mercredi 24 janvier 2018

MADAGASIKARA, dimbin'i LEMURIA.

LIBRE PENSEUR & LAÏC
Laïc : indépendant des organisations religieuses.


Miala tsiny indrindra, tompoko,
1. Iniako atao fiteny mifangaro ito lahatsoratra ito mba hazava tsara amin’izay rehetra hamaky azy.
2. Izay tafintohina aminy dia aleo hisara-dàlana manomboka eto. Aleo tsy “ami(e)” na dia facebook aza toa izay hifampihatsara ivelan-tsihy, par hypocrisie.
Miha-fohy andro aho. Tiako ho hitan’ny masoko hoe mivoatra tsara ny fireneko mialoha ny isitrihako any ambany rangolahy.
Noho izany, maika aho. Izay ho namako dia namako.
Izay tsy ho namako, ndeha hifampitso-drano. Mahaleovà, mahalasàna indrindra. Tsy misy rahoraho.
Iriko hazava tanteraka hoe :
Bouddhiste no safidiko. Ho ahy, philosophie - fotopiheverana sy démarche spirituelle - fandrantoana ara-panahy io Bouddhisme io fa « tsy religion ».
Noho izany, tsy miandany amin’ny religion -n’iza na iza aho. Ary manaja ny religion rehetra satria tsy manana religion aho.
Ato ampoko samirery no kojakojaiko ny tempoly masina fitoeran’ny Ray Mpaàry faran'izay mamiko indrindra.
Manana ny fomba fifankatiavako manokana aminy aho.
Maha-sambatra ahy tanteraka izany.
Tsy hitory choix religieux amin’iza na iza mandrakizay aho.
Foi et spiritualité du libre penseur no hany resahako.
Hatreo ihany.
Setriny :
Aza itoriana ny foto-piangonanareo aho satria tsy mitory ny foto-pinoako aminareo.
Fehiny:
Raha miantsoroka fahefana ara-pôlitika ho fanasoavam-pirenena aho, indray andro any, dia tsy hanatrika mihitsy ara-pomba ofisialy...
- Fotoam-piangonana kristianina,
- Fotoam-pivavahana silamo,
- Fombafomba fanandratàn-drazana.
Ohatra:
Sitrapoko ahy samirery am-batako ny
- Mitandrina henan-kisoa.
- Tsy manao famadihan-drazana.

« La religion est l’opium du peuple », hoy Karl Marx.
Miharihary izany ankehitriny eto Madagasikara.
E ‘ty ankamaroantsika, donto velona sy midananàka fotsiny. Fitapitahan’ny mpanao pôlitika amin’ny religion efa hatramin’ny fanjanahan-tany, dia eo ! Midororororo fahatany !!

Rey havako,
Kajio ny maha-kristianina anao.
Kajio ny maha-silamo anao.
Kajio ny maha-mpandàla nentim-paharazana anao.
Ajanony kosa ny rebikondry anjambany satria mamono fivoaram-pirenena, tompoko ô.
Sokafy ny maso ê ! Ahirato ny masom-panahy !!
Ere du Verseau anie isika io ê. Fantaro ny dikan’izany.

Sanatria mbola ho taraiky eo indray ve !?
Dia avy eo ny Lanitra no omen-tsiny. Sady lazaina hoe :
« Atao ahoana ê !? Izao no sitrapon’Andriamanitra !”
Aza mamp’mé, azafady ân ! 
Andriamanitra anie ka Fitiavana sy fahasoavana ary fiadanana ê.
Fitiavana sy fahasoavana ary fiadanana tanteraka.
Fitiavana sy fahasoavana ary fiadanana ranoray.
Andriamanitra, tsy omen-tsiny. Zanaàry, tsy omem-pondro.
Ny olombelona no be siasia.
Mijoroa tanteraka ho Olona, Tena Andriamanitra.
Mandeha roa, sahalain’olombelona.
Mandeha tokana, sahalain’Andriamanitra.
Visavisao. Tsakotsakoy. Alalino io fahendrena ara-pahagola, hatrany Lémuria io.

Soritako hazava koa hoe :
- Tsy franc-maçon aho.
- Tsy athée aho.
Saingy manaja fatratra izay te-ho franc-maçon na athée.

« LIBRE PENSEUR » aho, tompoko.
Mitaky fanajàna tanteraka ny laïcité de l’Etat araka ny Lalàm-panorenana malagasy.
Manomboka eo ny fivoarana ho an’ity tany masina Madagasikara dimbin’i Lémuria ity, tompoko.

Fantaro fa mamitaka ny vahoaka malagasy tsivakivolo avokoa izay mpanao pôlitika rehetra manindrahindra religion sady manitsakitsaka ny Lalàm-panorenana noho io religion io.
Antony ?
Samy manan-jo manontolo ho an'ny safidim-pinoany ny isam-batan'olona malagasy.

Tsy misy, na iza na iza, tokony ho rebireben'ny mpanao pôlitika,
indrindra fa ny mpitondra fanjakana na ny mitetika hitondra fanjakana indray,
hiandany amin'ny religion -ny manokana.
Mampisara-bàzana ny religion, raha toa izay.
Mamotika ny fisandratàm-pirenena ny religion, raha toa izay.
Fanetriben'ny Firenena ny religion, raha toa izay.
Tongavà saina, tongavà fanahy, tompokolahy sy tompokovavy.

Manasa tànana aho. 
Diso aho raha nahalala kanefa tsy nanambara ampaha-bemaso. 
Afaka adidy aho izay.


VAHÖMBEY.
Alarobia 24 janoary 2018.




jeudi 11 janvier 2018

Héritiers de La Grande Lémurie , à l’Ere du Verseau.

LEMURIA, version officielle 2018.

La chanson sur YouTube, lien :


Ci-après,

1. Présentation technique  
2. Traduction et notes explicatives.


1. Présentation technique

Chanter, c’était uniquement ce que j’avais à faire !
Toute ma reconnaissance à Théo Rakotovao – Mikéa et le staff vidéo de « ?! » pour ce bel ouvrage qui a exigé 9 mois de gestation, de rigueur et de passion. L’esthète et le mélomane s’en réjouiront. Merci-merci-merci ! Merci de tout cœur.

Auteur- - compositeur: Vahömbey, 1995
Interprétation : Vahömbey & Théo Rakotovao
Direction musicale - arrangements : Théo Rakotovao
Prise de son - mixage - mastering : Théo Rakotovao
Réalisation clip vidéo : « ?! »


LEMURIA, texte original :

Tiako volagniny ràha marigny
‘Zaho tsy mivàza ny ràha marigny
‘Gasikara no Lémuria
Lémuria zeny fony fahagola
Fahagola niainan’ny razantsika
(bis)
Refrain:
Môramôra volagnako izy, ho ‘zaho ê
Môramôra volagnako izy
(bis)

Vaky ny tany taty afàra
Navy vahiny bàka Lafrika
Navy n’Olô-Jôby bàka Lafrika
Navy ny Arabo bàka Lafrika
Samby nitôndra ny fômban-drazany
(bis)
Refrain

Niantety ranomasina ny Tatsinàna
Navy tami ‘zeny ny Karaoàka
Navy tami ‘zeny zareo Karàna
Navy tami ‘zeny zareo Sinoa
Samby nitôndra ny fômban-drazany
(bis)
Refrain

Navy tafàra zareo Vazaha
Nitôndra ny bokin’ny fandrosoana
Nitôndra ny basin’ny hagaigena
Kàka ny Gasy tsy levon-dreo ô
Ndesintsika hankêza ny fômban-drazana

Refrain

Vahömbey & Théo Rakotovao - Mikéa


2. Traduction et notes explicatives

LEMURIA
Je tiens à dire la vérité
Pas question de plaisanter
Madagasikara, c’est Lémuria
Lémuria, d’il fut un temps
Du temps de nos ancêtres d’antan
Refrain :
Tout doucement, je le raconte
Vous dis-je
Tout doucement, je le raconte
Bis
Plus tard, la terre avait eu son écorce cassée
Etaient venus d’Afrique émigrer
Les hommes noirs, de l’Afrique
Les Arabes, de l’Afrique
Chacun d’eux avec leurs us et coutumes
Refrain
Les mers de l’Est, des gens avaient traversé
Ceux des Waka, embarcations à balancier
De l’Inde, on était arrivé ici
De la Chine, aussi
Chacun d’eux avec leurs us et coutumes
Refrain
Sur le tard, les Européens avaient débarqué
Dans leurs bagages, les livres du progrès
Pour s’assurer leurs gages, les armes de la bêtise
Résistants, les Malagasy leur ont laissé peu de prise
Avec nos us et coutumes, comment nous rebâtir désormais ?
Refrain
VAHÖMBEY, 2018.

N. B:
De ce qui a été, il y a des millions d'années, préfère-t-on dire Gondwana ? Atlandide ? Ou Lémuria ? Théorie d’écoles, querelle de clochers, etc. Tous les points de vue se valent avec leurs propres parts de mérite. A chacun, sa vérité. Quoiqu’il en soit, la dérive des continents avait géologiquement bel et bien existé.
Dans cette partie-ci de la planète, Madagasikara représenterait la seule portion du sol originel à subsister. Elle est là depuis tout ce temps. Une partie est devenue l’Asie. Et l’autre, l’Afrique. Y avait-il déjà ici des habitants dès les périodes qui avaient suivi ? Non, diront les scientifiques. Fantaisie imaginaire, affirmeront certains historiens. Pourtant, la tradition orale des « Vazimba Beosy » des Tsingy de Bemaraha soutiendra le contraire. Seul terrain d’entente pour ce beau monde, l’existence des « proto-malgaches » que personne n’osera situer exactement dans le temps.
Toutefois, mentionnons quelques précisions qui ont trait aux millénaires pré-JC jusqu'aux siècles derniers.
- Des grands penseurs comme Dama-Ntsoa dévoilent les indices évidents de l’hindouisme et du bouddhisme, dès leur expansion, dans notre culture.

- Fait historique méconnu, le dynamisme de La Chine le long des voies maritimes sous la dynastie Tang. Maîtres de la mer, ses ressortissants avaient établi des comptoirs jusque dans la Grande Île.

- Les relations avec l’Afrique se retrouvent avec le swahili dans notre langue-mère. Sans mésestimer non plus la migration bantou jusque sur nos terres.

- L’épisode juive indiquée par des gigantesques signes rupestres attribués aux émissaires du Roi Salomon. 

- Et mieux connue de tous, la prédominance arabe à travers les « sorabe ».

- Trop s’appuyer surtout sur l’hypothèse des vagues austronésiennes pour justifier notre parenté avec le sous-continent indien ne doit pas occulter une évidence criante.
Le peuple malagasy constitue une mosaïque humaine d’une richesse inestimable soudée par une langue-mère commune, à quelques variantes lexicales près. Comment et pourquoi ? Même si personne, exactement, ne le sait...
La culture ésotérique malagasy fondée sur le Savoir fourni par toutes ces strates de connaissances et de valeurs est désormais prête à contribuer au progrès de l’Humanité.
Ne sommes-nous d’ores et déjà à l’Ere du Verseau, en effet ?
Merci de votre attention.






dimanche 7 janvier 2018

2018. MAHAOLONA MALAGASY.

Tompokolahy sy tompokovavy,
Tomady. Mitombo harena. Ambinina avokoa ny mpianakavy.

Tondra-dronono ny isan-dovia. Iririavàn-tantely ny isan-tokonana.
Velom-bolo avokoa ny isam-batanolona.
Mirary soa indrindra ê ! 
Tena Andriamanitra,


Vahömbey mivady.


1. NY MAHA-MALAGASY
Maha-izaho ahy / Maha-ianao anao / Maha-izy azy / Maha-isika antsika / Maha-izahay anay / Maha-ianareo anareo / Maha-zareo andzareo (an-dry zareo).
Tompokolahy sy tompokovavy,
Raha ny maha-tena ny an-tena no tian-ko ambara dia toa ireo voatanisa ireo no filaza sy fiteny azy. Koa faran’izay saropady raha kabary miezinezina aroson’ny Filohampirenena Malagasy ho an’ny sarambabem-bahoaka no mandiso izany. Hita sy rem-poko amam-pirenena izany ny zoma 05 janoary 2018 teny Iavoloha.
Aza fady amin’izay nanolo-bato mafàna ny Filohampirenena.
Aza tsiny amin’ny Filohampirenena nihinana am-bolony.
Aoka tsy hanin-droa, ry manamboninahitra amam-pahefana isan-tsokajiny, raha mbola azo atao.
Ny fanajàna ny fitenindreny no kiady sy ampingan’ny maha-Malagasy. Indrindra indrindra imason’ireo taranaka faramandimby.
Teny diso, kabary sa tsy kabary ?
Raha nohiniana kosa tao amin’ny kabary ny namerimberenana hoe “ ny maha-IZY ANTSIKA ” dia
1. Ilay hoe IZY mety midika hoe SOI amin’ny fiteny frantsay. Ara-philosophie dia ilay ifaharan’ny maha-olona faran’izay lalina dia lalina no dikany. Sady ilay tampony indrindra tsy hita pesipesenina. Ilay tsy hay tononina intsony. Manakaiky ny hoe L’Absolu , L’Être.
Raha izay no tian’ny Filohampirenena nambara dia azo disoina manontolo ny voambarako rehetra etsy ambony. Koa fohy fisainana aho ary mandadilady rariny, miala fondro tanteraka.
2. Raha sanatria nandehandeha ho azy, na fahazaràn-dratsy, no nampiasàn’ny Filohampirenena ilay hoe “maha-IZY antsika” ? Ara-psychologie dia azo adika sanatria ho fahandevozana ara-tsaina lalina dia lalina hatrany ampara-hatony izany: aliénation mihorim-pàka any amin’ny subconscient-ny.
Loza aman’antambo, tompokolahy sy tompokovavy, raha sanatria izay no marina.
“ Ny maha-Izy antsika ”. Iza etoana ilay hoe “ Izy ” ?
Tsy isika velively.
Izy, tsy haihay. Asa, iza loatra ? Izy fahatanitany any an-kafà any ?!...
Vahabahao moa ê ! Fakafakao !! Alaivo ambony, alaivo ambany !!!
Soso-kevitra tsotsotra:
olombelona mbola voazanaka ara-tsaina, hita taratra amin'ny fiteniny sy ny fihetsiny, io mibaiko ny Fanjakana Malagasy io miampy ny manodidina mpanolo-tsaina azy.
Raha sanatria izay no marina dia vinanio ny vokatr’izany ê !
Hamarino !! Na disoy !!!
Alaivo ho vavolombelona izay iainana andavanandro eto amin’ny firenena.
Atsipy ny tady, ho an-tandrokin’ny omby.
Atsipy ny teny, ho am-pon’ny mahalàla.
Mankasitraka, tompoko.


2. MAHAOLONA & MAHA-OLONA.
Mankasitraka indrindra, tompokolahy sy tompokovavy, satria notomorinareo akaiky ilay lahakevitra NY MAHA-MALAGASY. Mitomboa tanjaka sy harena amam-boninahitra avokoa, tompoko.
Ny teny tsy feno, hono, manatody ahiahy. Mainka fa ny hevitra ?! Koa indro tovanana io lahakevitra io. Ombay làlana, tompoko, azafady.
Fonjanteny
Ara-pandinihana, mitovy saingy tsy sahala ireto teny ireto: mahaolona sy maha-olona. Tena “ fonjanteny ” mihitsy izireo. Concept hoy ny fiteny frantsay. Tsy teny, fehy teny fotsiny. Izany hoe sady mifono hevi-dalina no mibaby jery ary atao anondroana rafi-pisainana sy fomba amam-panao.
Raha indramana fiteny frantsay dia tsy us et coutumes fotsiny, na moeurs ihany koa, fa tena attitude et comportement mihitsy. Izany hoe mibaiko hatrany ampara-hatoka. Mety ho iniana na tsy nahy akory.
Ohatra: manoloana toe-draharàha iray, manao ahoana ny fahatsapàna sy fandraisana an’izany ? Koa mahatonga ilay toe-draharàha ho tiana na tsy tiana. Na ihany koa, tsy raharahiana velively. Izany hoe ny ressenti miteraka ny affect.
Antony goavana tokony amaritana ny hoe “ mahaolona ” sy “ maha-olona ” izany. Fintinina etoana ho indray mielatra ny fanazavana efa nampitaina ombieny ombieny hatry ny taona maro.
Famaritana
Hoy Dzaovelo-Dzao Robert, anthropologue fantadàza:
1. OLOMBELONA rehefa mahay miaina ho singa fotsiny ihany anivon’ny voaàry manontolo. Noho izany, mikolokolo ny voaàry fa tsy mieboebo mandidy manapatàpaka fahatanitany fotsiny. Raha tsy izay, ifoteran’ny voaàry dia avy eo, lazaina fa loza voajanaàry no mihatra. Ohatra: haintany, rivodoza, sns.
2. OLOMBANONA rehefa mahay mifanabe anivom-piarahamonina: tokantrano, tanàna, vohitra, faritra, firenena, izao tontolo izao. Mifanabe ! Izany hoe sady mandray no manome. Tsy mihambohambo ho mpanabe fotsiny fa mitondra tena ho anisan’ny beazina ihany koa. N’inon’inona sata heverina ananana. Ohatra: na raiben-jaza aza, mankatoa beazin’ny zafikely.
3. OLONKENDRY rehefa nahatontosa ireo dingana ireo koa mahay manefy tena hatrany. Tsy miandry ho anarina fa manàna-tena, manànatra ny tena. Tsy miandry baikoina fa mibaiko tena. Tsy miandry irahina fa manira-tena. Ohatra: n’inon’inona sainina sy ambara ary atao, mijoro ho ohatra velona mendrika tahafina.
Notovanako manokana io rindran-jery io:
4. OLONA rehefa mirànga ho Zanaàry. Tompon-draharàha, tompon’andraikitra, tompon’adidy rehefa tandrify ny tena. Lahasa aloha, vao voninahitra ! Asa an-kitsimpo aloha, vao tambin-karena !! Mientana am-pitiavana tsy ankiandry setriny. Mitia tsy ankiandry ho tiavina.
Ahoana hoy ilay fitenenana ? Izany ka olona.
Io firafitra antanantohatra 1-2-3-4 io no antsoina hoe Zotran’ny mahaolona.
Iza ilay Maha-Olona ? Ilay Ray Mpaàry velona ao am-po.
Ny fanahy no mahaolona. Ny fanahy no olona.
Izay no maha-Zanaàry izay vanon-ko Olona.
Tsetsatsetsa tsy aritra
Identité ve no tian’ny Filohampirenena notondroina tamin’ny kabarim-panjakana niezinezina nataony farany teo ?
“ Mahaolona malagasy ” no tsara nampiasainy.
Sadasàda ilay hoe “ maha-izy Malagasy ” !
Hoy ny Filohampirenena hoe: “ny maha-Izy antsika”.
Tokony hoe “ny mahaolona antsika”.
Toa ny filaza hoe identité japonaise dia « mahaolona japoney ».
Identité nationale japonaise dia « mahaolom-pirenena japoney ».
Noho izany, « mahaolona malagasy » sy « mahaolom-pirenena malagasy » no miharihary kokoa.
Tena nahafinaritra tokoa raha hoy ny Filohampirenena hoe :
« ny mahaolona antsika Malagasy ».
Tena mivalàn-dratsy, manimba sofina ary mandratra saina sy fo amam-panahy ilay hoe :
« ny maha-izy antsika Malagasy ».
Tompokolahy sy tompokovavy,
Enga anie ka tsy nanohintohina na iza na iza izay voambara hatreto !
Ny firenena iaraha-manana ary ny fifanabeazana samy olom-pirenena, iaraha-miantsoroka. Mason-tsokina, masom-boalavo, izay kely anànana no ahiratra.
Tena Andriamanitra, tompoko.



Tarikevitra an-kira :
GASIKARAKO.  Théo Rakotovao / Vahömbey / Bekoto Mahaleo / Batata Iraimbilanja / Christian Salala / Monique Njava.