lundi 2 mars 2015

Tokantrano, tsy ahahaka.

Safidiko manokana ny hanoratra ito lahatsoratra ito amin’ny teny malagasy satria raharahàn-tokantranontsika Malagasy. Tsy ahahaka. Efa be izay varoboba rehefa tsy voaroba izay. Hany ka isika mianakavy no sanatria mivarina ho tompony mpangataka atiny.


Mizara telo ny lahatsoratra : Alimanaka malagasy – Azo heverina… - Rakitry ny ela.

Alimanaka malagasy

Araka ny tetiandro, miompana amin’ny hetsi-bolana, arabo milaro gasy ambaran’ny boky voatahirin’ny mpahalala any Atsimo Atsinanana dia mandia ny volana Alohotsy isika izao ankehitriny izao. Io tetiandro io no manondro ny ALAHAMADY amin’ito fem-potoana voalaza eto ambany eto ito: 20 MARSA 2015.

Source: Facebook.


Araka ilay tetiandro hafa kosa dia Alakarabo izao volana diavintsika izao. ALAKAOSY, ho azy io, no mifanitsy amin’ny fem-potoanan’ny 20 MARSA 2015. Ito tetiandro ito kosa izay miompana amin’ny fampandrindrana ny hetsi-bolana amin’ny hetsi-masoandro dia  jiosy milaro gasy no ifotorany. 

Ny mpiaradia tamin’ny dokotera Rakotonirainy mpiandraikitra fahiny ny ivotoeran-kolontsaina malagasy tetsy Soarano no namaritra an’ito tetiandro voalaza ito. Mbola any amin’ny tapatapaky ny volana jolay any ho any vao hipaka ny Alahamady ho azy ito.

Amin’izay Alahamady amin’ny jolay ho avy izay dia Alahasaty no atondron’ilay tetiandro arabo.

Marihana fa samy mandramby ny fotoana niampitàn’i Moshe ny Ranomasina Mena ho fiandoham-panisàna ireo tetiandro roa ireo.

Peinture sur mur et crédit photo: Vahömbey

Azo heverina…
Azo heverina ho fotoan-dehibe izany ito ALAHAMADY amin’ny 20 marsa ito. Indrindra fa ALAKAOSY no hifanandrify aminy raha ampitahaina amin’ilay tetiandro jiosy. Mifanandratra ireo vintana roa ireo. Tsara izany ho an-draMalagasy.
Araka ny fiheverako manokana dia midika hatsaràna izany. Antony: mahery vaika ny Alakaosy noho izy mpampihoitra ny Alahamady. Izay rahateo no anisan’ny antom-pisiany. Noho izany, tokony mampanjary raharaha ankapobeny io fifandrifiam-bintana amin’ny faha-20 marsa io.
Ny ankamaroan’olona dia malaky velon-tebiteby amin’ny Alakaosy. Saingy ahiako ho hadisoana izany satria fijery mitampina ila. Mila fandinihana lalina io resaka Alakaosy io satria mampinompino foana ny tsy fahampiam-pahalalàna. Koa aza miroaroa saina velively raha Alakaosy ny vintanao, na ny an’ny zanakao, na ny an’izay mpifanapaka aina aminao. Fahasoavana izany teraka Alakaosy izany. Tena fahasoavana tokoa.

Peinture sur mur et crédit photo: Vahömbey

Azo heverina ho fem-potoana makadiry ny elanelam-potoana faha-20 marsa hatramin’ny tapatapaky ny volana jolay. Mibaby fahasoavana tokoa ho an’izay ambinin-java-manasatra. 
Ny atao hoe ambinina dia izay mahafehy tena, mandranitra maraintsihariva sady andro aman’alina ny mahaolona azy. 
Ny hoe misasatra dia ny mifanohitra amin’ny fahazaran-dratsy miandry kitapo latsaka. Noho izany, mahavatra mamorona lalandava, miainga avy amin’ny tsy mbola àry saingy efa masaka tanteraka an’eritreritra. Hany ka ny fanatanterahana no ela dia io fa mivaingana ilay nonofinofisina.

Peinture sur mur et crédit photo: Vahömbey

Azo heverina fa hihilana izay herijika izay aorian’ny tapatapaky ny jolay satria salovanin’ny maramaran’Alahasaty ilay fankalazana Alahamady. Saingy ny tokony tsaroana lalandava dia ity. Na ahoana, na ahoana ny firafitrin’ny herijika mikoriana amin’ny voaàry dia manan-tombo lalandava ra-olombelona tsy mitsaha manefy ny mahaolona azy.
Izay eritreritrao ihany, izay eritreritrao hatrany no mihatra amin’ny fiainanao. Izay ifantohan’ny eritreritrao ihany ! Mamisavisa ratsy ianao dia ratsy no misy eo. Manantena tsara ianao saingy mangozohozo finoana ka ny ratsy no mibahana any ampara-hatoka dia ratsy no mitranga eo. Noho izany, tereo ny ampara-hatoka tsy hiondana afa-tsy hatsarana. Vao miserana ny ahiahy dia fafao. Sesefo hatsarana ny ampara-hatokao.
Mahavàra meritreritra lalandava tsy ankiato ny tsara sy ny mahasoa ary ny mahafinaritra. Dia ny tsara sy ny mahasoa ary ny mahafinaritra ihany no mitranga. Somary mihilana ny herijika ankapobeny ? Mety maozamaozatra kokoa ny sedra saingy fadio ny miraviravy tànana. Miezaha ! Tsy hoe malaindaina ampidi-drano ny saobakaka dia iny koa ianao fa hitondrevaka hanjeny vintana hiarina. Aok’etsy ! Anao ny fanapahana. Miarena, tontosao ny soa kinasanao.
Aleo izay sadasada saina sy marivo fo ary marefo fanahy hibaby izay tandrify azy na ho viravirain’ny herijika mihilana aza. Ny anao atao tsara mba ho tahafiny. Dia izay. Tapitra eo ny andraikitrao. Aleo koa ny hafa mba hianatra hahay haka traikefa. Tsy noforonina hisolo vaika an’iza na iza velively ianao.

Peinture sur mur et crédit photo: Vahömbey

Azo heverina ho hafakely ito taona ito sy ny sisa handimby eo.
"Vao tamin’ny 19 febroary 2015 tamin’ny 2 ora sy 47 minitra ary 15 sekondra lasa teo no nifanandrify tamin’ny endrika manokana ny volana sy ny masoandro”, hoy ilay namana mpiangaly torohay tsy andrian’ny sain’ny besinimaro. Olo-mahay sady lalim-panahy io namako io, tena hajaiko fatratra koa aleo tsy tononiko anarana.
« A propos de la date du 19 février 2015, j'explique pour ceux qui veulent comprendre pourquoi ce moment précis. Ce jour, à 2:47:15 précis, la lune et le soleil seront en conjonction (ensemble, alignés) au 0° précis du signe très puissant des Poissons, dont le degré thébaïque est l'image d'un roi assis sur son trône. C'est très rare, de voir pareille copulation des deux luminaires sur ce 0° des poissons. Très, très rare. Quand les deux luminaires sont en conjonction, le pôle positif et le pôle négatif inhérents à la structure de l'univers sont en copulation, c'est-à-dire que, à ce moment là, l'univers met à notre disposition, pendant 20 mn (indray maha masa bary) une énergie toute spéciale, celle avec laquelle, l'univers lui-même, crée ses programmes. Évidemment, ce n'est qu'un point de vue. »
Dia hoy aho nanome fanampim-panazavana tany an-kafà:
“Données astrométriques obtenues de manière empirique par transmission intergénérationnelle du savoir consigné par écrit à l’usage exclusif des initiés de grand ordre : conjonction rarissime des luminaires ; amorce de reprogrammation au niveau de notre Galaxie, celle où se situe notre système solaire. Effet prévu : énergie spéciale durant 20 mn. »
Tena anaty fiandohana « reprogrammation galactique » izany isika io ankehitriny. Anjaran’ny tsirairay no mamisavisa izay dika manokana tiany omena an’izay. Miato eo amin’ny fampahalalàna no anjara raharahako eto.
Anatin’io lôjikan’ny “reprogrammation” io dia mahalasa saina ahy manokana eto ampanoratana izao ny voina mahavaky fo mihatra ao Antananarivo.  Azo nosorohana io, tompokolahy sy tompokovavy. Tsy afaka ny tsy ho velom-panontaniana aho izay efa nanoratra tato amin’ito blog ito hoe “Manivana ny tany, mikororoka ny voaàry.”
 Manampy trotraka an’izany ny lahatsoratra vao nosoratan’i Vanf hoe “Miverina amin’ny taniny ny rano”. Efa an-taona maro no nifampiresahanay manokana an’io, isan’ny antony saika nirotsahany ho ben’ny tanànan’Antananarivo mihitsy io tamin’ny fotoan’androny mba afaha-manapakevitra ara-panjakana. 
Rohy: http://www.lexpressmada.com/blog/opinions/miverina-aminny-taniny-ny-rano-25396
Inona moa no mbola azoko atao indray ? Nanoro toa izao ataoko izao aho, zara fa nisy nihaino. Nirotsaka fidiana ho Filohampirenena mihitsy aho nikasa hanova zava-maro tanatin’ny fotoana fohy satria nitambesatra tamiko avokoa ny zava-pantatro tsy tsinjon’ny ankamaroan’ny olona.
Nanao izay afako aho, n’inon’inona sakana natrehana, niavonan’ny mpifidy. Koa ataoko ahoana intsony ? Tsy ho an’ny haja amam-boninahitro na filako vola aman-karena manokana anie no nirotsahako fa noho izaho nasesika adidy ê. Nasesika adidy satria nahatsinjo zava-takona nialohan’ny ankamaroan’ny olona.
Tototra alahelo aho io mizaha ireto fahoriana mifanesisesy izay azo nosorohana raha olom-po amam-panahy no nitondra firenena. Izao aho vao tena mahatsiaro ho resy fa tsy tamin’ireny fivoahan’ny vokam-pifidianana ireny. Tena mandratra ahy lalina dia lalina ny manjo ny olona. Mandraiky mandretaka ampandriana mihitsy aho saingy mikiry miarina satria misy tokony hambara. Sitrany ahay mahasoa ny hafa. Ny anio ho vita ihany fa ny ampitso tsy maintsy tsinjovina.

Peinture sur mur et crédit photo: Vahömbey
Azo heverina fa indray andro any dia hifanojo ireo tetiandro roa izay mifanila ireo ankehitriny. Hisy dia hisy tokoa izany daty malaza izany, tompokolahy sy tompokovavy !
Amin’ny 19 marsa 2026 no iraisan’ireo Alimanaka roa ireo, arabo ara-bolana sy jiosy ara-bolana ara-masoandro, ny fotoanan’ ALAHAMADY.
Goavana dia goavana ho an’ny Firenena Malagasy io Alahamady iombonana io.
Raha samy mahatandrina ny tandrify azy avy Ra-Malagasy isambatanolona, indrindra fa ireo efa vory saina amam-panahy, dia hiranga Madagasikara manomboka eo. Afaka SIVY taona fotsiny anie izany ê.
Koa samia velonaina, velon-driaria mba higoka an’izany isika mianakavy. Indrindra isika rehetra efa bebe taona izay mimatimaty mikolokolo ity firenena ity. Nandaozantsika vady aman-janaka tamim-potoan-tsarotra, nandavantsika kolikoly vola aman-karena tokony nampanefoefo, nihafiantsika rabirabiraby sy fanaovan-tsinotsinona izay nitotototoantsika, …
Raha ny tenako manokana no eo amin’ny toeram-panapahana ara-panjakana dia afantsiko amin’io daty io ny Asaramanitra ara-panjakana. Io hatrany no ankalazaina isan-taona. Sady io rahateo afaka manamarika ny loham-pararano fiotazam-bokatra. Isaky ny 19 marsa: fiandohan’ny taona malagasy. Akatroka eo ny “marketing” amin’ny lafiny manontolo: culturel, social, économique, commercial, touristique, etc.
Eritreritra moa ny ahy iny. Raha tsy anjarako ny manatanteraka izany, sao mba tontosan’ny hafa. Izaho rahateo malaina ho be kibo koa fadiako ny mitelin-kafatra.
Tsy manakana ny tetiandro hifandimpatra indray izany avy eo koa samy mankalaza ny azy manokana araka izay safidiny. Fa ny an’ny fanjakana dia ny 19 Marsa. Afaka 33 taona tsy maintsy hifanojo indray ireo Alimanaka roa karazana. Dia hahitsy indray ny datim-panjakana amin’izay fotoana izay, mandrapahadiavana ny 33 taona manaraka. Dia toa izay hatrany.

Peinture sur mur et crédit photo: Vahömbey

Rakitry ny ela
Fahiny, hono, dia nanome làlana izay vahiny nipàka teto Madagasikara hatrany ny vazimba andohan-talily hatry ny fahagolantany. Na hatrany atsinanana ireo toa ny nambaran’ingahy Dama-Ntsoa, na taranaka arabo niorina tao Atsimo Atsinanana, na taranak’Israely. Marihako manokana fa tsy izay mitonona ho jiosy rehetra akory dia mpifototra andoharanon’Israely avokoa. 
Rehefa ela ny ela, tafakatra teo antampon’Imerina ny vahiny. Teo amin’ny toerana namaharàn-dry Andriampirokana fàka amam-pifotorana. Eo no IVON-DAFIVALON’i MADAGASIKARA. Taty aoriandriana, teo no nandatsaham-pototra Alakaosy ny lapan’i Besakana. Ho an’ny mpiangaly dinika rohotany dia eo no IVON’NY IVO.
Koa samia masina an-taniny satria avoakako eto izao ny fototry ny rohotany ho anay taranam-bazimba ankolafin’Alahamadintany tatsimo rangolahy. Hahasoa, hahatsara anie satria ela ny ela, ny aina tsy mifametra koa sao sanatria hahadiso amin’ny taranaka faramandimby raha indaosin’ny varintsimifody ny tena nefa tsy nafahàm-bela.
Aoka etsia ny hanao toa ilay ingahibe nandevin-tehina fampodian’ombimanga hatrany Sakalava tamin’ny indray teha-tehina satria tsy mba nanam-pandova hay nitokisana.
Marina ito atoroko ito. Dia marina. Hahasoa, hahatsara izay mifantoka aminy.
Diso dia diso. Tsy hamingan-tsy hamolaka ny hafa satria ambaben’ny tompony hatrany.
Samia tahian’Andriamanitra, hoy Ikaky Ravaho.


Elément d'archives strictement personnelles fourni par un spécialiste malagasy du SIG.
Tous droits réservés.

Tovan-dahatsoratra:

Voaray ny zoma 06 marsa 2015 avy tamin'ilay namana mpahalala izay manizingizina hoe: "Tsy mitoky teny fantatra velively." Anjaran'ny tsirairay no manadihady sy mandinika ary manapaka izay heveriny ho sahaza ny tenany.

« Position de la lune le 21 mars dans le signe du bélier en fond la constellation des poissons. Il faut attendre le 22 mars pour trouver la lune dans la constellation du bélier, c’est pourquoi les Anakara placent la nouvelle lune du bélier le 22 et non le 21 comme le fait le trano kolotoraly malagasy. »


Constellation du Bélier pour le 22 mars 2015. Visuel fourni par un connaisseur.

Aucun commentaire: