mercredi 28 janvier 2015

MAHA-OLONA sy mahaolona

Lahatsoratra somary mavesabesatra saingy mety mahafintina ny fampianarana nisahiranako fahiny teny amin’ny anjerimanontolo no zaraiko eto.

Hoy ny raimandreny Dzaovelo Dzao-Robert:
Olombelona = singa anaty voaàry => Olombanona = beazin'ny fiarahamonina => Olonkendry = mahatefy tena.
Notohizako io lôjika io. Olombelona => Olombanona => Olonkendry => OLONA.
Rehefa mahatefy tena dia vanon-ko Olona. Io zotra io no atao hoe zotran'ny mahaolona.
Iza ilay Maha-Olona ? Andriamanitra-Andriananaàry manjaka ao am-po koa maha-Olona ny Olona.
Jery iray mifameno amin'io ihany koa ito ho velabelarina ito:

                                                                     ANJARA
MAHA-OLONA = ( VINTANA x LAHATRA ) 

Alaivo ambony, alaivo ambany dia itaro, tompoko, raha mampazoto.

"Ra-OLONA"
12 septembre 2010, 23:47

BEzoro, tompoko.
Miarahaba, tompokolahy.Manaja, tompokovavy. Salohy ombàm-pirariantsoa ê. N'aiza n'aiza lafi-tany onenana, na andafin-driaka na eto an-toerana.
Ny fisahiranana tamin’ny "Coaching: Fanabeazàm-boa ny mahaolona " an-taona maro izao atoro eto izao. Na nandritra ny "consultance" ho an'ny "gestion des ressources humaines" ho an'ny orinasa liana amin'ny fankatoavana ny maha-malagasy izany. Na fizaràna traikefa teny amin'ny sehatra fampianarana anjerimanontolo. Hatraty amin’ny fampitàna haizatra anivon’ny tontolon'ny "Do" maha-Karatédo ny karaté.
Toa izao no fototrin’ilay làlan-kevitra araka ny fiheverako manokana.

                                                             Ego
PERSONNALITE = ( Nature x Milieu )
Personnalité = Nature à multiplier par Milieu. Et le tout, à la puissance Ego.

"Formule" natoro anay fony nianatra Psychologie io nandritra ny fianarana Philosophie.Tsy idirantsika intsony ny fanazavàm-bahiny nipoirany izay mety efa manavanana antsika. Ireto kosa ny tombony azo anampiana izany ho antsika Malagasy.

SORIKEVITRA VOALOHANY

- P ( Personnalité ) dia ny maha-izy azy ny tsirairay, ny maha-tena ny tena.

- N ( Nature ) dia ny VINTANA. Ankoatran'izay nolovaina tamin-drazana nipoirana izay ao anaty rà-n'ny tena toa ny toe-batana, endrika, sns. Io vintana io no mamaritra ny tena tsy fidiny. Zahàna eo ny andron'ilay olona. Izany hoe tsirihana avy amin’ny fotoana sy toerana nahaterahany.
Rohotany no ifantohana entina hamaritana ny andro: alahamady, adaoro, adizaoza, asorotany, alahasaty, asombola, adimizana, alakarabo, alakaosy, adijady, adalo, alohotsy. Izay no antony ilàn'ny mpahay azy ny famantarana ny ora sy minitra marina nahaterahana.
Mety miampy fitokoan-tsikidy koa, ho an'ny tena maranitra, entina izahana izay ifaningorana amin’ny toerana nahaterahana (firenena - faritra - tanàna - trano - zoro tao antrano na hamonto anebakeban-tany).
Izay, ohatra, no maha-saropady fatratra ny hoe "Oviana ary taiza no nalatsahan'ny tavony ?" Tohiny: " Taiza ary oviana no nasitrika ny tavony rehefa latsaka ?"
Fikatsahana ny "Probabilité" ateraky ny "entrecroisement des données temporelles avec les indicateurs spatiaux" angà no mety azo ilazàna azy ?
"Subi" fa tsy "choisi". Izany hoe mihatra tsy ankifinidy ny vintana.
Tsetsatseta tsy haritra: mampandinin-tena eto ny atao hoe "accouchement provoqué". Saingy aleo iny idivirana satria asakasaky ny tsirairay loatra.

- M ( Milieu ) dia ny fibeazana anivon'ny ankohonana, ny fianakaviana, ny fiarahamonina manodidina, ... hatramin'ny firenena sy ny bolabolatany ary ny voaàry iray manontolo.
Io kosa no mifanandrify amin’ny antsoina hoe LAHATRA.
Iza no alain-tahaka ? 
Inona no lasitra ivoirana ?
Manakory ny fanefena toetra amam-pisainana voaranto sy ilofosana ? 
Milahatra amin'iza ny tena, atao ohatra velona alain-tàhaka dia ihoarana, na ahilika tsy itoviana ? 
Manakory ny fandaharan'ny hafa, na ny toe-javatra, ny tena ? 
Aiza ny laharana raisina, na tian-ko savihana ?

- E ( Ego ) io no ivo-atin'ny tena. Fonosana mitahiry ny haren-tsarobidy indrindra: Ny feon'ny fieritreretana.
Misy moa no variana eo amin’ny fonosany fotsiny koa tia tena tafahoatra, bontolo be fotsiny. Misy kosa ny mahavatra mamaofy, koa mby hatrany amin’ io ivo-atiny voalaza io.
Ao no lapan' Ny Masina. Tahirin'ny hasin'ny olona ny Ego. Io ilay antsointsika hoe ANJARA.
Avy ao no miainga ny safidy, ny "libre arbitre". Izay mahavaofy io anjara-ny io no tena mahatomombana ny sori-dia mahaolona feno. Ny lahasa famàofana azy io no antsoina hoe Manazary.
Izay tonga Mpanazary lalina indrindra ao an'ivo-atiny ao, koa mahazara fitiavana sy fahasoavana ary fanambinana eo amin’ny manodidina azy, …Tafapàka any amin’ny fara-atin'ny ati-boàfany ny fiorenan'ny maha-izy azy: Zanahary.
Ny mpanazary maharoboka lalina tanteraka eo ampikatsahana ny tenany, araka io voalaza io, dia tafaranga ho ZANAHARY tokoa.
Izay, Ra-Olona, ilay foto-dresaka.

FANAMARIHANA ambàtan'ny mpampita hafatra:
1. Aoka isika ê, hitandrina. Tsy tokony omena olona mampiahiahy mihitsy ny ora sy minitra naterahana. Toa izany koa ny mikasika izay antsipirihan-toerana nahitàna masoandro. Saro-pady loatra ireo !!! Sao sanatria an-tànan'ny mpamiravira bingo fisainana koa mety ho antambo.
2. Nandalina mikasika ny fanandroana nandritra ny fotoana nisinisy ihany moa ny tena. Ary ny sikidy dia "unité de valeur" mihitsy tamin'ny Anthropologie fony mbola tany andabilio.
Efa azo informatiser-na izany rehetra izany ankehitriny satria "données physiques" azon'ny "logique mathématique" babena tsara ireo.
Ny "capacité intuitive" no tombony manokana ho an-draolombelona arakaraka izay fahafolahan-tena voasedrany.
3. Ny tenako manokana dia efa niala tanteraka an'izany mamantapantatra ny ho avy izany. Tsy mila izany intsony aho ankehitriny. Efa naleviko impito mandifotra olona izany. Ampy ahy ny fiainana feno fahatsorana. Tsy mila misikidy intsony. Tsy mila manandro intsony. Manazary ampaha-mendrehana dia izay. Mpanazary mifampitantana amin'ny anjely. Izay no safidiko ahy manokana ho an'ny fiainako.
Tsindriako mafy etoana fa tsy mila mandalo fahaiza-manandro na fanokoan-tsikidy velively akory vao afaka manazary. Sehatra tsy voatery fantarina akory ireo.
Saingy izaho moa olona be holikolika izay fahiny no tia karokaro-tsaina tsy ankiato, zary lasa nihoam-pàpana. Zara aza tsy very fanahy mbola velona tany !!!
Fo mazava, saina madio sy vatana tomady ary fanahy malefaka. Izay ihany no takiana. Dia izay. Ampy izay, ahatongavana Mpanazary marina ara-drariny.

SORIKEVITRA FAHAROA

Ohirintsika koa ny ankilatakiban’ilay làlan-kevitra teo aloha teo iny ?

PERSONNALITE = Maha-Olona. Andriamanitra-Andriananaàry io Maha-Olona io. 
Izy no mitrotro aina ilay Zanahary anatintsika tsirairay avy...
koa lasa ny tenantsika mihitsy izany rehefa tomombantsika ny fampirangàna azy.

Nature = Maha-Olombelona. Isika ilay nateraka.

Milieu = Maha-Olombanona. Isika ilay tsy mitsaha-beazina.

Ego = Maha-Olonkendry. Isika ilay maha-tefy tena tsy ankiato.

Hatreo ve aloha, Ra-Olona ? Eny, marina. Fadiana ny be ambava sao sahiran-kiherotra, hono, ny fo ê.

Rehefa te-hanala hamohamo dia zahao, azafady indrindra, ao amin'ny Facebook ny pejy Vahömbey. Pendeso ilay hoe "My band". Azo télécharger-na ankalalahana ao ilay rakikira navoakan'ny tarika tamin’ny taona 2009: iKAKY.
Irina koa raha irina hahavatsy fanambinana izay mahatohan-tsofina azy. Sady mba an-kira fa tsy tosa-teny lavareny !
Misy hira tsotsotra kely mahafinaritra izay ao. "Mpanazary" no lohateniny.
Veloma indrindra, Ra-Olona.
Soavatsarà koa alavirim-parofy, ihavonan-tsiasia, mikasa mahavanona, mizara mahazary, ifanontofan-karena, ambinim-pisasarana, ... Velon-driaria arivoarivo taona, henin-kaja lolohavim-bonin'ahitra. An-tanàna mamim-bahoaka ê. Ampandehanana tsinjovim-pitiavana.
Tahian'Andriamanitra lalandava ny mpianakavy, tompokolahy sy tompokovavy.
Mankasitraka hatrany,
VAHöMBEY.
Asaramanitra 2010.
Antsirabe, MADAGASIKARA."

Atsipy, tompoko, ny teny ho ao am-pon'ny mahalala.

SALANITRA NY AMBANILANITRA: 
https://www.facebook.com/groups/1374295612880880/permalink/1374437012866740/

Aucun commentaire: