dimanche 6 septembre 2015

VALOM-BAZIMBA.

Katana - Kamiza
Tompokolahy sy tompokovavy,

Manasa anareo havana aman-tsakaiza, longo sy namana, mba hamaky ito Valom-Bazimba ito hatramin’ny farany. Ary hizara sy hanely azy ito araka izay azo atao. Hizara roa izy ito. Tapany voalohany: Besinimaro. Faharoa: Samirery.

1. BESINIMARO

N’inon’inona ankehitriny ezaka ataon’ny Mpanazary dia mandromotra hatrany ireo fatin-gasy mpivarotra tanindrazana sy vahiny mpanao ampihimamba. Manao didiko fe lehibe ireo mpikirakira vola maloto ireo. Maloto satria vola mihosin-drà. Tena VOLA LIAN-Drà.

Fandringanana an-draMalagasy, tso-po sady tso-panahy, no teti-dratsy kononin’izy ireo etsy sy eroa. Koa ireto avy no tsara fantarin’ny besinimaro.

Taom-bazimba ito 2015 ito. Isaky ny 623 taona vao mitampody. Kibon’izy io ny volana aogositra lasa teo. Tendron’io kibony io ny faha-15 aogositra.

Nampirongatra hery mpitampify  isan-karazany io daty io. Nihaohao hatramin’ny lolo aman’avelo. Ho an’izao tontolo izao. Ho an’ny firenentsika. Ho an’ny tsirairay. Samia mitadidy izay tandrify azy nandritra ny vanim-potoana nialoha sy tafarafaran’io !

Taom-pihorenana sady taom-panorenana ito taom-bazimba 2015 ito.

Noho izany, loharany hatrany amin’ny atiboafany ny amparahatokin’ny tsirairay.
Mitsingevana ny zaoridira nafenina ! Vaky bantsilana !!
Miseho masoandro ihany koa izay volamena latsaka ambovoka ka teren’ny hasiny mba hihiratra kokoa !!!

Anton’izany ? Hidanadana ny tokonana fampivoaram-panahy. Miodidina ny 24 septambra ho avy izao.

Ry Mpanazary ! Midiova anaty mialoha an’io, … Raha te-hanovo soa amin’ny herijikam-boaàry manontolo.

Tomory akaiky koa ito torohay ito ! Raha midorehitra hafakely ny volampenomanan’ny 28 septambra ho avy io ?

Izao no mety handikàna an’izany: Dingana goavana ho an’ny Mpanazary. Dingana iatrehany mivantana ny mpamorika sy mpirahoraho ary mpisiasia voretra . Koa MIVONONA dieny izao, ry Mpanazary havako isany.

Mivononà hiatrika ady ! Na anaty, na ivelany. Lakam-pihorenana anaty no fenitra. Lakam-panorenana an’i Madagasikara imason’izao tontolo izao no tanjona.

Fiandohana fotsiny ihany io. Koa mahavàra mitandrina ain-dehibe. Aza miràparàpa na misy mandrangitra aza. Mahaiza miandry ankendritohana. Mitsaingoka dia miala ilany.

Any amin’ny 25 oktobra any ho any isika vao afaka hisento… Koa samia mendrika izay tandrify azy. Lavà velomana avokoa satria miavosa ny mbola ho atao.


Angano angano, arira arira. Asakasaky ny tsirairay. Sitrapon’izay ho vaky tokelaka. Azy ny azy. Mahasoàva ny tsirairay izay saininy.

Katana - Kamiza
SAMIRERY

In-5 aho izay, tatoato, no nanirahana mersenera. Mbola ito aho ito. Velon’aina soa aman-tsara. Nanenjana ny rombo. Be noho vitsy. Andaniny, andiana mersenera boto faniraky ny tsy mataho-tody. Ankilany, ny tenako samirery nialohavan’i Mpanjakabenitanimbazimba.

Hafatro manokana ho an’ireo mersenera nifampikatroka tamiko:

“ Manaja, anareo.

Na nifamely tsy ankitsitsy aza isika, mankasitraka anareo ankitsimpo aho. Na nifofo ny aiko aza ianareo, nahatandrina isika. TSY NISY rà latsaka an-tany. Voatandrina ny tanimbazimba.

Mivalo aminareo aho ankehitriny. Tsy manambola hasolo ny karama nanirahana anareo hamely ahy aho. Saingy aoka izay. Aoka izay amin’ny anaran’ny rà Malagasy iombonantsika. Aoka ho hatreo ny fifamelezantsika samy teratany.

Haiko fa saika hamarana tanteraka ny aiko ianareo tamin’ny zoma alina lasa teo. Efa nivatsy basy hamonoana ahy mihitsy. Naleoko niepoka na naharary ny ambompoko aza izany.

Tsy ho zakanareo sy ny taranaka faramandimbinareo ny todin-dràko izay dimbimbazimba raha ahosinareo amin’io tany masina io. Ary sao handoza eto amin’ny firenena ihany koa izany.

Adidy ho ahy ny mamelona ny Revolisiona Vazimba. Adidy ambany masoandro, adidy ho an’ny ambanilanitra iray manontolo. Ianareo mersenera ireo sy ny taranaka faramandimbinareo anie ka anisan’izany ambanilanitra izany koa ê.

Koa aleo atsahatra, ry zalahy, ny rombontsika. Tsy asiana rahoraho. Izay voaratrako taminareo, notandremako tsy hitondra takaitra. Izaho rahateo efa janga na voavelinareo mafy dia mafy koa aza.

Mibaboka etoana aho, imasom-bahoaka.
Sady manasa tànana toa Paonsy Pilaty.
Raha mbola kasainareo hazaina ihany aho ary ho tifirinareo amin’ny basy…
Dia mifona aho. Mifona amin’ny tany aman-danitra sy ny anjely ary Andriamanitra Mpaàry.

Ho avoakako ny Katanà-ko. Fantaro fa mandripaka io. Tsy hay ivalozana. Tsy trà-drano izay firainy !

Sanatria ve ny adintsika dia hiafara amin’ny fifandatsahan’aina ?
Samy natera-behivavy isika. Samy niteraka.
Aok’etsia, ry zalahy ! Marina mafy !! Aok’etsia !!!

Mbola miavosa ny adidy iriko vitaina. Ary hahasoa anareo ihany koa izay isasarako.

Miangavy an-tànandroa aho:
Aza matim-bola re, ry zalahy.
Aza matin-kambompo diso toerana ihany koa !
Ndeha atsahatra ny disadisa ary hevero toa ny efa resinareo aho.

Miangavy anareo aho.

Aleo mba hihamina lalandava eo anjoro firarazako ny Katanà-ko.

Mankasitraka, anareo.”

Katana - Kamiza
FEHINY

Rahoviana ianareo Malagasy iantefàn’ izao Valom-Bazimba izao vao hijoro ho an’ny taranakareo ?

Rahoviana vao hahasahy hamerina amin’ny laoniny ny fiainam-pirenenareo ?
Fiainam-pirenena izay miantraika mivantana hatrao antokantranonareo.

RAHOVIANA, tompokolahy sy tompokovavy ?

Antsirabe, alahady 06 septambra 2015.

VAHÖMBEY Senseï.

MPANJAKABENITANIMBAZIMBA



Aucun commentaire: