jeudi 15 août 2013

" Isika tsy maka lâgy am' zany ! "




Raha fanambinana no tian-ko lolohavina, mahasoa ny manao ombay làlana satria saropady ny atao an-doloha. Koa ndao ialàna ny disadisa, ny fifanafintohinana, ny fifampilàn-kisa… Na amintsika samy isika. Na amintsika sy ny vahiny. Na amintsika sy ny rajakom-bahiny. Indrindra amin’izao vanim-potoana sadasada izao. Mbola ankibon’ny omby izany fifidianana izany. Hisy sa tsy hisy ? Hanakory sy hanakory ? Sns.



Efa hatramin’ny jona 2009 aho no nandadilady fandriampahalemana koa namporisika tsangan-tsaina fotsy. Maro no namingavinga ahy noho izany. Tao no nanabatibaty tsotra izao. Saingy izao no izy. Hatreto aloha dia zara raha nisy ràn’olombelona latsaka teto Madagasikara. Ny mangozohozo ampitsanganana nohon’ny hanohanana no maro tsy tambo isaina. Misy ny maty saingy, sanatrian’ny vava, tsy faty miampatrampatra toa ny any Egypta ankehitriny nohon’ny raharaha Morsi.

Koa na iza na iza namporisika ahy, na mamporisika ahy, tsy izaho mihitsy no hitarika vahoaka sanatria ho atao sorona ara-pôliFika, na ara-pôlitika. Antony nandehanako irery niatrika ny vavahadin’Ambohitsorohitra izany tamin’ny alakamisy 13 jona 2013. Tsy ny te-hanaraka ahy teny tamin’iny andro iny, na ny namporisika ahy hiverina teny fanindroany sady diodinim-bahoaka, no tsy nisy. Koa tsoriko mazava etoana. Voalohany, safidiko ambatako tamin’iny no nandeha irery nosahalain’Andriamanitra. Faharoa, taranaka mpanazary voaàry aho. Te-ho mendrika izay nipoirako aho koa faran’izay sarotiny amin’ny ain’olombelona.



Matoa aho nanganika teny Ambohitsororohitra tamin’ny 13 jona 2013 dia namafa ota ihany koa ny habibian’ny 07 febroary 2009. Fanta-poko, fanta-pirenena fa mpikarama an’ady ivelan’ny lapa no nitifitra voalohany avy tao andamosim-bahoaka koa niantsy ny valin-tifitra avy tao Ambohitsorohitra. Loza aman’antambo iny 07 febroary iny. Aleo ho baben’izay nahasahy azy koa ifanodiavan’ny taranaka fara-mandimbiny.


Ho an’ity Madagasikara tanindrazana tanin-taranaka ity dia tsy maintsy natao izay tokony natao amin’ny maha-malagasy mahalala ny tokony atao. Noho izany, ny sasa fady tamin’ny tany aman-danitra tsy maintsy natao antoandrobe nanahary imasom-bahoaka. Tsy nila fombafomba nisampisampiana na nodiodiana izany. Tohivakan-teny mahavaky tany mahaloa-danitra. Izay no nilaina namerenana an-dohany. Ny fandavorariana laoniny dia adidy tohaka an-delan’ny mpanazary, tompokolahy sy tompokovavy. Koa hatreo ny amin’iny.


Amin’izao toe-draharaha pôlitika mahavalalanina ny besinimaro izao dia tsotra no ambarako. Aleo hirotsaka avokoa ny rehetra. Amafisiko etoana ny fankatoavana efa nataoko tamin’ny famoahan’ny CES ilay lisitra nampifandrirotra, nahafoana ny fifidianana tamin’ny 24 jolay 2013.

Raha ny rariny sy ny hitsiny no tena itsongolohana hatramin’ny antsipirihany indrindra... Raha ho sarotiny ara-penitra isika koa hanilika azy telo mianaka dia tokony endahana avokoa ireo

- nitsikombakomba sady nanararaotra ny fanongam-panjakana tamin’ny 2009. Na ireo efa tao vao mody nialangalana, na ireo mbola mitampikitra ao hatramizao. Feno azy ireo, miandahy miambavy, ao anaty lisitrin’ny kandidà filohampirenena ao.

- manararaotra fahefam-panjakana amin’ny maha-minisitra, CST, CT, sns. Samy mangala-tety avokoa ireo, sady mitavana hasasaram-bahoaka no manao sisik’ila prôpagandy alohan'ny fotoany. Firy volana sy firy taona ireo izao no efa gisa mpangala-ketsa ?! Dia ry zareo mpambotry kamboty indray ankehitriny no avo vava ?

F'angà vitan'izay ?

Ry zareo fototrin’ny disadisa eto Madagasikara sady mpanao sonia ny feuille de route anie ka voasolo tena ao amin’ny CES vaovao ê. Ny mpandiso vilana mihitsy ity no voahosotra ho mpitsara ! Aok’etsia !! Ma’pmé, hoy ny fiteny tanora izay. Tena ma’pmé bé !!

Fiteny tanora no amaramparanako ny soratro : « Isika tsy maka lagy am’zany ! ». Tsangan-tsaina fotsy io. Fanambinana an-doloha. Na ho masoandrobe mamaky loha sola aza, maneno ny antsiva rehefa antànan-tompony. Samy manana ny rano nandroiny. Misy dikany matoa voatahirin-tantara ny anaran-dry Gandhi, Guevara, N’krumah, Lumumba, Sankara, Mandela, …


Anamarihantsika izao andro assomption izao na dia tsy katolika aza ny tena fa protestanta, na dia tsy kristianina avokoa aza isika rehetra mamaky izao lahatsoratra izao, dia ireto misy rohy anankiroa ampitoviantsika tadin-dokanga.

Trafonkena ome-mahery, tompokolahy sy tompokovavy. Am-bava omana, am-po mieritra.

THRIVE : Mais que faut-il donc pour prospérer ?



DEFIANCE POLITIQUE : lutte non-violente à buts politiques. Paix, liberté et justice sociale.
Gene Sharp  DE LA DICTATURE  À LA DÉMOCRATIE .
Un cadre conceptuel pour la libération

http://www.aeinstein.org/organizations/org/FDTD_French.pdf