mercredi 24 janvier 2018

MADAGASIKARA, dimbin'i LEMURIA.

LIBRE PENSEUR & LAÏC
Laïc : indépendant des organisations religieuses.


Miala tsiny indrindra, tompoko,
1. Iniako atao fiteny mifangaro ito lahatsoratra ito mba hazava tsara amin’izay rehetra hamaky azy.
2. Izay tafintohina aminy dia aleo hisara-dàlana manomboka eto. Aleo tsy “ami(e)” na dia facebook aza toa izay hifampihatsara ivelan-tsihy, par hypocrisie.
Miha-fohy andro aho. Tiako ho hitan’ny masoko hoe mivoatra tsara ny fireneko mialoha ny isitrihako any ambany rangolahy.
Noho izany, maika aho. Izay ho namako dia namako.
Izay tsy ho namako, ndeha hifampitso-drano. Mahaleovà, mahalasàna indrindra. Tsy misy rahoraho.
Iriko hazava tanteraka hoe :
Bouddhiste no safidiko. Ho ahy, philosophie - fotopiheverana sy démarche spirituelle - fandrantoana ara-panahy io Bouddhisme io fa « tsy religion ».
Noho izany, tsy miandany amin’ny religion -n’iza na iza aho. Ary manaja ny religion rehetra satria tsy manana religion aho.
Ato ampoko samirery no kojakojaiko ny tempoly masina fitoeran’ny Ray Mpaàry faran'izay mamiko indrindra.
Manana ny fomba fifankatiavako manokana aminy aho.
Maha-sambatra ahy tanteraka izany.
Tsy hitory choix religieux amin’iza na iza mandrakizay aho.
Foi et spiritualité du libre penseur no hany resahako.
Hatreo ihany.
Setriny :
Aza itoriana ny foto-piangonanareo aho satria tsy mitory ny foto-pinoako aminareo.
Fehiny:
Raha miantsoroka fahefana ara-pôlitika ho fanasoavam-pirenena aho, indray andro any, dia tsy hanatrika mihitsy ara-pomba ofisialy...
- Fotoam-piangonana kristianina,
- Fotoam-pivavahana silamo,
- Fombafomba fanandratàn-drazana.
Ohatra:
Sitrapoko ahy samirery am-batako ny
- Mitandrina henan-kisoa.
- Tsy manao famadihan-drazana.

« La religion est l’opium du peuple », hoy Karl Marx.
Miharihary izany ankehitriny eto Madagasikara.
E ‘ty ankamaroantsika, donto velona sy midananàka fotsiny. Fitapitahan’ny mpanao pôlitika amin’ny religion efa hatramin’ny fanjanahan-tany, dia eo ! Midororororo fahatany !!

Rey havako,
Kajio ny maha-kristianina anao.
Kajio ny maha-silamo anao.
Kajio ny maha-mpandàla nentim-paharazana anao.
Ajanony kosa ny rebikondry anjambany satria mamono fivoaram-pirenena, tompoko ô.
Sokafy ny maso ê ! Ahirato ny masom-panahy !!
Ere du Verseau anie isika io ê. Fantaro ny dikan’izany.

Sanatria mbola ho taraiky eo indray ve !?
Dia avy eo ny Lanitra no omen-tsiny. Sady lazaina hoe :
« Atao ahoana ê !? Izao no sitrapon’Andriamanitra !”
Aza mamp’mé, azafady ân ! 
Andriamanitra anie ka Fitiavana sy fahasoavana ary fiadanana ê.
Fitiavana sy fahasoavana ary fiadanana tanteraka.
Fitiavana sy fahasoavana ary fiadanana ranoray.
Andriamanitra, tsy omen-tsiny. Zanaàry, tsy omem-pondro.
Ny olombelona no be siasia.
Mijoroa tanteraka ho Olona, Tena Andriamanitra.
Mandeha roa, sahalain’olombelona.
Mandeha tokana, sahalain’Andriamanitra.
Visavisao. Tsakotsakoy. Alalino io fahendrena ara-pahagola, hatrany Lémuria io.

Soritako hazava koa hoe :
- Tsy franc-maçon aho.
- Tsy athée aho.
Saingy manaja fatratra izay te-ho franc-maçon na athée.

« LIBRE PENSEUR » aho, tompoko.
Mitaky fanajàna tanteraka ny laïcité de l’Etat araka ny Lalàm-panorenana malagasy.
Manomboka eo ny fivoarana ho an’ity tany masina Madagasikara dimbin’i Lémuria ity, tompoko.

Fantaro fa mamitaka ny vahoaka malagasy tsivakivolo avokoa izay mpanao pôlitika rehetra manindrahindra religion sady manitsakitsaka ny Lalàm-panorenana noho io religion io.
Antony ?
Samy manan-jo manontolo ho an'ny safidim-pinoany ny isam-batan'olona malagasy.

Tsy misy, na iza na iza, tokony ho rebireben'ny mpanao pôlitika,
indrindra fa ny mpitondra fanjakana na ny mitetika hitondra fanjakana indray,
hiandany amin'ny religion -ny manokana.
Mampisara-bàzana ny religion, raha toa izay.
Mamotika ny fisandratàm-pirenena ny religion, raha toa izay.
Fanetriben'ny Firenena ny religion, raha toa izay.
Tongavà saina, tongavà fanahy, tompokolahy sy tompokovavy.

Manasa tànana aho. 
Diso aho raha nahalala kanefa tsy nanambara ampaha-bemaso. 
Afaka adidy aho izay.


VAHÖMBEY.
Alarobia 24 janoary 2018.




Aucun commentaire: