jeudi 9 juin 2011

TANTARAN-DRAZANA # 01



TANTARAN-DRAZAÑA ANTEMORO na NY FIHANDOHAN’NY FIRENENA MALAGASY …

“ Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra … “ Jaona 1, 1

Sasin-teny :

Ny ombilahy raha hitrena, miala saron-tandroka, ary ny olon-kendry raha hiteny miala tsiñy miala fondro …
Tsy misy mahay mamindra ohatra ñ’akoho fa raha eo ambony sahafa solafaka ihany. Tsy hidera vady mahay mandihy, na hitsako alohan’ny vaza
ña, fa mbola miankavia eo añoloan’ireo manampahaizaña sy mpikaroka fanta-daza sy olo-mangam-pirenena, hendratra sy saikatra tokoa raha hamoaka ireto takelaka vistsivitsy ireto, nefa dia anaovana mbay lalaña eo anoloan’ny rehetra satria tsy mandry ny eritreritra.
 
Izany no nahatonga ny hoe: « Izay azo zaraina dia tsy maintsy tsinjaraina, atsipy sy afafy ho an’ireo Mpiray aina sy Mpiara-atopatopan’ny onja eo ambonin’ilay sambo atao hoe “Ahy-Gasy-Tsara” ».

Isaorana etoaña ILAY NAHARY IZAO REHETRA IZAO. Asandratra ny Hasin’ny MAHA-MALAGASY NIANDOHAÑA. Ary omena fisaoraña Andriamatoa Jobily RAKOTOSON vy nahitana sy angady nananana ity raki-bolaña ity.

“Fa ny Mariña dia fisaka, ary mipoitra lalandava na dia tototra sy iniana totofana aza …”
 
 
Antananarivo, 11 Septembre 2002

Sava lalaña :
 

Tantara fohy no holazaina : Voalohany dia manolotra ny Teny sy Volaña fiarahabana ny Taranak'Antemoro be loholava, bondRay, bondReny ny tenanay ( Ben-dRay, ben-dReny ), ary mangata-dàlaña raha hitantara amin'ny Teny fohy ny Fomba amam-Panao ny Foko ANTEMORO. Nefa kosa dia mahazo matòky ianareo fa tsy hilaza ny OMPY ANKAROMATAFIÑA, fa ny tokony holazaina ihany.

Nefa na dia izany aza dia tsara ny mampahafantatra ñy Taranaka ankehitriny, izay heverinay fa maro no tsy mahalala be loatra ny tena mariña, fa saika mihinaña am-bolony ihany, ka mila fañitsiana, mba tsy hifanomezan-tsiñy be loatra, toy ny re ombieny ombieny, ka mamparary tadiñy. Ka mbola mamerina ny fialà-tsiñy aminareo rahalahy, aminareo zanaka sy zandry, ary ireo anakavy amin-dReny maro.

Tsy hitantara lava amin'ny Zanak'Anteoñy sy ny Zanak'Anakara aho, satria efa maro ny boky mieli-patraña mañeraña ny Nosy, eny mañeraña izao tontolon'ny Tantara aza. Ka na dia efa nisy, ary misy aza boky mitantara ny amin'ity ZANAK'ONJATSY ity, dia heverinay fa tsy ampy ary mila fañitsiana betsaka tokoa. Koa dia aoka ny tena mariña no hambara haseho etoaña. Heveriko fa afa-tsiny sahady ny teñanay, ary tsy hanam-pondro, koa dia avelao hisosa ny penina mba ho roso ny dianay.

Ity Foko ANTEMORO hotantaraiña eto ity anefa dia añisan'ny Taranak'Arabo tonga hizaha tany. Nitety toerana maro sy vavarano betsaka izy ireo vao tody soaman-tsara ka nahita tanety nitodiaña dia ny TANY, MALAKASIN'IHARAÑA.

Tsy haha-tantara ny maro anefa ny teñanay, fa ny Telo Lehibe tamin'izy ireo no hambara sy hotantaraina amin'ny mpamaky izay heverinay fa liaña tokoa ahafantatra ny tantarany dia ny ZANAK'ONJATSY - ZANAK'ANTEOÑY sy ZANAK'ANAKARA. 

Misy hifamatorany betsaka loatra ara-tantara manko ireo telo ireo, koa dia hialaña tsiñy amin'ireo sasany tsy voalaza. Ny fañirianay dia ny ahazoan'ny rehetra mpamaky fahafinaretana eo am-panovozam-pahalalana amin'ity tantara fohy ity.

Fa ny fahaizana amam-pahendrena anañan’ireo foko Antemoro ireo dia mifindra sy mifandimby ka raisiny avy amin’ny Razaña niandohany ka mifindra amin’ny taranaka mifandimby hatrany hatrany.

1. NY FAHATONGAVANY :

Fañontaniaña no mipetraka hatrany ka hatramin'izao, fa iza mariña moa ireto Onjatsy ireto, ary avy taiza sy mankaiza, ary aiza no toerana misy azy ireo eto Madagasikara?


Fañontaniaña anteñaina fa tsy maintsy mipetraka anefa izany, ka tsara ny hamaliaña azy.

Taranak'ireo Arabo Fotsy avy ao amin'ny Tendrombohitra Arafat ABOU-ABBE ao Médine (La Mecque) no nipoirany.

Fa nisy faharavana noho ny adim-Pinoana na adim-Pivavahana nitranga tao amin'ny Tany Masina La Mecque, ka dia samy nandositra nitady toerana avokoa ny rehetra, ary añisan'izany ireto taranaky ny Arabo Fotsy ireto notarihin'ny Soltano (Sultan) RAMAKA sy ireo vadiny mirahavavy dia Raboraboramaso sy Ratsatsakandrano, ary ireo mpañaraka sy mpañotrona azy.

Araka ny tantara dia niala tao La Mecque izy ireo tamin'ny taon-jato faha-3 ( 342 de l'Hézire ) ka nitety tany maro sy ny Ranomasina Mena tao Hedzaz. 
Koa rehefa avy nandalo tany maro sy nita renirano betsaka ary nita ranomasina mangeniheny dia tody soa aman-tsara tao amin’ity Nosy iray ity ary nidina an-tanety tao Vohimaro, vao nandeha nañaraka ny morontsiraka.

2. ÑY ONJATSY :
  
2.1 – Ñy fifindrà-moniña : 

Isaky ny mandalo renirano izy ireo dia saika manjono, ka izay trondro azony no ataon'izy ireo sakafo, ary izany hatrany no nataony, ary tsy hisalasalana fa izany no mahatonga ireo mpanoratra sasany milaza fa mpanjono ny Onjatsy. Fa hatrany hatrany dia tsy mihinaña zavatra misy rà vonoin'ny olon-kafa, fa izy ireo ihany no mamono ny biby na voroña hohaniny.

Ireo taranany sasany nanapa-kevitra fa hijanona, ary ireo no taranaky ny NJOATY ANTAKARAÑA, izay manana ny Tantarany amin'iny faritry Antsirañana iny.

Ka rehefa avy nifañome tso-drano izy ireo dia nifanao veloma. Nanohy ny diany nianatsimo ireo Razamben'ny Onjatsy tarihin-dRamaka sy ireo mpanaraka azy.
Nihantsona tao Maroantsetra. Niditra an-tanety ary tojo ity farihy lehibe midadasika tokoa izay fantatra mandrak’ankehitriny amin’ny hoe "Lac Alaotra" na "LAC d'ANTALAOTRA", satria nampitondrainy ny anarany maha Antalaotra azy ireo.

Nisy ny nanapa-kevitra hijanona, ireo no atao hoe Antalaotra Sihanaka ao amin'ny faritra Ambatondrazaka. Fa ny anarana Antalaotra dia iarahany manana amin'ny Antemoro, fa iray dia ihany izy ireo tany amboalohany, fa voazaran'ny tany mahalaña nitoerana. Toy izao no filazan'ny mpanoratra Kasanga Fernand:


“Ny Antalaotra ( Gens de la Haute mer ) izay nitody tao Ambodimanga ( Maroantsetra ) dia nizara roa : fa ny sasany voalohany dia ANTSIHANAKA (Alaotra ), ary ny sasany faharoa kosa dia nianatsimo nankany Matitañana.” 
Efa tao Matitañana izy ireo talohan'ny taona 1498 ( ère chrétienne ), araka ny filazan'ny mpanoratra. Ikoizana izy ireo eo amin'ny fahaizana ny Koraña, sady mbola manohy mandrak'androany ny fivavahaña silamo...

Nanohy ny diany ihany ireo vahiny mpizaha tany dia RAMAKA sy ireo mpañotrona azy, ka nanapa-kevitra RAMINIA hijanona sy hitoetra. Ary mandrak'ankehitriny ireo Antambahoaka dia ao Mananjary.

Rehefa avy nifañome tsodrano indray izy ireo dia roso nanohy ny diany niañatsimo ihany ry RAMAKA Onjatsy, nandalo tao Manakara, ary nandalo an'i ( Vohipeno ) Maures ( Mahory ), ka mbola nanohy hatrany Tolañaro ( Fort-Dauphin ), nefa tsy tamaña tañy, fa nitodi-doha niveriña niañavaratra indray, ka rehefa tonga tao Ambinañin'i Maures ( Mahory ), fa izany no anaran'ity vavarano ity taloha ( Ante-Maures ), Antemoro ankehitriny.

Nañorim-poneñana tao izy ireo, ary nataony hoe: ABOU-ABBE io tanañany io, ho fahatsiarovany ny tany nialany tañy Arabia Lameka, ao Saririmasiña ( Sarihimasy ) hoy ny filazan'ny Onjatsy azy ankehitriny, izay toeraña misy ny ROVAN'NY ONJATSY, izay tsy nitambarany tamin'ny olon-kafa fa izy irery, sady izy irery ihany no Tompon'adidy ao amin'ity Rova ao Ambohabe ( ABOU-ABBE ), izay sady manan-daza no manan-Kasiña rahateo, ary ao avokoa ireo Razamben'ny Onjatsy ireo no mileviña.

Miaraka aminy ao koa ny mpiandry ombiny teo aloha atao hoe : Totoñandro, atsimon-dRova io, ary misy hazo maniry eo ampototry ny toerana nileveñany. Añisan'ny mandray anjara lehibe amin'ny lañonaña sy fety izany lehilahy Totoñandro izany. Indrindra moa raha misy lañonaña famonoaña omby voalazan'ny Bokin-dRazaña Onjatsy.

Ka rehefa vita ny vavaka na Joro ataon'ny Mpanjaka na Loholona Onjatsy, dia antsoiny amin'izay io Totoñandro io, ary maro ny fahagagana hita tamin'ny fony fahizany, fa na dia tsy fatorana tady intsony aza io omby vonoina io dia tsy mitroatra. Zava-mariña sy zava-misy izany noho ny Hasina teo amin'ny Razañ'Onjatsy. Nihamaro sy nihabetsaka tamin'io toerana io ny tarana-dRamaka Onjatsy. 

Tsy avy hatrany dia nivantaña tany foaña anefa izy ireo tamin'izany fotoaña izany, fa efa nisy mponina tao, natao hoe : ONTSOA na olon-tsoa no filazaña azy, fa saingy niery tao añaty ala izy ireo. Nifankatia sy nahay niara-monina anefa izy ireo, na dia toa tsy nifankahazo aza ny fiteny sy ny fomba fiaiñana. Fa ny fomban'ny Ontsoa tompontany Malakasy, nampifankahazoana tamin'ny fomban'ny Arabo no nahazoana ny Teny Arabico-Malagasy.
 
Tsy niery tao añaty ala mihinaña ny voankazo masaka intsony ireto Ontsoa fa nampianarin-dRamàka namboly karazaña zavatra maro toy ny vary sy ny karazan-javatra hafa toy ny mangahazo, sy ireo karazan-kazo fihinam-boa isan-karazana, torak'izany ny tefy vy toy ny angady, antsy sy ny sisa tsy voatoñona. Manaña ny Bokin-dRazany nolovany tamin'ireo Razambeny ny Onjatsy, ary ny boky tranainy indrindra tao amin’ireo Bokin-dRazaña ireo ny VOLAÑ’ONJATSY.

Ka dia mbola nampianatra ireto Ontsoa ireto ihany koa Ramaka Onjatsy, ka hoy izy tamin'izany : "Tianay hahay ny zavatra hainay ny olona miara-monina aminay, koa raha tianareo dia mianàra hahay mamaky sy manoratra ny TENY SY VOLAÑ’ONJATSY ".

Tsy nisalasala ireto Ontsoa ka dia rafitra nianatra tokoa ary dia nahay, ka nifankahazo tsara ara-pomba amam-panao sy fitenenana. Tamin'izany koa no nifampilazana ny fomba eo amin'ny ara-tsakafo, toy ny riry, fady, sandraña ( eo amin'ny ara-tsakafo avokoa ireo ).

2.2 – Ny biby FAÑANY :

Efa nihamaro sy nihabetsaka ny tarana-dRamaka Onjatsy, ary samy nandray ny anjara asa aman-draharahany avokoa, ary samy manaña ny foneñany ny isan-tokantraño. Indray andro anefa dia nisy biby tonga nandripaka nihinaña ny mponiña tamin'io toeraña nisy ny Onjatsy io teo Saririmasiña.

Araka ny voalazan'ny Boky fitantaraña dia fañanimpitoloha na fitolela avy añy an-dranomasiña. Fa nahare ny fofon-kaniña sy ny tsiron-kaniña tamin'ity tanàña ity io biby io dia nampitsiritika ñy lelany fito nifandimby tsirairay ka lany avokoa ny mponiña Onjatsy tarana-dRamaka, ary tsy nisy afa-tsy dimy mianaka no sisa tsy lany, niafiña tao ambany laoña ngezabe, nosaroñany hondroña ( ahitra maiña ), ka izany no naha RAMAKA AMBANIHONDROÑA azy taty aoriana. Rehefa nahalàny ny mponiña tao an-tanàña anefa ilay biby dia niveriña any añaty ranomasiña ihany.

Raha jerena ny boky navoakan'ny Université de Madagasikara, ao amin'ny Faculté des Droits et Sciences Economiques - Cahiers du Centre d'Etudes et des Coutumes - Directeur : Mme ROUHETTE - N°7 et 8 dia izao no voalaza ao:


« A l'arrivée des Anteoñy conduite par leur Chef suprême le sultan RAMAKARARO , les Onjatsy formaient un grand village à SARIRIMASINA ( Sarihimasy ), un jour qu'ils célébrérent leur fête, ils tuèrent un gros bœuf, firent rôtir et griller la viande. C'est à ce moment là, un gros animal, peut être fañany, attiré par l'odeur de la viande, sortit de la mer, dévora la viande et tous les habitants. Excepté un homme appelé RAMAKA et sa famille, qui se cachèrent dans un grand laona ( mortier ) en bois. Et quelques temps après cet accident, des voyageurs passèrent près du village vers l'après-midi et y entrèrent. Ils avaient bien peur en voyant le village d'Onjatsy à demi détruit et toutes les cases abandonnées. En s'avançant toujours, ils apercurent un homme et sa famille et leur demandèrent une case pour passer la nuit. Ramaka offrit une case à ses hôtes. Les voyageurs se reposent dans ce village pendant quelques jours. 
Ramaka raconta à ses hôtes l'aventure qu'ont subi les habitants et les supplia de lui dire franchement s'il y a des ombiasy ( devins parmi eux et s'ils peuvent tuer cet animal terrible ou l'empêcher de revenir dans le village. Les nouveaux venus conviennent qu'il y a des ombiasy parmi eux et qu'ils savent tuer cet animal. Ramaka prit un bœuf. Les ombiasy ordonnèrent de tuer l'animal et firent griller à l'Est du village sept gros morceaux de viande avec sept grils en fer. Au bout de quelques temps la mer s'agita furieusement, Ramaka dit alors à ses ombiasy : "Sauvons-nous, le terrible animal va venir." Ils se cachèrent alors dans le grand laona en bois. Attiré par l'odeur de la viande, l'animal sortit de la mer, devora successivement les sept morceaux de viande où les ombiasy avaient mis les fanafody à la viande. Après avoir mangé le tout, l'animal se jeta dans la mer et les ombiasy affirmèrent que ce monstre ne reviendra plus … »




Very hevitra tamin'izany anefa Ramaka sy ireo vadiny roa mirahavavy, ary ireo zanany mianadahy. Nandeha nitokan-drery tamin'ny toerana mangina RAMAKA nivavaka tamin'Iaba Rainy, ka hoy izy tamin'izany :

"Ô Aba Raiko ô, toerana mahasoa sy mahatsara anahy sy ñy taranako ity toerana nametrahanao anay ity. Lany ritra teto anefa ny taranako rehetra, afa-tsy izahay dimy mianaka ireto avao, ka inona no hataoko ahamaro sy ahabetsaka indray ny taranako eto indray ô Aba Raiko ô?... ".

Dia hoy Ñy Jañahary Rainy raha namaly ny fañontaniany hoe :

" Manomboka amin'izao mason'andro anio izao, dia Omeo ny Tsodrano ( FAFY ) Masina ireo zanakareo mianalahy ireo tsy ho mpianalahy intsony fa ho mpivady, ary ireo no hiteraka ahamaro ny taranakao indray eto amin'ity tany soa sy tsara honeñanao ity. "

Dia nataon-dRamaka ny Fafirano na tsodrano ho an'i NDRENOÑY zanany tamin'ny vadibeny sy TSIMATAHODRAFY, zanany tamin'ny vady masainy. Ary dia ireo no niteraka ny taranaka Onjatsy bon-dRay bon-dReny ankehitriny, mameno ny tany sy ny vohitra, na dia toerana iray ihany aza no foneñany dia ny tanañan’Onjatsy izany. Añisan’ny zanak’izy mivady ireo no nahitana an-dRatandramasy – Onjatsivavy.

Fa Onjatsy ny Mponina, ary Onjatsy ihany koa ny Tarànany. Izany no niandohan'ny Fafy ao amin'ny Onjatsy raha misy fanambadiana atao amin'ny taranany. FAFY amin'ny Onjatsy, ary MIALO amin'ny Anteoñy. Efa mahatratra ny taranaka 12 mifandimby ny taranaky ny Onjatsy hatramin'ny nihinanan'ny fañanimpitoloha. Fa angamba mety nahatratra ny taranaka 20 nifandimby ny taranany raha tsy nisy izany biby nihinaña azy ireo izany, raha jerena amin'ny fañisana an-tañan-tohatra ( généalogie ), raha manomboka amin'ny IABABE ( Iazana ), ka hatramin'ny Zafitsihavana ( Parenté mythique ).

Ka indro ambarantsika eto ny fañisana azy toy izao mañaraka izao : ( 1 ) - IAZAÑA, fantatra amin'ny Raibe na Dadabe ( Grand Parent ou Grand Père ) niteraka an'i ( 2 ) IABA ( Père, Ray ) niteraka ny ( 3 ) ZANAKA ( Fils ) niteraka ny ( 4 ) ZAFY ( Petit fils ou petits enfants ) niteraka ny ( 5 ) ZAFIAFY ( zafikely, arrière petits enfants ) niteraka ny ( 6 ) ZAFINDOHALIKA ( petits enfants de genoux ) niteraka ny ( 7 ) ZAFINKITROKELY ( petits enfants de cheville ) niteraka ny ( 8 ) ZAFIMPALADIA ( plante du pied ) niteraka ny (9) ZAFINDORIA ( de l'infini ) niteraka ny ( 10 ) ZAFIMAFY ( au cœur dur, ou ne mine pas le chagrin, fa efa tsy mitomañy, tsy misy alahelo firy intsony na dia misy maty aza amin'ny fianakaviany efa antitra ary heveriny fa efa lavitra azy, na dia eo aza ny rohim-pianakaviana na fihavanana ). Ny ZAFIMAFY niteraka ny ( 11 ) ZAFITSITORAÑA ( qui ne mine pas le chagrin ) niteraka ny ( 12 ) ZAFITSIHAVAÑA ( parenté mythique, ou qui ne sont pas parents ).

Na dia eo aza ireo fañisana voalaza ireo dia tsy maintsy misy ny MIFAFY na FAFY eo amin'ny Zanak'Onjatsy raha misy ny fanambadiana atao.

2.3 – Darafify :

Tamin'ny taon-jato hezira 342 no nahatongavan-dRamaka Onjatsy sy ireo mpañaraka azy, fa i Darafify kosa izay mpiambina azy dia mbola nijanona tao Tolañaro, fa efa taty aoriana vao nañaraka ny lehibeny. Tsy tamaña tañy Tolañaro i Darafify ka dia nanapa-kevitra niveriña hamonjy ny lehibeny dia Ramaka Onjatsy izany. 

Ka rehefa tonga teo amin'ny vavaranon'i Mahory izy dia nifanena tamina lehilany iray. Ka dia nifañontany añarana izy roalahy, koa hoy ny iray hoe FATRAPITAÑA no añarako, DARAFIFY kosa ny ahy hoy ny ankilany. 

Ka hoy i Darafify tamin'i Fatrapitaña : " Fiazo mafy ity tañako havanaña ity raha i Fatrapitaña no añaranao." Samy olona nosoran-dreniy menaka moa, koa tsy nisalasala ny iray namihina ny tañan'i Darafify. Fa na dia somary kely ihany aza ny iray fa goavana kosa i darafify, dia natorak'i Darafify añy an-dranomasiña i Fatrapitaña, nefa tsy voatsipy araky ny nañampoizany azy. Ka dia voasintoña tamin'izany ady nifanaovany izany ny herin’ny tañan'i Darafify havanaña, ka dia maty.

Hatraman'izany fotoaña izany no nahatonga ny renirano Mahory teo aloha ho Matitañana, fa nahafaty ny herin'ny tañan'i Darafify havanaña ( Taona TALATA, vitañ'andro ADALO 918 ). Tamin'izany fotoaña izany indrindra no nanapahan'i Darafify hevitra tsy hitoetra tao Matitañana intsony, ka nangataka tsodràno tamin-dRamaka lehibeny izy fa hiañavaratra. 

Araka ny tantara dia namonjy ny reniranon'i Kalomalala ao Andovoranto, Faritany Toamasina izy, ka tao no naka vady roa vavy dia RASOABE vadibeny, sy RASOAMASAY vadimasainy, fa nampirafy izy. 

Tsy nifañaran-tsaina loatra anefa izy roa vavy ireo, ka isaky ny mantsaka rano eo amin'ny tsirañana dia rafitra ady eo amoron-drano. Koa raha nahare sady nahita izany kosa i Darafify, dia nidoaviny (noteniny na nohozoniny ) ny renirano mba hisara-droa. Ary dia nisy tokoa bararata naniry ka nampisaraka roa ny renirano, dia ny ilany an-dRasoabe, ny ilany faharoa kosa an-dRasoamasay vadikeliny. 

Ary dia tsy niady intsony izy mirahavavy fa samy manaña ny fatsakan-dranony avy (tsiraña). Araka ny fantatra dia saika taranak'izy ireo avokoa ny mponina amin'iny faritra atsimon'ny Faritany Toamasina iny. Maty tao amin'io faritra nisy azy io Darafify, ka naforitra roa vao azo naleviña fa lava loatra, satria 100 metatra ny halavany, fa noho izy niforitra roa dia 50 metatra izany. 

Ka naleviña eo añelañelan'MANDOAVOLO sy SAHAPAKY. Ireo Mandoavolo dia taranaky ny mponina ao FENOANTARA, fa ny Sahapàky kosa dia taranak'ireo ao SAHADRABO, samy amin'ny renirano RASOABE sy RASOAMASAY avokoa ireo. Nodidiñina vato ny fasana nileveñany ( Boky nosoratan'i Katibo lava-añaraña nomen'ny Antemoro azy, fa LUDVIG MUNTHE no tena añarany amin'ny maha Misionera Norveziana azy : " LA TRADITION ARABICO-MALAGASY " pejy 221,223 ). 

Ireto kosa ny RAZAMBE niandohan'ny Onjatsy :

- RAMAKA na RAMAKAMBANIHONDRO
- KALITA MAODY
- MAMEHITAMBANIKOHODEO
- ANDRIAMAÑITSIMANA
- ITSIMAÑIHIDAHY
- RAMISY
- RAFANOHAMBOATRA
- FAÑONTA
- TSIMAROFY
- NDRIANAPERA
- MARA RANDRIAMANIRISOA
- ANDRIAMITSIRIMANAÑA
- NDREMITAMBOLA
- RAMANAHAKA
- RAFAÑILIHAMBOATRA
- RANGOTRY
- RASANAMBOATRY
- ZOLOKY
- TSIARONDAHY
- MAHADIKA
- TSIANOMBONTA
- RABOBA
- RATSIMIHEKIMANA
- RAMBOA
- TSIRAVAINA
- ANDRIAMALAZAMANA
- LAMBO.

3. NY ANTEOÑY :
  
Taranak'Arabo Grika avy amin'ny Nosy Ionienne ireto Anteoñy ireto. Nanao fifindra-monina rodobe izy ireo izay notarihin'ny Razambeny dia ny Soltano ( Sultan ) RAMAKARARO sy ireo maro mpañaraka sy mpañotrona azy niara-dia taminy.

Fa araka ny voalaza tamin'ny bokin-drazaña Anteoñy hitanay dia tonga tamin'ny taon-jato faha-14 ( 14-ème siècle ), 715 Hégire, tamin'ny taona 1337 indrindra, izany daty sy fotoan-dehibe nahatongavan'izy ireo izany. Fa na dia nitety tany maro sy ranomasina mangeniheny aza izy ireo, dia tody soa aman-tsara teo amin'ny vavaranon'Imatatàña, ka dia somary gaga raha nahita setrok'afo tamin'ity tany iray hitany ity, ary fantany fa misy olona monina amin'ity tanàña ity. Koa dia tsy nisalasala izy ireo niditra ny tanàña, ary ny tompon-tany koa avy hatrañy dia nandray tsara ñy vahiny.

Ka rehefa avy nifampiarahaba mifañotsafa izy ireo dia veloña ny fitantarana ny dian'ny vahiny teny an-dàlaña, ary farany dia nanapa-kevitra fa hiorom-poneñana amin'ity tany misy an-dRamaka Onjatsy ity. Fantatry ny tompontany Ramaka Onjatsy fa olona tsara ireto vahiny, ka dia mba anjarany kosa no nitantara ny zava-nanjo azy mianakavy sy ireo tarañany, izay maro ihany teo aloha, fa sendra nisy biby avy an-darnomasina tonga nihinaña azy mianakavy ka lany ritra teto. Koa mbola matahotra ihany sao dia mbola ho avy indray izany biby izany ihinaña antsika eto.

Koa raha nahare izany anefa ireto vahiny satria vonona ny hipetraka hiorim-ponenaña, dia voñona koa ny hanao izay ahafaty izany biby izany, mba tsy hisy zavatra hanabataba intsony ny vahoaka moniña eto. Samy nampiseho fahavoñonaña avokoa na ny vahiny na ny tompontany. Ny zavatra nataon-dRamaka Onjatsy dia ny nañome toeraña sy tany honeñan'ireto vahiny.

Tery sy kely anefa ny toeraña nisy an-dRAMAKA Onjatsy ka tsy homby hitoeran’ireto vahiny vao tonga ireto ka nomen-dRamaka ny toeraña sahaza azy avy. Fa Ramakararo dia nomeny toerana teo Ivato, ka lasa mpanjaka nifehy ny taranany. Ary nomeny ho vadin-dRamosamarỳ, taranan-dRamakararo ny Onjatsivavy Ratandramasy, ka niteraka an’i Ndremarohalaña izay nañorina ny fanjakan’ny Anteoñy ka nañitatra izany mandraka ankehitriny.

Raha jerena ny boky navoakan'ny Université de Madagasikara, ao amin'ny Faculté des Droits et Sciences Economiques - Cahiers du Centre d'Etudes et des Coutumes - Directeur : Mme ROUHETTE - N°7 et 8 dia izao ihany koa no voalaza ao :

« … Les vahiny restèrent encore quelques jours au vilage puis ils se décidèrent de s'y établir. Ils demandèrent à Ramaka un terrain qu'ils pourraient habiter et cultiver. Ramaka emmena ses hôtes. Ils se dirigèrent vers l'Ouest et après avoir fait 2 à 2,5 Kms de Saririmasiña, Ramaka dit aux ombiasy : "SAVASAVAO EROA HO ANAREO" ( déboisez ce terrain là pour vous ). Ceux-ci se mirent au travail et le village prit le nom de SAHAVÀÑA (Savàña ), actuellement où les taranak'Andriantsimeto Rañaha habitent, qui se servent des arbres de la forêt proche du village pour préparer leur fañafody. Et jusqu'à nos jours, il est fady d'abattre les arbres de cette fôret …  
Comme les Anteoñy n'amenèrent pas de femmes avec eux, l'un d'entre eux RAMOSAMARI ( Prince Anteoñy) demanda en mariage RATANDRAMASY ( Princesse d'Onjatsy ) à son père RAMAKA. Ce dernier accepta la demande et la petite fille consentit volontiers. Ils ont mis au monde ANDRIAMAROHALAÑA ( ou Ramarohalaña) qui est Ancêtre de tous les Anteoñy. C'est pourquoi les Onjatsy restent toujours grands Aïeux des Anteoñy, car précédemment l'aïeule des Anteoñy est une femme Onjatsy. Lorsque les Anteoñy visitèrent les Onjatsy, ils désirèrent habiter cet îlot et demandèrent aux Onjatsy de les autoriser à cultiver une parcelle à cette île. Les Onjatsy leur accordèrent. Après, ces Anteoñy créerent le village de Mahasoa Andohanosy, Foroforo, Fandalava, Vohilañy, Ambaro, Vatanio. C'est la raison pour laquelle ces Anteoñy occupent la région d'Onjatsy … » 

Tsara homarihina etoaña ho fantatra ny rehetra ny tantaran’Andriamarohalaña. Ny añaraña voalohany nentiny dia Mosafotsy. Ary ny vadiny voalohany dia Ravahinìa. Taty aoriana dia nilaza izy fa hiverina hody any Lameka, ka nitady hevitra Ramatoa hitazonany ñy vadiny.

Tamin’izany dia nandeha nañantoña Mpimasy iray ka nilazalaza tamin’ny antsipirihany ñy antony ahantongavany. Rehefa nahare sy nahafantatra izany ñy Mpimasy dia nañome sy nanoro ny zavatra tokony hatao : 

“ Mangalà atody lamokany telo ka atsipàzo ao añaty afo rehefa handeha hisìdiña izy”. 

Tsara homarihina fa noho ny hasiña izay nisy tamin’ireo Razambe taloha dia manidiña toy ny voroña izy ireo rehefa handeha lavitra. Izany dia azo hamarinina ao amin’ny pejy 526 Boky Koraña: 

« Rappelons que les GRUES, comme oiseaux migrateurs, allant de la Scandinavie à Madagascar, passent en effet par le Hijaz, et le bédouin devait avoir pris ces oiseaux mystérieux, volant à haute altitude, pour des êtres célestes ». 

Rehefa tonga ary ny andro handehanaña ka avy nisotro fandramàna maraiña i Mosafotsy dia lasa tokoa. Vao nisidiña anefa izy dia notanterahin-dRamatoa ny hafatry ny Mpimasy ary natsipiny tao añaty afo ñy atody lamokany telo ka nipoaka. Niaraka tamin’izay dia latsaka nianjera tamin’ny tany ka tapaka ny tàñany, tongony, hazon-damosiny … Voatery nasiaña HALAÑA (platre) ny teñany iray manontolo ( tàñana, tongotra, lamosiña, … ).

Nanomboka tamin’io no nitondrany ny añaraña hoe ANDRIAMAROHALAÑA. Teo amin’ny toeraña natao hoe Ampolañàhitrabo, avaratra kely ny Rova no misy io toeraña nianjerany io. Tsara homarihina izany fa tsy hoe nohon’ny maha-Mpanjaka azy ka mety ho halan’ny maro no nahatonga ny añarany. Tsara ho fantatry ny taranak’Anteoñy ankehitriny izany tantara mariña voalaza izany.

Tsara homarihina etoaña fa ñy Onjatsy no Razambe niteraka ireo Andriaña efatra ao amin’ny Anteoñy dia i :
- RAMBO niteraka ny Zafirambo nielipatraña mañeraña ny nosy ;
- SAMBO niteraka ny Antesambo, faritra Lokomby;

- MAHAZO niteraka ny Antemahazo, faritra Andemaka sy ny mañodidina;
- IOÑI niteraka ny Anteoñy renivohitra ao Ivato, mitoetra ao amin’ñy Fenovola;
- MOSAFOTSY,
sy ñy sisa tsy voatañisa. 

Nomena toeraña koa ry Rañaha ( Antalaotra ) Antesimeto ka hoy izy hoe: ”Savasavao eroa ho anareo“. 

Nanavasava ñy ala no nahasavaña an’i Savaña, ka eo ampitan’ny rano misy ñy Onjatsy no misy azy ireo ankehitriny. Toy izany Andriamboaziribe mpitaña ny Kalamo sy ñy Faširy, ka nomena ny toeraña eo Sañambary ka ao mandraka androany. Toy izany koa ry zareo ao Malazamasiña na Lazamasy ankehitriny ( Anteoñy avokoa anefa izy rehetra ireo). 

Dia hoy ihany koa no nolazain’ny boky navoakan'ny Université de Madagasikara, ao amin'ny Faculté des Droits et Sciences Economiques - Cahiers du Centre d'Etudes et des Coutumes - Directeur : Mme ROUHETTE - N°7 et 8 :

« RAMAKA dit alors à ceux qui n'ont pas encore reçu de concession : "HABITEZ CETTE COLLINE, EN DESIGNANT AVEC SES DOIGTS ". Cette monticule s'appellle MALAZAMASIÑA ( Lazamasy ) du nouveau nom. Ces derniers sont du clan des Anteoñy. C'est à partir de cette date que les Anteoñy et les Antalaotra s'établissent dans cette région. Ces Antalaotra étaient ombiasy amenés par des Anteoñy pour les soigner dans leur voyage quand ils tombent malade … »


4. NY ANAKARA :



Taranaky ny Jiosy Israelita nonina tao Arabia ireto Zanak'Anakara ireto, notarihin'ny Razambeny Soltano ( Sultan ) Ali Tawarath, sy ireo mpañaraka azy tamin'ny taon-jato faha -14 ( 1485 ), sy ny taon-jato faha-15 ( 1548 ). Mbola nitety tany maro izy ireo vao tonga taty amin'ny faritry ny Antemoro ao Matitañana, fa mbola nagnariary.

Fa raha vao tonga kosa izy ireo tao Imarovily, mañamoroña ñy reniranon'i Matitañana iñy, efa nipetraka naharitra tao izy ireo, vao nangataka hiakatra amin'ny toeraña avoavo kokoa. nomena azy ireo ny teo NANDRAHOAÑA, fa araka ny fizaran-tany sy fanoloraña ñy toeraña ho an'ny tsirairay, dia io no anjara tany nomeña azy ireo, fa eo no mahamasiña anay hoy izy ireo. 

Nisy vato iray lehibe teo afovoan'io tanàña, ka nasian'izy ireo Soratra Arabo araka ny fahaizany ( Fandraka - Fitary - Konitry), fa izany no añaran'ny Soraben-dRazan'izy ireo. Efa taty aoriaña elabe vao niova ho Vatomasiña, izay añarana nentin'izy ireo hatramin'izao. 

Nanaña ny fahaizany araka ny nentin-dRazany izy ireo, indrindra fa ny fandinihaña ny zava-miseho amin'ny habakabaky ñy lanitra, ñy kintaña, ñy volaña, ary izay rehetra tazaña eny amin'ny mañodidiña, ka tsy nisalasala izy ireo nampiseho izany fahaizany sy fahalalany izany.

5. NY FANAPAHANA TAO IVATO : 

5.1 – Ny Fizarana : 

Tamin’ny Alahady 16 Septambra 1504, dia nisy fivoriambe nataon’ny Antemoro beloholava ( bondray bondreny ).

Nozaraina tamin’io fotoaña io izay andraikitry ny tsirairay isan-trokiny. 
Tao ambalan’i Matataña, tao Ivato Savaña no nanaovana azy, tokony ho tamin’ny 10 ora antoandro. Vory tamin’izany fotoaña lehibe izany avokoa ny rehetra, nahitaña ny Onjatsy - Anteoñy - Anakara, sy ireo vahoaka Antemoro tamin’ny mañodidiña. Tamin’izany fotoaña izany indrindra no nizarana ny andraikitry ny tsirairay isan-trokiny, na isan-tanàña.

- Koa satria ny Onjatsy no zokiny indrindra, sady tonga voalohany ka novantañin’ireo vahiny taty aoriaña, FA IZY NO TOMPON’NY ROVA AO SARIRIMASIÑA, IZY NO TOMPON’NY VINAÑY, IZY NO TOMPON’NY RANO, ARY NY ONJATSY IHANY KOA NO TOMPON’NY SOMBÌLY. ARY ZOKIN-TANY, FA TONGA VOALOHANY INDRINDRA.

Samy niara-nanaiky izany avokoa ny rehetra, ary niteny ny Mpanjaka teo Ivato tamin’izany, fa didiko izany, ary izany tokoa no mariña. tsy nisy nandà na dia iray aza tamin'izany fotoaña izany, ary añisan'ny Razambe niandohaña, tonga voalohany ireto Onjatsy ireto : izany hoe Zokiolona, fa Andriaña Mañandriaña ny Onjatsy sady Zafimbolafotsy koa. Zava-tsarotra tsy azony ialaña ny amin’izany.

Ohatra : Raha sendra tototry ny fasika ñy Vinañy, dia tsy maintsy mandeha ny Onjatsy manao ny fomba fanaony mba hañalàna izany, satria mitaraiña ñy vahoaka fa maro ñy fahavoazaña hita noho izany. Satria ny Onjatsy no Tompon'io Vinañy io, sady Tompon'andraikitra raha sendra misy zavatra mitranga amin'izany toeraña izany. Amin'izany koa ny Antemoro manontolo no tonga miangavy ny Onjatsy Razambe niandohany, mba hanao ny fomba rehetra hañalàna ny fahasahiranan'ny vahoaka manontolo. Toy izany raha tantaraina amin'ny teny fohy ny amin'io Vinañy ny Onjatsy Antemoro ao AMBOHABE io.

- Ny Anteoñy kosa dia napetraka hiandraikitra ny fitondraña ara-panjakana teo amin'ny foko Antemoro, fa na dia samy manaña ny Mpanjakany aza ny isan-tanàña, na isam-pokony avy, dia natao ho ry zareo Anteoñy no Mpanjaka Mpifehy ny tany rehetra, fa azy ny Ndrenoñy. Fa tao amin’i SOROMALA – ( Onjatsy ) izany teo aloha.

Talohan'ny nahatongavan'ny rehetra tao Matitañana dia tao Onjatsy no nisy ny Ndrenoñy, fa taty aoriana kosa fa efa betsaka ny mponina, dia nafindra teny Ivato ny Ndrenoñy hitondra ny tany sy ny Fanjakana Antemoro, sady ampovoan'ny tanibe no toerana misy azy.

Somary añindran-tany ny toerana misy ny Onjatsy. Tsy nisy nandà avokoa ireo rehetra ireo, fa ny eo Ivato no napetraka hitondra ny Fanjakan'ny Antemoro.

- Ny ANAKARA kosa, dia satria añisan'ny taranaky ny Arabo Jiosy Israelita izy ireo dia nomena ho andraikitriny ny Mpaminañin'ny lañitra, izany hoe: mandinika ny zavatra miseho amin'ny habakabaky ny lañitra sy ny kintaña, ny masoandro, ary ny volaña izany. Ka na dia samy manam-pahaizana amin'izany aza ny tsirairay dia efa napetraka ho azy ireo ny tompon'antoka amin'izany. 

Samy tsy nisy nandà avokoa ny tamin'izany fa samy faly sy ravo avokoa fa nahazo ny anjara raharaha sahaza azy avy, na dia eo aza ny asa aman-draharaha fameloman-teña isan'andro.

- Fa ny amin'ny Tany kosa dia nomena ho andraikitry ny Antetsimeto Rañaha izany, ary dia neken'ny be sy ny maro ihany koa izany, ary tsy nisy nandà na iray aza.

Ireto kosa ny Boky Sora-dRazaña Antemoro araka ny fahitanay azy isan-tanàña na isan-trokiny avy :

1.- LE VOLAÑ’ONJATSY ( Parole des Onjatsy, spécialiste dans les prières, dans les phénomènes celestes, tel l'eclipse lunaire, l'eclipse solaire, traite des maladies de toutes sortes ).
2.- LE VOLOMPOSA des Antalaotra ( traite des sorts quels soient bons ou mauvais,
3.- LE VOHIMPOSA réputés les plus efficaces ).
4.- LE ILOVANGO des Antetsimeto ( sous-clan des Antalaotra ) ( traite des phénomènes terrestres de toutes sortes. )
5.- LE VOLONAOMBY
6.- LE NOTSARABY des Anteoñy ( spécialisé dans les prières pendant et dans toutes les cérémonies ancestrales et coutumières.)
7.- LE MAROTALILY
8.- AKANGA ou LE LOKANGA des Anterotry ( traite de l'art de dominer la foudre, les sauterelles, le cyclone etc... les plus célébres et efficaces )
9.- LE FANDRAKA des Anakara ( traite le phénomène celeste, tel l'eclipse de lune,
10.- LE FITARY (du soleil par exemple, et pour les prières de toutes sortes),
11.- LE KONITRY.
12.- LE RELAZA des Antemahazo ( sous-clan des Anteoñy ) ( traite des prières et talismans ).
13.- LE LAÑARY des Antemahazo ( sous-clan des Anteoñy ) ( traite des prières et talismans de toutes sortes ) ;
14.- L'IFOTSY. 

Ireto kosa ny karazan-teny, na ohabolaña, na ohan-teny fandré eny rehetra eny, ka hialaña tsiñy ny milaza azy eto ho fantatry ny olona. Ka anaovana azafady indrindra :

- ONJATSY TOLÀM-BARANGARAÑA, MANDIGNY Ñ'ANDEVO HANGALA ANAZY...
- ANJAVÌDY ÑY ONJATSY, KA TSY MISOSOK’ALA
- ANTEOÑY TSY MEÑATRA ÑY HAMOSAVY....
- ANAKARA TSY MEÑATRA ÑY HIVADIKA....
- ANAKARA MANDEHA : MANDROSO IZY MITRÀTRIK'ANDRO, MODY IZY MITRÀTRIK'ANDRO.

5.2 – Ny Volañ’Onjatsy :



Fa rehefa vita ireo fizarana andraikitra voalaza tetsy ambony ireo dia nangataka hiteny kosa i ALI-TAWARATH Anakara, ka hoy izy tamin'izany:

“Talohan'ny hipetrahako eto Matitañana, dia nagnariary ( nitety faritany ) aho, ka saiky ny tenin'ny Onjatsy no maro mahalala sy maro mahay, izay hitako miasa amin'ny tany rehetra. Ka raha izaho no hieràña dia io fitenenaña io no laniko hatao fiteny eto Matitañana.”

Ka hoy ny Mpanjaka raha namaly sy nandray fitenenaña hoe :

" Efa nomeko anao avokoa ny fahefana momba ny zavatra rehetra tsy mikasika amin'ny tany, ka ataovy izay mety hahatsara sy hahasoa ny tany."

Ka dia izao ary ny ahy hoy Ali Tawarath :

" Na ambony na ambany dia izay ataon'ny Onjatsy añarany no arahina, fa ny tsy misy amin'izay voalazany no hataontsika izay ifanarahana hatao añarany, na ny tenintsika no hagasiana. Ohatra : Masoandro hoy ny Onjatsy dia atao izany no añarany , izay ihany koa no añarany hatrany amin'ny tany rehetra nandehanako. Izany hoe ity VOLAÑ’ONJATSY ity no teny hain'ny maro, ka tianay ho fiteny Malagasy mañeraña ny Nosy. "

Tsy voalaza eto avokoa izay voalazan'ny teo aloha hoe : VOLAÑ’ONJATSY , fa santatra vitsivitsy ihany no hambara amin'ny zavatra nisy teto talohan'ny nahatongavan'i Ali-Tawarath ; ( Boky tantaran-drazaña Anakara nosoratan'i Katibo Mahefamana Mosa tamin'ny taona 1973, pejy faha-15 ).

Koa izany no nahitana ny teny Volañ’Onjatsy ho fiteny Malagasy hatramin’izay ka mandrak’izao, fa teny Feno, ary azo ilazana teny maro. Mino izahay fa vitsy amin’ny olona mpikaroka ankehitriny no manaña sy mahita ity Volañ’Onjatsy ity.
 

5.3 – Ny Ady Sombily : 

Ny Ady Sombily dia añisan’ny ady fombo raha jerena sy henoina ny fitantaran’ny mpanoratra Razafindrasata ( Gazetim-panjakana 16 Avril 1918 ( vaovao Frantsay - Malagasy ). Ampianarina eny amin’ny sekoly Ambaratonga Ambony ( Oniversite ) izany. Hoy izy teo am-pitantarana :

“Ataoko fa ahafinaritra anareo mpamaky ny gazetim-panjakana ny mandre tantara fohy momba ñy Fokom-pirenena ity, inoanay mariña fa hahafaly ny zatovo Antemoro miely any am-pilàna ravinahitra no mahalala, fa vita mora ihany sy nilamina iny Ady Sombily iny. Tsy natao hamoha fota-mandry loatra no namoahanay ity tantara ity, fa fampahatsiarovana sy fitadidiana ny tantara ihany.

Koa mino izahay fa tsy ahabe fò, sy hahatezitra ny taranaka ny ahalalàna izany, na dia teo aza ny ratra sy alahelo tsy afaka ao an-tsaina, sy tadidy ao am-pò. Sady efa ela ihany koa anie izany è, fa raha tsaroanareo, ny Ady Sombily tamin’ny taona 1883 ka hatramin’ny taona 1887 vao azo lazaina fa nangingìna ny kotatàny, fa na dia nanimba fanañana maro, ary namoizana aina sy havaña betsaka, ary hareña maro, dia tsaroana tsy hay hadinoiña velively. “

NY ONJATSY TEO AMIN’NY ANTEMORO NO HANY MANANA SY TOMPON’NY SOMBILY, IZANY HOE : NY FAHAZOANA MAMONO OMBY ATAO SORONA, NA HANAOVANA JORO, ARY AVY AMIN’IZANY NO NANÀÑANY HERY SY HASIÑA HAÑORIÑA ENDRIM-PITONDRAÑA VAOVAO.

Fa ny MENA no mariky ny Fahefana sy ny Hasina ary ny fiandrianaña, fa ny Omby kosa no mariky ny Harena sy ny Fanañana ny Tany. Fa raha mbola tsy nisy loatra ny herin'ny vola teo amin'ny Foko Antemoro fahizay, dia ny Omby no natao hanaovana ny Soroña na ny Joron-dRazaña, na dia navela tanteraka aza ny Tantely ( na Fandrama ).

Noho izany indrindra no maha-sarobidy ny Hasiña sy ny Hery teo amin'ny Foko Antemoro, indrindra fa ny Onjatsy tompon'ny Sombily ao amin'ny Foko Antemoro araka ny efa voalazanay tañy aloha.

Taty aoriana anefa dia maro no tsy nanaiky ho olona na taranaka iray ihany no hanombily. Fa ny isan-tanàña na isam-pokony avy dia tokony hahazo hanombily ny omby hohaniny. Ary saika tsy nilamina mihitsy izany Ady Sombily izany, raha tsy nandray anjara betsaka tamin'ny fampihavanaña ny Foko Merina avy aty Antanàñarivo, dia ny Mpitondra Fanjakana Merina izany.

Nandefasan'ny fitondran’Andriamanjaka teto Imerina iraka ny Komandy Rabenjamina sy ny Komandy Andriantsarabika, araka ny voalazan'ny mpanoratra J. Ph. ROMBAKA ao amin’ny boky : - Tantaran-dRazaña Antemoro - taona 1957- izay saika mitantara betsaka ny amin'iny Ady Sombily mana-tantara iñy.

Niafara tamin'ny fiakarana taty Antanàñarivo mihitsy ny fandaminaña ny ady. Ka tamin'ny andro-dRanavalona II, dia nitaraina teo anatrehany tany Antanàñarivo ny Solontenan'ny Onjatsy (NDRIANAPERA sy RAMBOA ). Nañome rariny an'ireto Onjatsy izy, nefa mba tsy hisian'ny ady intsony, dia nomeny alàlaña hahazo manombily ny biby hoaniny ny foko tsirairay afa-tsy ny eny SARIRIMASIÑA ( SARIHIMASY ) izay ny Onjatsy irery ihany no Tompony.

Na dia teo aza izany rehetra nifanolàñana nandritra ny Ady Sombily izany, ka nisian'ny savorovoro, dia tsy naharava ny FIHAVANAN'NY FOKO ANTEMORO SAMY ANTEMORO.




TOHINY: zahao tantaran-drazana # 02


Fanamarihana manokana:


- Mpiserasera mpampita fotsiny ihany ny mpiandraikitra eto amin'i fanambinanamadagasikara.blogspot.com

- Loharano nipoiran'ny Tantaran-drazana # 01 sy ny tohiny Tantaran-drazana # 02 : 


Printsy Jobily RAKOTOSON

+261 32 04 748 14
+261 34 40 064 57

4 commentaires:

Andry Solofo a dit…

Tsara be ilay fandalinana ny tantarandrazana.
Mamporisika anao hanohy bebe kokoa

VahÖmbey a dit…

Mankasitraka indrindra. Soritako hatrany moa fa mpampita fotsiny ny tenako mikasika ireo Tantaran-drazana # 01 sy # 02.

Manasa ampitiavana antsika rehetra izay manana tahiry an-tsompitra koa ifampizara. Sady afahantsika miaina tsara kokoa ny ankehitriny izany no lova ampitaina anasoavana ny tanin-taranaka.

Anonyme a dit…

Mahafinaritra misaotra @ fizarana tompoko .

Landri a dit…

Ondananay hatramin'ny farany Ranandria rehefa misy teny hoe tantara a! Omban'ny tso-dranon'drazana hahefa be kokoa ianao