Aucun commentaire: