samedi 17 novembre 2012

TSY RARINY INTSONY KOSA Ê !


VAKIVOLANA

Kandidà amin’ny fifidianana Filohampirenena ny tenako sady mpanakanto - mpiserasera no mpanabe. Saingy ampanginiko ireo eto amin’ito lahatsoratra ito fa ilay Olompirenena misahirana amin’ny fanabeazamboa ny mahaolona no hiteny.


TSY RARINY INTSONY KOSA Ê !

Ito ambany ito ny vaovao voaraiko izao sabotsy 17 novambra izao avy tamin’i D’GARY. Mahanena ! Hoy ny aty Vakinankaratra izay. Tena ilàna TOLO-TANANA avy amin’ny Malagasy tsivakivolo.

Saingy ndeha aloha hifamarafara tsara.

Sitraka ho an’Andriamanitra Ray satria niato ny vono anjambany tany amin’ny faritra Betroka. Tratrantsika iny tanjona iny. Sady niasa ny anjely no maro amintsika no nanao izay vitany.

Aiza ho aiza isika izao ?

1. Fahalemana "fôpla"

Adidim-panjakana ny fampandriampahalemana. Tena ilaina mihitsy ny hazalambo ampiharin’ny herim-panjakana amin’ny fahavalom-piarahamonina. Mazava izany.

Saingy niteraka antambo izany, dégâts collatéraux, izay sarontsaronan’ ny fanjakana foibe. Koa ho ariana any ve ireo havantsika, longontsika niharam-boina tsy fidiny ?!

"E ra-fanja ‘ty miala pà, mody fanina amin’ny fôpla nataon’ny herim-panjakana sasany izay nivadika biby !?!"

Zahao ny lahatsoratra ery ambany mitantara ny zava-nisy sy misy.

Tsy rariny intsony kosa ê !

Tsy ny herim-panjakana no ilàna vaniny fa ny dégâny navelan-dry zareo ndeha re iaraha-manarina, tompoko ô.

2. Fakopakom-pôliFika

Rehefa notatatataintsika ny tsy rariny dia mitabataba amin’izay koa ny mpifikafika pôliFika sy ny forongony ! Zaran-dry zareo aza misy vorikitsaim-bahoaka ifandroritana. 

Mifampitorotoroka toa zaza ratsy taiza, mifanilakilaka nefa samy rangory fototry ny afo avokoa na iza na iza amin-dry zareo ireo.

Tsy rariny intsony kosa ê !

Aleo ry pôliFika mpitavana antambo hitabataba amin’ny haino aman-jery fa ny degâny vokatr’izany ndeha re iaraha-manarina , tompoko ô.

3. Mpangoron-karena iraisampirenena

Mibitabitaka ery ry mpangoron-karena iraisampirenena mitaingim-bozona ny mpifikafika pôliFika andevon-dry zareo. Ataon-dry zareo izay ahalao-monina ny sarambabem-bahoaka any an-toerana ! 

Tetehany ho bedaina avokoa rehefa harena na an-tsaha, na an-tanety, ambany sy ambonin’ny tany ka hatrany an-dranomasina. 

Ho kororohan’ity tany masin’i Madagasikara ity avokoa ireo ary tsy misy hahita tany isitrihana ! Matezà ny aina, ho hitantsika maso izany.

Saingy ny fijaliana manjo ny valala tsy mandady harona no laharam-pahamehana ho antsika mianakavy izao ankehitriny izao.

Tsy rariny intsony kosa ê !

Aleo ry mpangoronkarena mpanao salobokomana ho vaky tsinay amin’ny hatendam-patiny any fa ny degâny vokatr’izany ndeha re iaraha-manarina , tompoko ô.

MITANTARA i D’GARY

Dia toy izao ny tohin'ny resaka Betroka, satria nisy ramatoa fianakavianay zay tonga teto A/vo tamin'iny herinandro iny,zay avy ao amin'ny Fokontany VOROMIANTSA  no nitantara bebekokoa ny zava-nisy tany nandritry ny asan'ireo mpitandro-filaminana(forces spcecial).

-Rehefa hiditra amin'ilay tanana reo gendarmes-militaires dia mifehiloha mena daholo ry zareo, mifehy lamba mena koa ny eny amin'ny basin-dry zareo ary mifehy lamba mena sy mainty ny tanan-dry zareo havia-havana.

-T'isy fanontaniana an'i Remenabila fa tonga dia  mampihorohoro sy midaroka ,dia nisy tovovavy kely iray (13 ans) teny ambaibo(an-tsaha), notifirin-dry zareo fa tsy voa ary tonga dia nandositra tany anaty ala lay ankizy vavy kely ...roa andro izy vao niverina tamin'ny fianakaviany(roa alina tany anaty ala), nisy jabely (vao avy niteraka roa volana) tsy nomena bodofotsy fa lamba flanelle iray ihany fa dia niaraka tamin'ireo fokonolona tany anaty ala koa nandositra.

-Alohan'ny handoroan-dry zareo ny tanana dia alain-dry zareo daholo aloha zay entana saro-bidy toy ny "volamena-volafotsy(vangovango),lamba flanelle....zay tsy zakan-dry zareo dia atsipitsipiny toy ny lamasinina fanjairana ...dia rehefa avy eo odoran-dry zareo amin'izay reo tanana rehetra na ny lakilasy (ecole), hatramin'ilay drapeau-n'ecole, may daholo ny copie, ny bokin'omby (cahier de bovides),tahirim-bary, tahirim-balahazo....

-Ny tao amin'ny komitim-ponkotany ASELY ,dia nisy lonaky (olo-be) iray tsy nety nivoaka ny trano tonga dia nisintonin-dry zareo tao an-trano dia nokapohan-dry zareo tamin'ny vodi-basy, dia nofantsihan'ny tamin'ilay fantsika (tamin'ny latognambaravarana) ny lohany ,rehefa avy eo notapahin-dry zareo ny filahiany (ny sex), dia nampidirin-dry zareo tao anaty ny kidoro lay rangahy f'efa mitsipatsipaka dia nodoran-dry zareo amin'izay ary notifitifirina .

-Ny tany amin'ny komitim-pokontany Bekivozy sy ny tany amin'ny Fokontany MIARY dia nanaovan-dry zareo  ny tifitra lance-roquette,grenade.

-Ny foko Zafindrav'ala amin'iny faritry Dist-Amboasary-sud iny dia tena tratran'izany heri-pamoretana zany daholo ,ny tao MAROMBY ohatra dia betsaka no maty voa-tifitra .

Tsy mbola fantatra loatra ny isan'ireo nosamborin-dry zareo ,satria tamin'ny nanombohan'ilay dian-dry zareo hoan'ny  amin'iny faritry an-driry iny dia zay olona avy avy antsinanan'ny Betroka (an-driry),hamonjy tsena ... tonga dia samborin-dry zareo daholo.Tsy mahagaga moa fa ny mpitarika(guide) ndry zareo koa dia olona avy amin'ny foko antanosy,dia mandeha ny tondro-molotra.
Ka ny filazan'ireo havanay dia f'efa mahatratra 45 no isany nosamborindry zareo, ny telo amin'ireo d'efa nalefa Tsiafahy, tsorina etoana fa ts'isy vita fitsarana daholo reo rehetra reo ,ny vahoaka reo koa dia tena tsy mifankahita ny avy aty amin'ny vill-Betroka sy ny any ambanivohitra satria samy matahotra ,na dia ny samy any ambanivohitra torak'izany koa, na ny mpivady tsy mifankahita ,ny zanaka sy ny reny satria samy niparitaka any amin'ny zay andosirany (anaty-ala) .Mampalahelo !

Fa ny mahagaga dia fa nahoana ny foko Zafindrav'ala ihany no enjehina,dorona trano,vonoina...??? .

Ireo olona ireo dia an'ny anaty ala no matory hatr'izao satria mbola matahotra-be, dia ny hariva iny izy ireo no maka balahazo zay eny an-tsaha hohanina ,ts'isy lamba isaforana...nefa zao fotoanan'ny fahavaratra, hatramin'izao tsy mbola taitra ny croix rouge !

Dia ireto zany ny fitambaran'ireo Fokontany sy ny komitim-pokontany may (16) :

Voromiantsa, Miary, Bekivozy, Asely, Ambaro-atety, Ambaro-ambany, Mahatsinjo, Manombo, Agnezan-dava, Ambatomazaka, Morafeno, Egn'omby, Amboandelaky, Abetsizaray, Ambaibo, Ambalasoa .

Ny isan'ireo olona tsy mana-kialofana : 4557.

Fa raha ny mikasika ny eny amin'ny ilan'ny antsimo-andrefana-Betroka - CR-Analamary, Fok-Ankilimary dia tena habibiana sy fandraisana-tsolotra ka tsy ho voatantara eto fa efa misy ny PV zay  hatolotro anareo .

Dia mamerina fanindroany fa fisaorana lehibe no atolotro anareo," sitraka hoentina matory ka ho valiana isaky ny mahatsiaro ".

Misaotra betsaka amin'ny fiaraha-miasa .

Mirary soa

D'GARY

HAFATRA

Matoa isika mianakavy mamaky izao lahatsoratra izao mbola velon'aina dia manana adidy vitaina amin'ity Tanin-taranaka Madagasikara ity.

Atsipy ny tady an-tandroky ny omby. Atsipy ny teny am-pon'ny mahalala.

Mankasitraka, tompokolahy.
Mankatelina, tompokovavy.


VAHÖMBEY.



1 commentaire:

dominique a dit…

Ny Bara sy ny mponina aty atsimon'ny nosy dia olombelona toa ny malagasy rehetra ihany, ka mendri-kaja !